NY FIANAKAVIANA MASINA TAONA A
- Ekleziastika 3,2-6.12-14
- Salamo 127
- Kôlôsianina 3,12-21
- Md Matio 2,13-15.19-23
Fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany
Mamerina ny fiarahabana nahatratra ny Noely ary miarahaba anao satria na amin’ny mora na amin’ny sarotra, na an-kasoavana na an-karatsiana dia avy ao amin’ny Fianakaviana no sitrak’Andriamanitra nipoirantsika tsirairay avy. Ny avy any Zabolôna moa voaantso mba hitsinjo ny any Neftalì. Ireo monina any Zabolôna (avy amin’ny hoe zabal: manaja, mendrika) – anaran’ny zanaka fahafolon’i Jakôba kanefa voasandratra, mahomby amin’ny fiainana, dia hiposahan’ny hazavana (Mt 4,13sns) mba ho fanasoavana an’i Neftalì (avy amin’ny phatal, miady), ilay zanaka faha-enina, miady amin’ny fiainana. Ny hazavan’i Kristy no hahafahantsika koa ho tonga hazavana ho an’ny hafa, ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra, ka ny Fianakaviana no taratra voalohany hampitany ny fitiavany.
Tonga nofo ny zanak’Andriamanitra ka niara-nonina tamintsika. Niaina teo anivon’ny Fianakaviana, izay lazaintsika hoe: Masina. Tsy ny hafinaretan’ny fiainana anefa na ny tombontsoa ara-nofo no naha-masina sy naha-sambatra io fianakaviana io fa noho izy zary toerana nosafidìn’ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo hiomanany amin’ny iraka nampanaovina azy.
Henontsika ao amin’ny Evanjely anio ny fidodododoan’i Josefa tetsy sy teroa, hatrany Ejipta ka hatrany Nazareta[1] mba hanavotra ny aim-bady aman-janany, hanavotra ilay « Tompon’ny aina ». Tebiteby iainan’ny maro amintsika koa izany, na mety tsy ho aina fofoina loatra aza, kanefa tsy azo adinoina fa i Herôda dia mbola manjaka eo amin’ny fiaraha-monina, mifofo ny ain’izay mety hanembatsembana ny voninahiny sy ny hareny. Firifiry no milaza fa « Fianakaviana sambatra » (Fisa) kanefa ny famonoan-jaza sy ny famerana ny taranaka no laharam-pahamehana? Ny famerana ny isan-jaza noho ny antony ara-bola fotsiny manko dia efa fahadisoan-kevitra, satria na ny fanabeazana omena izay hany nateraka aza dia mazava loatra fa ametrahana ny ara-bola aman-karena ho laharam-pahamehana.
Tsy izany anefa ho antsika kristianina no ilazana fa sambatra ny fianakaviantsika [2] fa noho i Jesoa miaina eo anivontsika ka hahatonga ny fianakaviana ho tranon’ny Fitiavana, hahafahan’ny tsirairay mivelatra sy mifankatia ary ho sambatra.
Ny fankalazana ny Fianakaviana Masina izany dia fankalazana ny Noely ihany: fankalazana Ilay Famantarana ho antsika fa Andriamanitra dia Emanoela: Miara-monina amintsika , te-hiara-monina amintsika!
Ndeha àry hasiantsika fiheverana ny toerana omentsika an’i Jesoa ao amin’ny Fianakaviantsika: ny vavaka hiarahana manao, na ny aloha sy aorian’ny sakafo ihany aza no hanombohana izany. Faran’ny taona rahateo izao ka anaovana jery todika ny taona manontolo, hahafahana manompana ny hery ho amin’ny tanjona vaovao amin’ny taona ho avy, tanjona izay irariako mba ho fampitomboana ny hasambarana ao an-tokantrano. Raha haintsika ny “Mitso-drano ny sakafo”, izany hoe misaotra an’Andriamanitra nampamokatra ny ezaka nataon’ireo niasa, nikarakara sy nanomana izay aroso hohanina, raha haintsika ny misitraka azy ireo, haintsika ny mifampitsinjo mba hifampizara na dia “valala iray aza”, tahaka ny Ntaolo, raha haintsika ny mifanabe amin’ny teny telo lazain’i Papa François hoe : “azafady”, “miala tsiny”, “Misaotra (hahay hankasitraka Vak II)”, dia efa dingana lehibe izay hahafahana manorina ny fifankatiavana ao anatin’ny fifamelana sy ny fifampitsinjovana.
Ampian’i Md Paoly moa izany amin’ny Vakiteny II hoe: “famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-paharetana, fahamaotonana am-pandeferana, ary hitafy ny fitiavana izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Ny mariky ny fitiavana manko dia ny fikatsahana izay hahasambatra ilay notiavina. Tsy fitiavana ny ray aman-dreny, hoy ny Vakiteny I ny fanaovana izay mampalahelo azy ireo na ny fanadinoana azy amin’ny andro maha-osa azy.
Tsy ho gaga anefa isika raha lasa afobe ny tokantrano, rehefa tsy ao intsony ilay « fototry ny fahasambarana », Andriamanitra ilay Fitiavana. Atao ahoana moa no hanantena fa hanova ny fon’ny olona ny Fanahy Masina raha sanatria teny ratsy sy teny an’avona no hifampitenenana ao an-tokantrano? Tsy vavaka sy tso-drano ve no tokony hatao ho an’izay diso ka mila hahitsy?
Tsy manafoana ny fahasahiranana mety hosedraina, toy ny efa nolazaiko, anefa ny fisian’Andriamanitra. Mety efa nanao ezaka isika nefa tsy nahomby. Mety hifampizara miaraka amin’i Paoly hoe: Mba miezaka sy maniry hanao ny tsara aho nefa ny ratsy ihany no misosoka (Rm 7,19); tohizo ny filazana miaraka amin’ny taratasy ho an’ny Hebrio hoe: mahareta isika miezaka, eo am-pibanjinana ny efa niaretan’ny Tompo, satria mbola tsy misy rà latsaka (Heb 12,3-4). Izany no hahafahantsika mahazo izay tian’i Paoly holazaina hoe: « Efako ny zavatra rehetra miaraka amin’ilay mankahery ahy » (Fil 4, 13).
Ny Evanjely dia mamintina ny fiainan’ny vahoakan’Israely, fa raha ny marina dia ny fiainan’ny olomarina rehetra. Ny vahoaka sesitany tany Ejipta, ny Faminanian’i Jeremia (Jr 31,15) momba an’i Rasely mitomany ny zanany tao Ramà, ireo izay voatery mitsoa-ponenana any Galilea, dia entin’i Md Matio milaza fa tsy resaky ny omaly sy ny lasa efa nivalona ny fandringanana sy ny herisetra fa tantara mitohy, hiantsoan’Andriamanitra antsika ao amin’ny zanany mba ho vavolombelon’ny fitiavany. Mety halahelo ny zaza tsy manantsiny isika, saingy tantara mahakasika antsika ny Shoah (holocauste) sy ny fanalan-jaza, ny famonoana ny olona manembatsembana ny voninahitra sy ny harena. Firifiry ny mbola mitsoa-ponenana amin’izao fotoana izao noho ny toeran-tsy zaka ataon’ireo Herôda vaovao! Tsy mahagaga araka izany ny nolazain’ny Anjely tamin’i Josefa fa tsy Herôda irery no maty fa “ireo izay nitady hamono ny zaza” ary Arkelaosy, zanaka azon’i Herôda avy amin’ny Samaritana no lasa mpanjaka tany Jodea. Tsy ny mpanota no nofongoran’Andriamanitra fa ny fahotana, ny ratsy sy ny fahafatesana, hamongotra ireny no iantsoany izay Nazareanina, voatokana ho azy.
Tsy hisy fiadanana raha mbola samy hitady ny tombontsoany sy ny voninahiny ny tsirairay. Ny Fianakaviana no sekoly hianarana mikatsaka ny tombontsoa sy ny voninahitra iombonana. Dia tohizantsika toy izany ny fankalazana ny Noely: ny fahatsapana fa ny hany antoky ny Fiadanana ho an’ny olombelona dia ny Fanomezam-boninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany.
Arahabaina ianao, satria miara-monina aminao, ao amin’ny Fianakavianao Andriamanitra. Voaantso koa hiaina Fianakaviana lehibebe kokoa, eo amin’ny Fiaraha-monina sy ny Eglizy, hahitana ny Endrik’Andriamanitra ao amin’ny olombelona, ka ho voninahitr’ilay Andriamanitra Trinite, satria miorina ao aminy ka afaka manorina fianakaviana mifankatia izay santatry ny lanitra sahady.
Ny sakramenta manambara ny fiarahan’i Kristy monina amintsika manko dia ny fiarahana mivavaka, araka ny fampanantenany izay tsy mivadika hoe: na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany aho (Mt 18,20). Ny fiaraha-miaina maha-mpianakavy antsika àry dia tsy tokony hionona fotsiny amin’ny rà iombonana, fa hifototra indrindra amin’ny anaran’i Kristy izay mampiombona antsika. Ary mivavaka amin’ny anaran’i Kristy moa izay miara-mikatsaka ny lalan-kombana mba hahasambatra ny tsirairay, tsy araka ny hevitr’olombelona fa amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.
Dia mirary faran’ny Taona sy fanombohana ny Taona Vaovao hahatsiarovana fa i Kristy no ivon’ny tantara, ivon’ny taona sy ny fiainana.
[1] Amin’ity taona A ity dia izay no vakiteny. Ny taona B kosa dia ny faminanian’i Simeôna hilaza fa fandavoana sy fananganana ny maro amin’i Israely i Jesoa, mba hahalalana ny hevitry ny fo; ny taona D kosa dia i Jesoa tsy hita telo andro: fahasahiranana sy tebiteby avokoa izany.
[2] Ho an’ny relijiozy dia tsarovy ny taratasy nosoratan’ny avy any Roma hoe: Ankohonam-pirahalahiana hiainana toy ny mpiray tampo! Fiainan-dRelijiozy toy ny Fianakaviana; Ny fiangonana Fianakaviana (Sinaody Afrika 1994).