Alahady faha-6 fankalazana ny Paka Taona A
- Asa 8, 5-8. 14-17
- Salamo 65
- 1 Piera 3, 15-18
- Md Joany 14, 15-21
Ny Fanahy Masina no manohy ny asan’i Kristy.
“Izay manana ny didiko sy mitandrina azy no tia Ahy”. Mazava ny tenin’i Jesoa. Tsy afaka ny hilaza ho tia ny olona iray ianao raha tsy raharahianao akory ny hafatra navelany. Manana ny didin’i Jesoa, manana = ἔχω (echo), izany hoe mandray azy ho fananana iombonana amin’i Jesoa, tonga tompony, izay mitandrina ny teniny am-pinoana ka miezaka mampifanaraka ny fiainana amin’ny fampianarany, amin’ny fifankatiavana tahaka ny nitiavany, tsy hoe an-tery fa an-tsitsapo satria araka izany tsy miandry baiko fa entanin’ny fitiavana.
I Jodasy (rahalahin’i Jakoba Lk 6, 16, Tade) dia nihevitra fa ny fisehoan’i Jesoa, ny fanomezan’ny Ray voninahitra Azy dia tokony ho fisehoany amin’izao tontolo izao, ho mpanjaka mamirapiratra araka ny fampanantenana ho an’ny taranak’i Davida fa tsy amin’ny mpianatra ihany (and 22). Saingy ambaran’i Jesoa mazava, fa tsy voninahitra araka an’izao tontolo izao ny Azy, ka izay tsy mandray ny teniny dia manilika ny tenany tsy handray ny famonjena, satria mandà tsy hihaino ny tenin’ny fiainana, mandà tsy handray ny Fanahy Masina Mpanafaka alahelo izay hampianatra ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro ny fampianarany, Fanahy izay irahin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa, izany hoe amin’ny fiombonana Aminy, noho ny vavaka ataony (Jo 14, 16).
Teo amin’ny Jody dia ny fiezahana mandinika ny Torah no hoheverina fa hahatongavana amin’ny fahasambarana. Ny Torah anefa dia manoro ny lalana hombana ihany saingy tsy manolo ny asa sy ny ezaka tokony ataon’izay hanao ny dia, ary tsy hanome azy ny hery hahafahana mizotra izany lalana izany. Tsy afaka ny hizotra amin’ny lalana maha-zanak’Andriamanitra antsika isika raha tsy mandray ny Fanahy Masina.
Mpanafaka alahelo no iantsoan’i Jesoa ny Fanahy Masina. παράκλητος (parakletos), moa dia ilay antsoina mba ho namana, ho mpiara-dia; nentina niantsoana ihany koa ilay mitsangana mba ho antoka, misolo vava eo anatrehan’ny fitsarana: raha ny marina araka izany tsy mpanala alahelo fa mpanala izay fototry ny alahelo, ny Fanahy Masina. “Fanomezan’Andriamanitra hanilo ny finoantsika ka hahafahantsika mivoatra amin’ny Fiainana maha-zanak’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina”, hoy ny Papa François (Toriteny Ste Marthe, 11 mai 2020).
Nampiasain’ny Jody koa io teny grika io, ka tsy nadikany amin’ny teniny fa najanony amin’izao: paraklita no nilazan’izy ireo amin’ny arameana (ny teny nampiasain’ny olona tamin’ny andron’i Jesoa) ny raim-pianakaviana (na izay misolo azy) amin’ny fandikàna amin’ny teny azon’ny zanany (arameana) ny Torah izay voasoratra tamin’ny teny hebrio, satria tsy mbola hain’ireo zanany tsy mbola nianatra izany teny izany. Ny Fanahy Masina “paraklita” araka izany dia “mpandika teny” koa, manampy antsika hahazo sy hampifanaraka ny fampianaran’i Jesoa amin’ny vaninandro sy ny fomba fisainantsika ankehitriny, mba hahazoantsika ilay “didim-pitiavana” araka ny tokony ho izy.
Ny alahady faha enina amin’ny drafitra “mistagogique” moa dia handinihana manokana ny fampanantenana ny Mpanafaka alahelo: Hangataka amin’ny Raiko aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo (Jo 14, 15-21 : Taona A); dia nidina tamin’ny Jentily ny Fanahy Masina (Asa 10, 25-48 :vakiteny voalohany Taona B), ilay Fanahy hampahatsiaro izay rehetra nolazain’i Kristy (Jo 14, 23-29 : taona D).
Ny Fanahy Masina no omen’ny Ray ho antsika mba handavorary ny fiombonantsika Aminy, ka hahatonga an’Andriamanitra ho zavatra rehetra ao amin’ny olombelona rehetra (tout en tous, 1 Kor 15, 28). Ny Fanahy Masina, ilay nisonenika tambonin’ny rano (Jenezy 1,2), no hahatanteraka ny faminanian’Izaia fa hampianarin’Andriamanitra ny olona rehetra (Iz 54,13), Andriamanitra Ray izay nampianatra ny vahoaka tamin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, niseho ho fantatry ny olona, izany hoe naneho ny tena endriny amintsika tamin’ny fahatongavan’ny Zanany ho nofo ary mampiombona ny olombelona amin’ny fiainany amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Io Fanahy irahin’ny Ray io no maha-zanaka antsika, tsy hamelan’i Jesoa antsika ho kamboty ka hahafahantsika miantso an’Andriamanitra hoe Aba, Ray (Galata 4, 6). Izy no omen’i Jesoa hankahery antsika ka hahafahantsika mahefa ny zavatra rehetra (Filipiana 4, 13).
Mety hahalasa ny saina ihany anefa ny lazain’i Md Lioka amin’ny vakiteny I hoe : ireo tao Samaria izay nataon’i Filipo Batemy mbola tsy nandray ny Fanahy! Fa angaha tsy mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra ny Fanahy satria izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no tonga zanak’Andriamanitra? Ka nahoana no mbola mila fametrahan-tanana avy amin’ny Eveka (Piera sy Joany) mba handray ny Fanahy Masina indray?
Izay tia ihany no afaka manandrana ny hafenoan’ny fiainana ao amin’ny Fanahy Masina. Ny fiainana araka ny fitiavana no hahafahana manandrana ny hasambarana ampanantenain’Andriamanitra ny zanany rehetra. Tsy afaka ny handray ny Fanahy Masina izay mihevitra ny hisara-bazana na hampisara-bazana. Mampiombona mandrakariva ny Fanahy, ny hahatonga ny olombelona rehetra ho iray ihany ao amin’i Kristy no tanjony (hohalalinina amin’ny alahady 7 Paka).
Izany no mahatonga an’i Md Lioka ao amin’ny Asan’ny Apôstôly henontsika teo milaza fa nanirahan’ny Fiangonana an’i Piera sy Joany ireo vita batemy ivelan’i Jerosalema mba hahafahan’izy ireo mandray ny Fanahy Masina amin’ny fametrahan-tanana ataon’ny Apôstôly, ho mariky ny fiombonana iveloman’ny Eglizy.
Ao amin’ny Eglizy, ny sakramentan’ny Fankaherezana izay anirahana ny Eveka dia entina hanamafisana izany fampianarana izany, ka ny Eveka, Dimbin’ny Apôstôly, notendren’ny Papa eo amin’ny Diosezy dia Sakramentan’ny Fiombonana, mampahatsiaro ny kristianina rehetra fa izay miombona amin’ny Eglizy no afaka mandray ny Fanahy maha-zanaka, satria miombona amin’i Kristy, ary tsy azo adinoina fa tsy afaka hahita akory an’i Kristy tafatsangan-ko velona izay tsy miombona amin’ny Eglizy. Izay no nahazo an’i Tomà ny andron’ny Paka.
Mampalahelo ny zava-mitranga matetika. Tsy azon’ny ankamaroan’ny tanora beazina izany ka vita indray ny Fankaherezana vao mandao ny Eglizy ny maro. Tsy mahagaga raha ny fanahin’izao tontolo izao avy eo no manjaka ao aminy, ka ny “alatsinain’ny Pantekoty” no tonga hafaliana bebe kokoa noho ny Pantekoty.
Hoy ny Katesizin’ny Fiangonana mamintina amintsika ireo sehatra isehoan’ny Fanahy:
KFK 688. Ny Fiangonana, fiombonana velona ao amin’ny finoan’ny apôstôly izay nampitainy, no toeran’ny fahalalantsika ny Fanahy Masina :
Ny Fanahy no hampianatra fa koa hampahatsiaro (ὑπομιμνῄσκω hypomimnesko) izay nampianarin’i Jesoa mba tsy hanadinoantsika azy mandrakizay. Izy no mamerina ao am-pontsika ny Teny, satria izay tsy ao amin’ny “tsiaro” dia very any amin’ny fanadinoana. Ny Fanahy fitiavana no mamelona eo anivon’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’i Kristy, ka hahafahan’ny Mpino miaina ny fiombonana amin’ilay Andriamanitra izay honina ao amin’izay tia Azy.
Izao no fampianaran’ny Eglizy momba izany:
Mino ny Fanahy Masina
KFK 152. Tsy misy afaka hino an’i Jesoa-Kristy raha tsy manana anjara amin’ny Fanahiny. Ny Fanahy Masina no manambara amin’ny olombelona hoe iza moa i Jesoa ? Satria “tsy misy afa-milaza fa “i Jesoa no Tompo”, raha tsy entanin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). “Mamantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza (…) Tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany” (1 Kôr 2,10-11). Andriamanitra irery no mahalala manontolo ny momba an’ Andriamanitra. Mino ny Fanahy Masina isika satria Andriamanitra Izy.
Tsy mitsahatra manambara ny finoany an’Andriamanitra tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ny Fiangonana.
KFK 687.“Tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra”(1 Kôr 2,11). Ary, ny Fanahiny izay manambara Azy dia mampahafantatra antsika an’i Kristy, Teniny (son Verbe), Teniny velona (Parole Vivante), fa tsy milaza momba ny tenany. Ilay “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany” (DS 150) no ahafahantsika mandre ny Tenin’ny Ray. Fa isika tsy mandre Azy. Tsy mahalala Azy isika afa-tsy amin’ny fihetsika izay anambaràny amintsika an’ ilay Teny sy andrisihany antsika handray Azy amin’ny finoana. Ny Fanahin’ ny Fahamarinana izay “mampiharihary” an’i Kristy amintsika dia “tsy miteny avy amin’ny Tenany” (jer. Jo 16,13). Izany fanaovana tsinontsinona ny tena toy izany, izay tena toetran’ Andriamanitra manokana, no manazava ny antony “tsy ahazoan’izao tontolo izao mandray ny Fanahy, satria tsy hitany Izy ka tsy fantany”, fa ireo izay mino an’i Kristy kosa dia mahafantatra Azy satria mitoetra ao amin’izy ireo Izy (Jo 14,17).
Ny Fanahy izay nampanantenain’Andriamanitra ho an’izay mino azy no antoka mandavorary ny iraka nankinina amin’ny Fiangonana : «ho Vavolombelon’i Kristy hatrany amin’ny faravazan-tany», hamaly amin-kamoram-po sy fanajana izay manontany ny anton’ny fanantenana izay iainantsika (Vakiteny II 1 Pi 3, 15-18). Indraindray misy olona mihevitra ho manana ny marina dia mihevitra koa fa afaka miteny izay tiany hotenenina ary miteny amin’ny fomba tiany hitenenana. Ny Kristianina, hoy Md Piera dia hamaly amin-kamoram-po sy fanajana mandrakariva, ka ny fitondran-tena tsara atao ao amin’i Kristy ho hampahamenatra izay mety hanendrikendrika.
Ventesintsika matetika ny salamo setriny : « Ataovy manakoako ny hoby, derao Andriamanitra ry Tany tontolo » (Sal 65)!
Inona ny antony? Satria novany ho tanety ny ranomasina! Jereo ity nataony tamiko! Inona no nataon’Andriamanitra tamintsika tsirairay avy? Lazain’ny Mpanao salamo fa mihaino ny Vavaka ataontsika hatrany Izy! Marina izany, sady mamaly vavaka Izy, tsy araka ny ventsoventsontsika anefa fa araka izay mahasoa antsika. Tsy alany amintsika mandrakizay ny fitiavany
Ny Fanomezam-pahasoavana no anehoan’ny Fanahy ny fitiavany antsika. Fanomezana tsy natao hieboeboana fa kosa natao hanasoavana ny hafa. Tsy azontsika hadinoina ny fampianaran’i Md Paoly momba ny Fanomezam-pahasoavana (I Kor 12). Maro samihafa ny fanomezana fa ny Fanahy iray ihany! Ny Sakramenta tsirairay dia handraisantsika ny Fanahy Masina ka handraisana fanomezana maneho ny Fanahy hahasoa ny besinimaro (1 Kor 12, 7). Izay tsy mahay mibanjina izany fanehoana (seho) ny Fanahy izany dia mety ho latsa-pialonana manoloana ny fanomezam-pahasoavana omen’ny Fanahy ny hafa, kanefa hahafahantsika manao asa bebe kokoa noho Izy aza, hoy i Jesoa (Joany 14, 12).
Ny fahatsapana izany fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izany dia miaro amin’ny mety ho fialonana, satria raha mialona ny hafa amin’ny mety ho fahaiza-manaony isika dia mialona ny Fanahy izay loharanom-pahasoavana niaviany. Ny fahatsapana ny fetran’ny tena sy ny halemena kosa indray dia miantso antsika hitandrina ny didin’i Kristy, porofom-pitiavana Azy, mba hahazoantsika ny Fanahy nampanantenainy (Evanjely): raha tsy Izaho, dia tsy hahefa na inona na inona ianareo, hoy Izy (Jo 15, 5), tsy voatery avy amintsika no anatanterahany ny asam-pamonjena, ka na iza na iza mahavita asa soa dia tokony ho hafaliana mandrakariva, hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. Lasa tandra vadin-koditry ny fiaraha-monina anefa sady indraindray laharam-pahamehana mihitsy ny fanomezam-boninahitra ny olombelona izay fitaovana ihany.
Samy efa nandray ny Fanahy isika, tamin’ny sakramenta noraisintsika avy. Ny tsirairay ary araka izany, dia sady nandray fahasoavana manokana no voairaka hitory ny hatsaran’Izy Tompo “am-kamoram-po sy am-panajana”. Tsara hotadidiana mandrakariva anefa fa ny Fitiavana Azy Tompo no fototry ny fiainam-panahy rehetra, ary « Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany » (Rm 8, 28).
Aoka ary isika hatoky ny Fanahy fa manampy antsika hizaka ny fahalementsika sy ny an’ny hafa Izy, ka izany no hahafahantsika mampiasa ny fanomezam-pahasoavana noraisintsika ho fanasoavana ny besinimaro, ka hikatsahana mandrakariva ny fiombonana, eny fa na dia mazàna aza, vokatr’izany dia hiaran’ny fanenjehana na voatery miaritra ny mafy sy ny manahirana mbamin’ny tsy rariny. « Aleo amin’ny fanaovan-tsoa no hiaritra fahoriana, raha izany no sitrak’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy« , hoy Md Piera manafatra antsika.
Ny fiombonana taratry ny fiombonan’ny Trinite Masina asehontsika amin’ny fifankatiavana no hahalalan’ny olona fa mpianatr’i Kristy tokoa isika (Joany 13, 35).
Tsy hohadinointsika fa ireo Apôstôly nivavaka nandritra ny hasivian’andro tao amin’ny “efitrano ambony” (Senakla) no nandray ny Fanahy Masina ny andro Pantekoty. Manomboka amin’ny Alakamisy koa ny Eglizy, aorian’ny Fankalazana ny Niakaran’i Jesoa any amin’ny Ray, dia miara-mivavaka manokana mba hisy Pantekoty vaovao, na ho an’ny tsirairay, na eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina, na eo anivon’ny Sokajy fototra sy ny Fikambanana Masina sy ny isam-baomiera, mba hahafahantsika mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Evanjelin’i Kristy, ka ho laharam-pahamehana amintsika ny hampiseho amin’izao tontolo izao ny maha-mpianany mifankatia antsika.
Hanaraka izay atoron’ny Fanahy Masina anie isika fa hitombo fitiavana sy fifankatiavana hatrany.