Talata faha 13 mandavantaona
Ankasa Amosy 3, 1-8; 4, 11-12/Salamo 5
Tsy ankasa Jenezy 19, 1.5-29/Salamo 25
Md Matio 8, 23-27
I Jesoa niondrana an-tsambokely no narahin’ny mpianany. Tsy misy fijanonana ny firosoana ho kristianina fa firosoana hatrany: avy amin’ny fandaozana ny fiainana tsy mifanaraka amin’ny « divay vaovao » dia mizotra mankany amin’ilay « Jerosalema vaovao« , eny am-pita. Izany firosoana izany anefa mety hisedrana olana isan-karazany, hiatrehana ny ranomasina manonja sy ny rivo-mahery mitsoka mafy. Ary i Jesoa toa matory ao an-tsambo.
Ny tahotra sy ny fitokisana no mifandimbindimby eo amin’ny fiainantsika. Raha mitombo ny iray dia mihena ny iray. Tsy ny reny (toy ny lavaky ny ambohahaolo sy ny akanin’ny voro-manidina) na ny ray (izay manambara ny fomba amam-panao mahazatra) no tokony hafoy sy halevintsika araka izany fa ny tahotra, ka hahafahana mamela ny maty handevina ny maty ao aminy, hitoky amin’ny fitiavan’ilay niantso antsika ka hanarahana Azy ho any am-pita. Ny fiainantsika mizotra mankany amin’ny mandrakizay no asehon’i Mateo amin’izany. Ny sedra sy ny fitsapana isan-karazany dia tokony hanampy amin’ny fandalinam-pinoana.
Ny finoana dia tsy hoe sanatria finoanoam-poana, fa fibanjinana ny niafaran’ilay nialoha lalana ka hahasahiana manaraka Azy. Raha tsy fitsanganan-ko velona sy voninahitra no hitantsika ao an-koatran’ny Lakroà dia mazava ho azy fa tsy ho afaka ny hanolo-tena ho faty eo, tahaka an’i Jesoa isika. Raha tsy hitantsika ny herin’ny Fanahy nanagana an’i Jesoa natory (maty) ho velona ka nandresy ny fahafatesana, nampitony ny ranomasina izay nihotakotaka (σεισμὸς μέγας, tsy dia tafiodrivotra mafy fa fihovitrovitana lehibe, horohoro), dia tsy afaka ny hitony ny fontsika manoloana ny tandindon’ny fahafatesana sy ny maizina te hanaloka ny fiainana isan’andro vaky. Izany finoana izany no mampiantsoantso hoe: Tompo o, vonjeo (Κύριε, σῶσον). Izay hiantso ny anaran’i Jesoa (Andriamanitra mamonjy) dia ho voavonjy (Asa 2, 21).
Ao amin’ny fitantaran’i Matio, ny filazan’i Jesoa ny tahotra mbola mangeja ny mpianatra no mialoha ny fampitoniana ny fihotakotaky ny ranomasina fa ao amin’i Marka sy Lioka kosa dia aorian’ny fampanginana ny rivo-doza sy ranomasina, ka ireo mpianatra no mifampanontany hoe iza ity fa ny rivotra ny ny ranomasina avy no manaiky Azy (Mk 4, 41). Ho an’i Matio dia ny olona no gaga, tsy ny mpianatra ihany fa izao tontolo izao izay misento toy ny mihetsi-jaza, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana (Rom 8, 18ss), ka manontany hoe “Ποταπός ἐστιν οὗτος”, tanàna avy aiza no niavian’izy io? (Iza io lehilahy io no dikanteny ao amin’ny Vakiteny), karazana olona inona ity? Izy no ilay Teny avy amin’ny Ray, tonga ho fahazavana ho antsika, ka hitondra antsika kosa indray, ho tody eny am-pita, any an-tranon’ny Ray.
Izay manaiky ho mpianatra dia miray sambo amin’i Kristy, na mahatsiaro na matory, natao batemy tao amin’ny fahafatesany, hoy i Md Paoly (Rom 6, 1-11) mba miara-belona Aminy mandrakizay (1Tes 5, 10), Izy ilay natory miaraka amintsika fa nifoha kosa ho antsika. Ho haintsika anie ny hanantona an’i Jesoa toa matory, saingy tsy manadino ny miahy ny Mpianany satria eo amin’izy ireo mandrakariva.
Isika niara-maty aminy tamin’ny Batemy anie hiara-belona aminy koa amin’ny fiainam-baovao, tsy amin’ny fahatahorana ny fahafatesana fa amin’ny faniriana ny ho velona mandrakizay.