Alakamisy fahatelo Fankalazana ny Paka
- Asa 8, 26-40
- Salamo 65
- Md Joany 6, 44-52
Anisan’ny sarotra indrindra amin’ny fidiran’ireo Jody amin’ny finoana an’i Jesoa ny fiekena fa ilay zanak’i Josefa dia Andriamanitra, sarotra ny hiaiky fa ilay Tenin’ny Ray nahariana ny zavatra rehetra dia tonga olombelona mitovy amintsika ary Izy no manome antsika ny fiainana. Tsy fahaizana na fahendren’olombelona no hahatongavana amin’ny finoana izany fa fahasoavana avy amin’ny Ray. Mampianatra ny olona rehetra Izy (Izaia. 54, 13) ka izay mihaino ny fampianarany no afaka hanatona an’i Jesoa sy ho afaka hihinana (φάγω – φάγομαι phago), izany hoe afaka manao antom-pivelomana ilay Mofo nidina avy any an-danitra.
Manao dingana iray indray anefa ny fampianarana eto: ny mofo avy any an-danitra dia ny nofon’i Jesoa (σάρξ sarx) ho fiainan’izao tontolo izao. Izy no Mofo velona (ζάω zao) nidina avy any an-danitra, velona satria manan’aina, fa velona koa satria loharanon’aina, avy amin’ny fihinanana Azy no hahazoantsika ny aina, dia tsy ilay aina hitambarana amin’ny zavaboary (bios) fa ilay aina iombonana amin’Andriamanitra sy ny rahalahy (zoe).
Ho an’ny Jody, ny hena hohanina hahazoana tsodrano avy amin’Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy ny zanak’ondry atao sorona, tsy mahagaga raha nolazain’i Md Joany fa mifanandrify ny ora nahafatesan’i Jesoa sy ny ora famonoana ny zanak’ondrin’ny Paka (zoma masina amin’ny ora faha-9). Izy no ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao, ka manome antsika indray ny aina. Ny fiainany no natolony manontolo ho aina hamelona izao tontolo izao. Ary izay manaiky hihinana ny mofo dia tonga nofony, iray aina Aminy, ka tsy afaka ny tsy handray anjara amin’ny fanomezana aina ho an’izao tontolo izao.
Izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia mahita fa ao amin’i Jesoa no ahatanterahan’ny faminanian’Izaia mikasika ilay Zanak’ondry moana eo anatrehan’ny Mpanety azy (jereo ny vakiteny Herinandro masina).
Hain’Andriamanitra ny mitondra ny zava-drehetra. Ny fiparitahan’ny Mpianatra (sy ny Apôstôly) dia tsy hahatonga azy ireo ho vavolombelona hatreo Samaria ihany fa hatrany am-paravazan-tany. Lehilahy iray avy any Etiopia no nitorian’i Filipo ny Evanjely, amin’ny fanazavana aminy fa i Jesoa no fahatanterahan’ny Faminaniana novakiany tao amin’ny Mpaminany. Avy eo aza i Filipo mbola mandalo any Azota (Ashdôd, anisan’ireo tanàna dimin’ny Filistina, hilazana fa izay manaiky hirahin’Andriamanitra dia mazava loatra fa tsy hifidy olona na tany hitoriana ny Teniny, na dia ny Filistina ho an’ny Jody aza).
Lazain’i Bède le Vénérable fa tokony hampandinika antsika ihany ny fiainan’ity Eonoka Etiopiana ity. Avy any Jerosalema izy, mody any an-trano, mamakivaky ny tany efitra saingy manohy mandalina ny Soratra Masina, manohy mamisavisa izay noventesiny (henony) tao an-tempoly. Valin’ny faniriany no nandefasan’Izy Tompo ny Mpanompony Filipo mba hanokatra ny sainy amin’ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana notadiaviny. Isika koa, rehefa avy mivavaka, dia tokony hanohy hikaroka ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra novakiana amintsika, hahafantatra tsara izay vakiana mba hahafahana mampifanaraka ny fiainana amin’izay voalaza marina tokoa. Anatin’izany ny fanetren-tena hiaiky fa tsy afaka ny hahalala raha tsy misy olona mitari-dalana.
Ampianarin’Andriamanitra isika rehetra (Izaia 54, 13), amin’ny fanomezany antsika fo vaovao afaka mitia, hoy Ezekiela (Ez 36, 26). Tsy ezaka avy amin’ny fisainantsika fa fanehoan’Andriamanitra ny tenany (révélation) no hahafahantsika mahalala Azy, ary fanavotana izany satria tao anatin’ny haizina isika fony mbola tsy nahalala Azy (vavaka fangatahana). Fo mahatsapa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra Ray ny fahafahana manara-dia an’i Jesoa, ilay hany nahita ny Ray sy manome antsika ny “nofony”, izany hoe ny fiainany manontolo, hanasoavana an’izao tontolo izao. Izay mihinana Azy dia antsoiny mba ho iray aina Aminy.
Tsy ho sanatria anie ho kobaka am-bava na tsidi-pahitra no ankalazantsika ny Tenin’Andriamanitra. Ka ny ohatra tantarain’i Md Lioka anio anie, hampitsiry ao am-pontsika ny fikarohana sy faniriana hahalala sy ho tia bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra, hahafahantsika mitombo fahalalana an’i Kristy ilay efa nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany, ka hiray aina Aminy bebe kokoa hatrany.