Alarobia III Fiaviana
- Izaia 45,6b-8,18.21b-25
- Salamo 84
- Md Lioka 7,19-23
Ambarao an’i Joany izay rehetra renareo sy hitanareo.
Nitory teny soa mahafaly mikasika ny fanjakan’ny Lanitra izay fanjakan’ny famindram-po i Jesoa (Lk 6,20-31) ary izany no notanterahiny amin’izay rehetra nataony indrindra tamin’ny nanasitranany an’ilay mpanompon’ny kapiteny sy nananganany ho velona an’ilay zanakalahin’ny mpitondratena tao Naîna (Lk 7,1-17), ary izany rehetra nolazaina sy nataon’i Jesoa izany no notantarain’ny mpianatr’i Joany azy.
Manoloana izany zavatra izany dia olana roa lehibe no tsy maintsy vahana. Ny voalohany dia ny mikasika ny fiandrasan’Israely ny Mesia: ilay Jesoa teraka tany an-tranonomby, miaina ny fahatsorana sy ny fahantrana dia mampametra-panontaniana, satria Mesia be voninahitra handresy ny fahavalo rehetra no andrasana; etsy ankilany koa anefa, na i Joany aza dia sanganehana ihany satria raha izy no ilay andrasana, toa tsy misy fiovany akory ny fiainana, satria raha mesia hanafaka ny mpifatotra no lazaina, Joany mbola any an-tranomaizina hatramin’izao.
Izy sa tsy Izy no ilay andrasana?
Marina fa i Joany no efa nanondro Azy ho ilay zanak’ondrin’Andriamanitra, saingy entin’ny Evanjely mampianatra antsika kosa fa ilay efa tonga eo anivontsika dia tsy hanova ny tantara hifanaraka amin’ny faniriantsika tsy akory, fa ho famantarana hanambara ny fitiavan’Andriamanitra ny zanany rehetra, indrindra ireo izay tsinotsinoavin’ireo izay “nomeny fahasoavana hanasoa”. Tontolo tsy hisy fahoriana intsony no irintsika nefa mazava ny tenin’i Jesoa: ny mahantra dia hisy eo amintsika lalandava (Jo 12,8). Manahirana raha toa ka voromahery no andrasana (Eks 19,4; Dt 32,11) nefa reniakoho no avy (Lk 13,34) ary vao mainka manahirana raha toa ka mpanjaka hanampatra fahefana amin’ny hafa no nirìna kinanjo olona antsoina hanompo ny olon-drehetra no hita (Lk 22,26-27). Fanombohan’izany rehetra izany ny Noely izay ankalazaintsika, tsy mampahatsiaro fotsiny ny fanetren-tenan’ilay tonga hanavotra antsika fa mampahatsiaro koa ny fanetren-tena tokony hananantsika raha te ho mpianany marina isika, raha te hiombona amin’ny fahasambarany.
Ianao ve no “ilay ho avy”?
Mila manontany tena marina isika ny amin’izay zavatra tena andrasantsika sy ny olona afaka hanatanteraka izany. Ny valin-tenin’i Jesoa amin’izay irahintsika hilaza ny momba Azy anefa tsy miova: izay afaka mahita ny fahatanterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fahitana Azy mikolokolo (therapeuô) olona maro miferin’aina amin’ny aretina mbamin’ny rofy maro sy ny fanahy ratsy, ary mampahiratra jamba maro no afaka handray Azy ho ilay Mesia hanatanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, ny asa tanterahiny no fahatanterahan’izay lazain’i Izaia Mpaminany momba ny Mesia (Iz 29,18; 35,5ss; 42,18; 26,19; 61,1).
Izay te hiombon-kafaliana Aminy koa dia asainy handray anjara amin’izany asam-pamonjena izany, hanolo-tena “hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin’ny Tompo” (Vak I, Tenin’i YHWH amin’i Sirosa na Kôresa), satria tsy misy famonjena azon’ny olona hianteherana raha tsy avy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra. Ka ny mahantra, izany hoe izay tsy manana ianteherana afa-tsy ny famonjena avy amin’Andriamanitra, no afaka hitoriana ka handray izany ho “Evanjely”, Vaovao Mahafaly. Izay mandre ka tsy tafintohina amin’izany no ho sambatra.
Ny fankalazana ny Noely anie hanamafy ao am-pontsika ny finoana ny famonjena sitrak’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra, notanterahiny ao amin’ilay nanaiky ho zaza, ankalazaintsika amin’ny fiekeny hietry tena ka tonga nofo toa antsika.