25 aprily: Md Marka Evanjelista
- 1 Piera 5, 5b-14
- Salamo 88
- Md Marka 16, 15-20
Nolazaina fa mpianatr’i Md Piera i Marka ary ny fampianaran’ity mpampianatra azy ity no noraiketiny an-tsoratra, ka nahazoantsika ny Evanjely voasoratra voalohany (65-70 d.C). Izy no nampiasa ny teny hoe: Evanjely voalohany hoentina hilazana ny “Fanombohana” (Teny hanomboan’ny Evanjeliny mitovy amin’ny teny anombohan’ny boky Jenezy), ilay fahariana vaovao entin’ny finoana an’i Jesoa, ilay Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra.
Ao amin’ny Asan’ny Apôstôly dia voalaza fa zanak’i Maria, ilay vehivavy nampiantrano an’i Md Piera avy nivoaka ny fonja izy (Asa 12,12), lazain’i Paoly fa zanak’olom-piray tampo amin’i Barnabe (Kol 4,3) izay ary io Joany izay atao hoe Marka (marcus dia tantànana no dikany amin’ny Latinina) io no niaraka tamin’i Paoly sy Barnabe hiverina ho any Antiokia (Asa 12, 25), nantsoin’i Md Paoly ho mpiara-miasa aminy (Filemona 24) na dia efa nandao azy tany Pamfilia aza tsy hiara-miasa taminy, antony nampisaraka an’i Paoly sy Barnabe moa izany (Asa 15, 36-40).
Antsoin’i Md Piera ho zanaka malala izy, amin’ny vakiteny ankalazana ny fetiny anio. Raha fintinina ny antony nanoratany ny Evanjeliny, heverina ho an’ny Eglizy tany Roma, dia satria io Fiangonana io, niharan’ny fanenjehan’i Néron dia namoy ny Apôstôly andry nitokisany (Piera ny 64 d.C ary i Paoly ny 67 d.C?). Ho fankaherezana azy ireo sady fanamafisana ny finoana an’i Jesoa, ilay Mesia ka ny fanarahana azy dia fanarahana ny Lalan’ny Hazofijaliana (in-telo no amerenan’i Marka an’io ao amin’ny Evanjeliny) na dia sarotra ho an’ny mpianatra aza ny hahazo izany (jereo Mk 8,31-38/ Mk 9, 30-37/ Mk 10, 32-45).
Ho an’i Marka dia mazava ny maha-Kristianina: nampanantena ny zatoheny i Jesoa fa miaraka amin’ny fanenjehana (persécution) izany (Mk 10, 29-30). Ny kristianinan’i Roma dia hahamatotra ny finoany miaraka amin’ilay Tomponjato – Kapiteny (Centurion, fiantsoana romanina) eo am-pibanjinana ilay Zanak’Andriamanitra mamoy ny ainy eo ambony Lakroà ka hilaza hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io” (Mk 15, 39).
Anisan’ny olona tsy maintsy novahan’i Paoly sy Marka tao Roma ihany koa ny fiombonana teo amin’ny kristianina Jody sy ny hafa. Azo jerena ny taratasin’i Md Paoly ho an’ireo kristianina ireo ao amin’ny toko faha-15. Ho an’i Md Marka dia ny toko faha-7 manontolo amin’ny Evanjeliny no hilazany fa na ny zanak’ilay ramatoa sirofenisiana aza dia afaka mihinana amin’ny latabatry ny Tompony, ary ny zavatra rehetra dia efa nodiovin’Andriamanitra.
Ny evanjely atolotra hankalazana ny fetiny anio moa, dia manampy antsika amin’ny fahazoana sy fiainana ny finoana an’i Jesoa tafatsangan-ko velona, ka hahazoana ny antony nahatonga an’i Marka tsy afaka ny tsy hitory ny Evanjely.
Avy nilaza i Marka fa nandositra ny vehivavy ary tsy nilazalaza na inona na inona tamin’ny olona izay hitany tany am-pasana (izay mifanihitra amin’ny fitantarana hafa), dia nilaza fa niseho tamin’i Maria Madelena i Jesoa, sy tamin’ny Mpianatra roalahy nankany an-tsaha, izay nitantara tamin’ny Apôstôly fa tsy nisy ninoany. Izay nandroahana demony fito no nisehoan’i Jesoa voalohany, avy eo ireo nisintaka tamin’ny fiombonana, avy eo ireo Apôstôly niara-nisakafo. Tsy ny fahamendrehana na ny fanarahan-dalàna no lalana hahafahana mihaona amin’i Kristy tafatsangan-ko velona; ny tsy fahamendrehana na ny fiainana nodiavina kosa, na tamin’ny tsara na ny ratsy, tsy sakava velively hahafahana mihaona aminy.
Raha fintinina ny hafatry ny Evanjely dia izao : izay miara-maty amin’i Jesoa Tompo dia miara-belona aminy kosa. Ny Apôstôly moa tsy nisy niara-maty taminy fa nitsoaka an-daharana avy. Jiolahy no naira-maty taminy ka naira-belona aminy io andro io any am-paradisa. Mazava eo fa fotoana iray ny fahafatesany sy ny nintsanganany ho velona sy ny nandraisany an’io jiolahy io tany am-paradisa. Ireo Apôstôly sy ny olon-tiana kosa, taorian’ny fandevenana dia ny hanaja ny faty araka ny fomba jody no noheritreretina.
I Kristy velona eo anivon’ny Fiangonany, mitana ny fampanantenany fa tsy hisaraka amin’ireo mpianany mandrapaha-tapitr’izao tontolo izao no Evanjely ho toriana. Miara-misakafo amintsika izy, na dia miandalana, satria manaja ny filanton’ny diantsika aza ny fisehoany amintsika, maniraka antsika hitory ny vaovao mahafaly. Tsy manana porofo holazaina amin’ny olona afa-tsy ny hafaliana manenika ny fiainany novan’ny Evanjelin’i Kristy ireo nahita Azy nitsangan-ko velona. Afaka miteny toa an’i Paoly izy ireo hoe: nataoko fakofako avokoa ny zavatra rehetra mihoatra amin’ny fahalalako an’i Jesoa Kristy izay nahafoizako ny zavatra rehetra.
Ny antony hitoriana ny Evanjely dia mba hidirana amin’ny finoana, handraisana ny batemy, izany hoe hanekena ny hiala amin’izay rehetra mahakasika ny tontolon’ny ota ka hanandramana ny fiainam-baovao mifanaraka amin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona. Izay tsy mino dia ho voaheloka. Tsy Andriamanitra tsy akory no hanameloka Azy fa ny lalana nosafidiany no tsy ho afaka hitondra amin’ny famonjena, amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Raha fahalalana an’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay (Jo 17, 3), tsy afaka ny hitombo fahalalana Azy izay manalavitra Azy.
Misy famantarana (σημεῖον semeion) dimy voatanisa eto hahalalana izay mino fa zavatra iray no manambatra azy rehetra: “amin’ny Anaran’i Jesoa” no anaovana azy: fandroahana ny demony (Mk 1, 39); fiteny fiteny vaovao (καινός kainos vaovao amin’ny maha-izy azy, hafa tanteraka noho izay taloha, izany hoe tonga amin’ny fahamatorany/ tsy afangaro amin’ny νέος neos, vaovao vao niorina ka tsy mbola matotra). Tsy zavatra hafa araka izany no ambaran’ny Apôstôly fa ny fomba itenenany azy no avaozin’ny Fanahy izay mampahatsiaro azy ireo ny fampianaran’i Jesoa manontolo, hahazakan’izy ireo ny lanjan’ny teny hotoriany (Jo 16, 12); handray menarana izy: raha raisina ny fampanantenan’i Jesoa amin’ny mpianany dia tsy handray menarana tsy akory fa hanitsaka ny menarana (Lk 10, 19) ; hisotro zava-mahafaty izy fa tsy hampaninona azy izany, satria tsy misy hampaninona azy afa-tsy izay mamono ny fanahy (Mt 10, 28); hametra-tanana amin’ny marary dia ho sitrana ireny. Amin’ny anaran’i Jesoa avokoa no anaovany izany rehetra izany. ary i Kristy miakatra any an-danitra sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary miaraka amin’ireo manaiky hitory ny teniny dia maneho izany amin’ny σημεῖον (semeion) famantarana (fa tsy fahagagana) anehoana antsika ny fitiavan’ny Ray.
Vavolombelona no ilain’i Jesoa ka tsy ho afaka ny ho tonga vavolombelony izay tsy mbola nahita azy tafatsangan-ko velona, tsy afaka ny hahita azy mitsangan-ko velona izay tsy hanaiky hanandrana ny fahafatesana miaraka aminy: raha tsy maty ny voa afafy, tsy afaka ny hamokatra ho amin’ny fiainam-baovao. Izay te hitory ny Evanjeliny dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fiainana araka ny Evanjely toriany.
Enga anie isika hahay hanararaotra ny fampianaran’i Md Marka ka hanara-dia an’i Kristy mandrapahafaty (Vavaka fangatahana).