Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
- Izaia 58, 7-10
- Salamo 111
- 1 Kor 2, 1-5
- Md Matio 5, 13-16
Ho an’izay te ho mpianatr’i Kristy dia antsoiny hanaraka ny lalana lavorary mitondra amin’ny Fahasambarana. Izay moa no lohahevitry ny Evanjely tamin’ny alahady heriny. Ho an’izay te ho mpianatr’i Kristy dia antsoiny hanaraka ny lalana lavorary mitondra amin’ny Fahasambarana. Ireo sambatra sy faly ary manantena ny valisoa lehibe any an-danitra, dia ilay denie iray itovizana amin’ny rehetra (Mt 20, 10) dia antsoiny hanandrana ny fahasambarana amin’ny fijoroana ho vavolombelony manoloana ny fanenjehana sy ny habibian’ny mpanohitra ny Mpaminany (Mt 5, 11-12).
Antsoin’i Kristy ho Fanasina sy Fahazavana ny Mpianany. Izy Kristy fahazavana ankalazaintsika ny 2 febroary, no miantso antsika koa ho fahazavan’izao tontolo izao. Ny fomba fiainana mifototra amin’ny Evanjeliny no hahafahantsika miaina ho fanilo hanazava ny hafa ary izay mahita ny hatsaran’izany ihany no hanana herim-po hivarotra ny voahangy rehetra nangoniny hatrizay ka hividy ilay voahangy tokana aman-tany; izay mahita ny hasarobidin’ny rakitra no hahafoy hivarotra ny fananany rehetra mba hahazoana ny saha misy ilay rakitra (Mt 13, 44-45 Alahady XVII A).
Tsy natao hohanina anefa ny sira ary tsy natao hojerena koa ny fahazavana, tsy misy olona mijery labozia fa mampirehitra azy mba hahitana izay ao an-trano, rehefa maizina ny andro. Atao ahoana anefa no handrehitra izany fahazavana izany?
Henontsika tamin’ny vakiteny I teo ny nolazain’Izaia: tsy levenam-bola hahazoana valisoa tsy akory ny fifadian-kanina hifampizarana ny sakafo amin’ny hafa fa kosa fanafody hanasitranana haingana ny ratram-po mahazo ka hahafahana manantena ny hazavana, eny fa na dia mbola toy ny vao mangiran-dratsy ihany aza izany. Ny fiezahana manitatra izany soa izany eo amin’ny fiaraha-monina ka hamongorana izay mety ho famoretana sy fanendrikendrehana, ary hanolorana hatramin’ny anto-pivelomana (aina= נֶפֶשׁ nephes, nadika hoe hanina) ho an’ny noana, dia hitombo hatrany izany hazavana izany satria ho toy ny masoandrobe mitataovovonana.
Mety misy hanontany hoe: atao inona ny fifadian-kanina ary mampaninona ny fietren-tena raha tsy jeren’Andriamanitra akory izany! Ambaran’ny Mpaminany fa tsy misy heviny ny fifadian-kanina sy izay mety ho fitanisana tonom-bavaka raha tsy mifanaraka amin’izany ny fomba fiainana. Tsara ny manamafy izany fampianaran’ny Mpaminany izany, satria tsy amin’ny fandehanana any am-piangonana na ny ao amin’ny vavaka no hampirehitra ny hazavana fa amin’ny fiezahantsika haneho amin’ny fomba fiainana ny tontolon’Andriamanitra fitiavana. Izany no hahazoantsika valim-bavaka avy amin’ny Tompo, hoy Izaia.
Ny tena fifadiana dia izay fiezahana hanampy ny hafa amin’ny fizarana ny kely eo an-tanana.
Mialoha ity vakiteny anio ity moa dia ampahatsiahivin’ny Mpaminany fa indraindray “Sady miady mifanditra ianareo no mifady ary mamely totohondry an-katezerana aza” (Iz 58, 4). Tsy tokony hampifandìtra ny antony tokony hifadian-kanina sy ny fomba fanaovana izany araka ny fampianaran’ny mpaminany: manapaka ny fatorana tsy an-drariny, mamaha ny fehin’ny jioga, mandefa ny ampahoriana ho afaka, manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany, mizara ny hanina ho an’izay noana ary mampiantrano ny mahantra sy mampitafy ny miboridana ka tsy hanao an-tsirambina ny havan’ny tena. Ireo no hitsarana antsika indray andro, hoy i Jesoa (Evanjely hovakiana amin’ny fetin’i Kristy Mpanjaka amin’ny famaranana ity taona litorjika ity).
Ny fifadian-kanina araka izany dia famolahan-tena mba hanesotra izay mety tsy hitovizantsika amin’Andriamanitra, ka hahafahantsika ho tonga tara-pitiavana manahaka Azy. Mazava loatra fa ny vavaka ataontsika dia hohenoin’Andriamanitra faingana satria Izy no miangavy antsika hamonjy ireo zanany miandry hotiavina, ary Izy rahateo no loharano hahazoantsika ny fahasoavana haharetana amin’izany.
Vokatr’izany fifadian-kanina “mampitovy endrika amin’Andriamanitra” izany ary no manosika antsika manesotra izay mampahavesatra ny fiainan’ny olona, tsy manendrikendrika ary tsy manala baraka, hahafahana mizara ho an’ny noana ny anto-pivelomana (nephes, manome ny hanina ho an’ny noana) fa tsy ny ambin-tsakafo. Ny famelomana ny fanahy miferin’aina, hoy ny Mpaminany, dia hahatonga ny fahazavantsika hamirapiratra ao amin’ny haizina.
Izany no maha-fanasina sy fahazavana an’izay mpianatr’i Kristy. Ndeha ary hiverenantsika ny halalin’izany fiantsoana iantsoana antsika izany.
“Ianareo no fanasin’ny tany. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.”
Ianareo. Tsy ny tsirairay fa ny mpianatra miombona no afaka ho “sira” sy “fahazavana”, ary tsy fanasin’ny laoka iray vilany ka ho vitan’ny indray mandrotsaka fa fanasin’ny tany; tsy fahazavan’ny efitrano hatoriana indray alina fa fahazavan’izao tontolo izao: ambaran’i Jesoa mazava amintsika ny halehibeazan’ny mission, ny iraka anirahany antsika. Izy no fahazavan’izao tontolo izao, ka ny fiombonantsika amin’ny hafa ho tonga tena iray Aminy no hahafahantsika hitondra izao tontolo izao ho amin’ny hazavan’ilay masoandro tsy miletika mandrakizay.
Misy zavatra telo farafahakeliny tokony ho tsaroantsika amin’ny asan’ny sira eo amin’ny fiainana:
- ny fanomezana tsiro ny sakafo (Joba 6, 6) ka noho izany, izay zavatra tsy fihinana na mety hanimba ny tsiron-tsakafo dia tsy afaka ny hifangaro amin’ny sira raha tsy izany dia very ny maha-fanasina azy;
- ampiasaina ihany koa ny sira mba hitahirizana ny sakafo tsy ho simba (jereo ny henatehirizina ambany sira ataon’ny vadin’ny mpisorona ao amin’ny taratasin’i Jeremia, Baroka 6, 27) ka mazava loatra fa misy fombafomba arahina mba hahafahany miasa amin’izany fitahirizana izany;
- ny sira ihany koa dia nampiasaina mba hanaovana fanekem-pihavanana (alliance de sel, fanekena voasira, jereo Fanisana 18, 19), mitovitovy amin’ny fati-dra aty amintsika izany, ho entina hilazana ny fitokisan’izay nianiana fa tsy hivadika amin’ny teniny na inon-kidona na inon-kihatra (cf 2 Tantara 13, 5, fanekena tsy azo dikaina nolazain’i Abià) ka isika araka izany no sitrak’Andriamanitra haneho amin’ny olona ny fanekem-pihavanany tsy mivadika mandrakizay.
Izany rehetra izany no antony hanasivana sira ny rano hasinina hampahatsiarovantsika ny Hasin’ny Batemy, nananganana antsika ho zanaka, ka mahatonga antsika ho fanasina sy fahazavana.
Ianareo no Fanasin’ny tany. Ny laoka no asiana fanasina ary izay no mahazatra antsika. Eto dia ny tany (γῆ ge) no ilàna ny sira. Ny sira manko, ἅλας (halas) dia entina ilazana ny akora masirasira entina manamasaka ny tany azo ambolena ihany koa. Tokony hampisy tsirony ny fiainan’ny tany izany izay nandray ny aina avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny fanaraham-bolontany anefa fa amin’ny fiarovana ny tany tsy ho tratry ny fahalovana, mba hahalonaka ka hampamokatra azy. Antsoina isika mba hampamiratra eo amin’ny zanak’i Adama, avy amin’ny tany, ilay endrik’Andriamanitra nahariana azy.
Ny hoe sira, ἅλας (halas) amin’ny teny grika, dia entina hilazana ihany koa ny fahendrena amam-pahasoavana ampitaina amin’ny fomba fitenenana. Tsy azo adinoina na oviana na oviana anefa fa ny laoka no hitan’ny olona fa tsy ny sira. Tsy misy mihitsy nahay nanisy sira amin’ny laoka ka ny sira no lazaina fa tsara: na ny laoka no matsiro na ny mpahandro no mahay. Izay tsy afaka hanadino ny tenany, tahaka ny sira araka izany, dia tsy nahay nandanjalanja, ka raha tsy Andriamanitra fa isika, raha tsy ny laoka fa ny sira no asiana tsindrim-peo, dia mangidy sira izany, tsy hatsaràna fa fahavoazana. Tsy ny tahotra ny hangidy sira anefa no ampitandreman’i Jesoa antsika fa ny ho lany tsiro ka tsy afaka ny ho fanasina intsony.
Na mahay tahaky ny inona aza anefa ny mpahandro, rehefa very tsiro ny sira, satria nifangaro amin’ny zavatra hafa (tadidiko ny sira avy novidiana norarahan’ny pétrole tamin’ny mbola kely), dia tsy misy ilàna azy intsony. Ariana any alantrano, hoy Jesoa satria tsy hahasoa ny tany, tsy hahasoa ny zezika (Lk 14, 35). Tsy afaka hampifangaro ny fahendren’ny Evanjely amin’izay heverin’izao tontolo izao ho fahendreny isika.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.
Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany i Jesoa milaza fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao (Jo 8, 12) raha mbola eto amin’izao tontolo izao (Jo 9, 5). Lasa niakatra any amin’ny Ray Izy ka ny mpianany nirahiny tahaka ny nanirahan’ny Ray Azy (Jo 20, 21) eto no antsoiny mba ho fahazavan’ny fiainana ho an’izao tontolo izao.
Ny sira dia manova ny tsiron’ny zavatra mifangaro aminy, ary azo lazaina fa fiovana tsy hitan’ny maso izany, tsy miseho ety ivelany. Tsy afaka ny hanandrana ny tsiron’ny sakafo amin’ny maso isika. Ny hazavana kosa indray dia hahafahan’ny maso mibanjina ny hasoan’ny zavatra ety ivelany. Voairaka hitondra hazavana isika mba hahitan’ny olona ny hasoan’izao tontolo izao, tahaka ny nahitan’Andriamanitra azy tamin’ny nahariany azy: hitan’Andriamanitra fa tsara izany (Jen 1, 4.9.12.18.21.25, miverina im-pito) [1].
Ohariny amin’ny tanàna miorina eo an-tampon-kavoana isika: ny tompon’ny tanàna sy izay nanorina azy no mahazo voninahitra raha mahita ny hatsaran’ny tanàna ny olona. Nantsoin’i Jesoa isika, tsy amin’ny fisehosehoana hahajejo sanatria, fa mba hanomezan’ny olona voninahitra ny Ray any an-danitra. Fahazavana isika, hoy izy, ka mazava loatra, toy ny tanàna, fa toy ny jiro ihany koa, tsy afaka afenina any ambany vata famarana (μόδιος modios, famarana voamaina tokotokony ho 9 litatra). Eo ambony fitoeran-jiro no ametrahana ny hazavana mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Tsy isika sanatria no hobanjinin’ny olona, fa kosa hahafahan’izao tontolo izao mahita ny zavatra rehetra araka ny hevitr’Andriamanitra.
Indraindray misy olona mimenomenona fa tsy misy azo atao intsony manoloana ny olana mianjady amin’ny fiainany. Matetika tsy ny lalana ivoahana no tsy misy fa ny olona no miraparapa ao anatin’ny haizina ka rehefa sasatry ny midòna etsy midòna eroa, dia mamoy fo. Tsy manova ny zavatra ny jijro mirehitra fa kosa hahitana ny lalan-kombana.
Raha ao amin’ny trano mikorontana ka hivoaka hamonjy varavarana raha maty tampoka ny jiro ka maizina dia hiraparapa sy hidona etsy sy eroa isika; fa raha harehitra ny jiro, tsy hampikisaka ny fanaka na izay mikorontana tsy akory fa mba hahitana ny hasiana ny tongotra sy ny lalana hizorana kosa, na mba hahafahana mandamina ny trano araka ny tokony ho izy. Tsy mahagaga raha ny hazavana no noharian’Andriamanitra alohan’ny zavatra rehetra (Jen 1, 3). Antsoin’i Jesoa ho fahazavana ny mpianany mba hahafahan’ny olona mahita ny lalan-kizorana ka hanomezana voninahitra an’Andriamanitra, izay tsy mivadika amin’ny Fanekem-pihavanana nataony, ka manohy izany amin’ny asa ataontsika zanany rehetra.
Tsy azontsika adinoina ny hafatr’i Md Paoly, mba tsy hiantehitra amin’ny fahaizana na izay mety ho fahendren’olombelona, fa hihavao mandrakariva ao amin’ny fahendren’ny Fanahy izay tsy sasatra ny mankahery antsika isan’andro amin’ny fiainana, ka hianteherantsika rehetra amin’ny herin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, hahatsiaro ny tenin’i Jesoa hoe: raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo (Jn 15,5).
Na ny sira na ny jiro dia mampahatsiaro antsika fa ny tany sy izao tontolo izao no niantsoana antsika mba hohajariana ka ho sehatra hamirapiratan’ny voninahitr’ilay Mpahary ka nahita fa “tsara indrindra” ny zavatra rehetra nohariany, araka ny voalaza teo (Jen 1). Tsy ny hampisy tsirony na ny hampazava na tsia anefa no tokony himatimatesantsika. Tsy anjaran’ny sira sy ny jiro izany, raha ny marina.
Ny ho fanasina sy ho fahazavana no iantsoana antsika ka hahitan’ny olona ny asa soa ataontsika, hoy ny Evanjely. ny nadika hoe asa soa moa eto dia ta kala erga (τὰ καλὰ ἔργα): asa voakaly, kanto ka mahasarika noho ny hatsarany. Izany dia ialana amin’ny heverin’ny sasany ho mety ka hanamarin-tena amin’ny “bonnes intentions”. Tokony ho hita taratra amin’ny hatsaran’ny asantsika ety ivelany ny hasaram-pon’Andriamanitra tompointsika ao amin’ny fivavahana. Izany no fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
Andeha isika hangataka ny fahasoavany mba tsy handà ny tsy ho jiro hanazava, indrindra manoloana ny mety ho fitsapàna mety hahantonana eny ambony fanaovan-jiro, eny ambony lakroà, tahaka ilay Fahazavana tokana hahazoantsika ny hazavana (Sal 36, 9), ka tsy ho semban-drahona fa ho sahala amin’ny volana, hamiratra sy hanazava na dia ao anatin’ny haizina aza satria tarafin’ilay Masoandro avy any ambony hanazava ny firenen-drehetra (Lk 2, 32).
Ho voninahitr’Andriamanitra anie ny asantsika rehetra tsy ho mpanisy sira fa ho fanasina sy fahazavana marina tokoa.
[1] Ao amin’ny dikanteny 2011 dia misy “ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany” mihoatra ao amin’ny andininy faha-8