Alahady faha-12 mandavan-taona Taona A
- Jeremia 20, 10-13
- Salamo 68
- Romana 5, 12-15
- Md Matio 10, 26-33
Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra
Ny lohahevitra iompanan’ny vakiteny aroson’ny Eglizy ho antsika dia ny toe-tsaina tokony ananantsika manoloana ny zava-misy izay mety tsy mifanaraka amin’ny soa atao: ny fanenjehana ny Mpaminany (Vak I), ny aina ritran’ny fahasarotam-piaro ny Tranon’Andriamanitra (Salamo 68), ny tahotra mety hanakana ny Apostoly tsy hilaza izay nolazaina azy ireo tao amin’ny miafina, satria ilay nilaza izany indro fa maty novonoina (Evanjely), kanefa Izy maty no toy ny voa afafy, ka tonga “soa atao, levenam-bola”, ody fanefitry ny fahafatesana tambin’ny ota (Vakiteny II).
Izay mahatsiaro ho tiana no afaka mitia, ary izay tia tsy mikatsaka afa-tsy ny soa ho an’ilay notiaviny. Marina izany saingy tsy zavatra mandeha ho azy tsy akory. Voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ifampizarana roa alahady nifanesy (alahady faha-10 sy faha-11) fa ireo namindran’Andriamanitra fo no tonga mpitory ny famindram-pony. Ny mpanota no antsoiny ho amin’ny hafalian’ny voavela heloka (Sal 32; Mt 9, 3-13), ary ny Apostoly kosa nantsoiny hitondra ny Vaovao Mahafaly ho an’ny mahantra sy ny malahelo, nirahiny hanohy izay efa natombony ka nomeny fahefana handroaka fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra (Mt 9, 36 – 10,8).
Ny filazana ny marina anefa manelingelina ny olombelona mandrakariva. Raha mijoro hanambara ny marina ireo Mpianatr’i Kristy, raha te ho « feon’ny fieritreretana » na Conscience, dia mitsangan-ko fahavalon’ny maty eritreritra. Ohatra velona amin’izany ny henontsika tamin’ny vakiteny I (Jer 20, 10-13) ny amin’ny nanenjehana ny Mpaminany Jeremia satria toa manelingelina ny fiainan’ny olona zatra ny « mandeha ho azy« . I Jeremia moa, mpaminany niaina sy nanatri-maso ny Fahababoana (597 sy 587 a.c.) dia nampisy heviny vaovao ny fisoronana. Na amin’ny maha-taranaky ny mpisorona azy na amin’ny fahitana ny nambaboan’i Nabokodonozora an’i Jerosalema sy ny nandorana ny Tempoly dia nahatsapa fa tsy zavatra ivelany loatra ny tena fisoronana sy fitiavana an’Andriamanitra fa « fiainana anaty » iveloman’ny tsirairay sy mila halalinina manoloana ny zava-mitranga izay manozongozona ny finoana mazàna.
Indraindray tokoa manko tsy tena fitiavana fa fitiavan-tena (tombontsoa) no hifikirantsika amin’ny « fombam-pivavahana » izay lazaina ho finoana. Tsy ho sanatria isika efa nahalala an’i Jesoa izay nahafoy tena hanaporofoany ny fitiavany no mbola hihevitra hanolotra sorona hahazoana fahasoavana avy Aminy. Izay nasandrany ka tonga mpisorona miaraka Aminy tao amin’ny Batemy dia antsoiny hanolotra ny tenany ho fandraisana anjara amin’ny fanorenana ny tontolo vaovao araka ny faniriany (Rom 12,1ss). Tsy sasatra ny Mpaminany ny mananatra ny vahoaka fa ny fandaozana ny finoana ka hitokisana amin’ny herin’olombelona sy ny zava-mandalo (anatin’izany ny fombafomba), miampy ny fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny lalàna atoron’Andriamanitra dia mitondra amin’ny “fahafatesana”.
Ny zava-mitranga, na ny mety ho faharavan’izay heverintsika ho ivo sy kitro hifaharana aza, – tahaka ny faharavan’i Jerosalema ho an’ny Jody mpivavaka – dia tsy tokony hampihontsona ny finoantsika raha tena mafy orina tokoa, ka tsy hiviliana amin’ny lalana hafa ankoatry ny fitiavana. «Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika. Nosamborinao aho, ka nahery hianao.» (Jer 20,7). Ny antony nanenjehana, namandrihana ary nitadiavana izay hanavoa an’i Jeremia, ka nampidirana am-ponja azy aza, dia noho izy naminany ny faharavan’ny Tanàna sy ny fandoroana ny Tempolin’i Jerosalema… nilaza loza! Tsy hoe manozona izy sanatria fa mahatsinjo ny voka-dratsin’ny tsy fitokisana amin’Andriamanitra. Dia izay no maha-mpaminany azy. Fa rehefa tsy tsy nanaiky hitoky amin’ny Tompo ny olony, ka tanteraka ny faminaniany, dia tsy nanary toky kosa izy. Izany no nahafahan’i Jeremia nihira sy nidera ho an’ny Tompo hatrany (and. 13) na dia mafy sy mihatra aman’aina aza ny fahoriana mianjady (and. 14-15).
Tahaka ny zanak’ondry bonaika (אַלּוּף al-loof = folaka, animal apprivoisé) hoy i Jeremia (Jer 11, 18-20)) ny olomarina, ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory, mandeha amin’izay hibaikon’ny Tompony azy. Ny teny malefaka sy ny fiatsaram-belatsihy no entin’ny mpanao ratsy avy eo hamongotra azy hatramin’ny voany, tsy ho ety an-tanin’ny velona intsony. Tsy izany anefa no hanakana antsika tsy hanao soa sanatria. Eo ny mety ho fahadisoam-panantenana, izay matetika mampikafara fa tsy ho voan’ny mpamitaka amin’ny lainga tsara lahatra intsony, ary mety ho tonga hatramin’ny fanidiana ny fo mihitsy aza ka tsy hatoky na iza na iza intsony sy tsy hanasoa ny hafa intsony amin’ny manaraka. Mazava anefa ny torohevitry ny Mpaminany. Tsy tokony hiasa saina amin’izany iza mino fa hanankina kosa ny zavatra rehetra (ady) amin’Andriamanitra izay mamantatra ny voa, (כִּלְיָה kil’yah, siège de l’emotion et d’affection: ny fietseham-po) sy ny fo (לֵב leb, l’homme interieur: ny atifo, mandray fanapahan-kevitra).
Tsy noho ny tombontsoa vao handrandraina loatra anefa, araka ny ampahatsiahivin’i Md Paoly, no hiderantsika tsy an-kijanona an’i Jesoa Kristy Tompo fa noho ny fitiavany sy ny famindrampony fony isika tsy mbola nanan-kery, mpanota sy mpanohitra an’Andriamanitra (Rm 5, 1-11, mialoha ny vakiteny II, novakiana tamin’ny alahady heriny). Raha araka ny Lalàna sy ny Fitsaran’olombelona ihany dia ho mendri-tsazy isika, fa ny fahasoavana kosa no mamela heloka sy manangana antsika ho velona (Vak II) amin’ny nanoloran’i Kristy ny tenany.
Izany no hahafahantsika manavao mandrakariva ny fanantenana rehefa tojo ny sarotra. Ny fahamatoran’ny fitiavana manko dia izay nasehon’i Kristy antsika teo am-pialana aina : « Andriamanitra o! nahoana no navelanao ho irery aho? » (Mt 27, 46 //Sal 22,12) saingy tsy mihozongozona ny fitiavana sy ny fitokisana ilay Ray Fitiavana : « Eo am-pelatananao no ametrahako ny fanahiko » (Lk 23,46 // Sal 31,6).
Mazava ary ny ohatra sy ny hafatra napetrak’i Jesoa ho antsika : manoloana ny zava-manahirana sy ny mafy tsy maintsy hatrehina dia tokana ny safidin’izay milaza ho tia Azy : « ny fanekena« . Tsy ho fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady sanatria ny lalam-pahamasinana fa fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra sy fanapahan-kevitra hanatanteraka azy, na an-kasoavana na an-karatsiana, matoky fa “tsy hafoin’Andriamanitra na oviana izay mafy orina amin’ny fitiavany” (Vavaka fangatahana), satria « izay hanaiky an’i Kristy eo anatrehan’ny henatr’olona dia hohekeny koa eo anatrehan’ny Ray » (Evanjely). Tsy hodian-tsy hita anefa ny hasarotan’izany satria mazàna satrintsika ny ho faty rahampitso, toy izay ho faty androany ka toa tsy raharahiana loatra indraindray izay hahafaty ny fanahy fa ny hiadanan’ny vatana no imasoana. Tsy tokony hohadinointsika anefa ny ohatra navelan’i Jeremia Mpaminany, voalaza teo, ny amin’ny handalinantsika ao am-po ny Fitiavan’ilay efa tia antsika mialoha.
“Ny Mpianatra tsy ambony noho ny Mpampianatra” (and. 24, mialoha ny Evanjely anio). Ambaran’i Jesoa mazava amin’izay te hanara-dia Azy fa tsy misy lalan-kafa ankoatr’izay nosoritany mba hahatongavana any amin’ny voninahitry ny Ray. Ny fanendrikendrehana faran’izay ratsy no nafitsoky ny “olona” an’i Jesoa (Belzebola, tompon-trano na manao soa fa Belzeboba [בַּעַל זְבוּב, Lk 11, 15], tompon’ny lalitra), ka tsy ho latsak’izany no hafitsony izay manelingelina ny tombontsoa sy manozongozona ny vahatra hifikiran’ny ratsy hahazoany izay tadiaviny. Mazava ny hafatry ny Tompo: Aza matahotra ianareo na dia tsy azo hihodivirana aza ny lalan’ny hazofijaliana. Miverina in-3 izay fampaherezana izany ao amin’ny Evanjely.
Ny tahotra, izay tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny olona, dia tsy tokony ho sakana tsy hanaovana izay tokony hatao. Ny very saina sy ny mihevitra ny tenany ho andriamanitra no mihevi-tena ho tsy matahotra, ka mahatonga azy ireo hanao izay hatahoran’ny olona azy. Manampy ho “malina tahaka ny bibilava” ny tahotra, fa kosa raha sanatria tsy voafehy dia hanjary sakana hampiraviravy tanana. Tsy azo adinoina ny hafatra lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio mikasika ireo izay “niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana” (Hebrio 2, 14), izany hoe azo lazaina fa mitsahatra ny miaina ny olona rehefa tsy mahatsiaro ho notiavina ary tsy afaka ny hitia intsony. Ny fitokisana no hahafahana mandresy azy ary izany no amafisin’i Jesoa ao am-pon’ny Mpianany: “tsy mioha-bidy lavitra noho ny fody maro ve ianareo” (Mt 6,26)?
Tsy ny tahotra araka izany fa ny fitiavana no tokony hibaiko ny fiainana, ary ny fitiavana lavorary no mandroaka ny tahotra, hoy i Md Joany (1 Jo 4, 18), ka hanekentsika hotarihin’ilay Fanahy loharanon’aina (2 Kor 5, 14). Tsy mora ny miaina ny maha-kristianina, indrindra manoloana ny trangan-javatra hiatrehana ny be noho vitsy ka ny sarambabe nisafidy hijanona amin’ny mahazatra kanefa ny Evanjely miantso ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Zavatra iray monja no tokony hatahorantsika: ny fiainana zary fako eo anatrehan’Andriamanitra ka havariny any amin’ny gehena.
Mba hampisy heviny ny fiainana àry dia antsoin’i Jesoa hitory tsy amin-tahotra ny zavatra nolazaina tao amin’ny maizina isika. Ny haizina moa eto dia σκοτία (skotia), tsy hilazana fotsiny ny tsy fahampiana hazavana fa ilazana ihany koa ny mbola tsy fahalavorarian’ny fahalalana an’Andriamanitra, σκότος (skotos), tahaka ireo Apostoly talohan’ny fitsanganan-ko velona. Antsoiny anefa isika hitory izany amin’ny mazava, amin’ny fahazoana mazava (φῶς phos) ny Evanjeliny, satria efa nohazavain’ny Fitsanganany ho velona no sady ankaherezin’ny Fanahiny Masina. Asainy isika hitory fa fahasambarana sy fahombiazan’ny fiainana ny fanolorantena hanasoa ny hafa, na dia ny fahafatesana eo ambonin’ny hazofijaliana aza no vokatr’izany; araka izany dia tsy tokony hatahotra ny tsy hahomby, na sanatria hatahotra ny tsy hohenoin-teny ka horohahina hiala amin’ny fiaraha-monina na hovonoina ny mpianatra, satria tsy misy na iza na iza afaka hanakana ny fielezan’ny Evanjely (Sal 18). Ny tsy hitia amin’ny fo manontolo no tokony hatahorantsika.
Izay mandà (ἀρνέομαι arneomai) an’i Jesoa eo anatrehan’ny olona, izay tsy manaiky Azy ho rahalahy, tsy manaiky handray ho toy ny mpiray tampo ny zanak’Andriamanitra rehetra, dia mazava loatra fa manala tena tsy ho zanaky ny Rainy. Na handà (ἀρνέομαι arneomai) tsy hahalala Azy tahaka an’i Piera aza anefa isika (Mt 26, 70 ss) dia mahatoky mandrakariva Izy niantso antsika. Sitrany kosa anefa ny hanavaozantsika ny fitiavantsika Azy, ka hanaporofoantsika izany amin’ny famahanana ny ondriny, amin’ny fanaovan-tsoa amin’ireo zandriny, ondry anaty sy ivelan’ny vala ka ankininy amin’ny Fiangonany.
Izay hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, izany hoe izay hanambara am-pahibemaso (ὁμολογέω homologeo) fa miaro ny tombontsoako, dia hohekeko koa eo anatrehan’ny Raiko, izay mandà ahy, izay tsy hiraharaha ny tombontsoako (ἀρνέομαι arneomai), dia holaviko koa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra. Tsy misy heviny eo anatrehan’Andriamanitra izay fiainana tsy nolaniana mba hikatsahana ny tombontsoany, izay tsy inona fa ny fahasambarantsika sy ny an’ny zanany rehetra mandrakizay.
Manazava izany i Md Paoly, manoratra ho an’ Timote, satria fantany fa tsy mora ny maharitra amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy manoloana ny fanenjehana, indrindra moa rehefa ny sakaiza nitokisana aza nivadika. Ny faharetana (izay velomin’ny fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa ho velona) no hiaraha-manjaka amin’i Kristy, hoy izy. Raha mandà an’i Jesoa isika dia tsy maintsy ho laviny, ny fandavana Azy manko dia fandavana ny mety ho fahasambarantsika, ka tsy sitrany izany. Raha toa ka mivadika Aminy (ἀπιστέω apisteo) kosa isika, raha namitaka Azy, na ny marimarina kokoa mamita-tena ka tsy natoky Azy intsony, Izy kosa mijanona ho mahatoky mandrakariva (1 Kor 1, 9) satria tsy afaka ny tsy hikatsaka izay maha-sambatra antsika Izy, ary matoky antsika mandrakariva, manantena fa ho avy ny andro hanekentsika ny fitiavany (2 Tim 2, 8-15).
Hanilo antsika anie ny Teniny, hahazoantsika hery hitondra ny hazofijaliana (Evanjely amin’ny alahady faha-13) fa indrindra hahafahantsika mandalina sy manamafy ny finoantsika ho latsam-paka ao anaty fa tsy ho sanatria ho fisehoana ivelany ihany, ka na ho valin-kira mampanjombona ny androm-piainana aza ny salamo setriny (Sal 68) dia tsy hampihontsina antsika satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy nomena antsika ny Fitiavana (Rm 5,5) ka mamelombelona mandrakariva ny fanantenana ao amintsika.
Tsara ny hamakiana manontolo ny toko 5 sy faha-6 amin’ny Taratasin’i Md Paoly ho an’ny Kristianina tany Roma sy ny toko faha-10 n’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio mba hahazoantsika ny halehibeazan’ny fitiavana niantsoana antsika. Tsy mandeha ho azy anefa ny valim-babena fa mila finiavana (sitra-po = izay hanaiky ahy), mitaky fandavan-tena (izay tia ny fianakaviany mihoatra noho izaho dia tsy mendrika ahy…) sy fitondrana ny anjara fijaliana…
Hangataka amin’Izy Ray isika mba hamelombelomany ao am-pontsika ny fanajana sy ny fitiavana ny Anarany Masina, ka hahatsiarovantsika sy hitokisantsika lalandava amin’ny fitiavany izay tsy mivadika mandrakizay.