Alahady faha-13 tsotra mandavan-taona Taona A
2 Mpanjaka 4, 8-11.14-16a
Salamo 88
Rômana 6, 3-4.8-11
Md Matio 10, 37-42
Ny soa atao, levenam-bola.
« Izay hanaiky ahy eo anatrehan’ny olona dia hoekeko koa eo anatrehan’ny Raiko« , izany no hafatry ny Evanjely tamin’ny alahady heriny (12A). Ambaran’i Jesoa fa izay te-hanara-dia azy dia tokony hatoky ny fitsimbinany, ka na mety hamoy ny aina aza dia tsy te-handrava ilay fihavanana hifamatorana amin’ilay Aina ho an’ny fanahy amam-batana. Ny tanjona dia ny mba hampisy heviny ny fiainana fa tsy sanatria hahatonga azy ho toy ny fakofako fa hariana any amin’ny gehenafo (fandoram-pako).
Tsara moa ny mampahatsiahy fa kristianina manoloana ny fanenjehana no iantefan’ny Evanjely, ka ankeherezina. Isaorana an’Andriamanitra fa tsy mifamono tahaka ny any amin’ny tany hafa ny mpino aty amintsika, saingy tsy azo adinoina na ny mivavaka ho an’ireo voahenjika noho ny finoany na noho ireo marefo ka mivadi-pinoana rehefa gejain’ny adim-piainana.
Ny fitokisana amin’ny fahasoavana ka hihazonana ny finoana dia mety hamoizana ny havana aman-tsakaiza sy izay mety heverin’ny fiaraha-monina ho kitro hifaharana. Izay tsy tia ny rainy, ny reniny, ny zanany ary na ny ainy aza, mihoatra noho izaho dia tsy mendrika Ahy.
Tsy sanatria i Jesoa no hampiady ny mpianakavy. Sambatra ny tia fihavanana, hoy Izy, satria izany no marika hahalalana ny maha-zanak’Andriamanitra (Mt 5, 9), ary isika mpianany dia antsoiny mba hitia hatramin’ny fahavalo (Mt 6, 44). Manoloana ny zava-misy, tahaka ny fanenjehana tamin’ny fotoana nanoratan’i Md Matio ny Evanjely anefa, dia marina ny lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio fa “velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra, ka maranitra hono ny sabatra roa lela, maniteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo” (Hebrio 4, 12), io ilay sabatra naninteraka ny fon’i Maria Renin’i Jesoa, ho fandavoana sy fananganana ny maro amin’Israely, ka hampiharihary ny safidy marina ao am-pon’ny tsirairay, araka ny faminanian’i Simeona (Lk 2, 34-35).
Ny fijoroana ho kristianina tao anatin’izany fanenjehana izany dia mety handroahana ny olona ivelan’ny Sinagoga, na mety hitarika amin’ny famonoana mihitsy aza, ka mba tsy hisian’ny disadisa amin’ny mpanenjika dia mety hanakana amin’izay fijoroana ho vavolombelon’ny Evanjely ny hevitra tsy mitovy, eny fa na dia eo amin’ny fianakaviana sy ny ankohonana aza. Ka raha sanatria mety ho fisarahana tanteraka amin’ny raimanandreny na amin’ny zanaka na amin’izay tombontsoan’ny tena manokana no takian’ny Evanjely dia izay no lalana tsy maintsy hizoran’izay te ho mendrika (ἄξιος axios) an’i Kristy, izany hoe te hampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjely.
Dia hanontany tena isika hoe: mba hisy kristianina raha izany?
Tsy afaka ny hanaraka Azy izay tsy mitondra ny Hazofijaliana (Lakroà). Eto no ampiasain’i Md Matio voalohany ny teny hoe “hazofijaliana”, izay mbola averiny avy eo amin’ny toko 16, 24. Ny nadika hoe Lakroà moa, σταυρός (stauros), amin’ny teny grika dia entina ilazana ny tsatokazo (poteau) iray hiankinan’ny asa fanorenana. Avy amin’io ny teny latinina hoe in-staurare sy re-staurare, izay azontsika amin’ny teny frantsay instaurer/restaurer-restaurant (manorina, manarina). Izay te ho tonga mpianatra mendrika (ἄξιος) an’i Kristy araka izany dia tsy maintsy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanorenana (σταυρός) ny fanjakan’ny lanitra, izay andry iankinan’ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitondrana ny Hazofijaliana araka izany dia tsy inona fa ny fanekena hizaka ny vokatry ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny Evanjely, ka hitia hatramin’ny farany fa tsy hanao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lalina hihemorana.
Ambaran’i Jesoa mazava amin’ny ohatra nomeny tamin’ny nanekeny hihatona teo amin’ny hazofijaliana, fa tsy “fandresena araka ny heverin’ny sain’olombelona” tsy akory no vokatry ny fitiavan’Izy Ray, fa “fandresen’ny Herin’ny Fanahy” kosa, hijoroana ho vavolombelon’ny Fitiavan’ny Ray hatramin’ny fahafatesana mahafa-baraka.
Izany no hazavainy amin’ny andininy manaraka: Izay hamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny Amiko kosa no hahavonjy azy (and. 39). Raha ny marina moa eto ny hoe “hamonjy” dia tsy tahaka ny any amin’ny toko faha-16 izay milaza fa izay hihevitra hamonjy (σῴζω sozo) ny ainy, no hahavery ny aina, fanahy (ψυχή psyche) (Mt 16, 25). εὑρίσκω (heurisko) no teny ampiasain’i Md Matio amin’ny toko fahafolo ka tsy hoe mamonjy loatra (σῴζω) izay fa hoe mahita na azo adika ihany koa hoe mitahiry (conserver). Izay mahita ka mitahiry ny ainy, araka izany dia hahavery azy satria fanomezana ny aina ka izay tsy ampiasaintsika amin’ny antony nanomezana azy antsika dia ankevitry ny nariantsika ihany.
Ny fanekena hizaka ny hazofijaliana amin’ny fandaniana ny aina araka ny Evanjely sy ho an’ny Evanjely araka izany no maha-mendrika ho mpianatr’i Kristy. Izany dia mitaky fanekena izay mety ho fanambaniana sy ho fahafahambaraka eo anatrehan’ny olona mba hanaporofoana fa tia! « Ny hahafantaran’ny olona fa mpianatro ianareo, hoy Izy, dia ny fifankatiavana iainanareo » (Jo 13, 35). Ny hazofijaliana (hazo fanorenana – stauros) araka izany no fetran’ny fitiavana mampisy heviny ka hahafahana mitahiry ny fiainana.
Tsy resaka ho an’ireo nanokan-tena manontolo mba hitory ny Evanjely izany fitondrana ny Hazofijaliana izany ka mety hisy hanilika ny tenany hihevitra fa tsy ho voakasika. Antso ho an’izay te ho mpianatra rehetra io, antso ho an’izay te hanandrana ny hasambarana atoron’ny Evanjely. Samy manana ny fanomezam-pahasoavany sy ny andraikitra ankinina aminy avy. Ao ny Mpianatra (Apostoly), ao ny Mpaminany, ao ireo nirahina mba hitory ny Evanjely ary ao ireo mandray kosa ny vokatr’izany asa fitoriana izany. Na ho an’ireo izay mitory na ho an’ireo izay hitorina dia mazava ny hafatra ambaran’i Jesoa.
Izay mandray anareo, mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy. Ny mpitory tsy hieboebo fa hahatsiaro mandrakariva fa tsy izy fa i Jesoa no voaray, tsy voninahitra ho ny tenany fa voninahitry ny Ray izay naniraka an’i Jesoa ny fandraisan’ny olona ny teniny, izay tsy teny avy aminy fa Tenin’ilay naniraka azy. Tsy azon’izay mitory teny hadinoina na oviana na oviana fa tsy ny teniny fa Tenin’Andriamanitra no toriany. Izany no maha-mpaminany azy. Ho an’ny mpandray kosa, araka izany, tsy tenin’olombelona no raisiny fa Tenin’Andriamanitra, eny fa na dia ny fahalemena mbamin’ny tsy fahalavorarian’ny “mpaminany” aza no entin’Andriamanitra mampita izany, ka handray ny valisoa avy amin’izany izy, handray ny voka-tsoa ateraky ny fihainoana ny Teny (ny finoana, hoy Md Paoly ao amin’ny Rom 10, 17ss) raha toa ka handray ny mpianatra amin’ny maha-mpianatr’i Kristy azy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany no handray ny valisoan’ny mpaminany. Iza moa ny mpaminany? Izay rehetra manampy ahy handray ny Tenin’Andriamanitra, ireo manoro ahy ny lalam-pamonjena, ireo manitsy ny tsy mety ataoko, ireo milaza zavatra mety manohintohina ahy ka manery ahy handinika sy hanova ny fomba fijeriko. Raha ny marina dia mpamimany avokoa ny olon-drehetra mifanerasera amiko satria manery ahy handini-tena, manampy ahy tsy hatoritory amin’izay mety ho fahazarana fotsiny, miantso sy manosika ahy hitia bebe kokoa hatrany ka hitoky amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ohatra amin’ny fandraizana ny Mpaminany no tantarain’ny vakiteny voalohany. Ilay fianakaviana tao Soném (שׁוּנֵם : toeram-pialan-tsasatra indroa miantoana), raha zohiana ny tantara amin’ny 2 Mpanjaka 4-8, dia azo hisintonana fampianarana maro. Fiangaviana hisakafo no niantombohan’ny fandraisana an’i Elisea Mpaminany. Ny antony dia satria noho izy olon’Andriamanitra. Raha haintsika ny mahita izay maha-olon’Andriamanitra ny mpaminany izay no afaka hifanerasera aminy isika ary hahavita mihitsy aza hanamboatra efitrano kely hivantanany mba hahafahany honina eo amintsika.
Ny Mpaminany kosa, izay olon’Andriamanitra, tsy hikatsaka afa-tsy izay mahasoa ny hafa: tsy hampanantena poakaty, tahaka ny noheverin’ity vehivavy nampiantrano, nihevitra fa mandainga Elisea mampanantena azy fa hisafosafo zazalahy afaka herintaona. Raha zoina ny tantara, matin’ny tanin’andro io zaza io, fa novelomin’ny Mpaminany; avy eo nitsoaka tany amin’ny tanin’ny Filistina izy ireo mba tsy ho fatin’ny mosary haharitra fito taona (2 Mpanjaka 8) ary rehefa niverina avy any dia lasan’ny sasany ny fananana sy ny harena, saingy noho ny amin’i Elisea dia naverin’ny Mpanjaka taminy mbamin’ny vokatry ny saha rehetra hatramin’ny nialàny. Raha sanatria anefa afangarontsika amin’ny tombontsoan’ny tany ny tombontsoa atoron’ny Mpaminany antsika dia tsy azo ihodivirana fa ny “mpaminany sandok”’izao tontolo izao no hohenointsika sy hanamboarantsika trano hiara-monina amintsika.
Izay mandray ny olo-marina noho izy olo-marina dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina. Ny olo-marina kosa indray, ny olona efa nampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjely, dia manery ahy hanitsy izay fombam-piainako tsy mbola mifanaraka amin’ny fahamarinana, sahala amin’ny hazavana izy ireny ka mampiharihary izay tsy mbola lavorary ao amiko. Ohatra amin’ny olomarina no omen’ny vakinteny faharoa antsika (Rm 6, 3-11), dia i Kristy ilay nanaiky ho faty toy izay hanota, mba hahafahantsika rehetra kosa ho faty ny amin’ny fahotana fa ho velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.
Ho an’izay mbola maniry hikiribiby ao amin’ny fahazaran-dratsiny, tsy te hiala ao amin’ny fahotana, araka izany dia hanenlingelina mandrakariva na ny mpaminany na ny olo-marina.
Ny fandraisana azy ireo, na ny mpaminany izany na ny olo-marina, dia mitaky fanekena ny fetran’ny tena, fanekena ny hafa mba ho tonga tena iray amin’ny tena, fanekena mba hovan’ny hafa ho amin’ny tsaratsara kokoa, na amin’ny teniny (Mpaminany) na amin’ny fomba fiainany (olo-marina) ka handray anjara amin’ny fanorenana fiainana misy heviny satria manaiky hovolavolain’ny Evanjely, hanaiky ho tonga mpianatra, ka ho tonga fanasina sy fahazavana kosa, hanoro ny lalam-pahasambarana ho an’ny hafa indray kosa.
Sarotra moa ny mahazo na valisoa avy amin’ny mpaminany no voalaza na valisoa mitovy amin’ny azon’ny mpaminany (Samy azo handikàna ny μισθὸν προφήτου ireo). Fa na ny valisoa avy amin’ny Mpaminany na ny valisoa ho an’ny Mpaminany, ho an’i Md Matio, rehefa tonga ny hariva dia denie iray avy ihany, izany hoe ny fahasambarana feno tsy misy tomika, itovizan’ny rehetra (Mt 20, 8ss). Na ny fanomezana faran’izay kely aza, araka izay vita, eny fa na dia rano mangatsiaka eran’ny kaopy monja, atao amin’ny anaran’i Jesoa (fa tsy amin’ny anaran’ny tena na ny fikambanana), dia tsy ho very valisoa.
Izany no anentanana ny tsirairay amin’ny adidy hanohanana ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra, hanohanana amin’ny hery rehetra ny mpiofana (seminera, trano fanabeazana), hanohanana ireo efa am-perin’asa (vavaka, santabary sy hasina, rakitra, fandraisana andraikitra, sns). Henontsika tao amin’ny vakiteny I teo, ny fomba nandraisan’ilay Ramatoa Sonamita an’i Elisea mpaminany, nanaovana efi-trano manokana hatokana ho an’ilay olon’Andriamanitra, tsy sanatria hananana azy ho fanànana fa mba “hihatahany isaky ny tonga ao aminy” ny Mpaminany, hahafahany mivavaka sy miaina ny maha-olon’Andriamanitra azy.
Ny voka-tsoa ateraky ny fahaizantsika mandray ny olona amin’ny maha-izy azy dia ny fahasambarana feno omen’Andriamanitra antsika. Raha sanatria fitiavana miandry valiny amin’ny “atero ka alao” na tonga amin’ny « don-tapany handoha erany » no entintsika mitia, dia tsy hanandrana ny hasambaran’ny Evanjely na oviana na oviana isika.
Ny vakiteny I (2 Mpanj 4, 8-16) dia mitantara ny valisoa azon’ilay Vehivavy sonamita avy tamin’i Elisea, tsy mba tahaka ilay mahantra mananontena tsy nahaloha trosa ka nahazo valisoa tamin’i Elisea ihany koa (2 Mpanj 4,1-7). Tsy fiandrasana valisoa araka izany no hanaovan-tsoa, na dia mendri-baliny aza ny soa atao, ary ny firafitry ny fitantarana dia mba hanehoana amintsika fa ireo izay niangaran’ny vintana aloha no tokony hohasoavina aloha, raha toa ka misy ny atolotra, tahaka ny nataon’i Elisea, tamin’ilay vehivavy mahantra tsy nahaloa trosa aloha, nanambarany fa Andriamanitra no mpamonjy (אֱלִישָׁע ‘Eliysha`).
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany rehetra izany, na ny fanekena ho very tamingana na ny fitondrana ny hazofijaliana na ny fandraisana ny mpaminany sy ny olo-marina na ny fanaovan-tsoa amin’ny mpianatra. Mampahatsiaro antsika ny hasin’ny Batemy moa i Md Paoly, tao amin’ny Vakiteny II.
Ny Batemy, tamin’ny andron’i Jesoa dia nanamarihana ny fidirana ho isan’ny antokom-pivavahana iray, na ho mpianatry ny olona iray, ho entina hanehoana am-pahibemaso ny fahavononana hanaraka ny fampianarany (ohatra ny mpianatr’i Joany), ary nentina hanamarihana ihany koa aza ny fiverenan-jo ho olona afaka ho an’ny andevo nomen’ny tompony fahafahana. Maneho na mitaky fiovam-penitra tanteraka izany. Dia tahaka izany koa izay atao batemy ao amin’i Kristy: miova fenitra. Miala amin’ny fanandevozan’ny fahotana ho amin’ny fiainam-baovao ao amin’Andriamanitra. Izany dia fanarahan-dia an’i Kristy izay nandresy ny fahafatesana amin’ny fandalovany amin’ny hazofijaliana, ka hanarahantsika Azy kosa amin’ny fahafatesana amin’ny fahotana.
Mila fanapahan-kevitra matotra mba hahafahana mitahiry ny fahavelomana ao amin’Andriamanitra izay takian’ny Batemy. Izany no mahatonga ny Eglizy mampahatsiaro ny hasarobidin’ny fiofanana amin’ny fandraisana ny sakramentan’ny Batemy, ka fiofanana in-telo farafahakeliny, ho an’ny Batemin-jaza izay efa manana ireo Raiamandreny miaina araka ny finoana ho kiady, ary farafahakeliny, zotram-piofanana roa taona ho an’ny vory saina sy ny olon-dehibe, izany hoe 104 alahady farafahakeliny (Satan’ny Diosezin’Antsirabe).
Manentana antsika i Md Paoly tsy ho kivy eo anatrehan’ny tolona hatrehina satria mahatoky ny fitiavan’i Kristy izay miantso antsika hiara-maty aminy ny amin’ny fahotana ka hiara-belona aminy kosa amin’ny fiainam-baovaon’ny Batemy (Rm 6, 3-11). Tsy ho fanararaotana hijanona ao anatin’ny toe-pahotana akory ny fahasoavana miavosa (Rm 5, 20). Ny latsaka amin’ny fahotana dia fahalemena amin’ny maha-olombelona, hoy i Md Augustin manazava izany, saingy ny milomano ao anatin’ny fahotana dia habibiana.
Tsy ho matotra anefa izany fanapahan-kevitra ny hiady amin’ny fahalemena izany raha tsy hamafisintsika isan’andro ny hasin’ny fiantsoana niantsoana antsika ka hitokisantsika bebe kokoa hatrany amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Tsara ihany ny manontany tena hoe Ho ahy, inona tokoa moa ny Batemy? Mba tadidiko ve ny nanaovana Batemy ahy? Fa indrindra ny maha-vita Batemy ahy. Rehefa mangataka ny Batemy ho an’ny zanaka na ho an’ny havana, na miantoka olona amin’ny batemy… Inona no lanja omentsika ny Batemy? Fombafomba tsy maintsy hatao ihany ve sa tena fanapahan-kevitra hamaly ny antsom-pahamasinana hoe “Aoka ho lavorary tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo any an-danitra ianareo” (Mt 5, 48, jereo Alahady 7 A), ka hialàna amin’ny fahotana mba amin’ny fahavelomana ho an’Andriamanitra.
Izany no mampiova ny ivom-piainantsika tsy hizaha ny fahasambarana amin’ny zava-mandalo intsony fa hiantsa ny Salamo 88 (setriny) hoe : Sambatra izay mahay mihoby an’Andriamanitra sy mifaly amin’ny anarany satria mahatsapa fa Izy irery ihany no harena sy tabiha ary mandrakizay toy ny lanitra ny fitiavany sy ny fahamarinany.
Angatahintsika lalandava àry ny Fanahy Masina hiaro antsika amin’ny haizin’ny hevi-diso (vavaka fangatahana) sy hankahery antsika ho tia sy hiray bebe kokoa amin’i Jesoa raisintsika amin’ny Eokaristia (Vavaka aorian’ny komonio) ka hamirapiratantsika ao amin’ny hazavan’ny fahamarinana.