Alarobia fahatelo tsotra mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 10,11-18/Salamo 109/
- Ankasa 2 Samoela 7, 4-7/Salamo 88/
- Md Marka 4, 1-20
Ao amin’ny Evanjelin’i Md Marka dia ny moron-dranomasina no ampianaran’i Jesoa ny vahoaka ary ny tendrombohitra kosa hiakarany mba hivavaka sy hisafidy ny Apôstôly. Ny vahoaka manara-morona fa Izy kosa ao anaty sambokely iray ka mampianatra azy ireo zavatra maro tamin’ny fanoharana. Lazain’i Marka fa ny anton’izany dia satria tsy ho an’ny olona rehetra ny hahazo ny fampianarany fa ho an’izay manaiky ho mpianany ihany. Ireo izay any ivelany dia tsy afaka ny hahazo izany. Tsy fanoharana fe fanoharana fotsiny manko ny fampianaran’i Jesoa sy ny fitoriany ny Fanjakan’Andriamanitra fa hazavana hahafahana mandresy ny fanjakan’i Satana sy ny tafiny.
Henoy ary: “Mihainoa ry Israely” (Det 6, 4ss).
Nivoaka ny mpamafy mba hamafy. “Atongilano ny sofinareo ka mankanesa aty amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo; […] tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy hiverina any, raha tsy efa nahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra rehetra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany koa ny teniko izay alohaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako. Sy mahatontosa izay namoahako azy” (Izaia 55, 3.10-11).
Ny mpamafy dia mamafy ny Teny. Dia ahoana ary no misy mahavokatra, misy tsy mahavokatra raha toa ka nolazain’Izaia fa tsy hiverina any amin’ny mpamafy ny Teny raha tsy mahavita izay nolazainy. Izay manantsofina hihainoana aoka izy hihaino.
Tsy ny Teny no tsy mamokatra fa ny tany no mety tsy handray ny teny. Ny sakana voalohany tsy hahafahana mandray ny Teny ka tsy mampamokatra azy dia ny fanaovana hitsin-dalana. Raha ny mahazatra ny olona rehetra (lalana) no heverina ho marina dia tsy afaka ny hiova mihitsy isika. Indraindray manko ny fironana sy ny faharatsiana ataon’ny rehetra dia mahatonga antsika tsy hanaiky ny fanovàna takian’ny Teny, ka hihevitra tahaka an’ireo havan’i Jesoa fa “very saina” izay mahita lalam-baovao tsy mifanaraka amin’ny lalana efa nahazatra hatrizay. Raha tsy misy rivo-piovana sy fihavaozana dia tsisy tsiokan’ny Fanahy, hoy ny Papa François.
Ny fomban’ny mpamboly tamin’ny andron’i Jesoa dia afafy aloha ny voa vao asaina, totofana, mandra-piandry ny filatsahan’ny ranonorana. Ny Teny latsaka amin’ny lalana araka izany dia tsy ho voaasa, tsy ho voatototry ny nofon-tany ka mazava loatra zary rembin’ny voro-manidina sy izay mety ho hevitra maniditsidina rehetra izao.
Ny sakana hafa mety tsy hamokaran’ny Teny dia satria mbola be vato ny tany, tsy fo nofo fa fo vato, sarotra hovàna satria mitady tany malemy hanorenam-pangady ka mivadibadika, manara-driandrano, mandeha amin’izay heverina hahazoana tombontsoa. Ambaran’i Marka mazava anefa fa misy fahoriana sy fanenjehana noho ny Teny. Tsy mifanohitra amin’ny fiadanana izany fa lalana mitondra amin’ny fahasambarana kosa, hijoroana amin’ny maha-rahalahy, anabavy ary maha-renin’i Kristy, amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.
Tsy afaka hitondra voa ihany koa izay voasodokan’ny haren’ny tany sy ny fanirian’ny nofo hafa ka mivarilavo amin’ny fanaranam-po ny amin’izany.
Iza ary no afaka hihaino ny Teny ka hampahavokatra azy?
Tonga ato an-tsaiko, araka ireo sakana telo lazain’i Marka ireo ny fakam-panahy telo izay tsy nolazainy kosa rehefa nitantara an’i Jesoa nalaina fanahy (Mk 1, 12-13//Mt 4, 1-11//Lk 4, 1-13), fakampanahy izay noresen’ilay Teny tonga nofo mialoha ny niverenany tany amin’ny Rainy.
Izay misy hanina no mampirohotra ny olona, ka raha toa ve ka ny herin’Andriamanitra afaka manova mofo ny vato, inona indray no handrasana ankoatra izany? Ny fitiavan-tena no lalana mahazatra ny olona saingy mampanalavitra antsika amin’ny tena fitiavana. Afaka mihaino ny teny sy mampamokatra azy izay mahay mampiasa ny harena nomen’Andriamanitra azy hanasoavana ny namana fa tsy hivarilavo amin’ny fanaovana ariarizato am-pandriana.
Homeko anao avokoa ireo rehetra ireo raha miankohoka mitsaoka ahy ianao. Fanirian’ny olona ny hanana ny rariny ka handresy an’ady, tsy hohambanimbanian’ny hafa. Ny fo vato dia ny fiheverana fa manana ny rariny ianao raha mba diso ny hafa, fiheverana fa mahavita tena ianao raha toa ka mba mila vonjy ny hafa, fiheverana fa tsy ho diso mhitsy ianao raha mba solafaka ny hafa… Izay mahazo ny hevitr’i Jesoa amin’ny fahatongavana ho tany lonaka mahavokatra (humus=humilité), ka ho tonga hanompo fa tsy hotompoina ihany no ho afaka mampamokatra ny Teny. Mety handray ny Teny ny olona mpiavonavona rehefa mifanaraka amin’ny voninahitra tadiaviny izany, saingy ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ireo endriny madinika sy mijaly no hitsarana ny fahavokaran’ny Teny.
Tsy misy afaka hanompo Tompo roa dia Andriamanitra sy ny vola. Ny firaiketana amin’ny haren’ny tany dia manesotra tsikelikely ao am-po ny fitiavan’Andriamanitra ka hahatonga antsika haka fanahy azy, indrindra rehefa tsy tanteraka ny faniriantsika izay noheverina fa azon’Andriamanitra atao raha tiany. Tsy afaka hamoha na oviana na oviana izay hieritreritra fa zanak’Andriamanitra ka afaka manao izay tiany atao. Izay miaiky fa maty teo ambony hazofijaliana ny Zanak’Andriamanitra dia tsy hatahotra ny ho faty toa azy koa, ka hino fa ny voa nafafy dia tsy maintsy maty mba hamokarany zato heny.
Ho vonona ho faty (hamono tena hanompo) koa anie isika raha izay no lalana hampamokarana ny fanjakan’Andriamanitra eo anivontsika.