7 janoary
- 1 Joany 5,14-21
Salamo 149 - Md Joany 2,1-12
Ny Evanjely (Jo 2,1-12) dia manampy antsika hahalala ny asan’Andriamanitra manoloana ny fon’ny olona efa trotraky ny sento, ka tsy mahita hafaliana amin’ny fiombonam-piainana amin’ilay Andriamanitra tompoiny, satria lany ny divay, tsy noho ny fandaozan’Andriamanitra loatra angamba, fa noho ny fandavan’ny zanany sasany ny fanirahana hiasa eny an-tanim-boaloboka.
Evanjely tsy zoviana amintsika loatra izy ity, hay tsianjery aza, ary antsointsika hoe Epifania fahatelo, mitantara ny voaloham-pamantarana nataon’i Jesoa, naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ny fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra (Epifania) hoy i Md Paoly (Tt 2,11-14; 3,4-7) dia mba hanokanany vahoaka ho Azy, vonona hanompo azy amin’ny asam-pahamarinana sy fitiavana. Ambaran’i Md Joany fa naneho ny voninahiny i Jesoa ka nino Azy ny mpianany. Tsy tahaka ny filazan’ny Evanjelista hafa anefa, amin’ny ninoan’ny vahoaka azy fa voafetra amin’ny mpianatra ihany.
Tian’i Joany asiana tsindrim-peo eto fa ny finoana an’i Kristy, izany hoe ny fanatanterahana izay rehetra lazainy amintsika (Eks 19,8) no hahazoana ny famonjena sy ny hafaliana. Efa voalazan’ny “lovam-panahin’i Israely” (i Siôna ilay antsoin’ny rehetra hoe “Ineny” ary avy ao no teraka i Jesoa – Sal 87,5) ihany fa izany fanatanterahana izay voalazan’i YHWH izany no lalam-pahasambarana, saingy naleon’Israely, hoy Md Joany, misolo vady in’enina (ilay samaritana), toy izay hanaiky ny Tompo. Isika no menatra, fa Izy kosa, hoy Izaia, hahita hafaliana amin’ny fikolokoloany antsika nofidìny ho “vadiny”.
Ny fitantarana ny famantarana izay ampifandraisin’i Joany amin’ny Herinandro Masina, “nony afaka hateloana, ny andro fahatelo”, hilazana ny divay lany, manambara tsy ny fahafaham-baraka ihany, fa ny fitaintainana koa satria tsy misy antenaina intsony! Aiza no hahita divay? Aiza no hanovo hafaliana? Efa fanambarana sahady ilay Tompon’ny aina milofika eo ambonin’ny hazo, tafasandratra hiala amin’ny tany, mba hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy (Jo 12,32), satria rehefa afaka hateloana dia naneho ny voninahiny Izy. Ary avy eo amin’ny fony nolefonina no hanovozan’ny mpanompony ny rano sy ny rà hamenoana ny sinivato fidiovana.
Ireo siny vato fidiovana, lazain’i Joany fa enina, isa manambara tsy fahafenoana, manambara fahabangana, manambara tsy fahampiana[1], nofenoin’ireo mpanompo hatramin’ny molony, ka tonga divay manambara ny loharanon-kafaliana (Sal 104,15). Midika izany fa tsy ny fahamendrehantsika tsy akory no hireharehana hahazoana hafaliana fa ny fahasoavan’Andriamanitra izay zarainy maimaim-poana. Tahaka ny hafalian’ny mpampaka-bady hoy Izaia (Iz 62,1-5), satria fisehoan’ny voninahitry ny Tompo, amin’ny tany tontolo ka hanasan’ny Mpihira salamo ny tany tontolo hihira hira vao, hiderana ny famonjen’ilay Tia antsika (Sal 95).
Fa siny vato fidiovana araka ny fanaon’ny Jody fa tsy ny fitoeran-divay tranainy mahazatra ny olona no hofenointsika ranom-pahasoavana. Mila siny hoditra vaovao ho an’ny divay vaovao (Lk 5,37). Tsy ny loharanon-kafaliana araka izao tontolo izao izay tsy mitondra hafaliana maharitra sy lalim-paka no atolotr’i kristy. Siny vato enina vaovao no lazain’i Joany ary sokajin’olona enina no lazain’i Matio: noana, mangetaheta, vahiny, tsy mitafy, marary, an-tranomaizina, satria tsy ny rano fa ny fitiavana no manarona ny fahotana (1 P 4,8).
Fahasoavana zarazarainy amintsika rehetra io divay misolo ny rano fidiovana vaovao io, tsy araka ny mety ho fahamendrehantsika fa araka ny halehiben’ny fahasoavany, ka ny fanomezam-pahasoavana zarainy amin’ny tsirairay, dia zary adidy hoenti-manompo sy manasoa ny olombelona rehetra, indrindra ireo sinivato enina lazain’i Kristy fa endrika isehoany amintsika (Matio 25). Tsy misy afaka milaza isika fa tsy nahazo fahasoavana, eny fa na dia fahasoavana tsy araka izay noheverina sy nirin’ny tena aza aza, ka mety hiteraka fialonana ny randrana manendrika ny hafa na sanatria hanjary fifampiandaniana tsy amin’ny fanaovan-tsoa fa amin’ny fifampitsikerana sy fifamotehana. Raha ataontsika ho voninahitr’Andriamanitra anefa ny zava-drehetra, dia ho hafaliana ho antsika hatrany ny mahita ny soa ataon’ny hafa, na mifanome tanana amintsika na tsia, satria ratsam-batana mirafitra ho tena iray ao amin’i Kristy isika, voaantso mba haneho ny Fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina (Vakiteny II).
Tsy ho didy na tahotra àry sanatria no hivondronantsika hivavaka, fa hafaliana te hihaona amin’ilay Mpampaakatra, ka hitotorebika satria voaantso handray anjara amin’ny fetin’ny fampakarana. Tahaka ny hampakaran’ny zatovolahy izay virjiny ho vadiny no hampakaran’ireo zanakao (manondro maro) anao (Iz 62,5). Ho vadin-dreniny ve sanatria izy ireo? Azontsika amin’izany fa tanteraka amin’ny fiantombohan’ny (arkè) famantarana (sèmeion) nataon’i Jesoa io faminanian’i Izaia io. Izy no ilay zanaka, ary miaraka amin’ny mpianany, hampiakatra ny reniny (reny izay hanoharana ihany an’i Israely) ary miaraka amin’i Masina Maria miombona amin’ny Fiangonana isika, mijoro amin’ny finoana hatreo am-pototry ny hazofijaliana, miombona amin’ny mpianatra rehetra ka hitambatra ho firenena iray hihira hira vao sy hanambara ny voninahiny amin’ny firenena ary hitory ny asany mahagaga amin’ny vahoaka rehetra (Sal 95).
Ny fahazavan-tsaina azontsika avy amin’ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo anie hahalalantsika an’Andriamanitra marina ka hisantarantsika ny Fiainana mandrakizay (Vakiteny I), dieny izao ka ho mandrakizay.
[1] Tsy mahagaga raha 666 no ilazan’i Joany ny tsy fahampiana sy ny haratsiana faratampony (Ap 13,18)