Alahady faha-14 mandavan-taona Taona A
- Zakaria 9, 9-10
- Salamo 144
- Rômana 8, 9.11-13
- Md Matio 11, 25-30
I Jesoa : be fitiavana sy malemy fanahy.
Eo amin’ny fiaraha-monina dia ifandrombahana ny toeram-boninahitra, ny “place d’honneur”, ny ho ambony kokoa noho ny hafa, ary na dia ireo mpianatr’i Jesoa aza, na ny taloha na ny ankehitriny, dia mety hanana faniriana handrombaka ny toeram-boninahitra. Vokatr’izany faniriana izany ny herisetra izay miseho amin’ny endriny maro samihafa: ny fanaovana am-pihomamba sy tsindrihazolena, ny fifanaratsiana na amin’ny tambajotran-tserasera na amin’ny vava tsy tsaroana eny anivon’ny fiaraha-monina (sosialy sy fianakaviana), ny fanararaotana ny madinika sy ny ady…
Tsy maniny ny faniriana ho lehibe i Jesoa fa kosa mampahatsiaro ny mpianany fa ny fanompoana no fenitra hamarana ny halehibeazana. Arakaraka ny endriky ny andriamanitra tompoina anefa no hamaritana ihany koa ny toeram-boninahitra tadiavina. Tamin’ny andron’i Jesoa, ireo Jody mpivavaka dia nanompo ny Andriamanitra lehibe noho ny andriamanitra rehetra (Eksaody 18, 11), ary Moizy dia nirehareha fa ny Andriamanitr’Israely dia “Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra” (Det 10, 17).
Tsy ny halebeazan’Andriamanitra sy ny fahamboniany anefa no olana fa ny mety ho fiheverantsika izany halehibeazana izany. Andriamanitra mamirapiratra miaraka amin’ny tafiny tontolo hanamontsana ny fahavalo nanjanaka azy no nandrasan’Israely, satria izay no toetsaina nifanaraka tamin’ny an’ireo tontolo manodidina, saingy zazakely mitomany, olon-tsotra tsy misy hiavahany amin’ny hafa, tsy nitaingina afa-tsy ampondra kosa, ka voaheloka tamin’ny fahafatesana mahafa-baraka no nanehoan’Andriamanitra izany hatsaram-pony sy fitiavany izany (Mt 21, 5-7). Ho an’ny Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy dia ny mamela heloka sy ny mamindra fo no anehoany ny indrindra ny fahefany (Vavaka fangatahana alahady XXVI) ka iantsoany ny olombelona mpanota tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny hatsaram-pony (Vavaka fisaorana fampihavanana I).
Ao amin’ny vakiteny I, i Zakaria Mpaminany dia mampanantena hafaliana lehibe ho an’ny zanakavavin’i Siona, izany hoe ho an’ireo mahantra mpitsoa-ponenana avy any Samaria ka niorim-ponenana tao ambany avaratry ny tanànan’i Davida (Siona) taorian’ny fandravan’ny Asiriana ny tanànany ny taona 721 a. C. Manahirana ihany ny mampanantena hasambarana ho an’ny olona efa milavo lefona. Ny anton-kafalian’izy ireo moa dia ny fahatongavan’ny Mpanjaka marina sy arovan’Andriamanitra: יָשַׁע (yasha`) dia mandresy, victorieux, no nandikana azy amin’ny teny frantsay (azo ampitahaina ny BJ – TOB) fa io arovan’Andriamanitra io no tena mahadika azy. Tsy ny hanampy ny fitaovam-piadiana hifandringanana amin’ny ady sanatria no fandresena ho azy fa ny hamongotra ny kalesy sy ny tsipìka fiadiana ao amin’ny tanàna masina ary izany no tanjon’io Mpanjaka ho avy io. Izany no hahafahana mampanjaka ny fiadanana eran’ny tany rehetra.
Ny fanamasinan-tena, ny fiezahana ho lehibe, araka izany, ho an’izay mino ny Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy dia hiezaka koa hampanjaka izany fiadanana izany, ary mahavelom-pisaorana, hoy ny Salamo 145 satria marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra, izany hoe lala-mahitsy hahasambatra no atorony ary famindram-po hatrany no anohanany antsika olombelona be siasia. Na eo aza anefa izany toky amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra izany dia tsy mandeha ho azy ny fanamasinan-tena satria mila famolahana ny sitra-po sy ny fahazarana. Ny tsirairay moa samy manana ny tantaram-piainana namolavola azy hiatrika ny tsiambaratelon’ny fiainana ary samy manana koa ny olana sedrainy eo am-piatrehana izany.
Anisan’ny sakana tsy hahavelona antsika hoy i Md Paoly ny tsy fananana ny Fanahin’i Kristy mitoetra ao amintsika. Ny tiany hohamafisina dia hoe tsy zavatra azon’ny olona hotratrarina amin’ny herin’ny vatany mora maty ny fahatratrarana ny fahalavorariana izay loharanon’ny fiainana mandrakizay. I Jesoa rahateo no milaza fa tsy hahefa na inona na inona izay tsy miray aina Aminy (Jn 15). Izany no tsy maintsy hamonoana amin’ny asan’ny Fanahy ny asan’ny nofo amin’ny fanomezana an’Andriamanitra ny toerana tokony ho azy.
Ny tapany voalohany amin’ny Evanjely dia maneho ny Vavaka fisaorana ataon’i Jesoa manoloana ny zava-mitranga eo amin’ny fiainany. Mba hahazoantsika tsara ny hevitr’izany vavaka nataony izany anefa dia tsara ny mamintina ny zava-misy satria ny andininy voadingana manelanelana ny Evanjely tamin’ny alahady faha-13 (Mt 10, 37-42) sy ny anio (Mt 11, 25-30) no mitantara izany (Mt 11, 1-24).
Tamin’ny faritra avaratr’Israely, teny amoron’ny farihin’i Galilea no niantsoan’i Jesoa ny Mpianany sy nanombohany ny fitorian-teniny. Nahazo olona betsaka izany tamin’ny voalohany, saingy tsikelikely tsikelikely, arakaraka ny nidirana tamin’ny lalindalina kokoa, no nipoiran’ny olana izay niafara tamin’ny fisarahana na tamin’ny mpianatra sasany tafintohina noho ny fampianarana ka nihemotra tsy niaraka taminy intsony (Jo 6,66) na tamin’ny fianakaviana izay nihevitra Azy ho very saina mihitsy aza (Mk 3, 20). Amin’ny fiandohan’ny toko faha-11 dia i Joany Batista no mampametra-panontaniana amin’i Jesoa, satria mbola any an-tranomaizina izy, ka raha i Jesoa no ilay Mesia andrasana, ilay feno ny Fanahin’ny Tompo, ka hitondra fahafahana ho an’ireo izay voafatotra, nahoana no tsy hitondra fahafahana ho azy koa (Izaia 61, 1)!
Na i Joany mpialoha lalana aza, araka izany, nisalasala, mainka fa ny olona izay niara-belona taminy izay notsarain’i Jesoa fa sady tsy nandray na ny fitorian’i Joany na ny Azy, kanefa tahaka ny zazakely mipetraka eny an-kianja, tsy manao na inona na inona fa faly fotsiny mibaiko ny hafa amin’izay tokony hataony (Mt 11, 16-19) ary maneho ny toe-po niainan’i Jesoa ny fanomezany tsiny an’i Kôrazìna sy Betsaida, izay mampalahelo satria mila loza (οὐαί ouai) amin’ny tsy fahaizana manararaotra ny fahasoavana, ka nisafidy ny hisondrotra, saingy nivarilavo amin’ny safidy mampihetry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty, araka ny faminanian’Izaia (Iz 14, 13.15).
Aorian’izany fampianarana izany no manomboka ny Evanjely anio: “Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany”. Ny nadika hoe “misaotra moa eto dia ny teny hoe ἐξομολογέω (exomologeo) izay tsy fisaorana fe fisaorana fa ny fahafantarana ny olona iray araka ny maha-izy azy ka hiderana izany maha-izy azy izany. Ny tsy fahalalàna ny tena endrik’Andriamanitra dia mety hampidi-doza tahaka ny nahazo an’i Betsaida sy Kôrazìn, satria hisafidy ny lalan-diso hitondra mankamin’ny fahaverezana.
Ambaran’i Jesoa amintsika fa rehefa sendra ny fijaliana isika satria manonja ny vesatry ny hazofijaliana, (σταυρός, stauros, amin’ny teny grika dia entina ilazana ny tsatokazo iray hiankinan’ny asa fanorenana) dia mila miverina amin’ny fibanjinana Azy, hany fanambarana (révélation) ny Ray, mba tsy hanompoana andriamanitra hamarina antsika any amin’ny fitoeran’ny maty. Tsy fahalalana vokatry ny fiezahan’ny sain’olombelona anefa izany fa fahalalana asehon’ny Zanaka amin’izay tiany hanehoana ny Ray, ka ireo tso-po no nanambarany izany. Ny tso-po moa no nandikana ny νήπιος (nepios) fa raha ny marina dia hoe zaza bodo no tena dikany, ny ankizy tsy mahavita tena fa miankina mandrakariva amin’ny hafa. Zava-mahagaga sy mahatalanjona ataon’Andriamanitra ny hanafoana ny fahendrena sy hampanjavona ny fahalalana avy amin’ny ezaky ny olona (Izaia 29, 14) ka tsy hitoriana afa-tsy Kristy voafantsika tamin’ny hazofijaliana izay fanafintohinana ho an’ny Jody sy hadalana ho an’ny hafa firenena (1 Kor 1, 23). Io no fanambarana ny tena endrik’ilay Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy ka hahalalantsika (ἐπιγινώσκω epiginosko) Azy marina tokoa, hahafahantsika miray petsapetsa Aminy, tonga fianakaviana iray Aminy. Ny tso-po, ny νήπιος no afaka handova ny fanjakany, satria tsy hiankina amin’ny fahendrena amam-pahaizany fa hanankina ny aminy rehetra amin’ilay Ray tia ny zanany rehetra.
Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana. Antsoin’i Jesoa ho eo anilany (δεῦτε πρός με Mt 11,28) ireo izay nantsoiny hanaraka Azy (δεῦτε ὀπίσω μου Mt 4,19), antsoinymba hitondra ny jiogany. “Mora entina ny jiogany, ary maivana ny didiny » ὁ γὰρ ζυγός μου χρηστὸς καὶ τὸ φορτίον μου ἐλαφρόν ἐστιν (Mt 11,30) ara-bakiteny : fa mifanaraka amin’ny zava-misy (mora entina) ny jiogako, ary maivana ny entako… (Evanjely Mt 11, 25-30). Atao ahoana anefa ny hahazo izany tenin’i Kristy izany rehefa sendra ny mangidy tsy telina sy ny patsa iray tsy omby vava?
Ny Jioga dia fantatsika fa tandindon’ny fanandevozana, fitaovana atao eo an-tsoroky ny biby ampiasaina, na mety hanambarana azy hiara-miasa. Azo jerena ohatra Jen 27,40; Lv 26,13; Fanis 19,2; Dt 21,3; 28,48; 1 Sam 6,7; 1 Mpanj 12,4, 9ff, 14; 2 Tant 10,4, 9ff, 14; Iz 9,4; 10,27; 14,25; 23,10; 47,6; 58,6, 9; Jer 2,20; 5,5; 27,8, 11f; 28,2, 4, 10ff; 30,8; Fitom 1,14; 3,27; 5,5; Ezek 30,18; 34,27; Osea 11,4; Nah 1,13; Mt 11,29f; Asa 15,10; 2 Kor 6,14; Gal 5,1; 1 Tim 6,1 milaza ny momba ny jioga. Ny jioka koa anefa, teo amin’ny fomba fiheveran’ireo mpampianatr’Israely dia nentina nilazana ny Torah, nisy ny nantsoina hoe “‘ol malkhout shama’ìm”, jiogan’ny fanjakan’ny lanitra, hilazana ny fanarahana ny Lalàn’ny Fanjakan’ny lanitra (עָלַל, ‘alal, agir sévèrement). Raha miantso antsika hitondra ny jiogany àry i Kristy, jioga inona no tiany hoentintsika?
Izay mitondra ny jiogan’i Kristy aloha dia manaiky ny hiasa ho Azy. Izy rahateo no efa mitondra ny jioga. Ny jioga moa, amin’ny traikefam-piainana hitantsika no hahafahana mampiasa ny tanjaky ny biby zogaina araka ny ilana azy (sarety, angadin’omby…), io ny jioga manandevo, satria ny tombontsoan’ilay mpanjoga ny omby no tadiavina. “Sasa-poana ny mifoha maraim-be sy ny miari-tory tara fandriana mba hihinana ny hanim-pahoriana”, hoy ny Salamo 127, 2a. Ho an’i Jesoa dia efa tsinjon’ny Ray izay ilain’ny zanany tiany, ka “tolorany soa, dieny mbola matory am-pandriana” (Sal 127, 2b).
Mba hahazoana izany jioga, izay vesatra kanefa lazain’i Jesoa fa maivana izany, dia azontsika dinihina ny salohim-bary. Ny salohy manakofa dia mihatrana, manondro lanitra; ny salohy matoy kosa, miondrika an-tany, mitolefika, mizaka ny vesatry ny voa. Izay mahatsapa fa ny fahavokarana no mampilofika azy, ho sambatra satria tsy hitondra akofa ho pahon’ny rivotra sanatria fa vokatra hameno hafaliana ny mpamboly kosa.
Fa ny jioga koa no manambatra antsika amin’izay tsy maintsy hiara-miasa amintsika. Io ilay hazofijaliana lazain’ny Vakiteny tamin’ny alahady faha-13 A takian’ny fifankatiavana araka ny ambaran’ny Evanjely amintsika : « naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy » (Mk 6, 7; Jo 13, 35), mba hampiseho ny hatsaran’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy (Sal 133,1) hahalalan’ny olona ireo mpianany. Ny entan-jaraina mora zaka.
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa ny fanehoana izany fifankatiavana izany eo anivon’ny fiaraha-monina, araka ny fahendren-drazana hoe : « Ny havan-tiana tsy hiaraha-monina« , saingy niainany niaraka tamin’ny hoe : « ny ela maharay roa« . Ao amin’i Kristy malemy fanahy sy manetry tena ao am-po no hianarantsika mitia. Ny salamo setriny (Sal 144) dia mitanisa ny hatsaran’Andriamanitra, ilay miantso antsika ho lavorary tahaka Azy (Mt 5, 48 //Lk 6, 36) : hantra sy mangoraka, tsy malaky tezitra, tsara amin’izay atao rehetra, marina sy tsara fo, mamonjy izay miantso azy. Ny fiainana toy izany no hahazoantsika fiadanana ao am-pontsika.
Fiombonam-piainana feno Aminy no irin’i Jesoa ho antsika (Jo 17), tsy amin-kerisetra na amin’ny ady anefa fa amin’ny fanetren-tena sy ny fitoriana fiadanana (Vakiteny I Zak 9, 9-10). Dia ho nofinofy ho antsika ve izany, raha sanatria ka ny lalàn’ny be sandry sy ny manam-bola no tsy maintsy hiainantsika eo amin’ny fiainana andavan’andro, ahitàna ireo mahazo fahefana tonga mpanao lalàna, izay mazàna, tsy lalàna hiadanan’ny vahoaka loatra fa ho fiarovan-tombontsoa manokana!
Raha mbola velona araka ny nofo isika hoy i Md Paoly dia hanjaka ny nofo (Vakiteny II Rm 8, 9.11-13), ary amin’ny Fanahy no hahafahana mamono ny asan’ny nofo. Ny Fanahy no hahafahantsika miaiky fa i Jesoa no Kristy, Izy no Tompo ekentsika hanjaka eo amin’ny fiainantsika, ka hahafahantsika mahafantatra ny Ray, amin’ny fifaneraserana Aminy. Izy no hahafahantsika manetry tena fa ombin-tsarety mizoga ihany isika fa izy no tompon’ny baiko mahalala ny havia sy ny havanana hitondrana ny fiainana ho amin’ny hafenoany.
« Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra » hoy i Jesoa (Jo 17, 3). Tsy fahalalana vokatry ny haranitan-tsaina anefa izany, ka hireharehavan’ny nahita fianarana na hahaketraka ny mahatsiaro tena ho bado, fa fahalalana vokatry ny fahatsoram-po te hanankina ny fahoriana sy ny vesa-pijaliana eo am-pelantanan’i Kristy, hiombom-pijaliana Aminy ho fanavotana izao tontolo izao.
Eo anatrehan’izay fijaliana mianjady, na amin’ny tena na amin’ny hafa, araka izany, dia tokony hanontany tena mandrakariva ny mpianatr’i Kristy sao sanatria ny fitadiavana ny voninahitra araka ny nofo no hijaliana na hampijaliana ny hafa. Tsy misy antom-pijaliana mifanaraka amin’ny hazofijalian’i Kristy raha tsy izay takian’ny fitiavana. Izay mianatra amin’i Kristy dia hahay hampiseho amin’ireo mijaly sy fadiranovana ny tena endrik’ilay Andriamanitra (ireo עָנָו – `anav – izay adikan’ny salamo hoe malemy fanahy, vakio Salamo 37, 10: ireo malemy fanahy no hanana ny tany, ny mahantra tompon’ny fanjakan’ny lanitra), ilay Andriamanitra tsy nanao fahagagana mba hanesotra ny fahantrana (ny mahantra hisy eo aminareo mandrakariva, hoy i Jesoa, Jo 12, 8) fa kosa nanaiky hahantra mba ho namana akaikin’ireo zanany mitondra fahoriana. Izany no ampahatsiahivin’ny Lakroà antsika mandrakariva.
Hahay hibanjina ka hitsaoka an’i Kristy ao amin’ireo mbola manohy ao amin’ny fiainany ny fijaliany anie isika, hanao izay tratry ny aintsika hamongotra ny fahoriana mbola mangeja ny olombelona. Ary raha sanatria isika kosa no hiaran’ny tsindrihazolena, dia hahatsiaro ny fampianaran’i Kristy, ilay “malemy fanahy”, tsy sanatria hamaly ratsy ny ratsy, fa hanaraka ny torohevitry ny Salamo hoe “mitoera am-pahanginana eo anatrehan’ny Tompo ary manantenà Azy; atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana, aza misafoaka foana ka hipaka amin’ny ratsy” (Sal 37, 7.8).
Iezahantsika ary ny hanamafy ny fiombonantsika amin’i Kristy, amin’ny vavaka sy amin’ny fiainantsika andavan’andro, hianarantsika mandrakariva Aminy ny halemem-panahy, fa indrindra hanamafisantsika orina ny fitokisana Azy ho andry iankinana rehefa tojo ny manahirana, ka tsy hanadinoantsika ilay tanjon’ny fiainantsika dia ny « ho tia sy hanompo azy ety an-tany, ary ho sambatra sy ho velona mandrakizay miaraka aminy any an-danitra« .
Izany no nianarantsika tamin’ny katesizy kely ho tanjon’ny fiainan’ny kristianina, ary asian’ny vavaka rehetra tsindrim-peo amin’ity alahady ity : Fangatahana: « …aoka anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana »; Fanolorana : « …handio anay anie ny fanatitra hanajana ny anaranao masina ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra »; Komonio : « …ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy izahay ary tsy hitsahatra hidera anao ».