Alahady faha-enina mandavan-taona Taona A
- Siraka 15, 15-20
- Salamo 118/
- 1 Korinto 2, 6-10
- Matio 5, 17-37
Tano ao am-po ny didin-janahary, fa fototry ny soa.
Ianareo no fanasina sy fahazavana. Ny sira tsy manova izay ao am-bilany fa mampiseho ny tsiron’ny nahandro kosa; ny hazavana tsy manova ny zava-misy fa hahafahana kosa mibanjina ny hatsaràny. Dia tahaka izany koa isika: antsoin’i Kristy ho fanasina sy ho fahazavana ka hahafahan’ny olona hanandrana ny tsiron’ny tany sy hahita ny hakanton’izao tontolo izao noharian’Andriamanitra. Ny Tenin’ny Tompo no fanilo ho an’ny tongotra sy fahazavana ho an’ny lalantsika mamakivaky ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Ao anatin’ny mazava no hahafahana mahita ny torolalana hisafidianana ny sampanana hofidiana hizorana.
Lalan’ny Fahendrena ny Lalàn’YHWH, ny Torah (Bar 3, 27; 4, 1): torolalana, izany hoe tsy lalàna loatra fa lalana atorony ny tsirairay mba hahatongavana any amin’ny fahasambarana nampanantenainy ho an’ny Vahoakany. Tsy tonga handrava izany fandaharan’Andriamanitra izany, mazava loatra i Jesoa fa tonga mba hanatanteraka. Ambarany ihany koa fa tahaka ny Teny mivoaka avy amin’ny Ray ka tsy miverina raha tsy mahatanteraka izay nanirahana azy no tsy maintsy hahatanterahan’izany fandaharan’Andriamanitra hitondra ny Vahoakany ho any amin’ny Fanjakany izany.
Indraindray rehefa maheno ny teny hoe lalàna isika dia fanasaziana sy fandraràna no tonga ao an-tsaina, kanefa ny kendren’ny lalàna natao am-pahendrena dia ny hanoro ny lalana mitondra mankany amin’ny fahasambaran’ny rehetra ka ny fizorana ho any amin’ny fahafatesana no sakanany fa tsy ny fahalalahan’ny olona sy ny fahafahany sanatria. Izay no mahatonga an’i Jesoa milaza fa tsy misy afa-tsy ny fanatanterahana ny Lalàna no lalana mitondra mankamin’ny Fiainana, mitondra mankamin’izay nampanantenain’YHWH. Ny lalàn’Andriamanitra, araka izany, raha tanterahina dia mitondra mankany amin’ny sitrapon’izay namoaka azy: ny hanandraman’ny olona rehetra ka handovany mandrakizay ny fahasambaran’Andriamanitra.
Na eo aza anefa izany sitrapon’ilay “tapitr’ohatra” amin’ny fahendrena sy ny fitiavana izany, dia eo koa ny sitrapon’olombelona izay afaka misafidy malalaka izay tiany, ary mampalahelo raha sanatria hisafidy ny afo handoro ny tanana na hisafidy ny fahafatesana. Ambaran’i Siraka anefa (Vak I Sir 15, 20) fa tsy misy nahazo fahazoan-dalana hanota na iza na iza.
Ny Vakiteny I dia entin’i Zanak’i (Ben) Siraka manamarina fa rariny raha ho tsarain’Andriamanitra araka ny asany avy ny olona (Si 15, 12, mialoha ny vakiteny anio). Ambarany fa eo alohan’ny olona fa tsy ao anatiny ny afo sy ny rano, ny fiainana sy ny fahafatesana. Tsy tandra vada-hoditry ny olombelona tsy akory ny ratsy. Noharian’Andriamanitra hitovy endrika Aminy isika ka hitany fa tsara indrindra izany; manaraka izany dia nomeny antsika ny safidy malalaka, mba hampisy heviny ny fiainana. Io safidy io no hameno fatra na ny hasambarantsika na ny ngidim-pahoriana: tsy lahatra fa safidy araka izany ny ho sambatra, ary tsy ny ho sambatra am-polo taonany amin’ity fiainana ity fa ny ho sambatra mandrakizay. Ambaran’ny Boky Ekleziastika mazava amin’ny fiandohan’ny toko faha-14 manko fa ny tena hasambarana dia ny tsy fanotàna tamin’ny vava sady tsy mijalijaly enjehin’ny nenim-pahotana. Sambatra izay tsy enjehin’ny feon’ny fieritreretany, ka tsy mba diso fanantenana na oviana na oviana (Si 14, 1-2): sambatra izay tsara safidy ka hisafidy ny hasambarana mandrakizay satria tsy voafitaky ny hasambarana sy ny harena tsy maintsy havela ho lovan’ny hafa (Sal 48, 8.11).
Tsy an-tery ny safidy fa am-pitiavana, ka an-kalalahanay araka izany no hitandremana ny didy: “raha sitrakao dia hitandrina ny didy ianao, miankina amin’ny sitraky ny fonao”, hoy i Siraka tamin’ny vakiteny I ary ny fitiavana hoy i Md Paoly no fahatanterahan’ny Lalàna (Rom 13, 8), satria ny ho taratry ny fitiavany, ho sira (Fanisàna 18, 19) haneho ny Fanekem-pihavanany tsy mivadika no andrasan’Andriamanitra amintsika (alahady faha-V). Lalana mitondra amin’ny fitiavana araka izany no atoron’ny Lalàn’Andriamanitra antsika, izany no lalan’ny fiainana ka arakaraka ny hitomboantsika amin’ny fitiavana no maha-lehibe antsika eo anatrehan’Andriamanitra sy hahavelomantsika ao Aminy. Izay te ho lehibe, araka izay no hanompo bebe kokoa, ho tia bebe kokoa (Mk 10, 43), ka hanana ny hafenoan’ny fiainana (Jo 10,10). Noharin’Andriamanitra ho amin’ny fiainana ny zavatra rehetra fa ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao hoy ny Boky Fahendrena (Fah 1, 14; 2,24).
Tsy misy olona tsy maniry ny ho lehibe koa raha mbola olona misaina, saingy mety ho voafitaky ny halehibeazana araka an’izao tontolo izao ny fisainana ka handìka ny lalàn’Andriamanitra mba hahazoana fahafinaretana sy voninahitra eo anatrehan’ny olona. Misy faniriana ny ho lehibe ka tsy te hobaikobaikoin’ny hafa, na ny raiamandreny na ny mpanabe eny fa na dia ny olona manoro ny lalan’ny fiainana aza. Tsy fitomboana amin’ny fahendrena izany fa fizorana amin’ny fahaverezana, ary mety hitondra amin’ny nenina sy ny alahelon’izao tontolo izao [izay] miasa hahatonga fahafatesana (2 Kor 7, 10).
Ny maha-lehibe, atoron’ny Evanjely dia ny fianarana tsianjery ny lalana mitondra mankamin’ny fiainana ka hahafahana manaraka azy na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Raha mbola zaza manko isika, mbola beazina, dia misy ny hafa (mpanabe na raiamandreny) manoro lalana, manampy hahatsiarovana ny Lalàna.
Tahaka ny torolalana rehetra anefa izany, tahaka ny “voyage” mankamin’ny toerana iray, mora ny manaraka ny torolalana raha hita eny amin’ny sisin-dalana izy, saingy tsy amin’ny sampanan-dalana rehetra no misy fanondroan-dalana, ary misy koa aza tranga sasany, noho ny tsy fikarakarana dia mety tsy hazava ny “panneau”, vasoka na voasoratroratra… ary indraindray aza nesorina na novan’ny maty eritreritra mihitsy. Raha amin’ireny tranga ireny no tsy misy hanontaniana dia voatery miverin-dalana na sanatria handeha an-jambany. Saingy raha nianarantsika tsianjery ny toromarika ary mahazatra ny lalana, na tsy eo aza ireny zavatra ivelany ireny, azo atao ny manohy ny dia satria fantatra ny sampanana hivilianana mba hahatongavana any amin’ny tanjona.
Tsy mitahiry ho an’ny tenany samirery no maha-lehibe ny olona, hoy ny Evanjely, fa ny fahaizany “manatanteraka” sy “mampianatra” izay lalàna atoron’ny fitiavana, ary tsy azo adinoina fa ny fahalalan’ny hafa ny lalan-kizorana dia mampitombo ny mpiara-dia, hiara-mizotra mankamin’ny tanjona. Tsy misy fahasambarana maniry ny hitokantokana sanatria.
Tsy afaka amin’ny olombelona amin’ny maha-olombelona azy ny fanoharana ny fiainany amin’ny fiainan’ny hafa, ka hakàny tsoa-kevitra avy amin’izany, saingy miankina amin’ny fahamatoran’ny tsirairay kosa ny mety ho tohin’izany fifampitahana izany, na hitondra amin’ny fivoarana na tsia. Misy ohatra ny mijery ny ataon’ny besinimaro dia mionona, mandrimandry manana aretina satria hoe: “ny olona rehetra aza tahaka izany”. Amin’ny Evanjely anio dia ny Farisiana sy ny Mpanora-dalàna, sokajin’olona roa fatra-panaraka ny lalàna sy mahatandrin-tena amin’ny zavatra rehetra, hatramin’ny madinika indrindra, no asain’i Jesoa hampitahantsika ny fiainantsika, raha te hiditra amin’ny fiaianana isika.
Izany fidirana amin’ny fiainana izany dia fitadiavana ny fomba hialana amin’ny fandrika mety hiviliana tsy hanaraka ny Lalàna: “Mampitombo ny fahamarinana mba ho lehibe kokoa noho ny an’ny farisiana sy ny mpanora-dalana” (Mt 5, 20). Ny Lalàna (Torah) no faratampon’ny fahamarinana takatr’ireo Jody. Izany lalàna izany koa no mila hiainantsika satria ny fahatanterahan’izay kendreny no mampiditra antsika amin’ny fiainana feno hasambarana. Torolalana manko ireo, ka izay no nahatonga an’i Jesoa hilaza fa “tonga hanatanteraka ny lalàna sy ny Mpaminany” Izy (Mt 5, 17).
Nanana ny fahendreny ny Ntaolo fa isika kosa matoky sy mino bebe kokoa ny fampianaran’i Kristy. Tsy ny tahotra ny fitsarana no “tsy hamonoana olona” satria izay mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana (κρίσις, krisis) ary izay milaza fa “tsy misy ilana azy” (ῥακά, rhakà, רֵיק= vaurien, poak’aty, imbécile-imbecillis=malemy ohatry ny kankana) ny rahalahiny dia tokony hohelohin’ny Sanedrìna, ary izay milaza azy ho “foka” dia hosaziana amin’ny gehen’afo (Azo jerena ny 2 Mpanjaka 21,6 amin’ny nisoronan’i Manase ny zaza amin’ny sampy Moloch, ka nahatonga ny Lohasahan’i Ben- Hinnom, atsimo andrefan’i Jerosalema ho vavahadin’ny Demony, ho Gehen’afo fandoroam-pako). Mazava ny fomba fijerin’i Jesoa. Raha olona tsy misy ilana azy na adala sy votsa saina no eo anoloanao dia voaantso ianao mba hanome tanana azy. Mampisy heviny ny fiainana izany fanoloran-tena ho an’ny fahasambaran’ny hafa izany, ka “ny fanaovana izay tianao hataon’ny olona aminao” no fahatanterahan’ny lalàna, dia ny lalàn’ny fitiavana. Raha sanatria ary, ho avy izay andro maha-osa anao, tianao ve ny hihomehezan’ny olona sy hohafokafokainy?
“Ny adalan’ny tena tafian-damba”, hoy ny Ntaolo, fa tsy hihomehezana. Ka raha hitezeranao izy (ὀργίζω, orgizo moa araka ny fototeny ὀργή, orgè dia milaza ny hatezerana te hanasazy, te hamaly faty), raha ambanianao izy, raha afokainao izy, dia halainao baraka (sy ozoninao) araka izany ilay havanao, ilay rahalahinao, ary raha tsy fahafahambaraka ho anao izany, dia ny Ntaolo ihany no hitsara anao, ary ianao kosa mila handini-tena hoe: inona moa no hilana ahy!!!
Ambaran’ny Evanjely mazava amin’izany fa miandalana ny famonoana olona: mitezitra, avy eo milaza azy ho tsy misy ilàna azy, milaza azy ho adala ary farany dia mahavita mamono na mihevitra azy ho toy ny tsy misy akory.
Izany no iezahana mandrakariva mandinika sao mitondra alahelo ho an’ny hafa ny fiainantsika, satria fahafaham-baraka sy fahaverezan’ny hasin’ny fiainana eo anatrehan’ny olombelona izany, fa indrindra eo anatrehan’Andriamanitra. Noraisin’ny kristianina am-pahendrena ny fampianaran’i Jesoa fa tsy afaka ny hanolotra fisaorana izay tsy niaina ny fitiavana ka tsy nangata-pamelàna, tsy nisatry fihavanana. Ohatra amin’izany ny voalazan’ny “Didakè” hoe “Amin’ny andron’ny Tompo, izay tsy mihavana amin’ny namany dia tsy tokony hiangona miaraka amintsika mialoha ny hiavanany mba tsy hahavoaloto ny Tolotra ataontsika” (Didakè 14, 1-2).
Ny famelana sy ny fihavanana no fanohitra hiadiana amin’ny vono olona sy ny valifaty. Miandalana ihany koa anefa izany: eo anatrehan’ny mpitsara, eo anatrehan’ny mpiambina, mialoha ny hidobohana any an-tranomaizina. Ambaran’i Jesoa fa lalana tsy maintsy diavin’izay te ho any amin’ny fiainana ny fampihavanana. Tsy ho afa-bela izay tsy te hihavana fa handoha hatramin’ny variraiventy farany. Tsy ho afaka ny ho sambatra na oviana na oviana izay miondana amin’ny fahorian’ny hafa, satria ny mpitsara sy ny mpiambina amin’ity tany fandalovana ity no azo tampena-maso amin’ny vola. Mety hihevi-tena ho sambatra izy ireny, fa na ho ela na ho haingana, ny tsirairay (raha mbola manan-tsaina koa, ka ho asan’izay te ho adala) tsy maintsy hamaly ity fanontaniana ity: “nataoko inona ny fiainako? Nampiasaiko hanaovan-tsoa ve sa nampiasaiko hitiava-tena sy hitadiavan-tombontsoa manokana sy harena hahasaotra ny hidirako any amin’ny fiainana mandrakizay?”
Afaka miova sy miha-tsara avokoa isika ka ny fialàna amin’ny ratsy dia fitsanganan-ko velona, fidirana amin’ny fiainana, hihoarana ny fahamarinana mety mitondra amin’ny fanavakavahana (Φαρισαῖος Pharisaios, avy amin’ny פָּרַשׁ parash, manavakavaka). Hanangan-ko velona antsika rehetra anie ny Fanahy Masina, ka tsy ho azon’ny avonavon’ny farisiana ka hanilika izay tsy mitovy fihevitra sy tsy afa-manaraka ny lalàna toa azy, hahay handray ny olona rehetra ho mpiray tam-po, ary hahay hiavana amin’izy rehetra.
Misy zavatra enina moa lazain’i Jesoa (Mt 5, 21-48) raha tiantsika ny hihoatra ny fahamarinan’ny farisiana sy ny mpanora-dalana. Ny voalohany dia ny hoe Aza mamono olona: efa nazavaintsika teo fa izay manakana ny hafa tsy ho sambatra sy ireo manao tsinontsinona ny fahalemena sy ny mety ho kilemany ka mitezitra azy, manambany azy ary manao azy ho adala dia efa an-dalana ho amin’ny famonoana azy.
Manohy ny fandinihana ny Lalàna ny Evanjely: Aza mijangajana. Inona no lazain’ny Evanjely momba ny fijangajangana sy fisaoram-bady?
Mikasika ny fiainam-piombonana eo anivon’ny fianakaviana sy ny tokantrano izany. Tsy ny fijangajangana voararan’ny lalàna (Eks 20, 14; Det 5, 18) ihany manko no mety hanakorontana ny fiainam-pifankatiavana fa poizina mamono izany ihany koa ny fitsiriritana, izay voararan’ny Lalàna ihany koa (Eks 20, 17; Det 5, 21). Ho an’i Jesoa, ny ati-fo lalina no ikotrehan’ny fahalotoana ny poizina mahafaty avy aminy ka ipoiran’ny ratsy rehetra. Na ny maso na ny tanana, varavarana idiran’ireo fitsiriritana ireo, dia mila folahana sy beazina. Io moa no ampianarina amin’ny hoe “mortification”. Tsy zavatra mandeha ho azy ny fahaizana mifehy tena, indraindray mitaky fahafoizana sy fandavan-tena, hatramin’ny “fanesorana ny maso ankavanana” na ny fanapahana ny “tanana havanana” na dia zavatra sarobidy ho an’ny tena aza.
Tamin’ny andron’i Moizy dia voatery manome taratasy fisaoram-bady izay mieritreritra ny hisaraka. Ny antony moa dia mba hiarovany ny zon’ny vehivavy izay matetika voaroaka, ka raha sanatria manambady tsy misy io taratasy io dia azon’ilay tompom-bady endrikendrehana ho nijangajanga, ka vonoina toraham-bato. Ny fanambadiana tsy maintsy sarahana araka ny lalàn’i Moizy dia izay mety mitranga amin’ny iray ra (mpihavana: Lev 18). Ny hamafin’ny fon’ny olona no nahatonga an’i Moizy hanome alalana hisao-bady, hoy i Jesoa (Mt 19, 8), fa ny fandaharan’Andriamanitra dia ny hiraisan’ny mpivady ho nofo iray mandrakizay. Mariky ny fitiavana ny faniriana ny haharitra ho doria.
Tsy fanaovana tsinontsinona ireo mijaly am-panambadiana tsy akory izany, kanefa kosa eo indrindra no iantsoana sy hanohanana azy ireo hijoro ho vavolombelon’ny fitiavana, hanambara amin’ny fiainany sy ny faharetany fa “mahery noho ny fahafatesana ny fitiavana ka ny tondra-drano tsy hahafaty ny afony” (Tononk 8, 6-7). Izay mino an’i Kristy manko dia antsoiny hanambara ny fitiavany amin’ny fiainana ny sakramenta, ary manokana amin’izany ny Fanambadiana, hoy i Md Paoly (Efez 5, 32).
Aza mianiana tsy to fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao. Io ny zavatra fahatelo (ny telo ambiny amin’ny alahady heriny).
Araka ny filazan’ny mpandalina Baiboly sasany dia nandritra ny sesitany tany Babilonina no nanazoan’ny Israelita fahazaran-dratsy maro, ka anisan’ireny ny fianianana. Heverina fa tsy azo inoana ny zavatra iray raha tsy asiana fianianana na teny ratsy kely. Tsy izy ireo ihany anefa fa na aty amintsika aza dia misy miozona sy mingosy mihitsy mba hanamarinany ny zavatra lazainy, tahaka an’i Piera niozona, nianiana (ἀναθεματίζω anathematizo, Mk 14, 71) nilaza ho tsy nahalala an’i Jesoa.
Mba tsy hanononana ny anaran’Andriamanitra (satria voararan’ny Lalàna) dia nosoloina fiozonana amin’ny tany sy ny lanitra sy amin’ny lohan’ny tena na amin-javatra hafa ny fomba. “Aza mianiana akory na amin’ny lanitra na amin’ny tany”, hoy i Jesoa. Inona tokoa moa no ilàna ny fianianana raha toa ka miaina ny fitiavana? Midika tsy fifampitokisana manko ny fianianana ka ho an’i Jesoa dia tsy azon’ny mpianany atao izany, tsy afaka ny ho roa lela ny mpianatra fa tokony hanana valinteny mazava.
Ny vokatr’izany eo amin’ny fiainana, ankoatra ny tsy fifampitokisana dia mampiseho ihany koa toe-tsaina mino fa andriamanitra mpamaly faty ny Andriamanitsika, ka handringana ny mpandainga sy hamaly faty ny mpamitaka.
Izay te hahita an’Andriamanitra dia miezaka ny manadio ny fony mba tsy ho voazarazara ka hanaraka ny torohevitr’i Md Paoly hoe: “Ario ny lainga ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampi-ratsambatana avokoa isika rehetra” (Ef 4, 25), hanesotra ny “faharatsiana rehetra, ny fitaka rehetra, ny fiatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny faharatsiana rehetra”, araka ny hafatr’i Md Piera (1 Piera 2, 1).
Asio soa ity izaho mpanomponao: ka ho velona sy hitandrina ny Teninao… Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo, mba hitandremako azy hatramin’ny farany (Sal 118, 17), ny valisoa ho ahy dia ny fahafahako mitandrina azy (dikanteny TOB) ary asan’Andriamanitra no mampamokatra izany raha tiantsika.
Mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza (1 Kor 2, 10 Vakiteny II). Hanaiky ho tarihin’ny Fanahy fahamarinana (Jo 14, 17) anie isika ka hitombo fitiavana ho fanatanterahana ny lalàna hahasambatra antsika sy hahatonga antsika koa ho antom-pahasambaran’ny hafa ary haharitra amin’izany.