Talata IV Karemy
- Vakiteny I : Ezekiela 47:1-9,12,
- Salamo 46:2-3,5-6,8-9,
- Evanjely : Md Joany 5:1-16,
Nentinin’ny Anjely teo amin’ny Varavaran’ny Tranon’ny Tompo aho. Io tranon’ny Tompo io moa dia voahodidina tamboho, satria voatokana (Ez 40, 2), mba hampiavaka ny masina sy ny tsy masina (Ez 42, 20). Avy amin’io Tempoly io no nisy loharano nivoaka avy amin’ny lafiny atsinanana, nidina avy amin’ny ilany havanana ny rano, eo atsimon’ny otely. Ny mpandinika ny Soratra Masina, fa indrindra i Md Joany, dia nahita ny fahatanterahan’ity faminaniana ity ao amin’i Kristy: Izy no ilay Masoandro miposaka, hitodian’ny olon-drehetra, Izy no ilay mazava atsinanana, ka ny tempoly mitodika any atsinanana dia mitodika a ny Aminy, miandry mba hibanjina ny fahazavany.
Ho an’Israely ny loharano dia manambara ny fitiavana sy ny herin’Andriamanitra. Izany no antony nanorenany ny Tempoly sy ny trano fivavahana manodidina ny loharano velona (Gihola sy Siloe ohatra). Araka ny lazain’ny salamo setriny (salamo 46) dia ny ony no ampifalian’Andriamanitra ny vahoakany, ary fantatsika ny fomba fiteny hoe “atao fahirano”, izany hoe, rehefa tiana ho faizina ny tanàna mimanda dia ny rano no tapahina, ka rehefa lany ny rano ao dia tsy maintsy hivoaka hitady rano ihany farany, tsy maintsy hamoha ny vavahady. Ho an’Israely manokana dia anisan’ny fanehoan’ny mpanjaka ny tanjany ny fahaizany mamatsy rano sy mitahiry rano ho an’ny tanàna. Tsy azon’ny saina eritreretina ohatra ny tobin-drano tany Masada, tendombohitra any an’efitra nanorenan’i Heroda ny rovany.
Ny habetsahan’ny rano dia entin’ny Mpaminany milaza indray amin’ny fomba hafa ny hatsaran’ny tontolo noharian’Andriamanitra tao an-tsahan’i Edena (Jenezy 2, 9-14): ny ony voalohany dia Fisòna (פִּישׁוֹן Ppyshôn: mitombo), hatreny an-kitrokely, haloalika, hatreny amin’ny andilana ka tonga rano maria tsy azo hitàna fa lalina, mila hitàna milomano; ny ony faharoa dia Geona (גִּיחוֹן GgyHôn, mitosaka), ony mandeha mankany amin’ny faritra atsinanana, hanondraka ny tany main’ny masoandro (Kosy כּוּשׁ : mainty nodoran’ny masoandro); ny ony fahatelo dia Tigra (חִדֶּקֶל Hiddeqel, haingam-pandeha) rano handeha any amin’ny faritra atsinanana, izay mandeha ao atsinanan’i Asora (אָשַׁר ‘ashar, hasoavina), ka ho velona, ho sambatra avokoa izay andalovan’ny rano; ny ony fahaefatra dia Eofrata (פְּרָת Perath, mahavokatra), hamoha voa vao isam-bolana, ny voany ho fihinana, ny raviny ho fanasitranana tsara (Ez 47, 12). Izay nolazain’i Jenezy ihany, araka izany no namafisin’i Ezekiela Mpaminany.
I Joany kosa nahita an’i Jesoa ao amin’io faminanian’i Jenezy sy Ezekiela io: Izy no ilay “Tempoly vaovao” hivavahan’izay mivavaka amin’ny Fanahy sy fahamarinana (Jo 2, 21), ka avy amin’ny lanivoany (ilany havanana, manambara ny atsinanana), eo atsimon’ny ôtely (ambany no atsimo amin’ny jeografia, noho izany, eo ambanin’ny fony), no niboiboika ny loharano velona tamin’ny fony voalefona (Jo 19, 34) ka tonga rano miboiboika ho amin’ny fiainana mandrakizay (Jo 4, 14; 7, 37-39), onin-dranovelona mangarangarana avy amin’ilay seza fiandrianan’ny zanak’ondry natao sorona, mamakivaky ny tanàna ka amin’ny andaniny roa dia misy hazon’aina mamoa isam-bolana ary mandravina fanasitranana ny firenena (Fan 22, 1-2). Io no loharano ipoiran’ny Sakramentan’ny Eglizy.
Tsy ny loharanon’i Betesda (raha “Beth-Hesed” dia tranon’ny famindram-po, nefa lazain’ny mpikaroka sasany fa nahitana tahiry momba ny “bejt eshdāh” tany Qumran ka lasa tranon’ny fandrarahana “rano” izany) izay lazain’ny archéologue fa tempolin’ny andriamanitra Serapide no mahasitrana, eny fa na dia hifamonoana aza ny hidirana voalohany ao anaty rano (satria izay miditra voalohany ihany no manantena ho sitrana). Lazan’i Md Augustin (Commentaire 17,2) fa ireo trano heva dimy dia manambara ny boky dimin’i Moizy, izay nanambara ny fahalemena sy ny kilema fa tsy nanasitrana ny kilemaina kosa. Israely no rano, hoy izy.
Efa 38 taona no nahararian’ity rangahy ity ary mbola nanontanian’i Jesoa ihany izy raha te ho sitranina. Tsy manery Andriamanitra fa mamela malalaka ny safidintsika. Tsy ny hilaza ny faha-elan’ny fiandrasany ho sitrana no mahatonga an’i Joany hilaza izany, fa mba ho entiny hilaza fa tahaka ny zanak’Israely, 38 taona nivenjivenjy tany an’efitra mandra-paharingan’ny mpiantafika rehetra teo an-toby (Det 2, 14) no niandrasan’ity rangahy ity ny fahasitranany. Ny antony dia mba tsy hireharehan’Israely amin’ny mety ho fandreseny ka hiheverany fa na teo aza ny hamafisan-dohany dia ny heriny no hidirany any amin’ny tany nampanantenaina. Ny 38 taona dia fotoana koa entin’ny mpanoratra masina nilazana ny fahanginan’Andriamanitra sy ny hamafisan-dohan’Israely (cf Fanisana 21, 10-13).
Ny 38 taona araka izany dia entin’i Joany milaza fa tsy afa-miantehitra afa-tsy amin’ny herin’Andriamanitra isika raha te ho voavonjy. Ilay lehilahy malemy io manko dia variana niandry ny rano teo, ka na dia eo akaikin’ny Tempoly aza, dia aleony ny rano mihetsika no andrasana. Moramora kokoa ho antsika ny miandry ny fanampiana avy amin’ny zavaboary toy izany hibanjina ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra ka hiakatra any an-tempoly mba hivavaka. Na tsy nankany an-tempoly aza, na tsy ho any Kanà tahaka ilay Tomponjato omaly ity malemy ity, dia Izy Andriamanitra kosa no mivoaka ny Tempoly ka manantona azy mba hanasitrana azy.
Ny fanekeny ny Teny anefa no naha-sitrana azy. Tsy ilay loharanon’i Betesdà fa ilay Loharano Velona no miantso antsika mba hitsangan-ko velona (ἐγείρω egeiro), handray an-tanana ny fahalemena (fandriana natoriana hatramin’izay) ka handeha hizotra ho any an-tranon’ny Ray, hanome heviny vaovao ny fiainana, hiova famindra. Izay manaiky ny Teny dia hahita fa ny fahafahana dia ambony lavitra noho ny fitandremana ny Didy, ka na tsy azo atao aza ny mitondra fandriana amin’ny andro Sabata, dia nataony izany satria ny Didin’Andriamanitra izay tsy mikatsaka afa-tsy ny fahasambaran’ny olombelona dia ambony noho ny didin’olombelona.
Tsy nahalala Azy ilay vao sitrana, hoy i Joany. Tsy isika no mahalala an’i Jesoa fa Izy no miseho amintsika ka mananatra antsika mba tsy hanota intsony. Mazava ny hevitr’i Jesoa momba ny aretina izay tsy sazim-pahotana fa mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra (Jo 9, 3ss). Saingy mazava koa fa ny fahotantsika, tahaka ny fahotan’Israely, no manakana antsika tsy ho afaka (ho andevozin’ny fahotana) ka mahatonga antsika handry amin’ny fahazaran-dratsy isan-karazany. Izay nahazo fanasitranana dia mila miaina araka ny fahasoavana noraisina.
Ho loharano hampahavokatra ny fiainantsika mivelona Aminy anie ny Eokaristia, ary ho fo madio no handraisantsika Azy, ka ny fahasoavana omen’Izy Ray antsika amin’izao fiainana mandalo izao mba ho fanafody hahavelona antsika mandrakizay (Vavaky ny pretra na ny diakra manadio ny kalisy).