FIANAKAVIANA MASINA TAONA D
- 1Samoela 1,20-22.24-28
- Salamo 83
- 1Joany 3,1-2.21-24
- Md Lioka 2,41-52
Miantso antsika mba ho iray tampò aminy ny zanak’Andriamanitra.
Manantitra ny fiarahabana antsika rehetra amin’ny fahatratrarana ny Noely.
Amin’ny Fankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina dia manampy antsika ireo vakiteny masina anio mba handinika misimisy kokoa ny hasina maha-olona, fototra iorenan’ny fiaraha-monin’ny olombelona. Nambaran’i Md Joany Paoly II, tamin’ny Taratasy nosoratany taorian’ny Sinaody momba ny fianakaviana, fa miankina amin’ny fianakaviana ny ho avin’ny olombelona (familiaris consortio, n. 86). Ny tokantrano tokoa manko no toerana hipoirana sy hivelaran’ny olona tsirairay avy, ary io Fiangonana-Ankohonana, Eglizy-Fianakaviana io no sehatra hiainana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly voalohany indrindra.
Indraindray anefa ny zavatra mitranga eo amin’ny andavanandrom-piainana dia tsy mifanaraka amin’izay mety ho hetahetam-po sy faniriana ka mety hahakivy sy hahaketraka. Ambaran’ny Evanjely fa nijanona tany an-tempoly i Jesoa nefa tsy nilaza tamin’ireo ray aman-dreniny akory. Toetra mendrika ny maha-zanaka ve izany? Na teo aza anefa ny fitaintainana nahazo an’i Maria sy Josefa, dia maneho amintsika ny hevitr’izany rehetra izany ny valin-tenin’i Jesoa : “tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy ho ao an-tranon’ny Raiko aho?” Impiry tokoa moa isika no mitady azy any an-toeran-kafa, ka tsy mahagaga raha tsy afaka ny hahita sy hahafantatra Azy, hihaino ny feony ka hanaraka Azy dia ho sambatra.
Ao ambadik’izany teny izany ihany koa dia misy hafatra lehibe ho an’ny ray aman-dreny sy ireo nomena andraikitra hanabe: ny hanampy ny zanaka sy ny beazina honina ao an-tranon’ny Ray no iantsoana antsika, ka tsy ny fanarahana ny sitrapon’ny tena fa ny fanampiana ny hafa hikaroka sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra no tanjona.
Ny tena fanabeazana tokoa manko, dia tsy hoe sanatria fampianarana ny zanaka hanaiky fotsiny, fa fikarohana sy fanampiana azy ireo hikaroka ny maha-izy azy, fikolokoloana ny talentany sy ny faniriany mba hivelatra araka ny sitrapon’Andriamanitra (E-ducare).. Tsy ny sitra-pon’ny ray aman-dreny, izay mpiandry omby volavita ihany, no hotompoina fa ny sitrapon’ilay mandidy sy mandahatra ny zavatra rehetra. Firifiry ny ray aman-dreny, sendra ny valintenin-janaka tsy mifanaraka amin’izay heveriny, no hahatsiaro fa Andriamanitra no voalohan-Tompo? Firifiry ny ray aman-dreny kristianina no manadino fa ny zanaka dia lova avy amin’izy Tompo (Sal 126,3) ka tsy hisalasalana ny hanolorana azy ho an’Andriamanitra? (Vakiteny I 1Sam 1,20-28). Mampandinika ny fihevitr’ilay Poeta Libanese Kahlil Gibran hoe: Ianareo ray aman-dreny dia toy ny tsipìka ka avy aminareo no handraisan’ny zanakareo, izay zana-tsipìka velona, ny hery hiainga ka hahafahany mandeha[1] lavitra sy mihazo ny tanjona kendrena.
Mifototra amin’ny fiheverantsika ny maha-olona izany. Ka raha adinontsika fa zanak’Andriamanitra isika (vakiteny II 1Jo 3,1-24) dia tsy afaka ny hiaina araka ny fitiavany velively. Ny fahatsapantsika sy ny faharesentsika lahatra ny amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika dia hanova ny fomba fiheverana sy ny fiainana eo anivon’ny ankohonana. Tsy ho loham-bomanga hibaiko araka ny danin’ny kibony manko ny lahy (Ef 5,23), fa loha ho fitaratra sy hitarika amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra, ka tahaka an’i Kristy hahafoy tena hamonjy sy ho faty ho an’ny ankohonany. Misy fitiavana roa mifanohitra, hoy i Md Augustin “Ny fitiavana an’Andriamanitra izay manosika hatramin’ny fanaovana tsinontsinona ny tena ary etsy an-kilany ny fitiavan-tena izay manosika hanadino an’Andriamanitra” (De civitate Dei, XVI, 28).
Tsy azo hodian-tsy hita ny fotoan-tsarotra diavin’ny fianakaviana, tsy zava-baovao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona anefa ireny, ary izany no handraisantsika ireo torohevitra aroson’ny vakiteny mba hiainana, satria mifanaraka mandrakariva amin’ny vanim-potoana, tenin’Andriamanitra manoro lalana ny vahoakany ho amin’ny fahasambarana.
Iray tamin’ireo vadin’i Elkanà, Efratita (Efrata= tany mahavokatra) i Hanà (hanah = fahasoavana) izay nampijalian’i Peninà (peninah = Firavaka) rafivaviny izay nanan’anaka. Fomban’i Elkanà ny miakatra any Silô mba hivavaka miaraka amin’ny fianakaviany rehetra. Fomba tsara azon’ny fianakaviana kolokoloina izany fiarahana mivavaka izany, tahaka ny nataon’ny fianakaviana masina koa, tahaka ny nataon’i Maria sy Josefa niverina nankany an-tempoly. Raha marefo sy tsy misy toerana ho an’ny fiaraha-mivavaka intsony ao amin’ny ankohonana iray dia inona intsony no antenaina? Eo afovoan’izay mivory amin’ny anarany ny Tompo (Mt 18,20).
Ireo vady roa nampirafesin’i Elkanà, raha adika ara-bakiteny dia ahazoantsika koa ny fomba fiainana mahazatra ny olona: Hanà izay azo adika hoe fahasoavana, ary Peninà izay midika ho firavaka sy rentirenty ety ivelany. Matetika izay mitoky amin’ny fahasoavana tsy mba mahita valiny vetivety, ary izay no fomban’Andriamanitra: mampitombo ny fahasoavany arakaraky ny fitombon’ny olona ihany koa. I Jesoa koa aza nitombo fahendrena sy tena ary nandroso ho mahatehotia. Ny firavaka sy ny rentirenty ivelany kosa (peninah) no be mpampiasa, mba hisintonana ny mason’ny olona, hiheverana sy hisehosehoana ho tsara sy hisy vidiny angamba, saingy famitahan-tena ihany izany satria fanentsemana ny banga ao anaty matetika no antony anaovana azy.
Lazain’ny Salamo 83,6 fa Sambatra ny olona manovo hery ao amin’Andriamanitra (sambatra ny olona omenao hery no ao amin’ny Vakiteny): lazain’ny Salamo fa sambatra ireo mametraka ny heriny ao amin’ny Tompo, satria ho hitany ao am-pony ny lalana tokony hizorany (tsy hay moa hoe avy aiza no nahazoan’ny sasany ny dikan-teny hoe rehefa mikasa hiakatra any am-bohitrao – italiana 1974 sy malagasy). Rehefa miaiky ny fahalementsika manko isika no afaka hitoky amin’Andriamanitra ka hahafahantsika mandio ny fo tsy hitoky amin’ny rentirenty (peninah) mba hahafahana mibanjina ny tavany ka hisafidy ny indray andro feno fahasambarana ao an-kianjany, toy izany ny andro arivo any an-toeran-kafa (and. 10).
Anisan’ny zavatra tokony hianarana ao anivon’ny fianakaviana koa ny fahaizana mifampihaino sy miady hevitra. Ny teny voalohany aloaky ny vavan’i Jesoa ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka no nohenointsika androany: Nahoana no mitady ahy ianareo? Fanontaniana sady mampiditra no mamoaka moa izany ka izay mahay mihaino no afaka mahazo ny heviny. Efa andro fahatelo izao no nijanonan’i Jesoa tao an-tempoly. Efa nandeha lalana tokony ho indray andro ireo ray aman-dreniny vao nitady azy. Ny hoe nahoana no mitady ahy, araka izany, dia mampanontany tena an’i Maria sy Josefa ka azony adika hoe: izao ve ianareo vao mitady ahy? Tsy fahadisoan’i Jesoa irery ihany araka izany ny fahaverezana tao an-Tempoly, raha toa ka hadisoana no handraisana izany, fa misy ampahan’andraikitr’ireo Ray aman-dreny koa.
Izay mety ho ditran’ny zaza miteraka fimenomenonana dia misy ampahan’andraikitra tsy tontosan’ny ray aman-dreny sy ny mpanabe mandrakariva.
Manaraka izany, ny hoe nahoana no mitady ahy, dia mampahatsiaro koa ny tokony hatao mba tsy hanaonao foana. Raha fitiavana manko no nitadiavana ilay zanaka dia tsy fanamparana hatezerana no hasetry ny fahitana azy. Raha ray aman-dreny sasany ohatra no teo amin’ny toeran’i Maria sy Josefa dia daroka sy vono no ho nahazo an’i Jesoa. Nitady azy mba hodarohana ve sa nitady azy satria nentanin’ny fitiavana azy? Fety no nomanin’ilay Ray tia ny zanany amin’ny fiverenany avy nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy sy ny vehivavy janga, hoy Md Lioka (Lk 15). Tsy kapoka fa fitiavana no fanoitra tena soa, hoy ny Mpanakantontsika mihira manoro hevitra ho amin’ny tena fanabeazana marina.
Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko aho? Azo ampifandraisina amin’ilay hoe: “Nahoana no aty amin’ny maty no hitadiavanareo ilay velona?” (Lk 24,5).
Tsy zava-nitranga omaly no tantarain’i Lioka amin’izay nosoratany androany. Efa ho fitopolo taona mahery taty aorian’izay fiakarana any Jerosalema izay izy no manoratra ny Evanjeliny, ary lazain-dry zareo mpandalina Baiboly fa mba hampisy heviny ny fitantarany manontolo no nametrahany amin’ny fiantombohan’ny Evanjely ireo teny voalohan’i Jesoa ireo.
Tsy i Maria sy Josefa ihany, fa isika koa dia mety ho varimbariana ka ho sahirana hanakatra ny sitrapon’Andriamanitra, mety hihevitra fa mandeha ho azy ny fiainana ka hanao an-tsirambina, ka rehefa miainga avy any Jerosalema, na mety mandritra ny fety mihitsy aza, dia efa tsy mahita izay andehanan’i Jesoa. Raha ray aman-dreny mitandrina manko izy ireo dia tsy hamela ny zanany handeha irery ao anatin’ny fisavorovoroan’ny Pakan’i Jerosalema mihitsy.
Amin’ny lafiny iray koa, ambaran’ny EVanjely amin’izany fa ilay Jesoa 12 taona, mamarana ny fahazazany mba hidirana amin’ny tontolon’ny olon-dehibe (satria 13 taona ny Jody dia voadidy hanaraka ny antsipirian’ny Lalàna rehetra) dia nitady izay fomba hahalalana ny sitrapon’ny Rainy, mihaino sy manontany ireo mpampianatra tao an-tempoly. Fahendrena nitombo, mila ezaka sy fikarohana avy amintsika no hahafahana mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra. Fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina ny mety ho fihatsaram-belatsihy hiantso Azy kanefa hanaovana tsinontsinona ny asany, ary tsy handray akory ny torohevitra omeny amin’ny fanilovany ireo mpampianatra sy mpikaroka na ny olona tsara sitrapo manaiky hotarijiny ka afaka hanampy antsika hahalala bebe kokoa ny sitrapon’Andriamanitra.
Efa tarafin’ny Hazavan’ny fitsanganan-ko velona i Md Lioka raha nanoratra ny Evanjely, ka izay te hitady an’i Jesoa dia ambarany fa tahaka an’i Maria sy Josefa, tahaka ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy, tsy maintsy hiverina any Jerosalema raha te hahita azy. Izay mety ho tsy takatry ny saintsika kosa sy izay mbola fisalasalana mameno ny fontsika, satria tsy mbola azontsika, dia tokony hotahirizina ao am-po, ka hamelana ny Tenin’Andriamanitra haniteraka ny fiainana, mba hanazava antsika dieny izao ka hatrany amin’ilay “fifanatrehan-tava” hahitana ny Ray araka ny tena toetrany, ka hanahafantsika Azy amin’ny hafenoan’ny voninahitra maha-zanaka antsika (Vakiteny II).
Tsara ihany koa ny mampahatsiaro ny hafatry ny Papa amin’ny fankalazana ny andro LV manerantany ho an’ny Fiadanana (1 Janoary 2022): toko telo mahamasa-nahandro amin’ny fanorenana ny fiadanana maharitra ny fahaizan’ny tanora sy ny zokiolona mifanakalo hevitra ary ny fikolokoloana ny tontolon’ny fanabeazana sy ny asa.
Ny fifanakalozan-kevitra dia fahaizana mifampihaino, mifanakalo hevitra ary mifanaraka amin’ny lalana hiaraha-mizotra, eny fa na dia mitaky ezaka amin’ny fitrandrahana ny tany mafy sy ngazan’ny fifandirana amam-pifanilihana aza izany, mba hahafahana mamafy ny voa tsaran’ny fiadanana maharitra sy hifandovana. Ny fahatsiarovana ny lasa dia hahafahana manasitrana ireo ratra izay mazàna manakana tsy handroso, ary ny fitsinjovana ny ho avy kosa dia manafana ny fo ka hahafahana manonofinofy, haminaniana sy hampamelana ny fanantenana.
Tokony hasiana jery todika koa ny amin’ny sehatry ny fanabeazana izay mampamokatra fiadanana. Hafatry ny evekantsika rahateo ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana izay fototra andrafetana ny maha-olona manontolo no sady antoky ny fivoarany amin’ny lafim-piainana rehetra. Tsy ny famatsiam-bola amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana no vahaolana handrafetana fiadanana, hoy ny Papa, fa ny “fampiasana” fa tsy fandaniam-bola amin’ny sehatry ny fanabeazana olo-matotra.
Ny fampivoarana sy ny fiarovana ny tontolon’ny asa dia fanorenana fiadanana maharitra. Fantatsika ny voka-dratsy nateraky ny Covid 19 teo amin’ny tontolon’ny asa, ary fantatra fa ny ampahatelon’ny mpiasa ihany no mba afaka migòka ny tombontsoany – tsy nisitraka izany manontolo anefa izy ireo fa tamin’ny ampahany ihany. Ny asa anefa no anehoan’ny olona ny maha-izy azy sy anolorany ny anjara birikiny amin’ny fanorenana ny tontolo vaovao araka ny sitrapon’Andriamanitra, ho fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny tontolo mba ho tsara kokoa ka hahate honina. Izay miasa anefa dia tsy tokony hanadino na oviana na oviana fa miasa mandrakariva ho an’ny hafa sy miaraka amin’ny hafa. Ny fanajana ny asa sy ny fanajana ny mpiasa no fepetra tokana hahafahana manaja ny zo maha-olona, handanjalanjana ny fahalalahana ara-ekônômika sy ny rariny ara-piaraha-monina.
Halaintsika tahaka ilay fianakaviana Masina tao Nazareta, amin’ny fanomezana hasina ny fianakaviantsika, hahatsiarovantsika fa ny hany harena mahasambatra dia ny fananana an’i Kristy eo anivontsika, ka hitadiavantsika azy eo am-panatanterahana ny asan’ny Rainy. Izay misy ny harentsika no misy ny fontsika. Fotoana handinihana manokana ny toerana omentsika an’Andriamanitra ao anivon’ny fianakaviantsika àry izao. Ny tsirairay, ray aman-dreny, zanaka, zoky sy zandry dia hahatsiaro fa voaantso mba handray anjara amin’ny fampivoarana ny fianakaviana ka hanao ny andraikitra tandrify araka izay vita, ary hahay hanankina amin’Andriamanitra izay mety mihoatra ny fahafahantsika olombelona: izay mametraka ny fitokisany amin’ny Tompo dia hahita ao am-pony ny Lalan’ny Tompo tokony hizorana, hoy ny Salamo 83, 6.
Ny sakramenta manambara ny fiarahan’i Kristy monina amintsika dia ny fiarahana mivavaka, araka ny fampanantenany izay tsy mivadika hoe: na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany aho (Mt 18,20). Ny fiaraha-miaina maha-mpianakavy antsika àry dia tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny rà iombonana fa hifototra indrindra amin’ny anaran’i Kristy izay mampiombona antsika. Ary mivavaka amin’ny anaran’i Kristy izay miara-mikatsaka ny lalan-kombana mba hahasambatra ny tsirairay, tsy araka ny hevitr’olombelona fa amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.
Hitombo ao amin’ny fianakaviantsika tsirairay avy anie ny fotoana atokana hivavahana sy handinihana ny Tenin’Andriamanitra, indrindra amin’izao fotoana hiandrasana ny taona vaovao izao.
[1] Voi siete gli archi dai quali i vostri figli, come frecce viventi, sono scoccati (Kahlil Gibran).