Talata fahatelo tsotra mandavan-taona
- Tsy ankasa Hebrio 10, 1-10/Salamo 39/
- Ankasa 2 Samoela 6, 12b-15. 17-19/Salamo 23/
- Md Marka 3, 31-35
Nivoaka hihazona an’i Jesoa ny havany satria noheverin’izy ireo ho very saina izy (and. 21). Dia nijanona tao alatrano ny reniny sy ny rahalahiny ka nampiantso azy. Tsy nifanaraka loatra amin’ny foto-pisainana nifandovana sy ny fahazarana an-davan’andro manko ny fampianaran’i Jesoa ka nanahirana ny fianakaviany. Tsy manonona ny anarana Maria i Marka fa milaza ny renin’i Jesoa, milaza ilay Israely izay tsy niaina araka ny tokony ho izy intsony ny finoany, ka tsy afaka ny hahazo ny fampianaran’ilay tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka azy.
I Masina Maria manko, nandray ny Teny reny, nanaiky ny sitrapon’ilay naniraka ny Anjeliny ka nitahiry tao am-pony ny Teny tonga nofo, tonga renin’ilay Zanak’Andriamanitra, tonga hamonjy ny olombelona rehetra ho afaka amin’ny fanandevozan’ny haizina.
Ambaran’i Marka fa tsy te hifandray amin’i Jesoa akory ireo havany fa iraka ihany no nalefany hampita ny hafatra any aminy: ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao. “Fa iza moa no reniko sy rahalahiko?” hoy i Jesoa: izay manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Apôstôly nantsoin’i Jesoa mba hamory ny olon-drehetra hiara-mitoetra aminy, ireo nihevitra ho havany kosa niantso azy mba handao ny mpianany, fianakaviana vaovao natsangany, satria tiany hiray lova aminy any amin’ny Fanjakany.
Iza ary no nanao ny sitrapon’Andriamanitra mihoatra an’i Masina Maria? Modely alaintsika tahaka isan’andro izy amin’izany, fa ny fampianarana tian’i Md Marka hampitaina amintsika kosa dia ny mba handinihantsika tena, sao sanatria entim-pahazarana ihany ka mihevitra fa renin’i Jesoa (mamera sy mopoera) sy rahalahiny (frera) na anabaviny (masera) satria vita batemy (kristianina), misoratra amin’ny registre, saingy ny fiainana sadasada, mifanalavitra amin’ny Evanjely ary tsy mihevitra akory ny hampifanaraka azy amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Tsy fanarahana ny marina araka ny lohantsika na ny hitsiny araka izay saim-pantantsika anefa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Misy olona manko mihevitra fa tsy mila mankany am-piangonana, tsy mila mamaky sy mandalina ny Teny, tsy mila mandalina ny finoana satria ampy ny manao ny marina sy ny hitsiny. Indraindray mamita-tena ihany izy ireny satria diso hevitra loatra ny amin’izany. Ny hihafarany dia ny rariny sy hitsiny araka ny saim-patany sy ny danin’ny kibony no ataony.
Fahendren-drazana ohatra ny hoe “tanana zatra mitsotra tsy afaka hivonkona intsony”, ny finoana kosa manambara fa ny maty aza mbola hitsangana, ny Fanahy Masina dia afaka manova ny fon’ny olombelona rehetra, hanala ny fo vato ka hanome fo nofo nohavaozina mba hitandrina ny lalàn’Andriamanitra (Ezek 36, 26). Fahendren’olombelona ny hoe “Andriamanitra tsy mihay izay tsy miahy ny tenany” fa ny Evanjely maneho ny endrik’Andriamanitra “mitady sy hamonjy ny very”. Tsy midika anefa izany fa afaka manao izay tiany ny olona fa kosa manampy antsika hizotra amin’ny lalam-pinoana vaovao atoron’i Jesoa.
Lalim-pandinihana ny razantsika saingy somambisamby ihany izany fahendrena izany, hoy ny Hira. I Kristy ary no modely ho an’izay te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy sitrak’Izy Ray ny sorona dorana ka izy no nanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra (He 10). Ny fanahafantsika azy no maha-reny, anadahy sy anabaviny antsika.
Hitombo ao am-pontsika anie ny faniriana hihaino ny Tenin’Andriamanitra tonga nofo ao amin’i Jesoa Kristy ka hahafahantsika miditra amin’ny fiainana, dia ny fiombonan-dova amin’ny Zanak’Andriamanitra, ary hahafahantsika koa miombona amin’ny maha-reny an’i Masina Maria, hahatonga nofo ny Teny eo amin’ny andavanandrom-piainana izay anirahan’Izy Tompo antsika.