EPIFANIA
Hafaliana ho antsika ny mankalaza ny fahatratrarana ny taona vaovao, hahatsiarovana fa i Kristy teraka ho antsika ankalazaintsika amin’ny Noely no ivon’ny Tantara, amin’ny fanononana ny isan’ny taona. Ho taom-pahombiazana ho antsika rehetra anie izany.
Epifania (Ny nisehoan’ny Tompo) moa no ankalazaintsika amin’ity alahady ity. Fisehoana no azo andikana ny hoe Epifania. Ny nisehoan’ny Tompo in-telo miantoana moa izany dia ny Fisehoany tamin’ny Majy, ankalazaina anio, ny Batemy (ankalazaina amin’ny heriny) ary ny Fampakaram-bady tao Kanà (ankalazaina amin’ny alahady faharoa).
Ny hoe Epifania dia avy amin’ny teny grika epiphaneia, midika hoe fisehoana, toy ny hoe “mivoaka hitàny” ho an’ny avy nifana, amin’ny fomba malagasy. Ny 6 janoary moa no ankalazana azy, ary io no fankalazana ny Noely, talohan’ny 335 nanapahan’ny Tandrefana ny datin’ny 25 desambra ho fankalazana an’ilay Masoandro, Hazavana manilo izao tontolo izao. Tamin’ny taon-jato IV kosa dia nanjary fankalazana ny Epifania, saingy mbola mijanona ho Noely amin’ny fiangonana maro tatsinanana.
I- Telo ny fisehoan’i Jesoa asongadin’ny Litorjia :
1- ny fisehoana tamin’ny Majy
Ireo mpikaroka manam-pahaizana avy any amin’ny firenen-kafa, nahita ka nanaiky hotarihin’ny kintana ka tonga nitady ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka (Mt 2,1-12). Nifanehatra tamin’i Herôda izy ireo, Herôda izay endriky ny fialonan’ny olombelona te handringana izay mety hisongom-bitana. Tsy azo adinoina fa toe-tsaina tsy vahiny amintsika io, misy amin’ny kolontsaina malagasy… ohatra ny teraka alakaosy natahorana hisongom-bitana. Niaiky ny zava-nitranga ireo Majy ary nikatsaka hatrany ny fahamarinana ka tafahaona tamin’ilay Mpanjaka afa-miteny amin’izay mihaino ny marina (Jo 18,37).
Ny fanomezana nomen’ireo majy an’i Jesoa dia volamena, emboka ary ditin-kazo manitra. Araka ny kolontsaina tamin’izany dia manambara ny maha-Mpanjaka, maha- Andriamanitra ary ny maha-olombelona an’ilay tolorana azy ireo fanomezana ireo. Ho an’ny Kristianina, ny Eokaristia no faratampon’ny fisehoan’i Kristy aminy. Dia inona no mba atolotsika Azy amin’izany fihaonana izany? Moa ve tsy ny fahavononana hampanjaka ny fitiavana, izay ambony lavitra noho ny volamena; hanandratra ny vavaky ny Mpisorona sy ny fitalahoana amin’ny fo feno fanetren-tena izay ambony lavitra noho ny fanatitra rehetra sy ny emboka manitra (jer. Sal 51,17sns.); ny fiezahana ho lavorary, hijoro ho vavolombelona, hanambara amin’ny teny sy amin’ny fiainana (Mpaminany) fa tonga nofo tokoa ao am-pontsika ny Teniny? Ny mira na miora manko dia ilay ditin-kazo fampiasa amin’ny fandevenana, anambarana ny maha-olombelona an’i Kristy, ka ny fahatongavany ho nofo, ny fanekeny hatramin’ny fahafatesana no maha-mpaminany lehibe Azy, naneho ny fitiavan’Andriamanitra amintsika.
Tsy misy milaza moa fa telo ny Majy, ary sarotra ny hihevitra fa olona telo no hamakivaky ny faritra atsinanana irery hatrany Jerosalema. Ny fanomezana no lazain’ny Evanjely fa telo, fa izy ireo kosa dia misolo tena ny firenena rehetra tonga hitsaoka an’i Jesoa. Araka ny lovan-tsofina moa dia i Gaspard, Melchior sy Balthazar no anaran’izy ireo, tanora maitso volo, lahy antitra be volom-bava ary lehilahy matotra, tsara somotra. Tsy ho adinointsika koa anefa fa nisy Majy iray (araka ny lovan-tsofina), variana nizara ireo fanomezana nentiny ho an’ny mahantra hitany teny an-dalana, ary tafahaona tamin’i Jesoa Zazakely nitrotro ireo fanomezana nomeny ny mahantra… Izay manome ny mahantra, hoy ny Ohabolana, mampisambotra an’Andriamanitra (Oh 19,17).
2- Ny Fisehoana tamin’ny Batemy :
Ilay Fanahy Masina nidina naka endri-boromailala (Lk 3,15-22) dia manambara an’i Jesoa nanamasina ny rano hanaovana batemy, ary mampisy heviny vaovao ny Batemy hanaovana batemy ireo hanara-dia Azy: Izy ilay tsy mila fibebahana dia nandray ny batemim-pibebahan’i Joany mba hanambarany ny hasarobidin’ny “Fitsobohana” ao amin’ny Reniranom-pahasoavana… dia ny Fanahy Masina…
Io Fanahy io no ananganana izay vita batemy ho zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy, ka ny Fiombonana amin’i Kristy no mampisy heviny ny fiainana… Tsy azo adinoina fa naka endri-boromahailala ny Fanahy, ilay voromahailala nanambara ny faran’ny safodrano tamin’ny andron’i Noe (Jen 8,6-12) izay midika fa tsy sazy intsony no tokony hibebahan’ny olona fa ny famindram-po sy ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy azo adinoina fa ny “mission” – “Apostolat” (iraka) nampanaovina an’i Joany Batista dia ny hampahafantatra ny olona fa ny “famonjena”, dia azo avy amin’ny famelana ny heloka natao (Lk 1,77). Hiverenantsika misimisy kokoa moa io amin’ny alahady manaraka.
3- Ny fisehoana tamin’ny fampakaram-bady tao Kanà
Nanova ny rano ho divay no nataon’i Jesoa, izay lazain’i Joany Evanjelista hoe “famantarana” voalohany (Jo 2,1-11) dia manambara fa na dia efa tsy manan-kantenaina intsony aza isika, lavitry ny hafaliana – efa lany divay –, dia eo i Kristy, loharanon-kafaliana… kanefa kosa, tsy azo adinoina ny hafatr’ilay Reniny amintsika : “Ataovy avokoa, na inona na inona holazainy aminareo…”, na inona na inona… Mitaky finoana izany.
Ny alahady faharoa moa dia mitantara izany ny Evanjely ka azontsika mbola alalinina izany amin’izay.
- Izaia 60,1-6
- Salamo 71
- Efezianina 3,2-6
- Md Matio 2,1-12
Izao tontolo izao no irìn’Andriamanitra ho Eglizy Fianakaviany
Andeha ary hiverenantsika hojerena ireo Vakiteny aroson’ny Fiangonana amin’ity Fankalazana ity.
Ny Bokin’i Izaia Mpaminany, toko faha-60 dia voasoratra tany amin’ny 15-20 taona taorian’ny niverenana tany Jerosalema avy any Babilôna (525-520 tal. J.K). Manoloana ny fahasahiranana sy ny mety ho fahadisoam-panantenana nahazo ireo niverina avy any amin’ny tany fahababoana ka nomena alalana hanorina ny Tempoly no itenenan’i Izaia amin’i Jerosalema mba hitsangana sy hamirapiratra. Tsy ezaka avy amin’ny olombelona anefa izany, ary na dia “fahazavana” ho an’i Jerosalema aza, dia tsy iza fa ny Tompo no hiposaka eo aminy. Ankoatry ny tenim-panantenana, hiandrasana ny maraina na dia mbola maizina aza ny andro, dia ampahatsiahivin’i Izaia fa raha tsy ny fahazavan’Andriamanitra, raha tsy ny voninahitr’Andriamanitra no mamiratra eo amin’ny vahoakany, dia hazavana hanjemby ny maso sy hiserana ihany izany. Io moa no ampahatsiahivin’i Md Matio amin’ilay hoe rehefa “hitan’ny olona ilay asa vita dia ny Ray any an-danitra no omeny voninahitra” (Mt 5,16), raha isika no mahazo voninahitra dia ho zary avonavona ihany ny soa vita.
I Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao (Jo 8,12) ary rehefa mandray ny hazavana avy aminy isika dia irahiny kosa mba ho fahazavan’izao tontolo izao (Mt 5,14), mba hiitaran’ny famonjeny hatrany amin’ny faravazan-tany. Ao amin’ny Salamo 71 setrin’ny Tenin’Andriamanitra moa, salamo izay nokaloina taorian’ny fiverenana avy any Babilôna ihany koa, dia efa tsy nisy mpanjaka intsony teo amin’Israely, ka na dia vavaka natao ho an’ny Andriana mpanapaka sy ny zanak’Andriana ho dimbiny aza, dia mampianatra antsika kosa ny vavaka sy ny fiainana mifanaraka amin’izany.
Avy amin’Andriamanitra ny fahefana sy ny fahamarinana. Raha fahefana tsy misy fahamarinana dia mamono vahoaka, raha fahamarinana tsy manana fahefana dia ho voahosihosy fotsiny ihany. Ny Salamo moa mitanisa ny hatsaram-panahy tokony hananan’ilay Mpanjaka mbola nandrandrain’ny Jody, avy amin’ny taranak’i Davida araka ny nampanantenain’i YHWH tamin’ny vavan’i Natana Mpaminany (2Sam 7,4-16), fa isika kosa, mino fa ao amin’i Jesoa Kristy Zanany no notanterahin’Andriamanitra izany fampanantenana izany, ary tsy ho an’ny Jody sy ny mponin’i Jerosalema ihany, fa ho an’ny firenena rehetra ihany koa: na ny any Tarsisa, entina ilazana ny faravazan-tany, na ireo mponin’ny Nosy, heverina ho mitoka-monina, na ny avy any Sabà (Sheba’ amin’ny teny hebrio) any atsimon’i Arabia izay noheverina ho farany antsinanana, na ny avy any Sebà (seba’) atsimon’i Ejipta izay noheverina tamin’izany ho farany andrefana, dia ho tonga avokoa, tsy hitady famonjena fa hanolotra fisaorana. Ny mpanompo sampy no midodododo avy lavitra hanolotra sorona mba hitalahoana fahasoavana, izay mino ny Andriamanitra miseho ao amin’i Jesoa kosa, dia mahalala fa “Andriamanitra manafaka ny mitoloko sy ny madinika tsy manan-kanampy” (Salamo 71) ny Andriamaniny, ka maha-velom-pisaorana izany.
Anio àry isika dia mankalaza ny Fisehoan’ny Tompo tamin’ireo Majy araka ny henontsika tao amin’ny Evanjely (Mt 2,1-12) teo. Mazava loatra fa mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely izany, fankalazana ilay Emanoela: Famantarana manambara ilay Andriamanitra eo anivontsika. Izany no hahafahantsika milaza fa ity fety ity dia famintinana ny hetahetam-pihaonana misy ao am-pon’ny olombelona sy ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Ny hatsaram-pony tsisy fetra no manaiky hiseho amin’ny olombelona rehetra, fa indrindra tonga hitady sy hamonjy izay very (Ez 34,11-12).
Tsy fety hireharehana amin’ny fandresena ny fahavalo anefa fa fety hiaraha-mifaly amin’izy ireo satria izao tontolo izao no sitrak’Andriamanitra hovonjena. Ny avy any Madiana (adilahy tsisy farany) sy Efah (haizim-pito mikitroka) no ho avy hitondra ny ramevany, satria sitrak’Andriamanitra ny hampiposaka ny kintany hitarika ny firenen-drehetra hahita ny voninahiny araka ny fanambarany efa mafy orina hatrizay, kintana handringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra (Fan 24,17).
Amin’ny teny latinina moa ny faniriana (desiderio de-sidereus) dia entina ilazana ny fahabangan’ny “kintana” (sidus, aster amin’ny teny grika à astre – des-astre). Ny kintan’i Kristy araka izany dia mitarika antsika amin’ny faniriana hahita Azy, ka izay mahalala ny momba Azy dia tsy maintsy hametra-panotaniana mandrakariva hoe: “Rabì, aiza no mitoetra ianareo”, hanontany tahaka ny Majy: “Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka?”
Indraindray dia entina hanamarinan-tena ny Tenin’Andriamanitra. Ary matetika no alaintsika an-tendrony ny tenin’i Kristy, manaiky haneho ny tsiambaratelony amin’ny tso-po fa nanafina izany tamin’ny be saina (Mt 11,25-27). Ny fahatsoram-po anefa dia tsy midika ho hakamoana hikaroka, fa vao mainka aza manosika handalina bebe kokoa ny zava-misy, handinika ny zavaboaary toy ireo Majy notarihin’ny kintana ka nahita an’i Kristy Mpanjaka, Mpisorona sy Mpaminany. Ny Kintan’i Kristy no hitan’izy ireo. Ny Lohandohan’ny Mpisorona sy ny Mpanora-dalàna, nahalala tsara fa ao Betlehema, araka ny faminanian’i Mikea (Mi 5,1-4) no hahaterahan’ny Mpamonjy, saingy tsy niraika akory mba handeha hizaha Azy.
Izay manandratra ny masony ho any an-danitra ihany no afaka hahita ny kintana, hoy i Papa François, ary noho izany dia ho afaka hanonofy sy hanana tanjona ambony, tsy hianina amin’ny mahazatra sy ny zavatra mandeha ho azy, fa handalina, hikaroka ka hahita ny Kintan’i Kristy, kintana tsy manjemby ny maso tahaka ny kintana sasany izay tsy mitantana ny dia mba hizotra mankany amin’i Kristy. Ny Kintan’i Kristy dia tsy manjemby ny maso, saingy mitari-dalana kosa ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany, mitari-dalana ho amin’ny hafenoan’ny hafaliana.
Ambaran’i Izaia Mpaminany fa « hiposaka ho antsika ny voninahitry ny Tompo » (Vak I Iz 60,1-6) ka ho tafahaona indray ny Mpianakavy, ary tsy misy maha-ory intsony (shalôm)… Sarotra anefa ny hahazo izany indraindray manoloana ny zava-misy iainana satria toa miha-sarotra ny fiainana, ary toa miha-midi-kizo ny ankamaroan’ny olona satria miha-mafy ny fahantrana, manampy trotraka izany ny tsy fandriam-pahalemana, toa tsy azo itokisana ny fampanantenana pôlitika sy izay mety ho fivoarana nandrandraina.
Araka ny lazain’i Paoly ho an’ny Efezianina dia toa nofinofy ara-panahy ihany izany, ireo Jentily tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fanantenana amin’ny Jody ao amin’i Kristy (Vak II Ef 3,2-6); ambarany mazava anefa fa ambony lavitra noho ny fampanantenana rehetra nataon’ny Mpaminany i Kristy. Tsy mahagaga araka izany raha izay mahalala an’i Kristy dia manao ho fakofako ny zavatra rehetra (Fil 3,7-10) ary mahafoy izay rehetra ananany mba hatolotra Azy, mba hampiasaina hanorenana ny Fanjakany.
Izany fisokafan’ny famonjena ho an’izao tontolo izao izany no maha-katôlika antsika. I Israely dia nihevitra fa azy ireny ny famonjena, sarotra ho an’i Israely ny hahazo ny voalazan’i Izaia mpaminany fa hoe “hanompo an’i YHWH (miaraka amin’izy ireo) i Ejipta sy i Asiria”, izay nanjanaka sy nampijaly azy ireo hatrizay (Iz 19,24-25). Sarotra ho an’izay tsy mahazo ny fomba fisainan’Andriamanitra ny hanao fety miaraka amin’izay zaza mpandany, na koa hiray paradisa amin’ilay jiolahy voaheloka, na nibebaka na tsia… Mampalahelo raha sanatria isika koa hihevitra hibodo ny famonjena ho antsika samirery.
Raha fihaonana amin’Andriamanitra ny vavaka, dia anjarantsika tsirairay ny mandinika ny mety ho fanomezana atolotsika Azy isaky ny handeha hihaona Aminy isika. Tahaka ny nataon’ny Majy koa dia atolotra ho Azy ny volamena, ny harena rehetra; ho Azy ny hanitry ny emboka sy ny fiderana rehetra; ho azy ny mira sy izay mety ho faniriana ho velona mandrakizay eto amin’ity tany fandalovana ity. Tsy misy fanavahana saranga izany na fijerena volon-koditra fa ny fo manolotra no zava-dehibe.
Dia izany no hahatonga ny vavaka ho zary fiainana ka hahafahantsika mankatò ny famporisihan’i Jesoa hoe mivavaka mandrakariva, satria amin’izay ny asa ataontsika am-pitiavana, ny fiantràna ataontsika amin’ny fo, ny vavaka na dia vesaran’ny halemena sy ny tebiteby aza dia atao am-pitokiana sy amim-paharetana, ary na dia ny tahotra ny fahafatesana aza, dia hanjary fiombonana amin’i Jesoa satria hahafahantsika mampiseho mandrakariva fa tia antsika Andriamanitra.
Antsoin’ny Evanjely isika mba hietry tena, hihohoka amin’ny tany (piptô) ka hitsaoka an’i Jesoa, (io no mahatonga ny filaharana hanoroka an’i Jesoa Zazakely amin’ity fankalazana ity), hino sy handray Azy ho Tompo (proskuneô) ka hanokatra koa izay nasiantsika ny harentsika rehetra, ny thesauros, hiditra ao amin’ny efitrano nanafenana ny hareny rehetra: tameion. Ao no misy ny volamena manambara ny zavatra rehetra ananantsika, ny haren’ny tany; ao ny emboka, manambara ny faniriana rehetra mamemo ny fontsika, mahatonga antsika handinika ka hahita ny kintana; ao ny mira, entina mamehy ny fery ary miaro amin’ny fahalovana, manambara sy maneho izay maha-izy azy ny tsirairay, ny fahalemena sy ny maha-olombelona antsika, fa ny fiainantsika sy izay mba mety ho vitantsika koa. Ireny no sitrak’i Jesoa atolotsika Azy. Izy nanolotra ny fiainany ho eo am-pelatanan’ny olombelona, mba tsy hatahoran’ny olombelona mametraka ny fiainany manontolo eo am-pelatanany koa.
Lalan-kafa no niverenan’ny Majy nody: tsy ny lalana mitondra mankany amin’ilay mitady ny tsy fantany akory, fa te hanohy ny habibiany hamongotra izay manalokaloka rehetra ny fahefany sy ny voninahiny (i Herôda). Ny lalan’izay nahita ka nahafantatra ary nitsaoka sy nanolotra ny aminy manontolo ho an’Andriamanitra no nizoran’izy ireo. Ny voambolana anachorète (avy amin’ny matoanteny anachoreô) no ampiasain’i Matio hilazana ny fiverenan’izy ireo mody any aminy, satria na aiza na aiza misy azy, tsy mampaninona intsony satria miara-monina aminy mandrakizay Andriamanitra, ka izany no hizorany an-kafaliana amin’ny lalan’ny fiainana.
Ventson-kiran’izay mahazo ny Misterin’ny Noely ny Salamo 71 voalaza fa handinihana ny vakiteny, satria isika no tanana entin’Izy Ray manohy ny asam-panafahana sitrany ho an’ny zanany ory rehetra.
Dia mirary soa ho anao hahita ka hahay hanaraka ny kintan’i Kristy.