Alahady faharoa mandavan-taona (TAONA A)
I Kristy no Zanak’Andriamanitra velona
- Izaia 49, 3.5-6
- Salamo 39
- 1 Korintianina 1, 1-3
- Md Joany 1, 29-34
Manohy ny famakivakiana ny andavanandrom-piainana isika ka amin’ny fankalazana ny Paka isan-kerinandro (izay no hevitry ny alahady), amin’ny handinihana manokana ny halehibeazan’ny Famindram-pon’Andriamanitra izay miantso antsika amin’ny fibebahana lalandava.
Miombom-po sy fahany amin’ny Eglizy any Ambanja koa moa isika amin’ny fanamasinana ny Eveka, mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra, ka sady velom-pisaorana no mitalaho mba ho loharanonm-pahasoavana tovozin-tsy ritra ho an’ny Fiangonana manontolo ny fanomezam-pahasoavana arotsaky ny Fanahy Masina amin’ny hafenoan’ny Sakramentan’ny Filaharana amin’i Mgr Donatien Francis Randriamalala, Ms, amin’ny fanamasinana sy fametrahana azy ho Evekan’ny Diosezin’Ambanja izao.
Amin’ity alahady faharoa ity no hamakiana ny herinandro araka ny fitantaran’i Md Joany (Jn 1, 19 – 2, 12) izay zaraina amin’ny taona litorjika telo.
Amin’ny taona fahatelo (taona D) dia ny Fampakaram-bady tao Kanà no vakiana (Jn 2, 1-12). Evanjely tsy zoviana amintsika loatra, hay tsianjery aza, ary lazaintsika hoe ny Epifania fahatelo, nankalazaina ny alahady, ny voaloham-pamantarana nataon’i Jesoa, naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ny fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra (Epifania) hoy i Md Paoly (Vakiteny II alahady Epifania Tit 2, 11-14; 3, 4-7) dia mba hanokanany vahoaka ho Azy, vonona hanompo Azy amin’ny asam-pahamarinana sy fitiavana. Raha ny fifandraisan’Andriamanitra amintsika no lazaina ho fampakaram-bady, ny divay lazaina fa lany araka izany dia ny fitiavantsika Azy izay efa matimaty, ny hafaliana amin’ny fanompoana Azy izay tsizarizary; ny sinivato fidiovana tsy misy rano intsony satria tsy noheverin’ny olona ho ilaina intsony ny fanarahana ny lalàna.
Ambaran’i Md Joany anefa fa naneho ny voninahiny i Jesoa ka nino azy ny mpianany. Tsy tahaka ny filazan’ny Evanjelista hafa anefa, amin’ny ninoan’ny vahoaka azy fa voafetra amin’ny mpianatra ihany. Tsy ho didy na tahotra ary sanatria no hivondronantsika isan’alahady, fa hafaliana te hihaona amin’ilay Mpampiakatra, ka hitotorebika satria voaantso handray anjara amin’ny fetin’ny fampakarana. IKristy no mpampakatra miantso ny Egliziny, ho vady ampakarina, efa nahafoizany ny aina sy nohamasininy mba hiantso ny anarany sy ho vavolombelon’ny fitiavany. Ny safidim-piainana no mety samihafa fa ny fanamasinantsika ny tenantsika no lalana tokana hahafahana mamaly izany fiantsoana izany.
Raha jerena ireo vakiteny aroson’ny Eglizy anio dia manampy antsika amin’izany safidy izany, manoloana ny famaliana ny antso (vocation) ataon’Andriamanitra amintsika.
Ao amin’ny vakiteny I dia henontsika ny fiantsoana an’Israely, izay nataon’ny Tompo ho rehareha satria hatsangany ho fahazavan’ny firenena mba hitaran’ny Famonjeny hatramin’ny faravazantany. Raha dinihina tsara anefa, dia mantomboka ao aminy ihany ny andraikitra voalohany iantsoana ilay Mpanompo: hampody an’i Jakoba amin’ny Tompo ary mba ho tafakambana aminy indray Israely, ary heveriko fa tsy hafa noho izany ny andraikitra takian’Andriamanitra amintsika Fiangonana, Israely vaovao, antsoiny mba hahatsapa ny fitiavany, ka ny fahafahantsika miaina ho olom-boavonjy, ny fitokisantsika amin’ny fitiavany no hahafahantsika mijoro avy eo ho vavolombelon’izany fitiavan’Andriamanitra izany. Reharehan’Andriamanitra isika raha tonga fitaovana hitaran’ny famonjeny hatramin’ny faran’ny tany. Mitaky andraikitra goavana ho an’izay milaza fa mino an’Andriamanitra izany, satria izay rehetra atao, na ho an’ny fiangonana na ivelan’ny fiangonana, dia tokony (ary tsy maintsy ho izay) fanehoana ny endrik’Ilay Andriamanitra inoana. Tsy ho sanatria ny ataontsika na ny fomba fiainantsika mpino no hanakatona ny varavaran’ny finoana ho an’ny olona tafintohina hono ny fahitàna izany.
Anisan’ny fomba fanao entina hifandraisana amin’Andriamanitra ny fanolorana sorona. Ny teny hoe Sacrifice (sacrum facere) moa azo adika ara-bakiteny hoe manao zava-masina, izany hoe miezaka mba hifandray amin’ny Masina, hibanjinana ny endriny sy hakàna tahaka Azy. Ambaran’ny Salamo 39, setriny, ary ny dingana mbola miandry ny mpino amin’ny fomba fifandraisana amin’ny Andriamanitr’Israely: tsy sitrany ny sorona dorana sy fanonerana. Raha vavaka atao mandritra ny fanolorana sorona ao an-tempoly no tena nampiasana ny salamo dia mazava loatra fa hafahafa ihany ny hahazoana izany tonom-bavaka izany. Saingy mazava ny valin-teny omen’ny salamo ho an’izay manaiky hosokafana ny sofiny ka handre: izay mankamamy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy mizotra araka ny Lalàny no afaka hitory ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny fiangonana ary tsy ho sasatra amin’izany.
Raha tsy manampy antsika hampifanaraka ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra ka hahatonga antsika ho mpitory ny Evanjeliny ny fanolorana sorona, ny famonjena Lamesa, dia misy zavatra tsy milamina ao. Tsy mora anefa ny miandry ny Tompo ka miandry, kanefa izay mahalala Azy dia hanantena ilay andro hisokafan’ny vava ho amin’ny hira vao, ataon’ny Tompo eo am-bava ho fideràna Azy.
Ny fiantombohan’ny Taratasy ho an’ny Korintiana dia manomana sahady ny fampianaran’i Md Paoly izay hanampy antsika amin’ireto alahady manaraka ireto sao sanatria ho tafiditra ao amin’ny fomba fankalazantsika ny Sorona Masina koa ny fomba fisainana feno fahalovana hita eo amin’ny fiaraha-monina, ka sanatria “hanao komonio”, hankalazana ny fiombonana, kanefa ny sasany maty noana moa ny sasany mamon-divay.
Mialoha ny hilazana izay tokony hahamenatra, dia henontsika teo ny halalina sy ny halehibeazan’ny fahamboniana maha-kristianina antsika, amin’ny maha-Eglizy, miombona satria nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy ka samy miantso ny Anarany na aiza na aiza misy antsika. Eglizy, izany hoe “voaantso”, antsoina mba ho iray, antsoina ho masina, antsoina mba ho iraka, antsoina mba hitondra ny famonjena manerana ny vazan-tany. Ary ny tso-drano rehetra azontsika hifampirariana soa, indrindra amin’izao fiantombohan’ny taona izao dia izay lazain’i Paoly ho an’ny Korintianina: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Avy amin’Andriamanitra ny fahasoavana sy ny fiadanana. Avy Aminy no hahafahantsika mihanoka ny fahasambarana, satria i Jesoa Kristy Zanany no ilay Zanak’Ondry soloheloka, nentina nisantarana ny fankalazana ny lalam-pahasambarana mitondra ho amin’ny tena fahafahana marina.
Ny Evanjely dia sombiny amin’ny fitantarana ny fihaonan’i Jesoa amin’ireo mpianatra voalohany. Araka ny fitantaran’i Joany dia tsy any amin’ny sisin’ny Ranomasin’i Galilea fa eny amoron’ny onin’i Jordany no nifanenan’ireo mpianatra voalohany tamin’ilay Mpampianatra. Mpianatr’i Joany Batista moa izy ireo. Efa nanana ny fiainany ary efa babon’ny fampianaran’i Joany, saingy nahafoy izay tsara mba ho amin’ny tsaratsara kokoa.
I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala (αἴρω airo, mitondra, mivesatra) ny fahotan’izao tontolo izao, hoy i Joany mahita an’i Jesoa mandalo. Zanak’ondry tsy manantsiny fa nanaiky hovonoina toy izay hanao herisetra (Izaia 53,7), fa zanak’ondrin’ny Paka ihany koa, manambara ny fanafahana an’Israely amin’ny fanandevozana tany Ejipta (cf Jn 19, 14.33.36// Eks 12, 1-14; 1 Kor 5, 7; 1 Piera 1, 19). Izy no manesotra ny fahotana, sakana tokana tsy hahafahan’ny olona miditra amin’ny hasambarana atolotr’Andriamanitra azy. Tsy herisetra fa fandeferana, tsy famaliana ny ratsy amin’ny ratsy no hahafahana mandresy ny ratsy. Izy no hivesatra ny fahotan’ny maro ary hitalaho ho an’ny mpanota (Izaia 53, 7.12) ka izay rehetra manaraka Azy dia irahiny koa ho “toy ny zanak’ondry eo am-povoan’ny amboadia” (Mt 10, 16).
Izany teny izany no averimberina mialoha ny handraisana komonio, ka hahafahantsika mahatsiaro fa tsy mendrika ny handray Azy isika, saingy antsoiny kosa tsy hilomano ao anatin’ny haizina sy ny fanandevozan’ny fahotana fa hihavao mandrakariva ao amin’ny hazavany. Mampalahelo ny mieritreritra indraindray ny fiheveran’ny sasany fa valisoan’ny fahamendreham-piainana ny Komonio. Tsara hotadidiana ny Katesizin’i Md Jean Marie Vianney hoe : rehefa handeha handray komonio ianao dia mahatsiaro fa tsy mendrika, ary tena tsy mendrika tokoa ; saingy manatòna am-pinoana satria miandry anao ny Tompo, maniry ny ho raisinao izy, tsy hoe sanatria noho ianao mendrika, fa satria mila azy ianao. Ary hoy i Jesoa hoe : raha tsy izaho dia tsy mahavita na inona na inona ianareo (Jn 15,5).
ἴδε ide, “indro”: miantso ny mpianany mba hijery. Ambaran’i Joany antsika i Jesoa mba harahina. “Izaho tsy mahalala azy, hoy izy, fa mba hampiseho azy amin’Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”. Hampiseho an’i Jesoa no ilana ny fibebahana, ary izay manaiky hampiseho Azy, izay manaiky ny fiantsoan’Andriamanitra azy, tahaka an’i Joany (ary porofom-pitiavana izany), no afaka hahalala an’i Jesoa. Izay maniry ny fiainam-baovao, maniry ny fahafahana marina ihany no afaka hanatona hatao batemim-pibebahana ka haheno ilay feo manambara ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao.
Eto amin’ny andininy faha-29 novakiana androany dia βλέπω (blepo) ny teny ampiasain’i Md Joany ary ny andro manaraka kosa, vakiana amin’ny taona B (andininy 36) dia ἐμβλέπω (emblepo) no ampiasainy, izany hoe tsy mijery fe mijery fa mandinika hatrany anatiny, miezaka manakatra izay eritreretin’i Jesoa. Izay manana traikefa manokana ka mahafantatra an’i Jesoa sy izay irin’ny fony, no afaka hanoro azy ny hafa mba hanarahan’izy ireo dìa azy. I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Tsy afaka ny ho tonga mpianany izay mitady mpampianatra mahery toy ny liona na mpadravarava toy ny amboadia. Tsy mbola vonton’ny fampianaran’i Jesoa ary tsy afaka hitarika olona hahara-dia azy izay tsy miditra amin’ny “logique”n’ny Zanak’Ondry, manaiky (bonaika) eo anatrehan’ny mpanety azy (Izaia 53, 7.12).
I Joany dia nanao batemy tamin’ny rano, nampahatsiaro ny vahoaka ny fahafahana avy any Ejipta, miverina indray mipita avy any an-dafin’i Jordany ho any amin’ny tany nampanatenaina, fa i Kristy kosa, nidinan’ny Fanahy Masina, miendrika voromahailala, izany hoe, tsy hifindrafindra trano intsony fa honina ao mandrakizay, dia manao batemy antsika amin’ny Fanahy Masina, ilay Fanahy nomeny antsika teo ambony hazofijaliana (Jn 19, 30), ilay Fanahy nomeny ny Apôstôly ny Marainan’ny Paka mba hamelan’izy ireo ny fahotana.
Izy no hany Zanak’Andriamanitra ary manome ny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra koa an’izay rehetra manaiky handray ka hotarihin’ny Fanahy Masina.
Henontsika tamin’ny vakiteny I teo (Izaia 49, 3.5-6) fa voaantso Israely, mpanompon’YHWH dia voaantso mba hampody ireo sisa voatahiry ao aminy ihany, ary izany no hahatonga azy ho fahazavan’ny firenena. Ny fiezahantsika manitsy ny fiainana ho taratry ny fandresen’i Kristy, ny fahafahantsika mijoro ho vavolombelona, hiova fo sy hihavao, na amin’ny ezaka ataon’ny tsirairay izany, na amin’ny ezaka iaraha-manao, amin’ny maha-Eglizy, no hahafahantsika mijoro ho fahazavana ka hitaran’ny famonjen’Andriamanitra hatrany amin’ny faravazantany. Tsy fanolorana sorona dorana sy fanatitra izany, fa ny fampifanarahana ny fiainana araka ny sitrak’Andriamanitra, araka ny voalazan’ny salamo 39 setriny.
Angatahontsika Andriamanitra Ray mba hampitombo ny faniriantsika ny hahalala ny tena toetrantsika, amin’ny maha-zanany antsika, amin’ny faniriantsika mba hahalala azy bebe kokoa ka hanahaka azy, hampifanaraka ny fomba fiainana amin’ny fahamarinana, ka hanesorantsika izay mety tsy mbola mifanaraka amin’ny hadiovan’Izy Andriamanitra.
Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra. Hihoitra hiady amin’ny fahotana anie isika, handio ny fontsika mba hibanjinantsika ny voninahitr’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy ka hihobiantsika sy hankalazantsika ny Anarany, mampahatsiaro an’Andriamanitra Vonjin’ny olombelona rehetra.
Tsaroana manokana ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firaisam-pinoana. Lohahevitry ny taona 2023 manontolo moa ny hoe mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena (Iz 1, 17). Atoron’Izaia antsika fa lalana hanorenana ny firaisam-po sy ny fiadanana ka hahafahana mandresy ny ratsy fototry ny tsy fahasambarana sy ny fisaraham-bazana ny fianarana manao ny tsara.
Hoy ny Mpitoriteny: Nitodika aho dia nahita ny fampahoriana rehetra atao aty ambany masoandro: ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso, ary tsy misy olona manala alahelo azy. Iharan’ny fanaovana an-kerin’ireo mpampahory azy, ary tsy misy olona manala alahelo azy (Mpit 4, 1).
Ny fikatsahana ny rariny dia miainga amin’ny fahatsapana aloha ny tsy rariny mangeja sy mampijaly ny fiaraha-monina, hahitana ka hamongorana izay mampitondra fahoriana na ho an’ny tena na ho an’ny hafa, ka hiezahana hanajàna ny olona rehetra tsy fidian-tsy havahana, fanajàna sy fandraisana azy amin’ny maha-izy azy, ka handresena ny tarazon’ny halako bika tsy tiako tarehy noho ny firazanana sy ny volon-koditra na noho ny fahaverezan’ny tombontsoa manokana.
Hahay handray ny hafa anie isika, ary ho samy vonona handray ny finoana ho toy ny fanomezan’Andriamanitra ka hiray fo hijoro ho vavolombelon’izany eo anatrehan’ny tsy mpino, ka hahataona ny olona rehetra amin’ny finoana marina.