Alahady fahatelo Fiaviana Taona A
- Izaia 35, 1-10
- Salamo 145
- Jakoba 5, 7-10
- Md Matio 11, 2-11
Andraso am-pitokiana ny Tompo!
Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! Satria efa akaiky anie ny Tompo!
Alahady « Gaudete » Mifalia! Koa moa no iantsoana ity alahady ity noho io tononkira fidirana io. Na eo aza ny ahiahy mameno ny fo amam-panahy dia antsoina isika hifaly. Tsy hifaly amin’ny zava-mandalo anefa fa hametraka ny antom-pifaliantsika ao amin’ny Tompo. Hanampy antsika hiaina an’ity alahady fahatelo ity araka izany ny fanokanana fotoana mba handinihana manokana ireo zavatra mahafaly ny fontsika, sao sanatria tsy ao amin’ny Tompo.
Tsara ny mampahatsiaro ny tononkira fidirana sy ny fehinkevitra tamin’ny alahady faharoa mba hahazoantsika ny tena hevitra lalin’izay hoe mifaly ao amin’ny Tompo izany. Ny fahatongavany manko tsy hitondra famonjena araka izay mety ho fanirian’ny olona nivavaka Aminy ihany fa hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao. Hiverenantsika izany aoriana kely.
Eo amin’izao tontolo izao matetika noho ny tsy fisian’ny hafaliana no hanaovana fety, hanaovana korana mba hitadiavana “hafaliana”, izay mazàna mandalo ihany, ary mahatonga ny fiatrehana ny fiainana havesatra kokoa aza, satria ilay fety no zary anton’ny hafaliana. Ho an’izay entanin’ny Fanahy kosa dia mandray ny hafaliana avy Aminy, mahatsiaro ho zanaka tian’Andriamanitra ka miantso azy hoe Abba, ka ny fiainana manontolo no zary fanehoana hafaliana. Ny fialan-tsasatra dia mba hahazoana hery sy fahavononana bebe kokoa hiatrehana ny adidy sy hiainana tsaratsara kokoa ny maha-zanak’Andriamanitra. Zary fanehoana ny hafaliana araka izany ny fety ka ny fisiany dia mampitombo ny hafaliana, ny tsy fisiany kosa, noho ny antony maro, na noho ny fiatrehana ny adidy aman’andraikitra dia tsy mampihena na oviana na oviana ny hafaliana, satria hafaliana ao amin’ny Tompo, hafaliana vokatry ny firaisana aina Aminy. Ny mety hanesotra io hafaliana io araka izany dia ny fahatapahan’ny roim-pihavanana noho ny fahotana.
Tamin’ny alahady faharoa dia nihaino ny fampianaran’i Joany Batista isika : « Aoka hanao asa soa maneho ny fibebahana » (Mt 3. 1-12). Mitaky fanetren-tena izany, ary ny fanekentsika ny halemena no manosika antsika hitalaho ny fahasoavana sy ny famindram-pon’Andriamanitra. Rehefa avy nihaino ny hafany isika tamin’ny alahady heriny, dia antsoin’ny litorjia anio kosa mba hianatra ny nataony: tsy hitoky amin’izay heverina ho marina fa hametra-panontaniana mandrakariva hahalalana marina ilay Mesia nampanantenaina ka hahafahana mandray azy mba hahafeno fatra ny hafaliana. Tsy afaka ny hihaona amin’ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana manko izay tsy mikaroka izany amin’ny fo tokoa.
Tao amin’ny vakiteny II dia nasain’i Md Jakoba haka tahaka ny faharetana sy ny fandeferan’ny Mpampinany izay niteny tamin’ny anaran’Andriamanitra isika, faharetana amin’ny fiandrasana ny lohataona sy ny fararano, izay tsy fantatry ny maro intsony satria nivadika ho fiandrasana ny karama isam-bolana, ka ny mety ho tsy fananana asa raikitra no hampitaintaina. Faharetana ihany koa anefa satria henontsika ny faminanian’Izaia kanefa hatramin’i Md Joany Batista mbola nisalasana ny amin’ny fahatanterahan’izay voalazany. Tsy araka ny faniriantsika no anatanterahan’Andriamanitra ny fandaharany fa araka ny haben’ny indrafony.
Izany no hahafahantsika mahazo ny fisalasalan’i Joany Batista. Nambaran’Izaia manko fa ho tonga ao Siona amin’ny hobin-kafaliana izay navotan’ny Tompo, saingy izy (Joany Batista) mbola ao an-tranomaizina. Raha i Jesoa no Mesia, araka izany dia tokony hanafaka azy koa ao an-tranomaizina.
Ianao va no Ilay ho avy sa mbola hafa no andrasanay?
Fanontaniana apetratsika koa io rehefa mampisalasala antsika ny fomba fiasan’izay antenaina hitondra ny famonjena. Tsy sakana velively hikombonana amin’ny hevitry ny tena anefa ny tranomaizina. Samy manana ny tranomaizina hirindrinan’ny tenany ny tsirairay: firehan-kevitra, foto-pisainana, fampianaran-diso sy ny zavatra maro hafa mety hanakana antsika tsy higoka ny hamamin’ny fiainana ka hahita ny hazavana entin’i Kristy. Saingy ao amin’izany tranomaizina izany dia omen’Andrimanitra olona afaka hirahina ho any amin’ilay hazavana mandrakariva isika, mba hahazo ny valinteny, tsy avy amin’izay takatry ny saina na izay metimety amin’ny tena, fa avy amin’ilay Teny tokana, hahasambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Aminy.
Anjarantsika kosa ny manaiky hihetry tena, satria tsy afaka ny haniraka mpianatra hanontany izay tsy mitafy koa ny fanetrentenan’i Joany: tsy afaka ny hitondra hazavana ao amin’ny tranomaizina misy azy izay giazan’ny faniriana fitafiana tsara toy ny any an-tranon’ny mpanjaka, satria tsy amin’ny rentirenty ety ivelany no handrefesana ny halehibeazan’ny olona fa amin’ny maha-mpaminany azy, izany hoe amin’ny fahafahany miaina amin’ny maha-izy azy, hatramin’ny farafofon’aina, eny fa na dia hanolorana ny aina hahatapa-doha aza.
Ilay Fanahy nanentana an’i Jesoa ary lazain’i Joany fa hanaovany Batemy antsika koa anefa dia tsy mitsahatra ny manadio ny fontsika. Ny vokatry ny Fanahy, hoy i Paoly dia « fitiavana izay miseho amin’ny hafaliana ety ivelany sy ny fiadanam-po ao anaty… » (Gal 5, 22).
Mahalaza ny votoatin’ny Tenin’Andriamanitra nifampizarantsika anio ireo: fitiavana izay nanentana ny fon’i Kristy hanao soa hatraiza hatraiza, nanasitrana ny rofy rehetra… fifaliana izay mameno ny fon’ireo izay matoky an’Andriamanitra, noho ny soa azon’ny olombelona rehetra… fiadanam-po enti-miandry ny famonjena am-pandeferana sy faharetana (Vakiteny II: Jak 5, 7-10), eny fa na dia mety tsy araka izay irìn’ny fon’ny olona aza, satria « manantena » sy matoky ny Tompo.
Tanteraka avokoa ny faminanian’Izaia, afa-tsy ny fahafahan’i Joany, izay niafara tamin’ny fanapahan-doha aza. Raha tsy tafintohina amin’ny asasoa tanterahin’Andriamanitra ho an’ny hafa isika, raha faly amin’ny soa azon’ny hafa, izay vao afaka hanandrana ny tena fahasambarana. Fahasambarana mandavorary izay voalazan’i Matio any amin’ny toko faha-5 izany.
Tsy azo adinoina fa mampiavaka ny Mpaminany Izaia ny Fitokisana tanteraka amin’YHWH. Manaporofo izany ny hoe: raha nandindona ny fanafihan’ny fahavalo ka sahiran-tsaina nitady tetika sy nila vonjy tamin’ny Mpanjaka manodidina ny Mpanjakan’i Jodà, Izaia kosa nananatra ny Mpanjaka mba hatoky irery ihany ny Fahefan’Andriamanitra. Tsy azo adinoina fa izany Fanantenana nameno ny fon’ny Mpaminany izany dia mifototra amin’ilay Voninahitr’Andriamanitra (Iz 6) manoloana ny fahotana sy ny fahalemen’olombelona : ny fahatsapany ny tsy fahamendrehany sy ny famindram-pon’Andriamanitra nanadio ny vavany sy maniraka azy hitory ny Teniny (Iz 6, 6-10). Dia izay voninahitra izay no ambarany ombieny ombieny… (Vakiteny I).
Raha tsy masaka ary latsa-paka ao am-pontsika izany finoana izany dia hiantsampy any amin’ny fitadiavana vahaolana araka ny saim-patatsika fotsiny isika. Ny faminanian’Izaia no nandrasan’Israely ary valin-teny nomen’i Jesoa an’ireo iraka nalefan’i Joany Batista: hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina, hitsambikina ny mandringa ary hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana, hivory ao Siona ny voaavotra ary hiravo avokoa ny vahoaka manontolo.
Tsara ho tadidiana fa fototr’izany fanantenana sy hafaliana izany ny fifandraisana amin’ilay Andriamanitra sy ny vavaka atao Aminy. Tsy mihanona amin’ny vavaka iaraha-manao anefa, fa ilay vavaka « tena samirery » (Ansiklika Spe salvi n° 34) izay hanamafisantsika ny toerana hametrahana an’Andriamanitra marina eo amin’ny fiainantsika. Io no tena fototry ny fanantenana, hoy ny Papa Benoit XVI ao amin’ny ansiklika nosoratany, na dia tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa aza ny fiaraha-mivavaka sy ny vavaky ny fiangonana (litorjia) izay manitsy sy manadio ny mety ho vokatry ny fitiavan-tena sy ny faniriana diso toerana ao amin’ny vavaka samirery.
Ny vavaka no mampitombo ao amintsika ny faharetana, hahafahana misoroka ny fifampimonomononana, ka tsy hampiasana na inona na inona hifanohitra amin’ny fitiavana na dia ho an’ny zon’ny tena manokana aza. Tokony hianatra ny mpiasa tany, hoy i Md Jakoba: mamboly, misasatra saingy mahatsapa fa tsy miankina aminy izay mety ho fahavokarana na tsia, tsy miankina aminy ny ranonorana, saingy tsy afaka ny hamboly izy raha tsy entanin’ny fanantenana ny voka-tsoan’ny tany (Jak 5, 7-10).
Ny fijoroantsika ho vavolombelona dia mety hitera-doza ho antsika, tahaka an’i Joany Batista, nilaza ny tsy rariny nataon’i Herôda (Mt 14, 1-12) ka niafara tany an-tranomaizina ary notapahin-doha. Mety hanozongozona ny finoana ny tana-maherin’Andriamanitra miaro ny vahoakany izany, saingy izay tahaka an’i Joany, tsy bararata manaraka izay hitsofan’ny rivotra azy, tsy olona mitady ny tombontsoany sy ny akanjo tsara manamarika ny toeram-boninahiny, fa hijoro ho mpaminany, dia afaka maneho ny halehibeazany eo anatrehan’Andriamanitra: lehibe noho ny mpaminany, eny fa na dia tsy mbola nisantatra ilay Batemin’ny Fanahy fananganan-janaka natolotr’i Kristy antsika aza.
Tsy hohadinointsika fa isika no antsoin’Izy Tompo hanohy ny asa fanavotana natombony: ny hitsarana antsika dia izay ataontsika amin’ny mahantra sy ireo atao tsinontsinona (Mt 25). Isika no tanana hanatontosa ny asam-pahamarinana tanisain’ny salamo setriny (sal 145) : manome rariny ny hampahoriana, hanome sakafo ny noana, hamaha ny mpifatotra…
Enga anie isika amin’izao fiomanantsika hankalaza ny Noely izao mba ho feno hafaliana lalan-dava ary ho loharanon-kafaliana, tsy hanadino ny dingana efa natomboka : hiandry am-pitokiana ny fiavian’ny Tompo, hibebaka sy handray ny Fanahiny, ary ho vonona hovolavolain’io Fanahy io, hanaiky ho diovin’ny Komonio masina amin’ny haratsiantsika rehetra (vavaka aorian’ny komonio) ka ho tonga iraka mpitondra fahafahana! Mpitondra Famonjena (miha-Jesoa isan’andro).