Alatsinainy I Karemy
- Levitika 19, 1-2.11-18
- Salamo 18
- Md Matio 25, 31-46
“Aoka ho masina ianareo satria Masina aho, YHWH Andriamanitrareo”. Ny hoe masina moa dia heverintsika fa izay tsara fitondran-tena sy tsy misy kianina eo imason’ny olombelona. Ny hoe קָדוֹשׁ (kadosh) dia ilazana ny zavatra voatokana ho an’Andriamanitra, ka tsy ampiasaina amin’ny zavatra hafa intsony. Raha ny fitatazan-drano amin’ny alina no enti-matsaka vao maraina, hanahirana ihany. Tsy mandeha ho azy ho an’Israely ny fidirana amin’izany tontolon’Andriamanitra izany (Tempoly…) fa mila fidiovana manara-pomba isan-karazany. Inona ary no angatahin’Andriamanitra amin’ny vahoakany? Sanatria ve ny hitokanany monina ka tsy hifangarongaroany amin’ny vahoaka hafa? Izay no nahazoan’ny Vahoaka Jody azy, saingy hafa kosa no henontsika amin’ny vakiteny voalohany anio:
Masina izay manaiky hanaraka ny lalàna, na ny marimarina kokoa, ny torolanana (חֻקָּה) omen’Andriamanitra azy. Tsy ny fitokana-monina fa ny fiovan-toetra hanahaka an’Andriamanitra no mahamasina. Torolalana mitondra amin’ny fahasambaran’ny hafa sy ny tena no omen’YHWH ho an’ny vahoakany. Ny halatra, ny fitaka, ny lainga dia mampitondra faisana ny hafa. Izay mahavanon-doza amin’ny hafa dia mifanalavitra amin’izany fahamasinana izany. Zary fiverenana (in’efatra amin’ny vakiteny anio) ny hoe “Izaho no Tompo YHWH, ka na amin’ny fiaraha-monina, na amin’ny sehatry ny asa, na amin’ny sehatry ny fitsarana na ao amin’ny fianakaviana sy ny tokan-trano dia tokony ho tsaroan’ny olona mandrakariva fa tsy tompo mandidy isika fa irak’ilay Andriamanitra miantso antsika ho masina.
Ny salamo moa mitanisa ny Lalàn’Andriamanitra amin’ny fomba isan-karazany, hilazana fa tsy misy lalan-kafa mitondra amin’ny fahasambarana ankoatr’ireo, ka izay mahita ny fahalavoraniany dia tsy afaka ny tsy hisaotra ny Tompo sy hangataka Aminy ny hery tsy hiviliana amin’ny lalan-kafa mamitaka.
Ny Evanjely dia manamafy izay zavatra takian’ny fahamasinana henontsika tamin’ny vakiteny voalohany. Tsy ny halebeazana araka an’izao tontolo izao no fahamasinana mitondra antsika amin’ny fahasambarana. Ho an’izao tontolo izao, raha tonga olo-malaza ianao, raha lasa mpanefoefo, na tsy hiraharaha ny hafa aza dia izay hieboeboana no tanjona. Tokana ny aina, ka lazain’i Jesoa fa ny fampiasana izany hanasoavana ny hafa, indrindra ny noana, ny mangetaheta, ny tsy mitafy sy ny tsy manan-tafo, ny marary sy ny voailikilika (voafonja) no mampisy heviny ny fiainana.
Tsy atao mba hahafaly ny hafa anefa izany, ary tsy atao mba hahafaly akory an’Andriamanitra aza. Lazain’i Matio mazava fa tsy nahalala akory ireo mpanao soa fa i Jesoa no nanaovany izany. Izy ireo manko dia manao ny asa soany amin’ny anaran’i Jesoa, fa tsy ho an’i Jesoa. Ny soa sy ny harena eo am-pelatanantsika dia azo adinoina fa fanomezana (talenta) avy amin’i Jesoa ka raha zaraintsika amin’ny hafa, tsy afaka ny hirehareha isika satria tsy maintsy hanao tatitra amin’ilay nandraisana izany talenta izany (tapany faharoa amin’ny Evanjely Md Matio toko 25).
(Osy ankavia- Ondry Ankavanana, ny iray ao an-trano, ny irany any an-tokontany).
Ny fiainantsika tsy ampiasaintsika hanaovan-tsoa no mandrehitra ny afobe hivarinantsika ka hampijaly sy mety hanenenana mandrakizay. Tsy izaho sy ianao no ondry sy osy fa ny fiainantsika miovaova. Sitrak’i Jesoa ho fanaovan-tsoa manontolo ny fiainan’ireo mpianany satria fantany fa izany no lalam-pahasambarana.
Dia izay lalam-pitiavana izay koa no atoron’ny Eglizy ho antsika ihany koa amin’izao fiandohan’ny herinandro voalohany amin’ny Karemy izao.