Talata faha-11 mandavan-taona
- Ankasa 1 Mpanjaka 21, 17-29/Salamo 50
- Tsy ankasa 2 Kor 8, 1-9/Salamo 145
- Md Matio 5, 43-48
“Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo, mba ho zanaky ny Rainareo any an-danitra ianareo”. Iza no afaka milaza fa tsy manam-pahavalo? Ho an’izay mino anefa fa Rainy Andriamanitra dia mino fa zanany ny olombelona rehetra, zanan’Andriamanitra Raiko ka iray tampo amiko ny fahavaloko. Tsy misy lalàna afaka hanery ny olona iray hitia anefa, kanefa ny fampianaran’i Jesoa dia manafaka antsika amin’ny mety ho “fahamarinan’ny farisiana sy ny mpanora-dalàna”, ka hidirana amin’ny tena fiainana.
Amin’ny toe-tsain’Israely fa amin’ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny koa dia mbola hita taratra ao ny “ady masina” (Det 7, 2; 20, 16), ny fankahalana ny hafa lazaina fa “fahavalon’Andriamanitra” (Sal 139, 12-22)… Efa nisy koa anefa ny fampianarana mandrara ny famalian-dratsy ny ratsy (Ohabolana 24, 29); ny Eksaody aza mandidy ny Jody hanavotra ny ampondran’ny fahavalony voatsindrin’ny entana (Eks 23, 5). Ho an’i Izaia kosa, ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra dia rehefa hotefena ho angady ny sabatra ary hovana ho antsy fijinjàna ny lefona (Izaia 2, 4) fa ho feno ny fahendren’Andriamanitra ny tany tontolo ka hiaina am-piadanana, ka na ny amboadia aza hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry (Izaia 11, 6-9).
Mitia sy mivavaka kosa no lalana atoron’i Jesoa ny mpianany raha sendra ka alaim-panahy izy manoloana ny ratsy nafitsoky ny hafa aminy.
Mitia ny fahavalo. Misy olona milaza fa tsy manam-pahavalo. Raha marina izany dia na mpanara-drihan-drano izy, tsy hanana fahavalo noho izany mazava loatra fa tsy hanana namana ihany koa, tsy hanana olona tia sy tiavina ihany koa. Na amin’ny tsara na amin’ny ratsy dia misy mitsangan-kanohitra mandrakariva ny olona. Tandremana anefa sao ny olona mitady ny soa ho anao indray no atsanganao ho fahavalonao satria mety mitady ny soa ho anao ka mandrara anao tsy hanao izay tianao atao. Tsy tokony ho gaga amin’izany isika ary lazain’i Jesoa mazava fa Izy no enjehina sy ankahalaina mialoha ny mpianany (Jo 15, 18).
Raha dinihina ny fiainantsika andavanandro dia mazàna ny tenantsika ihany no fahavalontsika voalohany: ny fitiavan-tena, ny tsy fahafehezan-tena, ny hakamoana mbamin’ny zavatra maro isan-karazany manakana antsika tsy hiainana ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Eo koa ny halemena sy ny kilema ka raha tsy haintsika ny mandray ireny am-pitiavana dia mety ho ny fitiavan’Andriamanitra no hiozongozona, ary na ny fifandraisana amin’ny hafa aza dia ho zary fifaninanana hifanindriana fotsiny ihany.
Ny fitiavana no mampiavaka ny kristianina, satria mahalala ilay Andriamanitra fitiavana izay Rainy izy ireo. Tsy manana fahavalo io Ray io fa zanany avokoa ny olombelona rehetra (vakio Izaia 19). Ireo rahalahy, mitsangan-ko fahavalo ka manakana ny tena tsy hiaina am-piadanana sy am-pahalalahana araka ny sitrapon’Andriamanitra aza, dia tokony ho tiavina koa.
Ny fivavahana kosa dia fanehoam-pitiavana satria ny fitadiavana izany mahasoa ny hafa eo anatrehan’Andriamanitra, ka tsy mihanona amin’ny firarian-tsoa fa zary tolona isan’andro hitadiavana sy hanaovana izay mahasoa. Izay tsy mitady ny fomba hanatanterahana izay niriny ao amin’ny fivavahana manko dia tsy mbola nivavaka tsara. Vavaka ny “fiarahabana”, izay firariana ny “shalom”, firariana ny fiadanana ho an’ny olona rehetra fa tsy ho an’izay heverina ho tapaka sy namana ihany.
Ny vavaka no hahafahantsika mijery araka an’Andriamanitra, ka amin’ny fibanjinana ny endriny, Izy ilay Raintsika manao soa amin’ny olona rehetra na iza izy na iza, dia mitombo ao amintsika koa ny fanahafana Azy. Ny antsika aza moa, indraindray ny zavatra nomen’Andriamanitra hanovozan’ny olona fahasoavana (sakramenta, sakramentaly…) mbola hanavakavahantsika ho an’izay “mendrika” sy “tsy mendrika”. Andriamanitra mandrotsaka ny fahasoavany ho an’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ka tsy afaka ny hanao zavatra mifanohitra amin’izany izay te ho zanany. Izany no fahalavorariana, τέλειος (teleios), izany hoe ny fahatratrarana ny tanjona atorony antsika ka irintsika, dia ny maha-zanak’Andriamanitra.
Ny fitia mifamaly mahatsara fihavanana, hoy ny Ntaolo, saingy raha izay mahavaly ihany no ho tiavina, efa tsy fitiavana intsony izany fa “atero ka alao”, “do ut des”. Ny fitiavana dia tsy miandry valiny. Nanome ny Didy ho antsika i Kristy, ka tsy am-bava fa ohatra no navelany ho antsika. Ny fitiavana nitiavany antsika no sitrany hitiavantsika ny hafa. Eo amin’izao tontolo izao, ny fenitra dia ny “atero ka alao” (do ut mihi des), ka izay tsy hahazoako tombony na valiny dia ataoko tsinontsinona. Ho an’i Jesoa, ny fitiavana dia fitaran’ny fanjakany: izaho manome anao, mba hahafahanao manome ny hafa (do ut aliis des). Manome ny aina ho an’ny hafa, milatsa-tena ho mpanompon’ny hafa, mitia izay tsy tokony hotiavina (fahavalo, mpankahala) sy izay tsy manan-kavaly: didy vaovao.
Tsy mifaly amin’ny soa (na voninahitra) azon’ny tena fa mifaly amin’ny fahasambaran’ilay notiavina. Ny fahasambaran’izay mandray ny tenin’i Jesoa ka te hivelona araka izany dia ny fiezahany hiaina ny maha-zanak’Andriamanitra azy, ka hahay hitia toa an-dRainy. Raha izay tiantsika ihany no arahabaintsika, hirariantsika fiadanana (Shalom), dia mazava loatra fa hisy zanaky ny Ray voahilikilika, ary tsy hisy hampiavaka antsika amin’ireo tsy mino.
Ny hany valisoa andrasantsika dia ny hiantsoan’Andriamanitra antsika hoe: “zanako tokoa ity”, “avia ry nosoavin’ny Ray, handova ny fanjakana”. Ny zanaka ihany no afaka mandova. Angatahontsika ary ny Fanahy mba hanandramantsika izany fahasambarana maha-zanak’Andriamanitra antsika izany