Alatsinainy fahadimy fankalazana ny Paka
- Asa 14, 5-17
- Salamo 113B
- Md Joany 14, 21-26
Tao Ikônio, taorian’ny toritenin’i Paoly dia nizara roa ny mponina: nisy ny resy lahatra ka nanohana ny Apôstôly, nisy ny tafintohina ka niombona tamin’ny Jody. Saingy rehefa hita fa vonona ny hanao herisetra sy hitora-bato azy ireo ny Jody sy ny Jentily sasany, dia nitsoaka tany Derbé sy Listra i Paoly sy Barnabe. Noho ny fahasitranan’ilay zatovo manan-kilema hatrany am-bohoka anefa dia noheverin’ny olona ho andriamanitra maka endrik’olona izy ireo, ka saika hanolorany sorona mihitsy. Olombelona ihany izahay, hoy i Paoly fa izao fahasitranana (σῴζω sozo, famonjena) izao no tanteraka dia mba hitoriana ny vaovao mahafaly mba hialana amin’ny zava-poana ka hanompoana an’Andriamanitra velona izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra… mba hahafeno hafaliana ny fon’ny olombelona. Izay mpanompon’ny Evanjely dia miredona mandrakariva ny salamo 113B: tsy izahay fa ny Anaranao no homena fiderana satria mahatoky ny fahamarinanao.
“Izay manana ny didiko sy mitandrina azy no tia ahy”. Mazava ny tenin’i Jesoa. Tsy afaka ny hiteny ho tia ny olona iray ianao raha tsy raharahianao akory ny hafatra navelany. Manana ny didin’i Jesoa izay mitandrina ny teniny am-pinoana ka miezaka mampifanaraka ny fiainana amin’ny fampianarany, amin’ny fifankatiavana tahaka ny nitiavany.
I Jodasy (rahalahin’i Jakoba Lk 6, 16) dia nihevitra fa ny fisehoan’i Jesoa, ny fanomezan’ny Ray voninahitra Azy dia tokony ho fisehoany amin’izao tontolo izao, ho mpanjaka mamirapiratra araka ny fampanantenana ho an’ny taranak’i Davida fa tsy amin’ny mpianatra ihany. Saingy ambaran’i Jesoa mazava, fa tsy voninahitra araka an’izao tontolo izao ny Azy, ka izay tsy mandray ny teniny dia manilika ny tenany tsy handray ny famonjena, satria mandà tsy hiaino ny tenin’ny fiainana, mandà tsy handray ny Fanahy Masina Mpanafaka alahelo izay hampianatra ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro ny fampianarany, Fanahy izay irahin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa, izany hoe amin’ny fiombonana Aminy, noho ny vavaka ataony (Jo 14, 16).
Ny Fanahy Masina[1] no omen’ny Ray ho antsika mba handavorary ny fiombonantsika Aminy, ka hahatonga an’Andriamanitra ho zavatra rehetra ao amin’ny olombelona rehetra (tout en tous, 1 Kor 15, 28). Ny Fanahy Masina no hahatanteraka ny faminanian’Izaia fa hampianarin’Andriamanitra ny olona rehetra (Iz 54,13), Andriamanitra izay nampianatra ny vahoaka tamin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, niseho ho fantatry ny olona, izany hoe naneho ny tena endriny amintsika tamin’ny fahatongavan’ny Zanany ho nofo ary mampiombona ny olombelona amin’ny fiainany amin’ny fanomezana ny Fanahy. Izay tia ihany anefa no afaka manandrana izany hafenoan’ny fiainana izany. Ny fiainana araka ny fitiavana no hahafahana manandrana ny hasambarana ampanantenain’Andriamanitra ny zanany rehetra.
Ny Fanahy no hampianatra fa koa hampahatsiaro (ὑπομιμνῄσκω hypomimnesko) izay nampianarin’i Jesoa. Izy no mamerina ao am-pontsika ny Teny, satria izay tsy ao amin’ny “tsiaro” dia very any amin’ny fanadinoana. Ny Fanahy fitiavana no mamelona eo anivon’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’i Kristy, ka hahafahan’ny Mpino miaina ny fiombonana amin’ilay Andriamanitra izay honina ao amin’izay tia Azy.
Andriamanitra o, Ianao no mampiray ny fon’ny mpino amin’ny fitiavana tokana, koa tahio izahay ho tia izay didianao hatao ary haniry izay nampanantenainao, ka tsy harebirebin’ny zava-mandalo fa hahay hifikitra amin’izay misy ny tena hafaliana marina (vavaka fangatahana).
[1] παράκλητος parakletos, ilay antsoina mba ho namana, ho mpiara-dia; ilay mitsangana mba ho antoka, misolo vava: raha ny marina araka izany tsy mpanala alahelo fa mpanala izay fototry ny alahelo. Fanomezan’Andriamanitra hanilo ny finoantsika ka hahafahantsika mivoatra amin’izany ny Fanahy Masina (papa François, Toriteny Ste Marthe, 11 mai 2020).