Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare
- 1 Samoela 16, 1b, 6-7, 10-13a
- Salamo 22, 1-3a. 3b-4, 5, 6
- Efeziana 5, 8-14
- Md Joany 9, 1-41
Ny Finoana an’i Kristy no fahazavana vaovao.
« Miravoravoa, ry Jerosalema, mivoria ianareo rehetra manam-pitiavana azy« . Io Tononkira fidirana io (Iz 66, 10) no mahatonga ity alahady ity antsoina hoe « Laetare », alahadin’ny firavoravoana, eo antenantenan’ny fiomanana amin’ny Paka. Ny hafaliana amam-piravoravoana dia tsy azo sarahina amin’ny fiainan’ny kristianina. Ny hiainantsika ny Karemy dia natao indrindra mba hahafeno fatra izany hafaliana izany. Ny vavaka sy ny fifadian-kanina manko dia natao hanokatra ny fo « hanolotra an-kafaliana » mba ho sitrak’Andriamanitra (Rm 12, 8).
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany rehetra izany, ary tsapantsika ny vesatry ny fiainana izay mazàna manesotra ao am-pontsika izany hafaliana izany. Fotoana natao handalinana indrindra izay fototry ny hafaliantsika ny Karemy, ary amin’izany fandalinana izany no hahafahantsika mifantoka amin’ny hafalian’ny Paka izay hiomanantsika.
Manoloana ny toe-javatra lalovan’izao tontolo izao toy ny coronavirus, na aretina hafa na trangan-javatra mampidi-doza, ady (hifamonoana sy hamonoana ny tsy manan-tsiny) izay manambara ny fetran’ny olombelona, fa miantso antsika kosa, amin’ny maha-mpino antsika, mba tsy ho fatin’ny tahotra fa hankafy sy hiaro ny aina ary hanamafy fa “mahefa ny zavatra rehetra” ny Andriamanitsika. Ny toromarika nomena antsika (sasa tanana, tsy fifampikasohana amin’ny sehatra mety hahazoana valan’aretina…) nandritra ny Covid-19 ireny ohatra dia fanabeazana irariana fa efa tonga fahazarana satria mampivoatra sy miaro ny fahasalamana.
Ny tahotra matetika dia mitondra amin’ny fitiavan-tena fotsiny ihany, ka hahatonga hanaonao foana, tsy hihevitra afa-tsy zavatra tokana ka hanadino zavatra maro hafa koa. Firifiry ny valan’aretina ratsiratsy kokoa eto amintsika ohatra, izay azo sorohina sy tsaboana tsara amin’ny fanabeazana ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana! Amin’izao Karemy izao dia antsoina isika kristianina mba ho lohalaharana amin’ny fanaovana laharam-pahamehana ny fitandrovana ny fahasalaman’ny tena sy ny hafa, miantomboka amin’ny fikojakojana ny vatana sy ny fahadiovany, ny fitafiana sy ny sakafo hohanina, ny trano fonenana sy ny tokontany ary ny sehatra hifaneraserana rehetra mba tsy ho zary fanariam-pako fa ho tontolo voadio sy voakojakoja, hajariana sy harovana mba ho “tranobe iombonana” (Laudato sii).
Tsy ny fahadiovan’ny vatana ihany anefa no tokony ho tsinjovina fa ny fahadioban’ny fanahy ihany koa. Mazava ny torohevitr’i Md Paoly amin’ny Vakiteny II: aza mikambakambana amin’izay asan’ny maizina, dia izay asa tsy mitera-bokatsoa, izany hoe tsy mitondra amin’ny hitsim-po (ἀγαθωσύνη agathosune – droiture de coeur et de vie) sy ny fahamarianana (δικαιοσύνη dikaiosune – état de celui qui est comme il doit être, justice) ary tsy araka an’Andriamanitra (ἀλήθεια aletheia – ce qui est vrai dans ce qui appartient à Dieu et aux devoirs de l’homme, vérité morale et religieuse): ny soa, ny mety ary ny marina rehetra (Efez 5, 9).
Fotoana hanaovana jeritodika ny ezaka efa natao koa anefa izao karemy izao. Ary na mahamenatra aza ny fahatsapana fa mbola matory ny tena, dia manome hery antsika i Md Paoly, manentana mba hifoha amin’ny torimaso ka hatoky ny fahazavan’i Kristy (Vak II Efes 5, 8-14). Mila fanapahan-kevitra hentitra mba hiala amin’ny asan’ny maizina anefa izany, mila risi-po mba handà ny aferafera sy ny risoriso izay matetika toa « tandra vadin-koditry ny fiaraha-monina« , satria hono hoe mafy ny fiainana. Tsy adalàna ve, hoy ny sasany, ny fandavana ny kolikoly izay mba hahafahana mivelona tahaka ny olona rehetra!
Dia hijanona ho teny fotsiny ihany ve ny fahamarinana? Samy mitaraina ny amin’ny fahalòvana ara-politika na ara-pitondrantena isika rehetra, saingy tsy ny rehetra no mazoto hanefa ny tolona tandrify azy, indrindra raha voakasika ny « tombontsoan’ny tena« , izay mazàna tombontsoa mandalo ihany! Tahaka ireo raiamandrenin’ilay teraka jamba, voalazan’ny Evanjely, izay milaza ho tsy nahafantatra izay zava-nitranga akory momba an-janany, satria natahotra ny ho voaroaka ao amin’ny Sinagoga.
Tsara ampahatsiahivina ihany koa anefa ny fifampitohizan’ny Mistery ankalazaina isan’alahady mandritra izao Karemy izao. Natao handinihana manokana ny fomba entin’Andriamanitra maneho ny fitiavany ireny rehetra ireny. Fiantsoana ny olombelona mba hibebaka, izany hoe hahatsapa fa ny fahalemeny dia tsy sakana hahatonga ny olona tsy ho taratr’izany fitiavana izany, hahatsapa koa anefa fa tsy ampy hanavotra antsika izay heverintsika ho fahaizana na fahamendrehana. Izany no hahafahana mitodika any amin’ilay loharanon’ny fahamarinana (nolazainy Tamiko avokoa) izay lalana mitondra amin’ny hafenoan’ny fiainana (mivavaka amin’ny Fanahy sy Fahamarinana Alahady III). Izay manaiky hohazavain’i Kristy ilay “Lalana sy fahamarinana ary fiainana” no afaka hiditra tsikelikely amin’ny misterin’ny Paka, izay hankalazan’ny Eglizy ny hafenoan’ny hafaliany vokatry ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana sy ny fahotana.
Ny fibebahana manaraka tokony hatao araka izany dia ny fanadiovana ny endrik’Andriamanitra izay mety ho disoan’ny fitiavan-tenantsika mba hahafahana mibanjina Azy ao amin’ny Misterin’ny Fahatongavana ho nofo, hahafahana mifandray Aminy, indrindra amin’ny alalan’ny Sakramenta, izay tsy “fetra” fa “fatra”n’ny hafenoam-pitiavany. Fankalazana mandrakariva ny hafenoan’ny fitiavan’Andriamanitra mifanehatra amin’ny fankasitrahantsika olombelona (izay tsy lavorary na oviana na oviana) manko ny sakramenta rehetra.
Izany no mahatonga ny fiomanana amin’ny sakramenta, indrindra ho an’ny Katekomena amin’izao karemy izao, tsy azo atao ambanin-javatra, satria mampianatra antsika amin’ny “ady”, amin’ny tolona tsy maintsy atao, raha te handresy. Tolona tsy hanehoana ny herin’ny tena anefa fa hanandramana kosa ny fandresena avy amin’ny fanekena hotarihin’ny Fanahy, ilay Fanahy nanangana an’i Jesoa ho velona.
Ny vakiteny I rehetra amin’ny Karemy dia nampahatsiaro antsika ny Tantaram-pamonjena: Andriamanitra mpahary sy mpitantana ny tontolo (I) no niantso an’i Abrahama ho rain’ny mpino (II) niantso an’i Moizy hanafaka ny vahoakany (III), nifidy an’i Davida mba ho reharehan’Israely (IV), naniraka ny Mpaminany mba hampahatsiaro antsika ny fitiavany sy ny haratsian’ny fahotana manimba (V), ary maneho antsika ilay Mpanompo izay sitraky ny fony (VI).
Na ny Evanjely aza dia notsongaina manokana mba hanampy antsika hiroso tsikelikely amin’ny hakanto sy ny halalin’ny misterin’ny Paka: ny fakam-panahy (I) izay mitondra amin’ny hafenoan’ny fiainana (II fihovana tarehy), mampianatra antsika hanovo amin’ny loharano velona (III), hanaiky hotsilovin’ilay hazavana (IV) izay fiainana sy fananganana ho antsika rehetra (V).
Tian’i Jesoa ambara amintsika amin’ity alahadin’ny Laetare ity ary fa Izy no fahazavana hany mampisokatra ny masom-panahy (Evanjely Jo 9, 1-41), hahafahantsika manandrana ny hamamin’ny fanosorana nanosorany antsika (tahaka an’i Davida, Vak I), tahaka ny ondry mahatsapa fa Izy Tompo no mpiandry ary ny fitokisana amin’ny heriny sy ny fitiavany no manafaka ny tahotra sy hahafahana mirehereha manoloana ny fahavalo (Salamo 22). Ny famelan-keloka dia mitaky fiaikena ny fahotana. Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, hoy Md Joany dia tsy ao amintsika ny marina (1 Jo 1, 8).
Ny fahazavana no noharian’Andriamanitra voalohany, ao amin’ny Boky Jenezy. Na izay manana maso mahiratra tsara aza, raha tsy eo ny hazavana, tsy afaka ny hahita na inona na inona, hiraparapa ihany ao anatin’ny haizina. Tahaka ny fahajambana ara-batana ihany koa ny fahajambana ara-panahy. Ny fo, raha tsy mandray ny hazavan’i Kristy, tsy ho afaka ny hahita na inona na inona, fa ho faty ao anatin’ny haizin’ny fahajambany. “Ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra”, hoy i Paoly, mampahatsiaro antsika tao amin’ny Vakiteny faharoa, izay toetra maha-zanaky ny hazavana antsika. Izay zavatra rehetra tsy mitera-boka-tsoa dia haizina ihany. Tsy azo afangaro anefa ny “vokatsoa” sy ny “faniriantsika”, satria indraindray, ny hetahetantsika tanteraka no heverintsika ho soa, kanefa mety ho faniriana tsy mifanaraka amin’izay mampisy heviny ny fiainana izany fa vokatry ny fitiavan-tena fotsiny ihany.
Tamin’ny fiandohan’ny Karemy isika dia nandinika ny fifadian-kanina, lalana mitondra ho amin’ny hazavana, araka ny fampianaran’ny Mpaminany Izaia: manesotra izay mampahavesatra ny fiainan’ny hafa, tsy manendrikendrika ary tsy manala baraka, mizara ny foto-pivelomana (ny aina mihitsy, nêfêsh=נֶפֶשׁ) fa tsy ny ambin-tsakafo ho an’ny noana, mamelona ny fanahy miferin’aina dia ho tonga fahazavana hamirapiratra ao amin’ny haizina. Tsy hazavana vokatry ny ezaka ataontsika anefa izany, fa hazavana vokatry ny tarehintsika afa-drakotra satria “mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovain’izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava” (2 Kor 3, 18). Ny fibanjinana an’ilay hany hazavana no mampamirapiratra ny tavantsika ka mahatonga antsika koa ho “fahazavan’izao tontolo izao”
Tao amin’ny Evanjely anio dia asian’i Joany tsindrim-peo, adikany amintsika ny hevitry ny hoe “Siloe, izany hoe iraka”, satria ny maha-fahazavan’izao tontolo izao antsika no porofo manambara fa sitrana marina tokoa ny masom-panahintsika, satria manaiky Azy ho ilay iraky ny Ray, manaiky handeha “hisasa”, hatao batemy ao Aminy, ka hanaiky ny hanohy ny asa nanirahana (שָׁלַח shalaH = maniraka) Azy (Jo 20, 21).
Avoitr’i Joany amin’ny fitantarana fa ny hadonton’ny fo no tsy hahafahana mahita ny asan’Andriamanitra. Ilay teraka jamba, nandray ny fahazavan’i Kristy, ka na dia feta tamin’ny tany, nifangaro tamin’ny rora (fofonaina, ny Fanahin’Andriamanitra) aza no nahosotra ny masony, (fomba entin’i Joany hilazana fa ny fisokafana amin’ny hazavana dia fahariana vaovao) dia i Kristy mitafy nofo aman-dra tahaka antsika no naniraka azy, ary mazava ny valin-teny nomeny ireo farisiana: “Ity indray no mahagaga, fa tsy fantatrareo izay niaviany, nefa izy no nampahiratra ny masoko. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay manompo Azy sy manao ny sitra-pony no henoiny. Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re fa nampahiratra ny teraka jamba; ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona akory”.
Ny fijerena avy ety ivelany mety hamitaka ihany : “ny olombelona mijery ny tarehy fa ny Tompo kosa mijery ny fo”, hoy ny Vakiteny I. Ny fahaizana mijery araka ny marina tokoa sy ny hevitr’Andriamanitra no hahafahana mivoatra tsikelikely amin’ny fahalalana an’i Jesoa. Izany fivoarana izany koa no ambaran’i Joany antsika amin’ny Evanjely, tsy indray andro no hahalalana an’i Jesoa. Ilay “lehilahy” nanao feta (πηλός pelos dia entina hilazana ny tanimanga noditiana ka manomboka volavolain’ny mpanefy amin’izay endrika tiany homena azy Jo 9, 6.11, mampahatsiaro ny fomba naharian’Andriamanitra ny olombelona Jen 2,7) dia nekeny ho “Mpaminany” (Jo 9, 17) satria nanao fahagagana nanasitrana ahy. “Mpanompo an’Andriamanitra sy manao ny sitrapony Izy, avy amin’Andriamanitra ka henoim-bavaka” (and. 31). Saingy ny fihanonana amin’i Jesoa mivantana, i Jesoa ilay hany varavarana hahafahana miditra amin’ny sinagoga (Joany 10) izay nanantona azy rehefa voaroaka hiala amin’ny sinagogan’ny Farisiana izy no nahafahany mitsaoka Azy ho “ilay Zanak’Andriamanitra” (and. 38): lehilahy – Mpaminany – mpanompon’Andriamanitra sitraky ny fony – Zanak’Andriamanitra.
Izay mihevitra fa mahita, vokatry ny fiezahany na ny fahaizany na ny fahendreny dia tsy ho afa-keloka, hoy ny Evanjely. Tsy mora ny manapa-kevitra sy mijoro amin’ny hevitry ny tena, noho ny tahotra ny tsy ho voaray intsony ao amin’ny sinagoga. Tsy dia lavitra ny Mpianatra koa manko isika hihevitra fa ny fahajambana na ny sampona mahazo amin’ny fiainana dia vokatry ny fahotan’ny tena na ny ray aman-dreniny (araka ny heviny avy amin’ny hebrio חַטָּאָה (Hatta’àh), dia hoe tsy mahatratra ny tanjona nokendrena) ka hanakana antsika tsy ho sambatra araka ny fanirian’Andriamanitra. Ny fipololotran’ny vavaka atao mandritra izao fotoan-tsarotra diavintsika izao dia mampanontany tena ihany. Heveriko fa ny fiverenan’ny ranombavaka mifanaraka kokoa amin’ny fampianaran’ny Evanjely dia hoe “hihaino anao anie izahay ry Tompo rehefa mivavaka”. Ny mahazatra antsika manko dia ny miantso an’Andriamanitra mba hihaino ny vavaka ataontsika. Sao sanatria haneso antsika tahaka ny nataony tamin’ny mpaminanin’i Baala koa i Elia Mpaminany ka hilaza amintsika hoe: “Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha” (1 Mpanjaka 18, 40ss). Fantany izay ilaintsika na mbola tsy mangataka aza isika (Mt 6, 8).
Ny fandrosoana am-panahy dia tsy sanatria fanekena ny tenin’ny Farisiana izay manentana hanome voninahitra an’Andriamanitra (Andriamanitra no omeo voninahitra) kanefa tsy manaiky ny asan’Andriamanitra akory. Mampalahelo ny mahita kristianina maniratsira ny hafa, manambany sy manao vava tsy tsaroana aza, satria mihevitra fa izany no hahafaly ny “Farisiana” na izay no hisehoana ho manam-pahefana. Ampahatsiahivin’ny Papa matetika (cf. Audience 15 mars 2023) fa mitovy zo avokoa ny vita batemy rehetra ary mpandray anjara feno amin’ny asa fanirahana. Mampalahelo indraindray ny maheno fanambaniana ny hafa atao amin’ny anaran’Andriamanitra na amin’ny alalan’ny fahefana nankinin’Andriamanitra amin’ny tena. Nantsoina hitory ny asan’Andriamanitra isika, ka hilaza koa tahaka an’ilay zatovo fa “jamba taloha ary mahiratra ankehitriny” noho ny fahasoavana azo, tsy ny asantsika fa ny asan’Andriamanitra no hiantsoina antsika ho mpitory.
Isika rehetra, rehefa voasasan’ny ranon’ny Batemy tao Siloe (Kristy Iraky ny Ray) dia voairaka koa (izany hoe tonga Siloè) hitory ny hazavan’ilay niantso antsika “niala tamin’ny haizina” (1 Piera 2, 9). Tsy miankina amin’ny fahamendrehana na ny tsanganana izany (Vak I I Sam, 16, 1- 13) fa fitiavana manokana izay manjary loharanon-kafaliana tsy hanam-pahataperana. Ilay Fanahy noraisintsika no zary loharano hiboiboika ho amin’ny fiainana mandrakizay (Evanjely tamin’ny heriny).
Izany no hifaliantsika mandrakariva, na amin’ny fifadian-kanina izay “hamolahana ny filan’ny nofon’ny mpanota miavona mba hampahazo hanina ny mahantra” (prefasy karemy III) na ao anatin’ny fakampanahy (alahady II) saingy vonona hihaona amin’ny Tompo, ka hanaiky ho vonton’ny Teniny, ka ho feno fanantenana hatrany, na dia mazàna aza tsy mahita izay lalan-kombana, saingy vonona hanavao mandrakariva ny fitokisana an’ilay Mpiandry tokana, noventesina tamin’ny salamo fandinihana (Sal 22), ka ho vonona ny hiosotra lavenona, ny hihoso-potaka, tsy ho kivy amin’izay mety ho fahalemena satria matoky bebe kokoa hatrany ny Fahasoavan’ilay niantso antsika.
Andriamanitra ô, fomba mahagaga no nampihavananao ny olombelona aminao tamin’ny alalan’ny Teninao tonga nofo; koa enga anie ny vahoaka kristianina hoentanim-pinoana, tsy hikendry afa-tsy izay mendrika Anao sy mahafaly Anao Avo indrindra, ho tia Anao amin’ny fonay tokoa ary hidodododo hankalaza ny Paka efa akaiky (Vavaka fangatahana sy Komonio).