Talata I Karemy
- Izaia 55, 10-11
- Salamo 33
- Md Matio 6, 7-15
Mandalina ny fifandraisantsika amin’ny zavaboary (fifadian-kanina), amin’ny namana (fifampizarana) ary amin’Andriamanitra (vavaka) ny vakiteny aroson’ny Fiangonana amin’ity herinandro ity, mba hahafahantsika misantatra ny fibanjinana ny voninahiny amin’ny Litorjian’ny alahady manaraka. Ny vavaka no mamolavola ny fiainana am-panahy: manadio ny fiheverantsika izay mety mbola tsy ho lavorary mikasika ny endrik’Andriamanitra, manoro izay fomba hahazoana ny hasambarana marina ary mampahatsiaro ny adidintsika manoloana ny olombelona sy ny zavaboary. Io no resaky ny zanaka amin’ny Rainy.
Ny zavatra mampiavaka ny Karemy dia ny fampitomboan’ny Eglizy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra. Rariny loatra araka izany raha ampahatsiahivin’ny Vakiteny voalohany fa ny Tenin’Andriamanitra dia nirahin’Izy Tompo mba hampitohy ny fikolokoloana ny aina. Tsy voa afafy tsy akory araka ny filazan’Izaia fa ilay andon’ny lanitra mampamokatra ny tany. Na iza na iza araka izany mamafy voa tsara (mampianatra, mpananatra…), dia mila mahatsiaro mandrakariva fa tsy ny teniny fa ny Herin’ny Teny no afaka manova ny fiainana. Ny Teny aloakan’ny Vavan’Andriamanitra no sakafo mamelona ny olona ka manome hery azy handresy ny fakam-panahy. Ny Tenin’Andriamanitra no “voa afafy” hoy i Jesoa (L k 8, 11).
Ny Evanjely kosa mampahatsiaro antsika ny fomba fivavaka, sao sanatria mamita-tena tahaka ny Jentily isika ka hanao vavaka lavareny miverimberina (βατταλογέω, battologeo), hihevitra fa izany no hihainoan’Andriamanitra azy. Izay mivavaka dia tsy tokony hanasarotra ny fiainany fa kosa hirindrina ao amin’ny trano nasiany ny hareny (ταμεῖόν, tameion) ka hivavaka “am-pitokiana” amin’ny Ray izay efa mahalala ny ilaintsika. Omen’i Md Matio modelim-bavaka isika, izay lazain’i Tertullien hoe famintinana ny Evanjely manontolo.
Ray Andriamanitra ka izay te ho zanaka no afaka miantso Azy. Izay miantso Azy dia mila mitondra tena toy ny zanaka, ary mandray ny hafa ho rahalahy sy anabavy. Ray mitsimbina ny zanany rehetra Izy, mandrotsaka ny ranonorana hampahavokatra ny fisasaran’ny marina sy ny ratsy fanahy, mampiposaka ny masoandro ho an’ny olon-drehetra. Ray mahalala izay ilain’ny zanany rehetra Izy. Fiovana lehibe ho an’izay mandray ny fampianaran’i Kristy izany. Ray tsy mamono fa mamelona ary vonona ny “hanao fety” amin’ny fiverenan’ny zanany nandany ny hareny rehetra tany ho any.
Tsy namorona tsy akory i Jesoa raha miantso an’Andriamanitra ho Ray fa nampahatsiaro an’Israely sy ny Mpianany ny tena endrik’Andriamanitra Velona manjaka teo amin’ny Vahoaka nofinidiny. Ao amin’ny vavaka isan’andro fanaon’ny Jody manko, amin’ny Tsodrano XVIII, ao amin’ny andininy faha-6 dia maintso an’Andriamanitra Ray (Abinù, Rainay) mba hamindra fo amin’ny mpanota. Izaia koa ao amin’ny vavaka ataony dia mamerina in-droa izany maha-Ray an’Andriamanitra izany (Izaia 63, 16). Ny nasian’i Matio tsindrim-peo dia tsy Ray fa “dada”, “abba” (toy ny lazain’i Md Paoly amin’ny Galata 4,6 sy Romana 8,15) izany hoe ny fomba fiantsoan’ny zazakely ny rainy, saingy “Pater” (πατήρ ἡμῶν) moa dia nadikantsika hoe “Rainay”, nefa mazava loatra fa tsisy malagasy hiantso ny rainy hoe “o Raiko”, “mompera” angaha no antsoiny.
Ny fangatahana telo voalohany ao amin’io vavaka io moa dia mikasika ny zavatry ny lanitra: ny fahamasinan’Andriamanitra, ny fanjakany, ny sitrapony. Ny tapany faharoa kosa indray dia mangataka mahakasika ny zavatry ny tany, izany hoe ny fiainana mifanaraka amin’ny fizorana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Amin’ny fitantaran’i Md Lioka moa dia tsy ao ny fangatahana fahatelo sy fahafito (6bis).
Ray Andriamanitra ary masina ny Anarany. Fomban’Israely ny mivavaka mba hahatsiaro sy hanamasina izany Anaran’Andriamanitra Masina izany (Izaia 6, 3 fa indrindra amin’ny fomba fivavahana qaddìsh, masina), amin’ny fanahafana ny Litorjian’ny lanitra ka hisantarana sahady izany dieny ety an-tany. Andriamanitra ihany anefa no manamasina ny Anarany amin’ny fanamasinany antsika (Ezekiela 36, 23) ary miantso antsika kosa indray hanahaka ny fahamasinany, ho taratry ny fahamasinany.
Ho tonga ny fanjakany dia “fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiainana, fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana” (prefasy Kristy Mpanjaka). Ny fiankinana Aminy ihany no hahafahana mamerina hoe “ho tanteraka anie ny sitraponao” rehefa tsy mifanaraka amin’izay hetahetam-po ny hamafin’ny fiainana, tahaka an’i Jesoa miady aina tao amin’ny sahan’oliva tao Getsemany (Mt 26, 42). Ampianarin’i Jesoa hivavaka mandrakariva ireo mpianany satria “marisika ny fanahy fa ny nofo no osa” ka ny herin’ny Teny, velomin’ny Fanahy ihany no hahafahana mivelona ety an-tany araka ny zavatry ny lanitra.
Amin’ny fiainany ety an-tany dia tandindomin’ny fakam-panahy telo ny mpianatra: ny hanoanana, ny fahotana (halemena) ary ny ratsy. Mangataka amin’Andriamanitra Ray araka izany mba tsy ho azon’ny fakam-panahin’ny “vato hovàna ho mofo” fa mba hahavokatra izay nojinjaina ka hahazo ny hanina sahaza “anio”, izany hoe hahavelona amin’ny andro manaraka ny karama azo amin’ny asa natao mandritra ny andro. Mivavaka koa anefa mba hahay “hifady izay tsy mahavelona”. Mivavaka Aminy mba hanamasinany ny Anarany ho antsika.
Mangataka amin’Andriamanitra isika mba havelany ny fahotana satria tsy mahatandrin-tena matetika ka manompo andriamani-kafa. Lazain’i Jesoa mazava anefa fa Andriamanitra tsy afaka ny hihaino ny vavak’izay tsy mahay mihaino vavaka, satria tsy hahasoa azy izany, hampitombo ny avonavona sy ny fitia te hanjakazaka fotsiny ihany. Ny fiheverana ho ambony sy masina kokoa noho ny hafa manko no mahatonga ny fo tsy hamela sy hamindra fo. Izay mahatsapa fa mpanota namindràna fo dia tsy afaka ny tsy hamindra fo. Mivavaka Aminy isika noho izany mba tsy ho resin’ny fakam-panahy ka hitsaoka ny Devoly mba hahazoana ny fanjakan’izao tontolo izao hanjakazakana.
Alaim-panahy haka fanahy an’Andriamanitra isika ka tsy hahatoky ny fitiavany, indrindra rehefa mitsòka ny rivotry ny ratsy (πονηρός, poneros, ratsy izay mampisaraka sy mampizara: Devoly, Satana) sy ny fakam-panahy (πειρασμός, peirasmos). Dia mamerina ny fitokisany amin’ilay Rainy ny Kristianina mivavaka satria Andriamanitra irery ihany no afaka miaro azy amin’ny fandriky ny Devoly, ary matoky izy ireo fa izay “sitrapon’Izy Ray” no fahasambarany. Ny hahasambatra antsika no sitrak’izy Ray ka ny fahatanterahan’izany sitrapony izany no fiadanantsika.
Angatahontsika ny Fanahy izay hahafahantsika miantso an’Andriamanitra ho Raintsika (Gal 4, 6).