Alarobia faha-12 mandavan-taona
- Ankasa 2 Mpanjaka 22, 8-13; 23, 1-3/Salamo 118
- Tsy ankasa Jenezy 15, 1-12. 17-18/Salamo 104
- Md Matio 7, 15-20
“Ny hazo tsara (ἀγαθός agathos, bon, tsara fanahy) rehetra mamoa voa tsara (καλός kalos, beau, tsara tarehy), ary ny hazo ratsy (σαπρός sapros, corrompu, pourri, lò) rehetra, mamoa voa ratsy (πονηρός poneros, plein de contrarieté, périlleux, mampidi-doza, mahavaky loha)”.
Asain’i Jesoa mitandrina ny mpianatra manoloana ny mpaminany sandoka, izay mety hiseho ety ivelany amin’ny endriky ny zanak’ondry nefa ao anatiny ambohadia mitoha (mitady haza sy remby). Araka ny voalaza omaly hoe ny rain’ny lainga no mamitaka amin’ny lalana migodàna dia mazava loatra, mora ny mamitaka ny olona amin’ny fampanaraham-po azy amin’izay tiany. Tsy mora ny manavaka sy ny misafidy ny endriky ny mpaminany tena izy indrindra raha adinontsika fa izay mitovy endrika amin’i Kristy no izy.
Izay mpaminany mitovy amin’ilay Mpanompon’YHWH lazain’Izaia no araka an’Andriamanitra (azo jerena ny vakitenin’ny herinandro masina manontolo mampianatra antsika izany). Rehefa mampianatra mikasika ity amin’ny ankizy aho, dia asaiko manao sarina demony mandrakariva izy ireo. Ny sary tonga ao an-tsainy dia biby mainty be lava rambo lava tandroka, mitana fitrebona telo rantsana, sady ratsy tarehy no mampatahotra. Raha sahala amin’izany tokoa no fomba hisehoan’ny demony amintsika dia sarotra no hahazoany mpanaraka azy.
Lazain’Izaia fa ny Mpanompon’YHWH izay sitraky ny fony dia toy ny olon-dresy no fiheveran’ny sasany azy fa ny fahosany sy ny fampijaliana azy, naharava endrika azy ary ny famongorana azy tsy ho ety an-tanin’ny velona no lalana nidirany any amin’ny voninahitra (Izaia 52, 13 – 53, 12). Io no endrik’i Jesoa ambaran’ny Lakroà ary satrintsika ahantona amin’ny trano rehetra sy hiravahana koa aza, saingy indraindray adino fa sary “horreur”, mampatahotra sy mampivarahontsana no asehon’ny Lakroà.
Izay mahita ny hatsarana sy ny fitiavana asehony (ἀγαθός) no hahita ny hatsaran’ny vokatra entiny ka afaka mioty izany. Io no hazo tsara mitondra voa mahatalanjona, dia ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra sy ny fihavanantsika amintsika samy isika. Ny hazo ratsy hafa kosa (σαπρός)dia tsy hitondra afa-tsy ny fanalavirana antsika amin’Andriamanitra sy ny fampitsitokotokoana hampisaraka antsika samy isika.
Araka izany, ho an’izay maniry hanavaka ny tsara sy ny ratsy, izay maniry ho “voaloboka”, toa an’Israely vahoaka voafidin’Andriamanitra dia tsy afaka ny hamokatra afa-tsy tsilo raha tsy manaiky hampamokatra ny Teniny nafafiny, eny fa na dia tsy mifanaraka amin’izany teny izany aza ny fiainan’izay mitory azy (tsy manome alalana hivarilavo tsy akory ny toetra ratsy asehon’ny mpitory, Mt 23, 3) , amin’ny filokokoloana ny hatsarana ao am-po, ny hatsaram-panahy, ka hahay hijery mandrakariva ny vokatry ny safidiny, na hampitombo ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny faniriany hitovy amin’ilay Mpanompo ankasitrahany, dia ny Zanany lahitokana na tsia. Izay rehetra tsy manampy antsika tsy hanahaka bebe kokoa an’i Kristy dia tsy hazo novolen’Andriamanitra, ka tsy maintsy hokapaina ka hatsipy any anaty afo, toy ny hery (tsilo).
Tsy ho kivy anefa isika, na karazan-kazo inona na inona. Izay maniry hamokatra dia afaka miray aina mandrakariva amin’ny fototra (Joany 15, 1-17) ary mitoky amin’ilay Andriamanitra hany afaka mampamokatra voa tsara, dia Izy ilay mahamaina ny hazo maitso ary maha-maitso ny hazo maina (Ezekiela 17, 24).
Ho haintsika mandrakariva anie ny hihoty ny Fanahy Masina, izay vokatra natolotr’ilay Hazon’ny fiainana ho antsika teo am-pialana aina (Jo 19, 30) ka hanaiky hotarihiny amin’ny fiainana ny maha-zanak’Andriamanitra, handova ny fiainana mandrakizay.