Alakamisy fahaefatra fankalazana ny Paka
- Asa 13, 13-25
- Salamo 88
- Md Joany 13, 16-20
Manomboka eto amin’ny toko faha-13 moa dia i Paoly (Paulus, Ilay Kely) no iantsoan’i Md Lioka an’i Saoly, ilay Nirina (Asa 13, 9), ary amafisiny ny maha-vavolombelona azy, tahaka ny maha-vavolombelona ireo Apôstôly nofidian’i Kristy hitory ny Evanjeliny. Ireo Kristianina Jody voalohany moa dia nanohy nanaraka ny fivavahana Jody, ka henontsika amin’ny Vakiteny anio i Paoly tonga tany Antiôkia any Pisidia, dia niditra tao amin’ny Sinagoga ny andro Sabata. Rehefa nomena azy ny fitenenana raha misy teny famporisihana atao, dia ny fitantarana ny asan’Andriamanitra teo amin’ny vahoakany no nanompanany ny lahateniny, niantomboka tamin’ny nanafahany azy tany Ejipta tamin’ny sandry mahery (ὑψηλός[1] hypselos, misandratra, izany hoe nandresy ny olana rehetra) ka hatramin’ny nanirahany an’i Joany hanao batemim-pibebahana, hanamboatra ny lalana ho an’ilay Mesia nampanantenainy, dia ilay Mesia ilay tokana afaka hampiakatra an’i Siona ho vadiny (hamaha ny fehin-kapa), araka ny faminanian’Izaia (62,5).
Sombin’ny Lahateny nataony moa io (Asa 13, 16-41) ary amin’ny vakiteny rahampitso (and. 26-33) dia mbola fitohizan’izany teny famporisihana izany. Israely sy izay matahotra an’Andriamanitra no asain’i Paoly hihaino ny lahateniny. Ny tena marina moa, ny vakiteny voalohany anio (and. 16-25) dia fanomanana ara-tantara hampidirana ny momba an’i Jesoa, taranak’i Davida, fahatanterahan’ny fampanantenan’YHWH.
Ny Evanjely kosa, manohy ny fampianaran’i Jesoa mikasika ny Eokaristia, izay “fanasana tongotra” ao amin’i Joany. Ilay endrik’Andriamanitra nanaiky ho mofo, ho sakafo hamelona ny vahoakany, lazain’ny Evanjely Sinôptika, dia asehon’i Joany ho “andevo”, mpanompo, manasa ny tongotry ny mpianatra. Tsy afaka ny hanompo izany endrik’Andriamanitra izany izay te ho tompoina. Moramora ho antsika indraindray ny mandany vola aman-karena hanaingoana ny otely sy ny tranon’Andriamanitra, nefa avy eo mitady fialan-tsiny amin’ny hanaingoana ny tempoly velona honenany sy endrika tiany hisehoana dia ny mahantra sy ny madinika.
Amin’ny Evanjely anio no hahenoantsika ny fahasambarana araka ny Evanjelin’i Joany: Sambatra izay mahafantatra fa ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony ary ny iraka (Apôstôly) tsy ambony noho izay naniraka azy, ka vonona ny hanompo satria Andriamanitra aza, ilay hany Tompo, nilatsaka ho mpanompo. (Ny fahasambarana faharoa dia ny finoana na tsy nahita aza, Jo 20, 29). Tsy ho afaka ny hanao izany anefa isika raha tsy mahafantatra sy resy lahatra fa lalam-pahasambarana no nizoran’ilay nialoha lalana. Moramora kokoa ny manao tahaka an’i Piera hilaza fa sanatria raha mba i Jesoa no hanasa ny tongony.
Ho antsika dia izay tia sy hahazoana tombontsoa no safidiana sy tiavina. Ny hoe “tsy ianareo rehetra no antsoiko” moa, somary mivilana ihany ary mety handiso ny hevitry ny Evanjely. λέγω (lego) no ampiasain’i Joany eto. προσφωνέω (prosphoneo) sy φωνέω anefa no ampiasain’ny Evanjely amin’ny fiantsoana na ny olona na ny Apôstôly. λέγω dia tsara adika hoe “Tsy ianareo rehetra no lazaiko” eto. Tsy ny rehetra no lazain’i Jesoa fa hahavita hiaina izany fahasambarana amin’ny fanompoana izany. Fantany ireo nosafidiany (ἐκλέγομαι eklegomai) ka nantsoiny hiara-mihinana Aminy. Ny olon-drehetra no nofidiany sy notiaviny manokana, eny fa na dia fantany aza fa hivadi-belirano.
Izany no fahatanterahan’ny Soratra Masina. Tsy ny hoe ny amin’i Jodasy mpamadika sanatria, fa ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika manoloana ny fahalemen’ny olombelona. Ny Soratra Masina manko dia miteny momba an’Andriamanitra sy ny fitiavany maimaim-poana hamonjy antsika.
Ny fitanisana ny Salamo 41, 10, mitantara ny famadihan’i Akitôfela Gilaonita an’i Davida (2 Sam 15,12) toa fahatanterahan’ny Soratra Masina, araka izany, dia entin’ny Evanjely milaza amintsika fa tsy kobaka am-bava ny fampianaran’i Jesoa momba ny fitiavana ny fahavalo sy ny fanaovana soa an’izay manao ratsy. Ilay fantany fa hamadika azy dia notiaviny hatramin’ny farany, ary ambaran’ny Evanjely aza, fa i Jodasy no notoloran’i Kristy ny fanajana sy ny mari-pitiavana ambony indrindra amin’ireo mpianany, niara-nihinana (τρώγω trogo) taminy, nomeny ny tenany manontolo, na dia hanainga ny ombalahin-tongony hamely an’i Jesoa aza, izany hoe hanamavo sy mitady izay hanapotehana azy, hanao izay handavoana azy. Izany fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika izany no hahalalantsika ny tena endrik’Andriamanitra: “Izaho no izy” (YHWH), ilay tonga hamonjy.
Tsy hafa i Jodasy fa isika tsirairay avy, antsoin’i Jesoa isan’andro hiara-misakafo (τρώγω trogo) Aminy, na dia fantany aza ny fahalementsika. Anjarantsika kosa ny hamerina na tsia izay nataon’ilay Jodasy voalohany, nanolotra ilay Tia azy, ho tambin’ny “vidin’ny andevo”. I Jodasy miady varotra ny amin’izay hamarotana an’i Jesoa: homenareo ohatrinona aho dia hatolotro (παραδίδωμι paradidomi) ho anareo izy? Ny Soratra Masina milaza fa 30 sikla volafotsy no vidin’ny andevolahy na andevovavy (Eksaody 21, 32) ary Zakaria mpaminany kosa manamafy fa 30 sikla no karaman’ilay mpiandry ondry tsara izay natsipiny tao an-Tempoly, tao amin’ny mpanefy tanimanga (Zak 11,12). Samy andevo ihany, hoy Jodasy, ka naleony nanompo ny vola, toy izay hanompo ilay “Andriamanitra mpanasa tongotra”.
Miray iraka amin’i Kristy ny Mpianany, ka izay mandray azy ireo dia mandray an’i Kristy izay naniraka azy, ary mandray koa ny Ray naniraka an’i Kristy. Na inona na inona mety ho tsy fahamendrehan’izay voairaka dia ny fitiavana tsy mivadika niantsoan’i Kristy azy no zava-dehibe. Tsy mora izany satria “sinitany mora vaky” hoy i Md Paoly no hitondran’ny Mpianatra ny raki-tsarobidy (2 Kor 4,7) mba hihariharian’ny herin’ny Evanjely, saingy mbola sarotra ho an’ny Kristianina maro ny mandray ny irak’i Kristy, indrindra rehefa tsy mifanaraka amin’ny toetra na ny fahamasinana tian’izy ireo sy mifanaraka amin’ny filany ny toetran’ilay iraka. Ny loza dia ny manary ny raki-tsarobidy noho ny tsy fitiavana ny sinitany. Tsy sanatria ho fanararaotana ho an’ny iraka izany, izay rehetra miditra ho isan’ny Egliziny moa no irahiny, ary efa voalaza teo fa tsy ho sambatra izay tsy hampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjely toriany.
Asakasak’izay tsy te ho sambatra fa tsy mahasakana ny asan’Andriamanitra ary tsy mampihena velively ny fitiavany izay mety ho tsy fahamendrehan’ny iraka mitondra ny Teniny. Fa fahasambaran’izay mitoky amin’ny Teniny kosa ny milatsaka hanompo mba ho fahasambaran’ny hafa.
[1] μετὰ βραχίονος ὑψηλοῦ (Acts 13:17)