Alarobia faha-efatra mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 12, 4-15/ Salamo 102/
- Ankasa 2 Samoela 24, 2. 9-17/Salamo 31/
- Md Marka 6, 1-6
Tao amin’ny tany nahabe azy i Jesoa, araka ny fitantaran’i Lioka (Lk 4, 21-30) dia hoe: gaga tamin’ny fampianarany izy ireo ary vetivety teo dia tafintohana indray koa. Ny antony nahatonga izany moa dia satria nanao fampianarana vaovao tsy nifanaraka tamin’ny fomba fisainan’ireo nieritreritra ho mahalala an’Andriamanitra Izy, ny mpihaino azy manko niandry avy amin’YHWH ny andron’ny famaliana, ho an’i Jesoa kosa fitiavana sy famindram-po Andriamanitra ka tsy misy fanambarana ny fahatanterahan’ny faminaniana raha tsy amin’ny fiainan’ny zanany mifanaraka amin’izany famondram-pony izany.
Ny hoe tafintohina (σκανδαλίζω) moa dia entina ilazana koa ny tsy fitovizan-kevitra nisy teo amin’izy ireo sy i Jesoa. Ny anton’izany araka ny fitantaran’i Marka, dia ny tsy finoan’izy ireo, ka mahatonga ny mpaminany tsy henin-kaja amin’ny taniny. Efa haintsika ny fitsikeran’i Jesoa ny fomba fiainana feno fiantsaram-belatsihin’ireo mpitondra ara-pivavahana sy ara-politika. Eto anefa dia ny vahoaka no mihoko, manivaiva azy, ny hany fantatr’izy ireo dia ny fiainany tety ivelany: moa tsy io va ilay mpandrafitra?
Tsy azo adinoina fa taloha kelin’izao dia tonga tany Kafarnaoma nitady azy ny havany sy ny rahalahiny, saingy tsy nanaraka ny fiangavian’izy ireo i Jesoa fa niantso azy ireo kosa hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy hanatanteraka ny sitrapony (Mk 3). Izay manaiky izany fampianarany izany no tonga fianakaviany sy iray tampo Aminy (and. 35). Izay tsy manaiky kosa, miara-mihoko miaraka amin’ny Farisianina sy ny Herôdiana mba hitady izay hahavoazana Azy, Sabata tamin’izay (Mk 3, 6).
Tsy azon’ireo mpiray tanàna Aminy izany fampianarana izany. Ho azy ireo dia tsy azo zaraina amin’ny “tsy mpino” ny tsodranon’Andriamanitra satria tsy zanak’i Abrahama ireo, ka izay mieritreritra tsy hanaja izany dia mazava ho azy mihantsy ady amin’ny “Jody”.
Mivohitra ao amin’ny fitantaran’i Marka anefa fa tsy ny fomba amam-panaon’i Jesoa loatra no tena nahatafintohina ireo mpiray tanàna aminy fa ny “loharano” niavian’ny fampianarany. Tsy afaka ny hiaiky izy ireo fa avy amin’Andriamanitra izany. Raha tsy izany manko dia ady manohitra an’Andriamanitra no ataony. Toa marina ihany ny filazan’ny mpanora-dalàna hoe amin’ny anaran’i Belzeboba (Belzebul) no androahany ny demony. Dia tanisainy eo ny hany mba fantany momba an’i Jesoa: zanak’i Maria, teraka tao anatin’ny fijangajangana sy tao anatin’ny ota tanteraka (Jn 9, 34).
Izay fiheveran’izy ireo ho efa mahafantatra an’i Jesoa izay no tonga sakana tsy nahafahany nandray ny fihavaozan’ny Fanahy, manatanteraka “anio” ny fampanantenan’Andriamanitra. Izay mihevitra ho mahafantatra an’i Jesoa dia tsy afaka ny higaga amin’ny Fitiavan’Andriamanitra mamirapiratra ao amin’i Kristy. Isika koa raha mikiribiby hifikitra amin’ny mahazatra sy amin’izay noheverina ho fahamarinana noratovina tamin’ny katesizy fahakely (na amin’izay fianarana mba norantovina) dia mety hiafara amin’ny fandavana ny tsiokan’ny Fanahy izay miantso mpaminany hanavao ny tany, hampahafantatra amin’ny olona fa fitiavana Andriamanitra.
Toe-tsaina tsy zoviana amintsika anefa ny mitsara ny olona arakaraka ny fari-pananany na ny fari-pahaizany na izay toerana misy azy na ny fomba fiainany nahafantarantsika azy, ka manadino fa afa-mitsòka amin’izay tiany ny Fanahy (Jn 3, 8). Ny tsy fanekentsika ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra mazàna dia mitondra antsika hamaritra ny loharan’ny soa amin’izay takatry ny sain’olombelona hahafahana manilika an’Andriamanitra mba tsy hitenenana ratsy Azy. Mora manko ny milaza hoe: “tsy ilay mpandrafitra, zanak’i Maria ve io”, saingy sarotra no milaza hoe: “fa nahoana Andriamanitra no nifidy ny zanaky ny Mpandrafitra ho mpitondra ny Teniny?” Miditra an-tsehatra eo ny fialonana sy ny fitiavan-tena.
Ny mason’ny mpiara-belona mahita ny mpandrafitra, mahita ilay tovolahy mitovy amin’ny olon-drehetra, mihevitra ny mahalala azy, saingy izany no misterin’ny fahatongavana ho nofo, sitrak’Andriamanitra hanehoana amintsika ny Farateniny, dia ny Teniny tonga nofo tao an-kibon’i Maria. Finoana no hahafahana mijery ka mandray ny fitsofan’ny Fanahy amin’ny andavanandrom-piainana ka tsy haniratsirana ny Mpaminany irahin’Andriamanitra.
Raha tsy misokatra amin’izany tsiokan’ny Fanahy izany isika dia tsy hahazo hanao fahagagana akory i Jesoa eo amin’ny tany honenantsika. Ho haintsika anie ny higaga ny asan’ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’izao tontolo izao.