ALAHADY KAREMY
Mandritra ny Karemy no hanatontosana ny dingana faharoa amin’ny firosoana ho Kristianina. Io dia atao amin’ny Karemin’ny taona farany hiomanana ho kristianina. Ireo maniry ho Kristianina manko dia mpaniry voasintona (sympathisants) no hiantsoana azy ireo, fa isika moa no zatra miantso azy rehetra ho katekomena.
Raha raisina kosa ireo dingana irosoan’izay maniry ho Kristianina dia hahazoantsika koa ny dingana tokony harahintsika isan-taona amin’ny fanavaozana ny safidy sy ny hafaliana maha-kristianina. Voasinton’ny fomba fiainan’ny Kristianina ireo mbola tsy mpino ka maniry ny ho tonga ho kristianina. Dia manomboka mitady ny anton’ny hafaliana sy ny hasambarana manentana ny mpino izy ireo, ka manomboka miditra am-piangonana mba hihaino ny Evanjely. Ary rehefa voasariky ny Evanjely sy hazavainy dia maniry ny hibebaka sy hiroso amin’ny lalindalina kokoa. Eo no manomboka ny Katekomenà izay tokony haharitra taona iray izay ahitana firosoana telo sy fanolorana telo ihany koa.
Amin’ny fanombohan’ny Karemy mialoha ny Paka handraisan’ny Katekomena ny Batemy no hirosoana amin’ny DINGANA FAHAROA.
Misy dinika telo amin’ity dingana faharoa ity, fa ny fifidianana sy ny fanoratana anarana no anombohana azy Alahady I; amin’ny alahady II kosa ny fiovana tarehy (Hafatry ny Papa taona 2023); ny Alahady III Karemy dia DINIKA VOALOHANY NA FANADIOVANA[1]; ny Alahady IV Karemy: DINIKA FAHAROA NA FANAZAVANA[2]; ny Alahady V Karemy: DINIKA FAHATELO[3] .
Ireo rehetra ireo no mitondra amin’ny DINGANA FAHATELO dia ny FANKALAZANA NY SAKRAMENTA amin’ny alin’ny Paka.
Raha fintinina ny lalan’ny fihavaozana atoron’ny Karemy dia mifototra amin’ny zavatra efatra : Fibebahana (conversion) – famolahan-tena (Pénitence) – Famelana (Pardon) – fampihavanana (Réconciliation).
Ny fanapahan-kevitra hiiova ka hanavao ny fiainana araka ny Evanjely dia tsy hamokatra raha tsy tohanana amin’ny ezaka atao isan’andro hamolahana ny tena hiala amin’ny ratsy sy ho zatra hanao ny tsara ; ny Famindram-pon’Andriamanitra mamela ny helotsika koa, raha tsy iainana miaraka amin’ny tanjona hotratrarina dia ny fiainana miombona ao amin’Andriamanitra, mihavana amin’ny olombelona sy ny zavaboary, dia mety ho fanetseman-keloka ihany, hampandriana ny feon’ny feritreretana, fa tsy ho fikatsahana ny fahamasinana sy ho fanandramanana sahady ny fiadanan’ny Lanitra, andrandraina hitohy aorian’ity fiainana ity. Ny famindram-po sy ny fampihavanana moa, asan’Andriamanitra, ary ny fibebahana sy ny famolahan-tena kosa, miankina amintsika tsirairay avy.
Alahady voalohany Karemy Taona A
Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia
Jenezy 2, 7-9; 3, 1-7/Salamo 50
Romana 5, 12-19
Matio 4, 1-11
Amin’ity Alahady I ity dia ambaran’i Matio amintsika ny lalana efa nosantaran’i Jesoa, ilay “nentin’ny Fanahy tany an’efitra mba halain’ny demony fanahy” (Evanjely : Mt 4, 1-11). Nahoana i Jesoa no nanaiky halaina fanahy? [4]
Araka ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra anio dia nalain’ny demony fanahy koa ireo razam-bentsika, ireo raiamandrenibe voalohany noharian’Andriamanitra, ka nanota (Jen 2, 7-9; 3, 1-7). Amin’ny tenin’ny bibilava dia azontsika havoitra sahady ireo fakam-panahy telo nosedrain’ilay Adama vaovao ka nivoahany ho mpandresy : « aza mihinana amin’izany (hanina), ary aza mikasika azy akory (fifandraisana), fandrao maty ianareo (fahefana). » Moa ve tsy tandindon’ny “vato hovana ho mofo”, ny “fitokisana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra” ary ny “fanapara-pahefana” izany!
Ireo zavatra telo ireo no amondronan’ny Tenin’Andriamanitra ny fakam-panahy sedraintsika eo amin’ny fiainana : ny sakafo sy ny fivelomana, ny fifandraisana amin’ny hafa ary ny maha-izy azy ny tena. Araka ny fandinihan’ireo mpandalina manokana momba ny fivoarana sy ny fahamatoran’ny maha-olona (anisan’izany ohatra ny antanatohatry ny filana na “pyramide des bésoins” nalahatr’i Abraham Maslow) dia ireo sehatra telo ireo no hifotoran’ny fahamatorana : ny filàna fototra ara-pivelomana (sakafo sy fahasalamana – Physiologique [1] et sécurité [2]), ny fifandraisana amin’ny hafa (relation et socialisation, appartenance et amour [3]) ary ny fandavorariana ny tena (ny maha-izy azy ny tena: estime et appreciation [4] et accomplissement de soi [5]). Araka ny fikarohana nataony dia tsy afaka mandalo amin’ny dingana manaraka raha tsy matotra amin’ny dingana lalovana…
Samy revon’ny fitadiavana isika rehetra, na ho an’ny anio, na ho amin’ny fitsinjovana ny vodiandro ho merika sy ny ho avin’ny taranaka : ambaran’i Jesoa ary tiany ho tsaroantsika hatrany anefa fa « tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny rehetra aloakan’ny vavan’Andriamanitra« . Inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny fanahiny (Mk 8, 36)? Tsy azo adinoina ary fa ny fanahy no olona, ny fanahy no maha-olona.
Samy te-hikolokolo ny fifandraisana sy ny tombontsoan’ny tena eo amin’ny fiaraha-monina avy isika rehetra. Samy manana ny olon-tiany sy lalainy, ka te-higoka ny hasambaran’izany fifankatiavana izany. Dia tsy sasatra i Jesoa mamerina amintsika ny fampianaran’YHWH : « Saro-piaro ny Tompo Andriamanitrao ka aza maka fanahy Azy » (Dt 6, 16). Saro-piaro amin’ny maha-zanany antsika Andriamanitra, ka tsy tokony hatao am-baninjavatra ny maha-mpiray tam-po antsika ao amin’i Kristy, fa indrindra indrindra ny fitondrantsika tena mendrika izany maha-zanak’Andriamanitra antsika izany.
Tsy zoviana amintsika ny adilahy politika handrombahana fahefana (na an-drariny na tsia) sy hanamparana fahefana! Na isika koa aza mba te-hampanjaka ny hevitsika, te-haneho ny maha-isika antsika, saingy miafara amin’ny ady sy fifandirana mandrakariva izany raha tsy misy ny marimaritra hiraisana. Ambaran’i Jesoa amintsika anefa ny mba « hahatsiarovantsika mandrakariva fa raha tsy Izy tsy mahefa na inona na inona isika » (Jn 15, 5), « tandremo sao manadino azy izay namoaka anao tamin’ny tanin’ny fanandevozana, ny Tompo Andriamanitrao irery ihany no ivavahanao, izy no tompoinao » (Dt 6,12-13). [5]
Dia izany no hanafatrafaran’i Paoly antsika mba hahatsapa ny fahasoavana tovozin-tsy ritra ao amin’ilay Adama Vaovao, dia i Kristy izay handraisan’ny olona rehetra bebe kokoa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana (Rm 5, 12-19).
Ndeha ary hiezaka mandritra ity herinandro voalohan’ny Karemy ity, handinika ireo soa sesehena noraisintsika avy amin’Andriamanitra, mba hitomboan’ny fahalalana ny harena miafina ao amin’i Kristy ka hampiasantsika ny vokatr’izany amin’ny toe-piainana mendrika.
Ndeha hiverenantsika alalinina ny Evanjely, mitantara an’i Jesoa nentin’ny Fanahy tany an’efitra, mba halaina fanahy. Ny efitra dia izay nisy an’i Adama taorian’ny fahotana, mampahatsiaro koa ny tany novakivakian’Israely, taorian’ny nialany tany Ejipta: toerana tsy maha-te honina, satria toeran’ny fisedrana sy ny fahalavoana. Ao anefa no hanabeazan’Andriamanitra antsika mba hahaizana mihaino ka hampitombo ny faniriana sy ny fankafizana ny tany mamokatra. Tany an’efitra dia ny “mana” (zavatra tsy fantatra anarana) no niveloman’ny zanak’Israely, saingy ambaran’ny Bokin’i Josoe (Jos 5, 12) fa ny ampitson’ny Paka dia nitsahatra ny mana.
Tsy manakana ny fakam-panahy ny Fanahy Masina fa manohana antsika kosa amin’ny famakivakiana ny efitra. Ny hoe maka fanahy moa amin’ny teny grika dia πειράζω (peirazo) ka raha adika ara-bakiteny avy amin’ny πειρω (peiro) dia entina hilazana ny famakivakiana ny fiainana mba hahatongavana eny am-pita, any an-koatra, miala amin’ny tany efitra ho any amin’ny tany lonaka. Ny πειρα (peirà) dia entina hilazana koa ny traikefam-piainana hahafahana mahatsapa ny fahamarinan’ny zavatra iray. Rehefa avy manapa-kevitra manko vao tena manomboka ny tolona hiainana ny fiainana mifanaraka amin’izany. Izay tsy mahita ny lalan-kombana no lazain’ny teny frantsay hoe “aporie”, tsy hahitana mangirana (difficulté d’ordre rationel paraissant sans issue), dia mipoerapoera, hoy ny tanora avy eo. Tsy azo adino fa moramora kokoa ny “manala an’Israely tany amin’ny tany Ejipta” noho ny “manala an’i Ejipta ao am-pon’Israely”. Eh, hoy izy ireo, “aleo ihany tany am-body vilany feno hena” (Eks 16,3). Dia eo no manomboka ny “péril”, nadikantsika hoe loza, fa “periculum” dia manambara “expérience”, ex-peria, ny adim-piainana, ady tsy hahavery hevitra fa ady mba handresena.
Izay te hivoaka ho mpandresy tsy maintsy miady. Tsy misy mandresy tsy miady, ary sitrak’Andriamanitra isika handray anjara amin’ny fandreseny. Isika moa miady miaraka aminy, saingy ho an’izay milavo lefona, na oviana na oviana, tsy handresy, hanaiky ho andevon’ny fahavalo mandrakizay.
Ny fakam-panahy koa amin’ny teny grika dia antsoina hoe παιδεια (paideîa), sedra, ary entina hanabeazana, entina hanavahana ny tena zanaka sy ny zaza sary, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio (He 12, 8). Ny mpaka fanahy moa dia ny demony, na ny marina kokoa ny devoly, diable (διαβαλλω ≠ συμβαλλω), ny mpiampanga mba hanasaraka.
Raha fandresena no tadiavina, dia “izay mitambatra vato, ary izay misaraka fasika”, hoy ny fahendren-dRazana. Izay rehetra mitondra hevitra mba hampisaraka, araka izany, dia tsy avy amin’Andriamanitra fa avy amin’ilay mpiampanga: mitady hampisaraka ny olombelona amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, hampisaraka azy amin’ny mpiray tampo sy ny fiaraha-monina, hampisaraka azy amin’ny zavaboary.
Ireo ny fakam-panahy telo amintinan’ny evanjely ny fiainantsika: ny fifandraisana amin’ny zavaboary, ny fifandraisan’ny samy olona ary ny fifandraisana amin’Andriamanitra, araka ny efa nolazaintsika teny ambony: « aza mihinana amin’izany (hanina), ary aza mikasika azy akory (fifandraisana), fandrao maty ianareo (fahefana).«
“Tsy misy manome vato raha mofo no angatahiny” (Matio 7, 9).
Tsy mora ny manavaka ny mofo sy ny vato, ary tsy mora ny mihevitra fa ny fahaizantsika mitady mofo, mampidi-bola, mahavita zavatra no maha-zanak’Andriamanitra antsika. Indraindray afangaro amin’ny fandrosoana ara-materialy ny firosoana amin’ny fiombonana sy ny fahamasinana. “Aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana”, hoy ny Ntaolo kanefa ny be mpanaraka dia “ny vola maha-rangahy” sy maha-ranga. Matetika atakalontsika vola aman-karena na atakalo zavatra mety hahavoky ny kibo fotsiny ny hasambarana hiantsoana antsika amin’ny fiainana feno atolotry ny Evanjely. Izay mety ho fandrobarobana sy fandaniana tsy mampitombo ny fahamasinana sy ny fiombonana araka izany dia mifanohitra amin’ny fahamasinana sy ny fahasambarana, hahafahana mandova ny Fanjakan’ny lanitra (fahantrana am-panahy Mt 5, 3). Izay tsy miezaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina araka izay vitany, dia mazava loatra fa tsy ho afaka ny hivelona araka ny sitrak’Andriamanitra.
Izay manaiky hivelona ny Tenin’Andriamanitra isan’andro ihany anefa no afaka hisafidy ny fiombonana ka tsy hanao ny kibony ho andriamaniny, tsy hihevitra ny tenany fotsiny fa hahatsiaro koa ny iraka hiantsoana “hanome hanina” ny vahoaka any an’efitra.
“Tsy misy manome maingoka raha atody no angatahiny”, Lioka 11, 12 (tsisy ao amin’i Matio).
Tsy ambakan’ny olona hafa rehetra isika ka hihevitra fa miankina amin’ny “sécurité”, amin’ny fiainana azo antoka, miorina mafy ka tsy handalo fahafatesana ny fiainantsika. Tsy hoe handeha hitsambikina avy eny amin’ny tampon’ny tempoly ianao, dia maratra na maty eo dia Andriamanitra indray no omena tsiny. Mety tsy hitsambikina avy eny anefa, satria mora kokoa ny mitandrina amin’ny hantsana lalina, saingy sarotra ny manavaka ny atody sy ny maingoka. Ny ivon’ny fakam-panahy, araka ny an’i Matio dia ny fahaizantsika manaiky ny sitrapon’Andriamanitra izay fanoroana antsika ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Torah moa ny dikany dia “flèche” zana-tsipìka, na ny marimarina kokoa “panneaux de signalisation” manoro antsika ny lalana mankany amin’ny fahasambarana ampanantenain’Andriamanitra ny zanany rehetra.
Mazava loatra araka izany fa ny fanekentsika Azy, fanekena ny teniny, fanekena ny finoana nosafidiantsika mba hihainana araka ny Evanjely, ary ny fahaizantsika mihaino ireo napetraky ny Fiangonana mba hampahatsiaro antsika ny sodi-dalan’ny Evanjely, ny fanekentsika ihany koa ny “exigences” apetraky ny fiaraha-monina sy ny vanim-potoana mba hahatonga antsika ho “mpaminany”, dia mety handalovana amin’ny fahafatesana (fahafatesan’ny hambom-po, fahafatesan’ny tombontsoa manokana, fahafatesan’ny fahazarana) kanefa izay no lalana tsy maintsy diavina mba hahatongavana amin’ny hafenoan’ny fiainana. Izany no ezaka manokana takian’ny Karemy.
Fakàna fanahy an’Andriamanitra ny fanaovana be loha amin’izay hevitry ny tena kanefa tsy mifanaraka na amin’ny Teniny na amin’ny Lalàna nomeny hitondra amin’ny fahasambarana.
Iza no hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny (Matio 7, 10) ?
Ny bibilava dia miolakolaka etsy sy eroa fa ny hihinana ny remby no mahamay azy. Ny trondo koa mba miolakolaka ihany saingy voajono ka lasa sakafon’ny hafa. Ny faniriana hakan’ny devoly fanahy antsika dia ny mba hiankohofan’izao tontolo izao eo anatrehantsika. Iza no hanaiky hotsindritsindrian’ny hafa izany? Dia aleo miankohoka eo anatrehan’i Satana, toy izay tsy hahazo ny rendrarendra sy ny voninahitr’izao. Ny hadiovam-po no hahafahantsika mahita ny endrik’Andriamanitra ao amin’ny hafa (Mt 5, 8), ka hilatsahantsika hanompo fa tsy hotompoina. Izany no hahafahantsika hilaza hoe: “mialà amiko ry Satana!” rehefa tsy ho voninahitr’Andriamanitra fa ny eboebon’izao fiainana izao no arosony ho antsika. Io no hahafahantsika misafidy ny ho trondro fa tsy ho bibilava, ny hitia fa tsy ny hifetsy na dia hararaotin’ny hafa aza. Ampianarain’i Jesoa anefa isika mba hianatra koa ny hamailon’ny bibilava, ka hahay hiaro tena amin’izay mety fandrika mivelatra na mety hahatonga ny fontsika ho voafatotry ny fitiavana manokana ka tsy ho afaka hitia manontolo ho Azy Tompo.
Mampandinika ihany fa ny vavaka ataontsika matetika dia mety hanadinoantsika ny ezaka tokony atao isan’andro isan’andro: “Tompo o ekeo ny vavakay, henoy izahay ry Tompo fa mihanta aminao”. Izy ve no tokony hihaino sa isika? I Elia nampianatra an’i Samoela nivavaka hoe: “Mitenena Tompo o, fa mihaino ny mpanomponao”.
“Mahavonjy ny mibanjina ny halalin’ny Misterin’ny Paka izay nahazoantsika ny famindram-pon’Andriamanitra. Tsy afaka ny hanandrana izany famindram-po izany anefa raha tsy ao amin’ny “fifanatrehan-tava” amin’Izy Tompo voafantsika sy tafatsangan-ko velona, dia Izy izay “tia ahy sy nanolotra ny tenany ho ahy” (Gal 2, 20). Diniky ny fo izany, resaky ny mpifankatia. Izany no mahatonga ny vavaka ho laharam-pahamehana mandritra ny vanim-potoanan’ny Karemy. Mialoha ny maha-adidy azy, ny vavaka dia fanehoana ny hetaheta te hamaly fitia an’Andriamanitra izay mitia antsika mialoha sady manohana antsika mandrakariva. Araka izany, eo am-pivavahana ny kristianina dia mahatsiaro mandrakariva fa notiavina na dia eo aza ny tsy fahamendrehany. Miseho amin’ny endrika maro izany fomba fivavahana izany, fa ny tena zava-dehibe eo imason’Andriamanitra dia noho izy mandavaka ao anatintsika ao ary mahavita misikotra ny hamafin’ny fontsika ka hampitodika azy bebe kokoa amin’Andriamanitra sy ny sitrapony” (Hafatry ny Papa 2020).
Ho raisintsika ho harena ny hafatry ny Papa amin’izao karemy izao izay manoro antsika lalana roa mitondra amin’ny hafalian’ny Paka:
Ny lalana voalohany dia mifanaraka amin’ilay didy izay nambaran’Andriamanitra Ray tamin’ireo mpianatra teo an-tendrombohitra Thabor rehefa nibanjina an’i Jesoa niova tarehy izy ireo. Hoy ny feo avy tao amin’ilay rahona: “Henoy Izy.” ( Mt 17,5 ). Mazava tsara àry ny torolalana voalohany: mila mihaino an’i Jesoa isika. Fotoam-pahasoavana ny Karemy raha mihaino Azy izay miteny amintsika isika. Ary ahoana no iresahany amintsika? Voalohany, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay atolotry ny Fiangonana ho antsika amin’ny Litorjia. Enga anie tsy ho raraka an-tany izany teny izany; raha tsy afaka mamonjy Lamesa foana moa isika, dia afaka mamaky ny Vakiteny isan’andro, na dia amin’ny alalan’ny Internet aza. Ankoatra ny Soratra Masina, ny Tompo dia miresaka amintsika koa amin’ny alalan’ireo rahalahy sy anabavintsika, indrindra eo amin’ny endrika sy ny tantaran’ireo izay mila fanampiana. Ary izaho te hanampy filazana endrika hafa, izay tena zava-dehibe amin’ny fizotry ny sinôdy: ny fihainoana an’i Kristy dia tanteraka koa amin’ny fihainoana ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny Fiangonana, ka ny fifampihainoana takian’ny dingana sasany no tanjona voalohany, saingy tsy maintsy ilaina foana izany eo amin’ny fomba fiasa sy amin’ny toetra manokan’ny Eglizy sinôdaly.
Rehefa nandre ny feon’ny Ray ny mpianatra, dia “lavo niankohoka sady natahotra indrindra. Fa nanatona azy ireo i Jesoa, dia nanohina azy ireo ka nanao hoe: ‘Mitsangàna, fa aza matahotra.’ Ary rehefa niandrandra ny mpianatra, dia tsy nahita olon-kafa afa-tsy Jesoa irery ihany.” ( Mt 17,6-8 ). Izao no soso-kevitra faharoa amin’ity Karemy ity: tsy tokony hialokaloka fotsiny ao ambadiky ny fivavahana mifototra amin’ny trangan-javatra mampitolagaga na amin’ny zavatra niainana manaitra, noho ny tahotra ny hiatrika ny zava-misy sy ny tolona takiany isan’andro, mbamin’ny hamafiny sy ny fifanoherana mety haterany. Ny fahazavana nasehon’i Jesoa tamin’ny mpianany dia fisantarana sahady ny voninahitry ny Paka, ary tokony ho izany ihany koa no tanjon’ny diantsika, eo am-panarahan-dia “Azy irery ihany”. Ny Karemy dia mizotra mankany amin’ny Paka: tsy tanjona ny “fihatahana masina”, fa fomba iray hanomanana antsika hiaina am-pinoana sy fanantenana ary fitiavana ny fijalian’ny Tompo sy ny nifantsihany, mba ho tonga amin’ny fitsanganan-ko velona. […] Andeha àry isika hidina eny amin’ny tany lemaka, ary enga anie ny fahasoavana azontsika hanome hery antsika ho tonga mpamolavola toetsaina miombona sy miara-dia (sinodaly) eo amin’ny fiainana andavanandron’ny fiaraha-monina misy antsika.
Ho haintsika anie ny hanararaotra izao taom-pahasoavana izao ka hahafahantsika manamasin-tena, hahafahantsika manavao am-pitiavana ny Batemy amin’ny alin’ny Paka, ka hahatonga antsika ho fahazavana ho an’izao tontolo izao.
Mirary fahasambarana ho anareo tsirairay avy.
[1] Amporosihin’ny Eglizy mba ho ny Evanjely mitantara ilay Samaritana maniry ny rano velona no vakiana amin’ity alahady ity mba hampifanaraka ny fombam-pivavahana sy ny Vakiteny. Na ny vavaka fandroahana ny demony na ny fametrahan-tanana amin’ny tsirairay dia manambara ny hetahetan’ireo voafidy tsy miantehitra intsony afa-tsy amin’ny famonjena avy amin’Andriamanitra, andrasany amin’ny fankalazana ny Sakramenta. Azo ampiarahana amin’ity ihany koa ny FANOLORANA NY FIEKEM-PINOANA.
[2] Amporisihina mba hamakiana ny Evanjely mitantara ilay teraka jamba ka mahita an’i Kristy ilay hany Hazavana tokana manilo ny haizin’ny fahotana sy ny aloky ny fahafatesana. Ny vavaka sy ny fandroahana ny Demony, hametrahana tanana indray amin’ireto voafidy, dia manampy azy ireo kosa mba tsy ho voafitaky ny hevi-diso ateraky ny haizina sy ny demony raiben’ny lainga, ka haniry hiombom-piainana marina tokoa amin’i Kristy. Azo ampiarahana amin’ity ihany koa ny FANOLORANA VAVAKA NAMPIANARIN’NY TOMPO, vavaka izay tsy mbola azon’ireo voafidy atao, saingy efa hianarany kosa, mba hanononany azy an-kafaliana amin’ny alin’ny Paka.
[3] Amporisihina ny hamakiana ny Evanjely mitantara ny fananganana ho velona an’i Lazara, satria ny finoana an’ilay nandresy ny fahafatesana, fa mamelona ihany koa ho amin’ny fiainana mandrakizay ireo mihaino ka manaiky hivelona amin’ny Teniny. Azo ampiarahana amin’ity ihany koa ny FANOLORANA INDRAY NY FIEKEM-PINOANA SY NY FANOSORANA NY OC (menaky ny Katekomena). Azo atao ny sabotsy masina maraina ihany koa. Tsara ho marihina fa raha ny fomban’ny Eglizy no arahina dia alefa mody ireo voafidy aorian’’ny vavaka sy ny tsodrano omena azy ireo mandritra ny dinika. Ny Sorona Masina kosa tohizan’ny Mpino vita batemy amin’ny ranombavaka sy ny fanolorana
[4] Azonao jerena eto ny resaka fakam-panahy amin’ny taona D (Lk 4)
[5] Azo jerena koa ny momba ny fakam-panahy sy ny fiainan’ireo miezaka hiaina ny toro-hevitry ny vaovao Mahafaly : ny voady telo (jereo ity raha tianao halalinina, en français)