Alatsinainy II Paka
- Asa 4, 23-31
- Salamo 2
- Md Joany 3, 1-8
Ambaran’i Lioka fa taorian’ny nisamboran’ny Jody (Loholona sy ny Zokiolona) an’i Piera sy Joany ka nandefasana azy ireo indray rehefa nobedesina sy norahonana dia nivavaka ny mpianatra, mahatsiaro fa nahary ny zavatra rehetra Andriamanitra (Sal 146, 6) ary mahatanteraka ny teny rehetra aloaky ny vavan’ny Mpaminany tsilovin’ny Fanahy Masina, ka izay voalazan’i Davida momba ny Mesia dia tanteraka tao amin’i Jesoa maty fa natsangan’Andriamanitra ho velona (Sal 2, 1-2).
Dia izany koa no nivavahany mba hanana fahasahiana hitory ny teny. Raha ny tena marina moa dia ny παρρησία (parrhesia) no nangatahiny, teny grika hilazana ny fahasahiana, fa koa ny fitokisana ivelany sy anatiny ho an’izay miteny, ka sady miteny an-kalalahana no mampazava izay lazaina mba tsy hampiroaroa saina an’izay mihaino. Izany no fanomezan’ny Fanahy ho an’izay te hitory ny Evanjely. Izay no famantarana sy fahagagana omen’Andriamanitra an’izay maniry marina tokoa hitory ny teniny. Fanomezana sy famantarana raisina ao amin’ny fiaraha-mivavaka anefa izany, satria ao anatin’ny fiaraha-mivavaka sy ny fiombonana no hahafahana mandray ny Fanahy Masina.
Ireo Apôstôly roalahy niverina avy any amin’ny sedra nahazo azy ireo dia lasa niverina tany amin’ny namany. Ohatra ho antsika izany satria indraindray, rehefa sendra olana isika, tsy ny Eglizy, tsy ny fianakaviana no toerana hitantarana izay manjò fa any amin’ny toeram-pilokàna sy firevena, hiheverana hanalàna ny sorisory. Ao amin’ny fiaraha-mivavaka ihany no hahazoantsika manantena ilay hany Mpanafaka alahelo marina, dia ny Fanahy Masina. Ao amin’ny fiaraha-mivavaka no hahafahana manamafy ny tanjona tokony ho tratrarina mba hampisy heviny ny fiainana.
Io Fanahy Masina io no afaka miteraka antsika indray ny olona amin’ny zavatry ny lanitra, ka manavao ny fony tsy hifikitra amin’ny fahalovan’ny tany. Ny resak’i Nikodema amin’i Jesoa, vakiana amin’ity herinandro ity dia manampy antsika hiditra amin’izay fahazoana ny asan’ny Fanahy izay, raha tiantsika ny ho tonga mpianatra marina tokoa.
Tsy afaka ny handray ny Fanahy anefa izay tsy mandray ny Tenin’i Kristy aloha, ary izay tsy te handray izany “Teny Hazavana” izany dia hitoetra foana ao anatin’ny haizina. Safidy malalaka ny hanatona ny hazavana na tsia. I Nikodema dia nandritra ny alinY no nandeha nitady hazavana, ka na ny lamba hamonosana ny vatana mangatsiakan’i Jesoa aza dia satriny hosorana “mira sy aloèsy” satria fantany fa io ilay Mpanjaka tonga ampiakatra ny Fiangonana ho vadiny (Jo 19, 39).
Mazava ho an’i Joany fa eto amin’ity fiainana ity isika no misafidy hiaina araka ny Teny na tsia, hisafidy hiditra amin’ny fiainana na hijanona mandrakizay any ivelany.
Afaka manatona an’i Jesoa ireo toa an’i Nikodema, mahita ny soa ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hafa dia misaotra Azy ary manaiky fa ny asa soa rehetra dia avy amin’Andriamanitra (2 Kor 3,5), ka tsy hifampihalona fa hifanome tanana mba hahafahana manao tsaratsara kokoa ho voninahitr’Andriamanitra.
Ahoana no hahaterahana indray? Ny hoe “indray” moa no nandikana ny teny hoe ἄνωθεν (anothen), avy amin’ny hoe ἄνω (ano), any ambony, mikasika ny lanitra, ka azo adika izany hoe hahaterahana ho amin’ny any ambony, ateraka ho an’Andriamanitra, fa amin’ny teny grika ny ἄνω dia entina hilazana koa ny fihavaozan’ny zavatra na ny asa iray, hanombohany hatramin’ny voalohany indray: fahateraham-baovao ao amin’Andriamanitra araka izany ilay fahaterahana “indray” lazain’i Jesoa.
Ny antanan-tohatra voalohany amin’izany dia ny mahita sy migaga ny asan’ny Fanahy. Tsy afaka ny haniry ho tonga fitaovana hiasany izay tsy migaga ny asany ary izay tsy afaka midera an’Andriamanitra noho ny asan’ny Fanahy dia hiteny ratsy Azy noho ny fialonana ka tsy hahazo famelana mandrakizay (Lk 12, 10). Izay ateraky ny Fanahy kosa dia fanahy, izany hoe tonga “zanak’Andriamanitra”, mitovy endrika amin’Andriamanitra ka manahaka Azy amin’ny fomba hitiavany ny olombelona rehetra.
Ny asan’ny Fanahy araka izany dia ny manokatra ny fontsika hahazo ny Tenin’i Kristy noraisintsika, ary mamolavola azy hanatanteraka izany amin’ny fiainana andavan’andro, ka haharetan’izany hatramin’ny farany, tahaka ny nahatanterahany tamin’i Kristy voasandratra teo amin’ny voninahitry ny Fanjakany, teo ambony Hazofijaliana. Ny Rano sy ny Fanahy manko, izay fanomezany ho an’izay te hiaina ny teniny (mino azy) (Jo 7, 38-39) dia tovozintsika avy eo amin’ny fony nolefonina (Jo 19, 34).
Tsara hodinihina ihany anefa ny fanamarihan’ny Mpandinika Baiboly sasany[1] izay milaza fa tsy natao halain-tahaka akory no nitantaran’i Joany an’i Nikodema, anarana grika midika hoe “fandresem-bahoaka”, na dia voalaza aza fa isan’ny lehibe tamin’ny Jody sy mpampianatra teo amin’Israely. Ny antony dia satria tsy ampy ny maha-mpampianatra lehibe, tsy misy ilana azy ny miaiky fa “mpampianatra avy amin’Andriamanitra i Jesoa” raha toa ka tsy mampivoaka amin’ny haizin’ny tahotra izany fahalalanla izany fa natao hanamboarana ny feon’ny fieritreretana fotsiny ihany.
Ho an’izay te hanara-dia marina an’i Kristy dia tsy maintsy mahasahy hijoro amin’ny heviny, tsy hoe menatra ka hisitrika amin’ny maha-mpianatra azy. Any amin’ny toko faha 12 dia iverenan’i Md Joany ny fomban-dry Nikodema sy ny maro hafa koa izay tsy nampiseho ny finoany noho ny tahotra ny ho voaroaka tao amin’ny sinagoga, satria naleony ny voninahitra avy amin’ny olona toy izay ny voninahitra avy amin’Andriamanitra (Jo 12. 42-43). Miaraka amin’i Josefa avy any Harimatia, dia mbola mahatonga saina ihany koa ny fampandinihana lazain’ny mpahay Baiboly sasany, sao sanatria isika hamela an’i Jesoa ho faty, tsy hahasahy hijoro ho vavolombelony, kanefa avy eo mody hampandry eritreritra fotsiny ihany amin’ny fandevenana sy ny fanolorana ditin-kazo manitra (Jo 19, 38-40).
Izay ateraka indray dia “mahita ny Fanjakan’Andriamanitra”. Asan’ny Fanahy no hahafahana miditra amin’ny Fiainam-baovao, tsy fahaterahana hiverenana ao an-kibon’i Neny izany na sanatria hamafàna ny traikefam-piainana efa vita, fa fahaterahana vaovao kosa, avy amin’ny “rano sy ny Fanahy”, ka na i Nikodema sy Josefa avy any Harimatia aza dia tsy afaka ny hiditra ao amin’ny fanjakan’ny Lanitra, raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy.
Ny Rano sy ny Fanahy dia mampahatsiaro ny fampanantenan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Ezekiela, fa hofafazan’Andriamanitra rano madio ny Vahoakany ary hamoronany fo sy fanahy vaovao (Ez 36, 24-28). Ny Rano koa anefa dia mampahatsiaro ny Batemy, ny fahaterahana indray ho olom-baovao. Tsy fahaterahana fe fahaterahana fotsiny anefa, fa fanekena hijoro ho vavolombelona, fiekem-pinoana am-pahibemaso, ilazana fa tsy afaka ny hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny singan’olona mivavaka samirery, na dia hanatona an’i Jesoa isan-kalina aza. Tsy maintsy hateraky ny Fiangonana kosa izy, hiombona ho vatana iray ao amin’i Kristy, amin’ny alalan’ny ranon’ny Batemy, mandray ny Fanahy maha-zanaka, ka izany no varavarana hidirany ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Izany no fahateraham-baovao (ateraka indray: ἄνωθεν).
Efa nateraka tamin’ny Rano sy ny Fanahy isika tamin’ny Batemy, manaiky hotarihin’ny Fanahy, eny fa na dia amin’izay tsy fantatsika akory aza, saingy matoky fa ny lalana izoran’ilay hany tokana efa avy any an-danitra ka mahafantatra ny lanitra (Jo 3, 11, rahampitso) no asainy izorantsika ka Izy Raintsika anie handavorary ao amintsika ny fanahy nananganany antsika ho zanany hisantarantsika sahady dieny izao ny fahasambarany nampanantenainy antsika ho lova mandrakizay (vavaka fangatahana).
[1] Ohatra hoe i Klaus Wengst, il Vangelo di Giovanni, Queriniana Brescia (2005)