Alarobia fahafolo mandavan-taona
- Ankasa 1Mpanjaka 18, 20-39/Salamo 15
- Tsy ankasa 2 Kor 3, 4-11/Salamo 98
- Md Matio 5, 17-19
Lalan’ny Fahendrena ny Lalàn’YHWH, ny Torah (Bar 3, 27; 4, 1). Lalana atorony ny tsirairay mba hahatongavana amin’ny fahasambarana nampanantenainy ho an’ny Vahoakany. Mazava loatra fa tsy tonga handrava izany fandaharan’Andriamanitra izany i Jesoa fa tonga mba hanatanteraka. Ambarany ihany koa fa tahaka ny Teny mivoaka avy amin’ny Ray Izy ka tsy miverina raha tsy mahatanteraka izay nanirahana azy dia ny hitondra ny Vahoakany hivondrona ho iray Aminy any amin’ny Fanjakany.
Indraindray ny fiheverana ny lalàna dia fanasaziana sy fandraràna ihany, kanefa raha lalàna natao am-pahendrena izy dia ny lalana mitondra mankany amin’ny fahafatesana no sakanany fa tsy ny fahalalahan’ny olona sanatria. Ny lalàna manko raha tanteraka dia mitondra mankany amin’ny sitrapon’izay namoaka azy, mitondra mankany amin’ny zava-kendreny. Izany no mahatonga an’i Jesoa milaza fa tsy misy afa-tsy ny fananaterahana ny Lalàna no lalana mitondra mankamin’ny Fiainana, mitondra mankamin’izay nampanantenain’YHWH.
Ny Mpaminany kosa indray etsy an-kilany dia tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiaro ny olona ny sitrapon’Andriamanitra, ary miaraka amin’izany ny Lalàna izorana sy ny fibebahana takian’izany mba hanatanterahana azy. Tsy an-tery anefa fa am-pitiavana, ary ny fitiavana, hoy i Md Paoly no fahatanterahan’ny Lalàna (Rom 13, 8), satria ny ho taratry ny fitiavany, ho sira (Fanisana 18, 19) haneho ny Fanekeny tsy mivadika no andrasan’Andriamanitra amintsika.
Lalana mitondra amin’ny fitiavana araka izany no atoron’ny Lalàn’Andriamanitra antsika ka arakaraka ny hitomboantsika amin’ny fitiavana no maha-lehibe antsika eo anatrehany. Izay te ho lehibe, araka izay no hanompo bebe kokoa, ho tia bebe kokoa (Mk 10, 43), ary eto dia ampian’ny Evanjely hoe: hampianatra izany amin’ny olona. Izay soa heverintsika ho an’ny tenantsika, izay fahamboniana heverintsika fa ananantsika, raha tsy zaraintsika amin’ny hafa, raha toa ka tsy irintsika ho an’ny hafa, dia mbola fahakelezana izany ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Tsy mitahiry ho an’ny tenany samirery no maha-lehibe ny olona fa ny fahaizany “manatanteraka” sy “mampianatra” izay lalàna atoron’ny fitiavana.
Tsy misy olona tsy maniry ny ho lehibe koa raha mbola olona misaina, saingy mety ho voafitaky ny halehibeazana araka an’izao tontolo izao ny fisainana, ka handìka ny lalàn’Andriamanitra mba hahazoana fahafinaretana sy voninahitra eo anatrehan’ny olona. Ary ny loza, rehefa tafiditra ao ambany fanandevozan’ny fahotana ny olona dia lasa fahazarana ny fandikan-dalàna. Indraindray mba miezaka ihany hiala amin’izany, saingy raha lasa fahazarana sy tandra vadin-kodotra dia manano sarotra satria mitaky ezaka manokana ny fibebahana, ka ny hany hery mba hanamarinan-tena dia taomina hanao ny tsy mety ataony koa ny hafa, ary ny fomba mahomby indrindra hitaomana ny hafa dia manomboka amin’ny zavatra madinika, amin’ny filazana fa “izay zavatra kely io koa ve”.
Ny mitia an’Andriamanitra amin’ny fo, ny fanahy sy ny saina manontolo ary mitia ny namana tahaka ny tena no didy lehibe indrindra sady iankinan’ny didy rehetra (Mt 22, 40). Ao amin’ny “manontolo” dia tsy misy azo havahana ka tsy ho tanterahina satria lazaina fa didy madinika, tsy misy fotony. Ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra anie ny fiainan’ireo izay mino azy ka mifaninana hiaina sy hampianatra ny didim-pitiavany.