14 FEBROARY
MD JOANY BATISTA DE LA CONCEPTION
Pretra
MPANAVAO NY FIKAMBANANA TRINITE MASINA
FANKALAZANA
I Md Joany Baptista de la Conception dia teraka tany Almodóvar del Campo, Espagna tamin’ny taona 1561. Niditra tao amin’ny Fikambanan’ny Trinite masina tao Toledo izy.
Efa-jato taona taty aorian’ny niorenan’ny Fikambanana dia natsangan’Andriamanitra i Joany Baptista Rico mba hamerin-doha ny Fikambanana sy hanavao ny Lalàm-panorenana indray. Tamim-piaretana fijaliana maro sy mafy no nitondran’i Joany ny Fikambanana tamim-pahaizana sy fahamasinana. Anisan’ny nataony vain-dohandraharaha ny fampandrosoana fatratra ny fanajana sy ny fitiavana ny Trinite Masina ary ny fikarakarana ny mahantra sy ny voababo. Anisan’ireo mpanoratra mistika espagnola izy ka nanoratra boky maro feno fahendrena sy fampianarana momba ny fiainam-panahy. Tao Cordoue izy no nodimandry tamin’ny 1631
TONONKIRA FANOMBOHANA
Ef 4, 23-24
Tsy maintsy hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, 24ka hitafy ny olom-baovao izay noharina araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.
VAVAKA FANGATAHANA
Ry Andriamanitra Ray ô, Ianao no nanome an’i Md Joany Batista, pretra, fahalalana feno ny zavatry ny lanitra sy fahazotoana mirehidrehitra ho fampitarana ny finoana, koa enga anie izahay, noho ny vavaka ataonay, mba hitombo fahalalana ny Zanakao dia hizotra eo anatrehany amin’ny fahamarinan’ny Evanjely, ka hitondra vokatra be amin’ny asa soa. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay.
Amen.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
VAKITENY I
Bokin’ny Levitika
Lv 19, 1-2. 17-18
1Niteny tamin’i Moizy ny Tompo nanao hoe: 2Mitenena amin’ny Fiangonan’Israely rehetra, lazao aminy hoe : Aoka ho masina ianareo, satria masina aho, Iaveh Andriamanitrareo.
17Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. 18Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Tompo, tandremo ny didiko.
SALAMO
1, 1-2 ; 3-4 ; 6
Fiv. : Ny mpanompo ny Tompo no mahafaly azy tanteraka
Na :
Izay maharitra amin’ny fanompoana ahy, hoy ny Tompo, homeko ny kintana fitarikandro izy
1Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka,
tsy mijanona amin’ny làlan’ny mpanota,
ary tsy mipetraka miaraka amin’ny mpaniratsira ;
2fa ny làlan’ny Tompo no ifaliany ;
sady saintsaininy andro aman’alina.
3Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny rano velona izy,
ka ny voany tonga amin’ny fotoany ;
ny raviny tsy mba malazo ;
ny ataony rehetra vanona avokoa.
4Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka :
toy ny akofa paohin’ny rivotra izy,
6Satria ny làlan’ny marina fantatry ny Tompo
fa ny làlan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.
Taratasy nosoratan’i Md Paoly apostoly ho an’ny kristianina tany Efezy
Ef 4, 1-7. 11-13
1Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo, 2amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; 3mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana ; 4fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray ; 5tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, 6ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra. 7Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen’ny Kristy antsika tsirairay.
11Dia izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, 12mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny tenan’ny Kristy, 13mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’ny Kristy
SALAMO
39, 2. 4ab ; 7-8a ; 8b-9 ; 10
Fiv. : Inty aho, Tompo, hanao ny sitrakao
Na :
Ny teninao, Tompo ô, no mamiko sy teliko ; ny lalanao no lalako, ny sitrakao no sitrako
2Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra;
nitongilana tamiko izy, nihaino ny fitarainako.
4nanisy fihiram-baovao teo am-bavako izy,
hira fiderana ny Andriamanitsika;
7Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra,
notevehinao ny sofiko ;
tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.
8Ka hoy aho amin’izany: Inty aho tonga,
Miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
9Ny hanao ny sitra-ponao no sitrako, ry Andriamanitra ô !
ary ny làlanao no ato anatin’ny foko.
10Hitory ny fahamarinana eo amin’ny fivorian-dehibe aho;
sy hanakombona ny molotro aho,
fantatrao izany, ry Iaveh ô
ALELOIA
8, 31b-32
Raha mitandrina ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa ary dia ho fantatrareo ny marina, hoy ny Tompo.
EVANJELIN’I JESOA KRISTY NOSORATAN’I MD MATIO
Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany
Mt 16, 24-27
24Ary tamin’izay Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe : Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy. 25Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. 26Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? 27Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony izy
Na
ALELOIA
Jn 17, 19
19Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.
EVANJELIN’I JESOA KRISTY NOSORATAN’I MD JOANY
Halan’izao tontolo izao izy ireo … ho iray ihany anie izy ireo.
Jn 17, 11-19
Tamin’izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa, ka nivavaka nanao hoe : 11bRay masina ô, tahirizo amin’ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy. 12raha mbola teo amin’izy ireo aho, dia nitahiry azy tamin’ny anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao ahy aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. 13Ankehitriny mankany aminao aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa. 15Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy. 16Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa. 17Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. 18Tahaka ny nanirahanao ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa. 19Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.
VAVAKA FANOLORANA
Ray ô, topazo maso antra ireto fanatitray, ka afaho izahay ho afaka amin’ny fahotana rehetra, ary enga anie izao sakramenta ankalazanay an’i Md Joany Baptista de la Conception izao hahamasina anay eo am-panompoana Anao. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Amen
PREFASY
Mendrika sy rariny tokoa
ary mety sady mahavonjy
ny misaotra Anao lalandava, hatraiza hatraiza, ry Ray Masina,
Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ilay Zanakao sy fitiavanao.
Satria natsanganao ao amin’ny Fiangonanao
i Md Joany Baptista de la Conception pretra,
ka ny ohatra navelany sy ny fampianarana nataony
no niantsoanao anay tamim-pitiavana mamy tokoa
ho tia an’Andriamanitra Trinite Masina,
sy ho tia marina ny olombelona havanay
fa navotanao tamin’ny ran’ny Zanakao izahay
ary nohavaozinao tamin’ny herin’ny Fanahy Masina.
Koa noho izany fanomezanao be fitiavana izany
Dia miaraka amin’ny anjely sy ny olomasina izahay
Mihira sy mihoby ny voninahitrao avo indrindra
Manao hoe :
TONONKIRA AMIN’NY KOMONIO
Mt 16, 24
Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy, hoy ny Tompo.
VAVAKA AORIAN’NY KOMONIO
Tompo ô, nofahananao tamin’ny sakramentan’ny Zanakao izahay no mitalaho an-tanan-droa aminao : enga anie izahay hankaherezin’ny finoana sy ny fitiavana ary ho entanin’ny Fanahy Masina dia hihavao hatrany amin’ny fandavorariana ny tenanay.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
Amen