Alatsinainy fahaefatra fankalazana ny Paka
- Asa 11, 1-18
- Salamo 41
- Md Joany 10, 1-18
Tsy mbola azon’ireo Mpino voalohany ny fandaharan’Andriamanitra. Ambaran’i Lioka tsikelikely amin’ny fitantarany ny Asan’ny Apôstôly anefa izany asa mahagaga ataon’Andriamanitra izany, dia ny amin’ny fanomezany ny fahasoavana mitovy ho an’ny olona rehetra.
Ho an’ny olona dia nanao hadisoana be vava ny Papa amin’ny fidirana any amin’ny tranon’ny tsy voafora, fa ny valin-teniny kosa dia mampahatsiaro ny tenin’ny Ohabolana hoe “ny valinteny mora mampitony havinirana” (Ohab 15, 1), satria fantany fa ny niantsoana azy sy izay rehetra te hanaraka azy amin’ny finoana an’i Kristy dia ny fahavononana mandrakariva hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay manontany antsika ny amin’ny fanantenana izay ao anatintsika (1 Piera 3, 15). Izay mahalala an’Andriamanitra ka tonga zanany (mitovy endrika Aminy) dia tsy afaka ny tsy hifaly sy ankalaza Azy amin’ny fahitana ny fibebahana hahazoana ny fiainana, na iza na iza miova fo.
Jôpe moa dia tanàna iray midika hoe “Tsara tarehy”, mampahatsiaro antsika ilay Mpiandry ondry “tsara tarehy” (καλός, Kalos), izay ampifanoherin’i Joany amin’ny mpangalatra. Ny Mpiandry ondry dia miditra sy mivoaka avy amin’ny vavahady, dia i Jesoa ihany, miantso ny ondry amin’ny anarany avy, mitarika ny ondry avy eo aloha ary fantatry ny ondry ny feony. Tsy azon’ireo nihaino Azy anefa izany teny izany, hoy i Joany. Mazava loatra, henontsika tao amin’ny vakiteny voalohany teo ny fanomezan-tsiny nataon’ny voafora an’i Piera, izay niara-nisakafo tamin’ny tsy foafora sy jentily.
Lazaiko marina dia marina aminareo (Αμὴν ἀμὴν λέγω ὑμῖν), hilazan’i Joany fa fanambaran’Andriamanitra no lazainy, ka Andriamanitra izay fototry ny fahamarinana no manamarina Azy, ary tsy azo adinoina fa Farisiana, mpiandry ondry jamba (Jo 9, 39-41) no iresahan’i Jesoa amin’ity toko faha-10 ity. Izay tsy mamelona fa mifetsy sy mangalatra dia tsy afaka ny ho mpiandry ondry araka an’Andriamanitra, mpiandry ondry tsy valahara, araka an’i Ezekiela Mpaminany (Ez 34). Tsy fitsikerana ny pretra sy ny eveka no tokony ho tonga ao an-tsaintsika mandinika ity Evanjely ity, fa ny fifandraisantsika amin’ilay Mpiandry ondry, vavahady nofidian’Andriamanitra mba hidirana sy hivoahana, izany hoe hiainana ny fahafahana tanteraka.
Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy vaovao ny filazana an’YHWH ho “Mpiandry an’Israely” (Salamo 80, 2), mpiandry mitondra ny ondriny amin’ny tanim-bilona (Sal 22), mitrotro ny zanak’ondry ary mandroaka miadana ny reniondry (Izaia 40, 11).
Satrintsika ny hanana Andriamanitra mangeja antsika ao an-tranony, manome ny fahasoavana rehetra ilaina, ary miaro antsika, na mikapoka aza raha sanatria misy te hivoaka ny vala. Fahalalahana kosa, “afaka miditra sy mivoaka”, izany no lazain’i Kristy, satria ao anatin’izany fahalalahana izany no hahafahana mizotra amin’ny fahasambarana. Haintsika ve ny manavaka ny feon’Andriamanitra, izay tsy azo toherina hoy i Md Piera tao amin’ny vakiteny voalohany? Haintsika ve ny manavaka ny mpiandry ondry sy ny mpikarama? Izay tsy manaraka an’i Jesoa dia manaraka ny mpangalatra sy jiolahy, ary raha anankinana ondry koa aza izy dia hangalatra sy hamono ary handringana no imasoany.
Ambaran’ny Evanjely anio fa ny toetra mampiavaka ny Mpiandry ondry ka mampahatsara tarehy azy dia ny “fahafoizany ny ainy ho an’ny ondriny”. Ny καλός (Kalos) nadika hoe “tsara” moa, raha ny marina dia tsy midika akory hoe mahafinaritra ny maso, raha tsy izany dia ho diso ny faminaniana sy ny famaritan’Izaia ilay mpanompon’YHWH izay tsy nanafina ny tavany tamnin’ny latsa sy ny rora (Izaia 50, 4-9). Tsara izay mifanaraka amin’ny maha-izy azy, tsy misy fitaka ary mijoro hatramin’ny farany, amin-kerim-po amin’izay iraka nampanaovina azy.
Izay te ho mpianatr’ilay Mpiandry ondry tsara dia tsy maintsy mikolokolo ao aminy ny fitiavana ny ondry, ka tsy ny vola aman-karena no hanaovana ny asa fa ny fitiavana vokatry ny fahalalana ny ondry ka hiarovana azy ireo sy hitadiavana izay mahasoa azy ireo. Tsy afaka ny hitady izay mahasoa ny ondry tokoa manko izay tsy mahalala akory ny ondry. Arakaraky ny fahalalantsika an’i Jesoa no hahalalantsika koa ny ondry mirafitra ho tena iray aminy. Izay manara-dia an’i Kristy dia tsy manan-tanjona afa-tsy ny hananan’ny olona rehetra ny fiainana ary ny mba hahahany azy amin’ny hafenoany, tsy ireo mihevitra ho iray vala ihany, fa ny olon-drehetra maniry sy mangetaheta ary mihaino ny “marina”, eny fa na dia izay ondry mania lavitra ny vala aza, hotadiaviny ary hoentiny an-tsangory ao am-bala.
Izy no Mofo velona (ζάω zao) nidina avy any an-danitra, velona satria manan’aina, fa velona koa satria loharanon’aina, avy amin’ny fihinanana Azy, avy amin’ny fihainoana ny Teniny no hahazoantsika ny aina, dia tsy ilay aina hitambarana amin’ny zavaboary (bios) fa ilay aina hiombonana amin’Andriamanitra sy ny rahalahy (zoe). Ny fanolorana ny iray voalohany holaniana mba hanaovana soa no hitomboan’ilay faharoa kosa ka handraisana azy feno ao amin’Andriamanitra.
Tsilovy aho hahita ny lalana handrosoako ka higohako ny tena hasambarana (sal 41).