Alahady faha-7 fankalazana ny Paka Taona A
- Asa 1, 12-14
- Salamo 26
- 1 Piera 4, 13-16
- Md Joany 17, 1-11a
Ny Fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra!
Ao anatin’ny hasivianandro hivavahana manokana hangatahana ny Fanahy Masina isika izao, araka ny ohatra navelan’ireo Apôstôly niaraka amin’i Masina Maria sy ny Vehivavy sasany (Vakiteny I Asa 1, 12-14), araka ny nanafaran’i Jesoa azy ireo (Asa 1,4). Zava-dehibe tokoa izany Vavaka izany satria ny Fanahy Masina no mampitsiry sy mamelona ny Fiangonana, manafana ny fontsika ho tonga Vavolombelon’ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona.
Misy zavatra telo farafahakeliny apetraky ny Soratra Masina mba hahafahantsika mandray ny Fanahy Masina: 1- tsy afaka ny handray ny Fanahy Masina izay tsy mahita ka tsy mahalala Azy (Jo 14,17 Evanjely Alahady 6A Paka); 2- mahita ka mahafantatra ny Fanahy Masina izay mahita fa i Kristy misandratra eo amin’ny Hazofijaliana no miakatra any amin’ny voninahitry ny lanitra (Asa 1) ka tahaka an’i Elize koa ny Mpianatr’i Kristy, handray ny Fanahin’ny Mpampianatra raha mahita azy miakatra any an-danitra. Mba hizorantsika ny lalam-pitiavana efa nosoritan’i Kristy no handraisana ny Fanahy. 3- Tsy afaka ny handray ny Fanahy anefa izay tsy maharitra ao amin’ny fiombonam-bavaka, tahaka an’i Md Thomas ny andron’ny Paka. Io no anton’ny hasivian’andro voalaza teo am-piandohana. Izay maniry ny fiainana mandrakizay dia maniry hahalala an’Andriamanitra ary maniry handray anjara amin’ny fiombonana lavorary ao amin’Andriamanitra, ivavahan’i Kristy mba ho tanteraka amin’izay rehetra mino Azy.
Ao anatin’ny Vavaka no handalinana sy hanamafisana ny faniriana ny lanitra. Lazain’ny vakiteny voalohany teo fa fahazaran’ny Apôstôly ny mivory ao amin’ny “efitrano ambony”, ilay nolazain’i Lioka fa efitrano malalaka sy efa voaomana hahafahana mankalaza ny Eokaristia (Lk 22, 12). Izay miara-mitsangana amin’i Kristy dia hikatsaka ny “zavatra any ambony”, any amin’izay itoeran’i Kristy, hoy Md Paoly (Kolosy 3, 1-4). Mbola amafisin’ny salamo setriny ihany koa moa izany : « fangatahana tsy mahasasatra ahy, ka ataoko aminao ry Tompo : ny honina ao an-tranonao, amin’ny andro rehetra hiainako » (Sal 26).
Ambaran’i Jesoa amintsika amin’ilay Vavaka nataony ho an’ny Firaisan’izay rehetra mino Azy (Jo 17) fa « ny Fiainana mandrakizay, dia ny mahalala ny Ray, hany Andriamanitra marina, sy i Jesoa Kristy ilay nirahiny » (and.3). Ny lalana mankany an-danitra araka izany dia ny fiezahana hahafantatra marina tokoa izay inoantsika! Izany no ilana fitandremana rehefa miteny isika hoe : « Andriamanitra iray ihany no hivavahana! » (relativisme manoloana ny pluralisme religieux, azo jerena ny fanambarana nataon’ny Congrégation pour la Doctrine de la Foi, tamin’ny 3 desambra 2007 momba izany : jereo eto, http://www.vatican.va/roman_curia/congregations/cfaith/documents/rc_con_cfaith_doc_20071203_nota-evangelizzazione_fr.html amin’ny §. 10) [1] Tsy fanivaivana izay mety ho finoan’ny hafa tsy akory ny fandalinana mety azo hifampifanatrehana, ary tsy fanaovana tsinotsinona ny « fahamarinana » ny fanindrahindrana ny « fahafahana ». Ny tsirairay dia tokony hahatsapa fa isan’andro no hanavaozantsika ny finoana an’Andriamanitra, ka ny zava-mitranga no manampy antsika handalina ny tena endrik’ilay Andriamanitra inoantsika, mba tsy hijanonana amin’ny mety ho fanompoan-tsampy vokatry ny fitiavan-tena sy ny avonavona. Tsy amin’ny fiadian-kevitra amin’ny hafa finoana anefa no hahafahana miroso amin’ny finoana marina fa amin’ny fitozoana amin’ny fandalinana ny finoana aroson’ny Eglizy ho an’ny Zanany ka hanandramana ny lalam-pitiavana efa nizoran’i Kristy.
Izay no mahatonga an’i Md Piera milaza fa raha noho ny amin’ny maha-kristianina no hijaliana dia tsy tokony hisy hahamenatra (vak II 1 Piera 4, 13-16), fa raha noho ny fahotana kosa, dia tokony hahamenatra. Ny Tenin’Andriamanitra, hazavain’ny Lovam-panahy (Traditio) dia manampy antsika hanadio ny foto-pisainana ateraky ny fireha-kevitry ny tontolo manodidina sy ny fitiavan-tena vokatry ny fahotana. Tsy tokony hihanona amin’ny tsianjerin’ny sombintsombiny nianarana tamin’ny Katesizy faha-zaza araka izany ny fahalalantsika an’Andriamanitra, raha tsy izany dia tsy hino Azy intsony isika, indrindra rehefa tojo ny manahirana, ka hahavita hilaza hoe: « Fitiavana ve Izy dia hamela ahy hijaly, mahefa ny zavatra rehetra ve Izy dia hamela ny tsy manantsiny hampijaliana! ». Dia adino fa lalan’ny Fitsanganan-ko velona ny Lakroà.
Ny fijaliana vokatry ny fijoroana ho mpianatr’i Kristy no hanamarinana fa mitoetra ao amintsika ilay Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin’Andriamanitra ihany, ary ohatra hotahafina amin’izany ilay Zanaka Lahitokana, nijaly sy maty « mba ho solo heloka ho antsika« .
Ho an’io Zanany io, ny Fanomezam-boninahitra ny Ray dia ny fanekena ho faty eo ambony hazon’ny fahafahambaraka! Ny Voninahitra, « Kabôd » (amin’ny teny hebrio, ara-bakiteny midika ho vesatra na lanja izay adikan’ny grika ho dôksà) dia ny fahafahana manao zavatra iray ka hitozoana amin’izany hatramin’ny farany, eny fa na hiharetana ny mafy indrindra aza. Tsy misy manam-pitiavana lehibe (kabôd) kokoa noho izay mahafoy ny ainy ho an’ireo lazainy fa tiany, hoy Jesoa. Tia antsika Andriamanitra ka nahafoy ny ainy ho antsika, saingy isika indraindray no mitady Andriamanitra heverintsika hanao ny sitra-pontsika fotsiny ihany, izany hoe te hanao « andriamanitra kely » ny tenantsika. Mila mametraka fanontaniana lalandava isika araka izany hoe : « Iza moa Andriamanitra ho ahy! » Iza no “andriamanitra tompoiko”! Sao sanatria ny fitiavan-tenantsika sy ny haren’izao tontolo izao no tompoina.
Ambaran’ny Evanjely fa ny fahefana omen’Andriamanitra dia tsy mba hanjakazakana fa hoentika manome ny fiainana mandrakizay an’izay ankinina amin’ny tena. Ka raha ny fahalalana an’Andriamanitra no fiainana mandrakizay dia tokony ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra mandrakariva, araka izany, ny fandraisana ny andraikitra ankinina amin’izany mpino, ka manaiky ny ho mpianatr’i Kristy. Izay teny na asa na fiainana ataontsika ka tsy fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy mifanaraka amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika.
Dia izany no mahatonga antsika hitalaho mandrakariva ny fitiavany, hangataka ny fanilovan’ny Fanahiny, satria io Fanahy io ihany no hahafahantsika miantso Azy hoe « Raintsika », hahafahantsika mahatsapa ny fitiavan-janaka hitiavany antsika ka hotoriantsika amin’ny hafa. Raha tsy ny Fanahy Masina, tsy ho tsapantsika ny maha-zanak’Andriamanitra antsika (Ga 4, 6/Rm 8, 15). Tsy manamaivana ny tolona hosedraintsika eto amin’izao tontolo izao anefa izany, saingy mampahatsiaro antsika kosa fa « eo anivontsika mandrakariva i Kristy » araka ny fampanantenany (Mt 28, 20 Evanjely Fiakarana Taona A).
Ny alahady faha-fito moa, nialohavan’ny Fiakarana any an-danitra ‘Ascension’ [amin’ny faritra sasany, alahadin’ny Fiakarana ho an’ny sasany,] dia mamintina ny vavaka nataon’i Kristy ho an’ny Fiangonana : mba ho iray ihany izy rehetra. (Jo 17, 1-11a [taona A]; 11b-19 [taona B]; 20-26 [taona D], mampahatsiaro ilay sakramenta manambara ny misterin’i Kristy sy ny Fiangonana, ny misterin’ny Fitiavana. Tsara hotsaroan’ireo izay naniry hanorina tokantrano mandrakariva fa ny Sakramemntan’ny Fanambadiana dia voaantso manokana mba ho fototra hiorenan’ny fifankatiavana, ho taratry ny firaisana tanteraka ao amin’ny Trinite Masina. Ny Taratasin’i Paoly ho an’ny Efesiana (Ef 5, 21-33) milaza momba ny Fifankatiavan’ny lahy sy ny vavy no mampatsiaro antsika kristianina fa ny fifankatiavan’ny Mpianakavy (Mpivady + zanaka) no Sakramenta manambara ny fitiavan’i Kristy ny Fiangonany. Firifiry ny tokantrano kristianina mikorontana satria nanadino fa ny fahafoizana ny aina ho an’ny fianakaviana no fototry ny hafaliana ho an’ny kristianina, izany no porofom-pitiavana tokony hifanoloran’ny mpivady ka hanabeazany ny zanany.
Ny Evanjely amin’ity taona ity, araka izany, dia ny tapany voalohany amin’ny toko faha-17 izay tsinjaraina mandritra ny taona litorjika telo. Vavak’i Kristy ny haha-iray ny Mpino. Taratr’izany firaisana izany izay henontsika tao amin’ny Vakiteny voalohany: “Niray saina ny mpino rehetra”, izany hoe mitovy firehana amin’ny zavatra handaniana ron-doha sy mondron-kery (ὁμοθυμαδόν homothymadon, θυμός, passion), hahafahana miray hevitra ka hanomezana voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fo iray sy vava iray, araka ny hafatr’i Md Paoly (Romana 15, 5-6).
Raha iverenantsika ny Evanjely izay antsoina hoe “vavak’i Jesoa Mpisorona” ilay mitalaho amin’ny Rainy, dia in’enina miverina ny hoe “Ray”: “Ray Masina”, “Ray Marina”, mandritra ny vavaka hitalahoan’i Jesoa amin’ny Rainy ho an’ireo mpianany sy ireo hino Azy (and. 6.11.12.17.19.26). Mialoha ny vavaka anefa, ny fiantombohan’ny toko faha-17 dia lazain’i Joany fa “avy nilaza izany zavatra rehetra izany” Izy no niandrandra ny lanitra.
Tsy inona moa izany nolazain’i Jesoa izany fa ny zavatra rehetra tokony hiainantsika mba hananantsika fiadanana Aminy (Jo 16, 33). Nambarany tamin’ny Mpianany fa ny “Fiangonany dia miorina amin’ny fifanompoana (fanasana tongotra), ny fifankatiavana sy ny fiombonana”. Avy eo dia miandrandra ny lanitra Izy ka mivavaka. Ny hoe “miandrandra ny lanitra” moa dia ἐπαίρω (epairo) izay nadika hoe “manopy” ny maso hijery ny vahoaka any amin’ny toko faha-enina (Jo 6, 5). Heveriko fa ny antony nampiasan’i Joany teny mitovy amin’ireo toko roa ireo, dia mba hisintonana ny saintsika fa ilay mason’i Jesoa miandrandra mijery ny vahoaka tonga manatona Azy no mitalaho amin’ny Ray mba hananan’izy ireo ny Fiainana mandrakizay, Izy ilay tsy mitsahatra mibanjina ny Endriky ny Ray.
Ny tanjony, araka ny efa nolazaintsika teny ambony, ka manjary tanjon’izay rehetra irahiny hamahana ny andian’ondriny dia ny mba hahanan’ireo rehetra nomena Azy ny fiainana mandrakizay. ἵνα πᾶν ὃ δέδωκας αὐτῷ, ireo “izay” nomenao Azy, dia ὃ [ὅς (Hos) singulier] no ampiasain’i Joany, erreur grammaticale voulue hoentiny milaza ny fiombonan’ireo mino, tonga tena iray ihany ao Aminy.
Ny “fahalalana” an’Andriamanitra ho Ray, Ray Masina sy Marina no fiainana mandrakizay, satria izany no manova ny fon’ny olona sy ny fomba fiainany hifanaraka amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny maha-zanany antsika. Fahalalana tsy mihanona amin’ny ara-tsaina anefa izany fa fahalalana entanin’ny fitiavana satria nahatsapa fa tiana ka te hahalala ny endrik’ilay nitia mialoha. Ny voninahitra nananan’i Kristy mialoha ny nahariana izao tontolo izao, dia ny voninahitra maha-zanaka, ny voninahitra hahalala ny Ray, voninahitra ho velona mandrakizay no omeny antsika. Tanteraka etoana araka izany ny fanirian’i Adama, te hitovy amin’Andriamanitra, satria irin’i Jesoa hitovy Aminy isika. Tsy hofandrihan’ny bibilava amin’ny fanahafana andriamanitra mpanjakazaka, hihevitra ho tompo mandidy amin’izay tsara sy ratsy anefa, fa hanahaka kosa ny Andriamanitra mahafoy ny Zanany lahitokana ho Sorona, antsoiny ho lavorary sy ho mpamindra fo tahaka ilay Rainy any an-danitra.
Tsy ny fandikàna ny didiny araka ny torohevitry ny bibilava araka izany no hitovizana amin’Andriamanitra fa ny fandraisana ny Anaran’Andriamanitra notorian’i Jesoa amintsika ka hahafahantsika miaina araka ny Tenin’Andriamanitra, teny mitondra amin’ny fiainana “mandrakizay”. Izany fiainana araka ny Teny izany no hahafahana mahalala ka manompo Andriamanitra “tokana”, sy manesotra ny sampy sy ny endriky ny andriamanitra tsy izy, noforonin’ny fisainan’olombelona ihany. Izany no hahafahan’ny fo ho iray, tsy voazarazara, hadio (tsisy fangarony, tokam-po sahala amin’ny siny ka tsy mahalala afa-tsy rano) ka ho afaka hibanjina an’Andriamanitra. Ny madio fo (οἱ καθαροὶ τῇ καρδία) no afaka hibanjina ny tavany ka hahalala Azy marina (Mt 5,8).
Tsy mivavaka ho an’izao tontolo izao i Jesoa. Tsara avahana eto ny “tontolo” (κόσμος kosmos) tian’i Joany lazaina, tsy ny tontolo itambaran’ny zavaboary rehetra, izay tian’Andriamanitra fatratra ka nanirahany ny Zanany mba hanavotra azy (Jo 3, 16), fa ny tontolon’ny lainga sy ny avonavona izay manimba ny fiaraha-monina sy mandrava ny fihavanan’ny olona. Io “tontolo” io no noravan’i Jesoa, noresen’ny Fanahiny lahatra ny amin’ny fahotana, nanehoany ny fahamarinana sy ny fitsarany (Jo 16, 8ss), io ilay tontolo noreseny: aza matahotra fa efa nandresy an’izao tontolo izao Aho, hoy Izy (Jo 16, 33).
Eo amin’izao tontolo izao isika, ka na miandrandra ny lanitra aza dia tsy ho variana hibanjina azy fa hahatsiaro mandrakariva ny andraikitra nankinina amin’izay maniry handova ny fiainana: miaina amin’ny maha-zanaka amin’ny fiezahana hahalala bebe kokoa hatrany an’Andriamanitra. Fiombonana Izy, Trinite Masina, ka ao amin’izay hihariharian’ny fitiavana no hahafahana mibanjina ny Endriny marina, hoy Md Augustin.
Tsy ho sanatria hivavaka ho an’ny firaisan’ny Mpino isika kanefa tsy hiezaka akory handravona ny disadisa sy ny tsy fifankazahoana na dia ao an-tokan-trano aza. Tsy ho sanatria ny mpianatr’i Kristy no hisara-bazana na hampisara-bazana. Tsy ho sanatria ny voninahitra, ny hafinaretana na ny haren’izao tontolo izao no himatimatesana ka hatakalo ny fiainana mandrakizay. Hiezahantsika ny hiaina ny fiombonana telo sosona dia ny fiombonana amin’Andriamanitra, ny fiombonantsika amin’ny zanany rehetra sy ny fiombonana amin’ny zavaboary.
Honina ao am-pontsika anie ny Fanahy Masina ka hitomboan’ny faniriantsika hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra, ary handavorary antsika ho vato arafitra hiorina ho Tempolin’Andriamanitra, ho fanomezam-boninahitra an’i Kristy.
[1] relativisme manoloana ny pluralisme religieux, azo jerena ny fanambarana nataon’ny Congrégation pour la Doctrine de la Foi, tamin’ny 3 desambra 2007 momba izany : jereo eto, http://www.vatican.va/roman_curia/congregations/cfaith/documents/rc_con_cfaith_doc_20071203_nota-evangelizzazione_fr.html amin’ny §. 10