Alarobia II Paka
- Asa 5, 17-26
- Salamo 33
- Md Joany 3, 16-21
Andriamanitra dia tsy naniraka ny Zanany teo amin’izao tontolo izao mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy an’izao tontolo izao. Amin’ny fomba fisainan’ny olona dia izay nanao ratsy dia saziana, ary indraindray koa izay no heverina ho fisainan’Andriamanitra. Ny fahotana, tsy hoe miteraka voka-dratsy ho an’ny hafa fotsiny, fa manimba ny fiainana sy ny fahasambaran’izay manao azy voalohany indrindra. Ny fanirian’Andriamanitra dia ny hanafaka ny zanany rehetra ao anatin’ny fahotana ka hahasambatra azy ireo. Ny fahotana dia tsy fahalalana, haizina, ka ny hazavana no nalefan’Izy Ray mba ho antsika, hampisava ny haizina, ka hahitana ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana.
Nahoana moa no tsy Izy Ray mihitsy no nidina hamonjy antsika? Nahoana no nandefa ny Zanany Izy? Ny antony mazava dia mba hanehoany ny fitiavan-dRay tsy mivadika ananany (חֶסֶד, Hesed), ka hanaporofoany amintsika fa ny fitiavana nitiavany an-Janany no itiavany antsika ihany koa (Jo 17, 23). Etsy an-kilany koa, avy amin’ny fibanjinana ny Zanany no hianarantsika kosa indray ny fitiavan-janaka, hitiavantsika an’Andriamanitra Ray tahaka ny hitiavan’ny Zanaka antsika (Jo 15, 9). Ny fahatsapana izany no mahatonga ny Evanjely hilaza amintsika fa raha misy milaza amintsika fa ho tonga ny farandro, dia “asandratra ny loha fa efa akaiky ny fanavotana antsika” (Lk 21, 28). Izany no mahatonga ny Kristianina hivavaka mba ho avy haingana Izy Tompo: Maran atha (1 Kor 16, 12; Fan 22, 20).
Ny finoana an’i Jesoa, izany hoe ny fiainana tahaka Azy, mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray izay tia ny hahavonjy antsika araka izany no hidirantsika amin’ny lalam-pamonjena. Izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray, dia mazava loatra fa tsy hifanaraka amin’ny fahasambarantsika, ka fahaverezana. Izay tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra dia efa voatsara. Jesoa no Anaran’ny Zanak’Andriamanitra ary “Andriamanitra mamonjy” no heviny. Izay tsy mino fa avy amin’Andriamanitra irery ihany ny famonjena dia tsy maintsy hitady famonjena any amin’ny zavatra hafa. Tsy Andriamanitra tsy akory no manary ny zanany fa izany avonavona izany no hiantsiana fahaverezana sy hitadiavana faty, hoy ny Boky Fahendrena (Fah 1, 12) ka izay mpomba ny demony no hanandrana ny fahafatesana (Fah 2, 25).
Ny Finoana dia fiombonana amin’i Jesoa, ka ny fandavana izany fiombonam-piainana izany no hijanonana any ivelan’ny fahasambarana, hanilihana tena tsy ho zanaka, ka noho izany, tsy ho afaka handova ny Fiainana Mandrakizay.
Amin’ny fanohizana ny fitantarana ny Asan’ny Apôstôly dia ambaran’i Lioka fa tsy afaka ny hitana an-tranomaizina ireo vonona ny hitory ny teny ny fahefan’izao tontolo izao. Tsy hay afatotra ny Teny, ary mitondra fahafahana ho an’izay mandray azy. Natao an-tranomaizina ny Apôstôly satria olana ho an’ny Lehiben’ny Mpisorona sy ny mpiandany aminy (Sadoseana) ny famantarana sy ny fahagagana nataon’izy ireo, fa indrindra indrindra moa ny fitomboan’ny mpino isa isan’andro isan’andro. Ny anjelin’ny Tompo manko manafaka izay matahotra Azy sy mifefy Aminy (salamo 33 setriny). Izay mandray ny teny dia mandray ny hazavana ka tsy misy haizina afaka hanarona ny hazavana na oviana na oviana. Averiko matetika ny hoe: raha toa ka ao amin’ny trano iray mirehitra jiro, raha vohaina ny varavaran-kely amin’ny alina, ny hazavana avy ao an-trano no miditra fa tsy ny haizina avy any ivelany. Mila mitandrina fotsiny, sao jiro matahotra rivotra, ka ho faty tsy hahataty ny fitsokany.
Izay no lazain’i Jesoa amin’i Nikodema. Izay matahotra ny hazavana dia tokony handini-tena satria ratsy ny asany. Mbola misy zavatra afenimpenintsika ve? Matoa izy afenina na iafenana dia satria ratsy, na tsy mbola lavorary. Matoa misy olona mahatsiaro voateny matetika, bedy matetika, tokony handini-tena ka hisaotra an’Andriamanitra raha mbola misy hazavana manilo ny haiziny ao. Raha tsy manana ny hazavana ao anatinao kosa ianao no mandrindrina ny tranonao, manidy ny fonao tsy handray ny Teny mety hahavelona, dia hihidy amin’ny maizina. Safidy malalaky ny olona anefa ny ho sambatra, hiaina ny fahafahan’ny andro, na sanatria hisitrika ao anatin’ny haizin’ny alina.
Indraindray koa, tsy ny ratsy no hiafenana fa ny tsy fahasahiana hijoro hiaro ny marina, ka aleo mangina na “tsy miditra amin’ny raharahan’ny hafa”. Aleo miandry ny alina vao manatona an’i Jesoa, tahaka an’i Nikodema, na sanatria hiandry ny fahafatesan’ny olomarina vao mba mody handeha hangoraka handevina azy. Mafy ny tenin’i Jesoa amin’ny Jody: ny razanareo mamono ny mpaminany, ianareo manamboatra fasana ho azy (Lk 11, 47) …
Ny Apôstôly izay nosamborina satria nitory ny Tenin’ny Fiainana dia niverina indray tao an-tempoly vao maraina mba hanoy ny asa fitoriana. Izany risi-po izany no manambara ny hery (παρρησία parrhesia) omen’ny Fanahy izay mandray ny Teny ka mahatsapa tahaka an’i Md Paoly hoe “loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho (1 Kor 9, 16).
Izay manao ny marina no manatona ny fahazavana. Tsy afaka ny hanao ny marina anefa raha tsy mahafantatra ny marina. Tsy ny marina araka ny saim-pantatsika manko no hitondra amin’ny fahazavana, fa izay marina mifanaraka amin’ny Hazofijalian’i Jesoa: mitondra famonjena ho an’izao tontolo izao fa kosa fahafatesan’izay manatanteraka azy. Izay zavatra atao ka tsy mitondra famonjena, araka izany, dia tsy mitondra hazavana na oviana na oviana. Izay asa atao ao amin’Andriamanitra dia tsy hitadiavana ny voninahitry ny tena fa hikatsahana kosa ny voninahiny lehibe indrindra (Md Ignace de Loyola).
Ho asa ireharehana, satria atao eo anatrehan’Andriamanitra anie ny asantsika, ka sady hahasambatra, dieny amin’ity fiainana ity no tsy hahamenatra rehefa hiseho ilay hazavana mandrakizay handray ny zanak’Andriamanitra rehetra miala amin’ity fiainana ity.
Angatahontsika ny Fanahy mba hanamasina sy hanome hasina ny asan’ny olombelona rehetra, handraisana anjara amin’ny asam-pamonjen’Andriamanitra, ary sitrak’i Kristy atolotra ho tonga vatana aman-drany, hamelona antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.