Talata faha-enina mandavan-taona
- Tsy ankasa Jenezy 6, 5-8; 7, 1-5.10/ Salamo 28/
- Ankasa Jakôba 1, 12-18/Salamo 93/
- Md Marka 8, 14-21
Nanadino nitondra mofo ny Mpianatra ary tsy nisy afa-tsy Mofo iray monja teo an-tsambokely. Tsy nisy afa-tsy Jesoa irery sisa no teo (Mk 9,8). Dia nampitandrina azy ireo i Jesoa mba tsy ho azon’ny lalivain’ny Farisiana sy Herôda izy ireo. Ny farisianina resahana amin’ny sabotsy V (Mk 8, 1-10) dia efa henontsika ny fandrika novelariny: manoloana ny famantarana maro nataon’i Jesoa dia mbola nitady fahagagana ihany izy ireo; i Herôda kosa naheno ny lazan’i Jesoa dia nihevitra fa i Joany no nitsangan-ko velona (Mk 6, 16) ka tsy mampihontsina azy velively: azony tapahin-doha rehefa tiany. Dia izay moa no nahazo an’i Jesoa: nohelohina ho faty.
Tsy nampanahy an’ireo Mpianatra anefa izany fa ny tsy fisian’ny mofo hafa no noheverin’izy ireo ho nahatonga an’i Jesoa hananatra azy. I Jesoa ihany anefa no nilaza tamin’izy ireo mba tsy hitondra vatsy akory eny an-dalana (Mk 6, 8), tsy fanekena fa fanadinoana araka izany no tsy nitondran’izy ireo mofo hafa. Impiry tokoa moa no lany amin’ny adihevitra momba ny volam-piangonana sy ny fiahiana ny fiainan’izao tontolo izao ny kristianina ka manadino fa ampy hamelona ho amin’ny hafenoan’ny fiainana ilay Mofo tokana miaraka amin’izy ireo eo an-tsabokely! Raha mbola ny adihevitra momba ny “mofo hafa” no manjaka ao anivon’ny Fiangonana dia mazava loatra fa “mbola tsy mahazo hevitra” sy tsy mbola “mahazo saina” ny mpiangona. Mbola donto fo. Tsy fanaovan-tsoa fa ny tsy fitandremana mazàna no andaniantsika ny harena omen’Andriamanitra hotantanantsika, ary ny tsy fahaizana mizara no mahatonga ny hafa ho very anjara.
Ampahatsiahivin’i Jesoa antsika mandrakariva àry ny lalana tokony hizorana raha tsy te hilomano ao anatin’ny tsy fahalalàna sy ny hadontòm-po: mitanisa ny zava-mahagaga nataony ho antsika ka mamelombelona ao am-pontsika fa manana amby ampy ny mofo dimy nozarainy tamin’ny olona dimy arivo sy ny mofo fito nozarainy tamin’ny olona efatra arivo (mitombo izany ny anjaran’ny tsirairay 5/5000 < 7/4000). Manentana antsika Izy mba hahalala fa Izy irery ihany no Mofon’ny Fiainana ka izay manaiky ny hiaraka Aminy, eny fa na dia hahiliky ny Farisianina tsy ho anisan’ny fiangonany aza (lalivain’ny “formalisme” sy fiantsaram-belatsihy: Jo 12,42) na hotevatevain’i Herôda sy ny mpiambina azy (lalivain’ny “abus de pouvoir”, fanamparam-pahefana: Lk 23,11) dia matoky hatrany fa fitiavana tsy mivadika Andriamanitra.
Ny Lamesa ankalazain’ny Eglizy isan’andro isan’ora dia tsy inona fa mba “hahatadidy” ny soa atobak’Izy Ray amintsika isan’andro. Noharian’Andriamanitra mba “hitadidy” (זָכָר zakar, nadika hoe lehilahy, Jen 1, 27) ny olona. Angatahontsika ny fahasoavana mba tsy hahajamba ny fontsika, mba hanova ny fo vato ho tonga tany lonaka hitsirian’ny Teny fa ho afaka hibanjina ny fitiavan’Andriamanitra isan’andro ary hitombo fahalalana sy fitokisana Azy.