Zoma fahatelo tsotra mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 10, 32-39/ Salamo 36/
- Ankasa 2 Samoela 11, 1-4a. 5-10a. 13-17/Salamo 50
- Md Marka 4, 26-34
Hampamokatra ny Fanjakan’Andriamanitra no iantsoan’Andriamanitra antsika (Mt 21, 43). Mitohy ny fampianaran’i Jesoa momba izany fanjakan’ny lanitra izany. Rehefa azontsika fa tsara fo Andriamanitra, ny fitiavany sy ny hatsaram-pony no hiraintsika marain-tsy hariva satria fantatsika fa ny hiadanantsika no sitrapony dia hifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiainantsika, indrindra ao anatin’ny fahasarotana sy ny fitsapana. Lazain’ny Salamo 36 fa raha miantehitra Aminy isika dia Izy no hanao ny fananantsika ny rariny ho mazava atsinanana sy ny fahamarinana ho mitatao vovonana, izany hoe fahasoavana avy aminy no hahafahantsika mampifanaraka ny fiainantsika amin’izay sitraky ny fony.
Ambaran’i Md Marka mazava anefa fa tahaka ny zavaboary ny fanjakan’Andriamanitra, mety ho lasa hazobe hialofan’ny voro-manidina, saingy tsy maintsy afafy aloha ny voa (and. 26) dia avy eo mitsimoka sy mitombo (and. 27-28) ka hahazoantsika izay vokatra nandrasana (and. 29). Ny famafazana sy ny fiotazana ary ny mety ho fikarakarana madinidinika (fanondrahana sy fanisiana zezika…) dia anjaran’ny mpamboly, fa ny mampitombo ny voly kosa dia asan’Andriamanitra irery ihany, ka na eo aza ny asa izay tsy mora ataon’ny mpamboly, dia io herin’ny voa afafy mitombo ho azy io no velabelarin’ny Evanjely.
Amin’ny filazana ny famafazana dia ampiasain’i Marka ny matoanteny βάλλω (ballô), izay tsy dia fampiasa loatra raha hilaza famafazana ara-teknika, satria hilazana ny fandatsahana (fanipazana) zavatra iray amin’ny tany ka tsy mampaninona na aiza na aiza hilatsahany: fantatsika, araka ny famelabelaran’i Matio io fanoharana io fa ny sasany latsaka teny amin’ny lalana, ny sasany latsaka teny amin’ny tany be vato, ny sasany latsaka anaty tsilo. Entina hilazana ny hafalian’ilay mpamafy izany, tsy mifidy ny fahamendrehan’ny fontsika mba hamafazany ny Teniny. Ny olon-drehetra, ny firenena rehetra no hamafazany ny voa afafy ho an’ny vahoaka dia ny Teniny izay tsy miverina Aminy raha tsy mahatanteraka izany nandidiany (Izaia 55, 11).
Refeha milaza ny fomba fitombon’ny voa indray Jesoa dia ataony amin’ny antsipirihany araka ny ambaratongany avy, saingy tsy nasiany teny na dia kely aza ny momba ny mpikarakara sy ny asa mety ilaina mba hamokaran’ny voa. Tiany hampitaina amintsika amin’izany ny hery ao anaty hahafahan’ny voa mitsimoka sy mamokatra samirery, na matory na mifoha ny olona. Raha sanatria tsy hanam-paharetana eo ilay mpamafy dia mety hanosy ketsa indray no hiafarany. Mila faharetana mba hahitana ny fitsiriana sy ny fitomboan’ny voa: ny tahony aloha, vao salohy vao ventim-bary amin’ny salohy. Miteny lango eo imason’ny vary izay teren’ny adim-piainana ka tsy afaka ny hiandry fararano.
Tsy sanatria an’izany isika no hihevitra hisolo ny Fanahy Masina amin’izay fahamatoran’ny Voa ao am-pon’ny olombelona, na ny ao am-pontsika aza. Ny anjaran’izay nahazo andraikitra hanabe sy “hitory any an-tafontrano izay heno tao amin’ny mangingina” dia ny mitandrina amin’ny fifantenana ny masom-boly, satria na aiza na aiza torìna ny Teny (ka tenin’Andriamanitra tokoa fa tsy fahendren’olombelona) dia mitsimoka sy miorim-paka ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy fotoana manko hanalana ny vato sy ny tsilo, fa misy fotoana koa tsy maintsy hatoriana sy hiandrasana, raha tiana ny hioty vokatra. Indraindray anefa moramora kokoa ny mihevitra ny hioty anio izay nafafy anio, dia herisetra sy fanimbàna no vokatr’izany, ary mety ho voaongotra miaraka amin’ny tsiparifary ny voa tsara (Mt 13, 29).
Manana hery hitombo tahaka ny voan-tsinapy ny Teny. Tsy halehibeazana araka ny hevitr’olombelona anefa izany, ka mety hisy hirehareha amin’ny isan’ny kristianina na ny hatsaran’ny Trano fivavahana sanatria, fa entina kosa hilazana ny herin’ny Fampianaran’i Kristy izay afaka manova ny fiainantsika ho tonga fialokalofan’ny voromanidina (Salamo 91,1), ary tsy ho fisehosehoana ivelany fa ao am-pontsika tsirairay ny Fanjakan’Andriamanitra, hoy i Md Lioka (Lk 17, 21). Tsy fijinjana hanafaizana fa hafalian’ny mpijinja mitondra ny vokatra mody any an-trano (Sal 125) no entin’ny Evanjely maneho amintsika ny fotoam-pijinjana. Ny hanangona ny zanany rehetra any an-tsopitra no sitrak’Izy Ray ka hiantsoany antsika hanam-paharetana sy handray anjara amin’ny fikolokoloana ny voly, ny tanim-boalobony.
Miantso antsika handinika sy hametra-panontaniana amin’izay mety ho fahalehibeazana heverintsika izany, sao sanatria tsy araka ny Evanjely fa araka izao tontolo izao: izay te ho lehibe dia aoka izy ho mpanompo, ho toy ny zaza vao teraka (Evanjely Timote sy Tito: Md Lioka 22, 24-30). Angamba ity no sarotra indrindra amin’ny torohevitry ny Evanjely ka maro no tsy mahazo azy, tsy vitsy no mandika azy vilana mba hiarovana ny fomba fiainana sy ny fahazarana, indrindra rehefa voakitikitika ny tombontsoa manokana (vola aman-karena, hafinaretana mandalo, voninahitra sns).
Raha tsy azontsika izany dia mila mitokana any amin’ny mangingina miaraka amin’i Jesoa isika. Tsy mandeha ho azy araka izany ny fikolokoloana ny Teny fa mila manokana fotoana handinihana sy hamakafakana. Anjaran’ny Mpitondra Fiangonana sy ny tompon’andraikitra ny manomana sambokely hipetrahan’i Jesoa mba hahafahany mampianatra zavatra marobe ny olona, saingy mbola adidiny ihany koa ny manome fanofanana sy fampianarana mafonja, ho an’ireo izay te handalina ny Teny ka manaiky hovany ho tonga rahalahy sy anabavy ary renin’i Jesoa.