9 JIONA
ANNA MARIA TAIGI OLONTSAMBATRA
RENIM-PIANAKAVIANA, MPIARO NY TIERSIERA TRINITERA
Fahatsiarovana
Tao Siena any Italy no nahaterahan’i Ana Maria Taijy tamin’ny taona 1769. Nanambady an’i Dominika izy ary niteraka fito mianadahy, izay nobeaziny tamin’ny finoana katolika. Niorim-ponenana tao Roma izy ireo. Tsy nahasakana an’i Ana Maria tsy hiaina ny fitiava-namana ny fahasahiranana nosedrainy teo amin’ny tokantranony, fa nahavatra ny namangy sy namonjy ny marary izy. Nalaza ny fahatsaram-panahiny ka nahatarika olona maro, izay nisy nila hevitra sy fanohanana avy aminy, efa fa hatramin’ny Papa sy ireo eveka aza. Nanana fanomezam-pahasoavana manokana izy fa nibanjina ny misterin’ny Trinite Masina ho toy ny masoandro teo anoloany mandrakariva izy.
Ohatra tsara halain’ny renim-pianakaviana tahaka izy fa na tao amin’ny fanambadiana aza dia nanamasin-tena tamim-pahatsorana.
TONONKIRA FANOMBOHANA
Ohab 31, 30. 28
Ny vehivavy matahotra an’ny Tompo ihany no hoderaina. Ny zanany mitsangana ka milaza azy hoe sambatra; ny vadiny koa mitsangana manome fankalazana azy. (VP : Aleloia)
VAVAKA FANGATAHANA
Ry Andriamanitra, Ianao no nanandratra ireo manetry tena ary nanolotra ohatra lavorary amin’ny fitiavana sy faharetana ho an’ireo renim-pianakaviana ao amin’i Ana Maria olontsambatra, enga anie, noho ny vavaka ataony dia ho sitrakao ny hitondranay am-piadanan-tsaina ny hazo fijalianay, manaraka ny ohatra nomeny, ka ho tia anao amin’ny fo mirehidrehitra izahay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Tomponay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay.
Amen.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
VAKITENY I
Bokin’ny Ohabolana
Ny vehivavy matahotra an’ny Tompo ihany no hoderaina.
Ohab 31, 10-11. 19-20. 30-31
10Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo ? Mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany. 11Matoky azy, ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra.
19Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany ; ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany. 20Manatso-tanana amin’ny ory izy ; ary mamela-tanana amin’ny mahantra.
30Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy ; fa ny vehivavy matahotra an’ny Tompo ihany no hoderaina. 31Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy ; ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.
SALAMO
Sal 36, 3-4 ; 5-6 ; 27-28
Fiv. : Ny Tompo no mamonjy ny marina sy mpiaro azy amin’ny andro fahoriana
Na : Sambatra anie aho ka sambatra manana an’Iaveh ho mpiaro
3Matokia an’ny Tompo, ary manaova soa ;
monena amin’ny tany ary manarana fo amin’ny fahatokiany.
4Iaveh no ataovy firavoravoanao,
dia omeny anao izay irin’ny fonao.
5Ankino amin’ny Tompo ny anjaranao,
dia matokia, azy, fa dia hanao izy ;
6hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao ;
ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
27Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara,
dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.
28Fa tian’ny Tompo ny rariny,
ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy.
Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny,
ALELOIA
Lk 8, 21
Ny reniko sy ny rahalahiko dia izay mihaino ny tenin’Andriamanitra sy mankato azy
EVANJELIN’I JESOA KRISTY NOSORATAN’I MD I MD MARKA
Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra, no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
Mk 3, 31-35
22Tamin’izany andro izany, dia 31tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso azy. 32Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy, dia nilazana izy natao hoe : Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao. 33Fa novaliany hoe : Iza moa no reniko sy rahalahiko ? 34Dia nijery izay nipetraka nanodidina azy izy ka nanao hoe : Ireo no reniko sy rahalahiko ; 35fa na iza na iza manao ny sitra-pon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
VAVAKA FANOLORANA
Mba raiso, ry Ray, ireto fanatitray, amin’izao sorona fahatsiarovana ny fitiavan-Janakao tsy misy fetra izao ; ary enga anie ny vavaka ataon’i Ana Maria Taijy olontsambatra, mba hanampy anay haka tahaka azy, ka ho tia Anao sy ho tia ny namana amin’ny fonay tokoa.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Amen
TONONKIRA AMIN’NY KOMONIO
Mt 11, 28
Mankanesa atý amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo aho, hoy ny Tompo.
VAVAKA AORIAN’NY KOMONIO
Enga anie, ry Ray ny komonio masina nandraisanay ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, mba hahasakana anay tsy ho voasodokan’ny zava-mandalo, fa haka tahaka an’i Ana Maria Taijy olontsambatra, handroso fitiavana anao sy ny namana, mba ho sambatra hahita Anao mandrakizay any an-danitra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Amen.