ALATSINAINY I FIAVIANA
- Izaia 2,1-5
- Salamo 121
- Md Matio 8,5-11
“Fa avy ao Siona no hivoahan’ny lalàna, fa avy ao Jerosalema no hivoahan’ny Tenin’ny Tompo”.
Rehefa sendra ny mangidy isika, rehefa teren’ny fiainana dia manao lalàna, mivoadivoady hoe “tsy hanao an’izao na izatsy intsony aho e, hanao an’izao aho e” sy ny hoe “mifòna aho fa tsy hanao intsony” fahakely… Samy lalàna avy moa no nandikana ny teny hebrio hoe derek (hampianatra antsika ny lalàny izy) sy ny torah (avy ao Siona) amin’ny vakiteny anio. Ireo teny roa ireo (derek – torah) dia samy manambara ny lalàna ho toy ny tari-dalana. Ny derek moa dia avy amin’ny hoe darak, entina ilazana ny fitifirana amin’ny zana-tsipìka, fa amin’ny ankapobeny dia entina ilazana ny dia, ny fizorana amin’ny lalana iray. Ny Torah kosa, avy amin’ny fototeny yarah izay midika koa hoe: mitifitra amin’ny zana-tsipìka, fa manisy tsindrim-peo amin’ny zavatra kendrena, ary ny tsy fahatratrarana izany tanjona izany no antsoina hoe hata’ah amin’ny teny hebrio, tsy nahatratra ny tanjona na tsy nahavoa ny lasibatra, izay nadikantsika hoe fahotana.
Vokatry ny fahatsapana fa ny lalàn’Andriamanitra irery ihany no hahazoana fiadanana ary ny fiekena fa ny Teniny (dabar amin’ny teny hebrio) no aina mamelona no manova ny fon’ny olona hampiasa ny fahefana sy ny hery tsy hanapotehana (sabatra) fa hanorenana sy hamokarana (fangady), tsy hamonoana (lefona) fa hamelomana sy hanangonana ny vokatra (antsy fijinjana). Ny fiadanana (shalom) moa dia tsy midika hoe tsy fisian’ny ady sy ny fifamonoana fotsiny fa koa fahafahan’ny tsirairay sy ny daholobe manana amby ampy ka ho velona finaritra. Nolazain’i Md Paul VI ao amin’ny Taratasy ansiklika Populorum progressio (26 mars 1967, lah. 76) fa izany dia vokatry ny ezaka ilofosana isan’andro hanorenana fahamarinana amin’ny samy olombelona araka an’Andriamanitra, ary ny anarana vaovao hiantsoana ny fiadanana dia ny Fandrosoana.
Matoa marisarisa mamonjy Fiangonana ny olona, dia satria tsy hita taratra ao izany fiadanana izany, tsy mifototra amin’ny fanantenana sy ny faniriana hanorina tontolo tsaratsara kokoa ny resaka sy ny ezaka atao. Mila mandini-tena mandrakariva isika, sao sanatria noho ny tsy fiainantsika ny Evanjely no mampandositra ny olona. Mazava ny tenin’i Kristy fa ny fifankatiavana ihany no endrika tokana mampiavaka ny mpianany ka hahafantaran’ny olona ny Egliziny (Jo 13,35). Raha izany fiadanana, “hampiasana ny hery famoretana ho hery famokarana” lazain’i Izaia Mpaminany izany manko no hiainan’ireo milaza fa mpino, dia mazava loatra fa hafaliana lalandava no manentana ny Kristianina hizotra ho any am-piangonana, tsy andry izay hahatongavan’ny alahady mba hiainana ny fiadanana sy ny fiombonana vokatry ny fihaonana amin’i Kristy, hanandramana izay miandry any amin’ny mandrakizay.
(Amin’ny Taona A moa dia azo vakìna koa Iz 4,2-6: voalaza ao fa ny voninahitr’izy Tompo no ho kiady ho an’izay naharitra ka tafajanona ao Siona, mahatana ny teny nomena: ho alokaloka amin’ny hain’andro ary ho fialofana amin’ny oram-baratra sy ny ranonorana.)
Ilay tenin’ny Kapiteny averimberintsika isaky ny Sorona Masina: “Tompo ô, tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafon-tranoko aho” dia miantso antsika ho amin’ny finoana lalindalina kokoa. Ankoatra ny fanetren-tena hilazana fa tsy mendrika hiditra ao am-pontsika i Jesoa satria mpanota isika (ary indraindray aza, mampalahelo fa tsy te hiova amin’izany maha-mpanota izany akory), dia tian’ny Evanjely asiana tsindrim-peo manokana ny finoana nananan’ilay kapiteny: ny miaramilako manaiky ahy, ary ny ratsy manaiky anao. Mino tokoa ve isika fa afaka mamongotra ny fahotana sy ny voka-dratsiny ao am-pontsika sy ao an-tranontsika ny Teny miloaka ny Vavan’Andriamanitra? Izay mino izany herin’ny Teniny izany no afaka hiova fiainana ka hiara-hihinana amin’i Abrama sy Isaaka ary i Jakôba any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Ny fihetsik’ilay kapiteny, jentily miditra ho anisan’ny mpanara-dia an’i Jesoa, manatona Azy noho ny finoana, dia mamintina ny finoana tokony hananantsika: azon’ilay Kapiteny atao ny nandefa miaramila saingy izy tenany mihitsy no tonga nanatona an’i Jesoa. Izany no fandraisana anjaran’ny olombelona manao izay azony atao mba hanatonana an’Andriamanitra, raha ny marina moa dia Izy Andriamanitra no naka nofo toa antsika mba hanatona sy hiara-monina amintsika; ilay kapiteny kosa avy eo miangavy an’i Jesoa mba tsy hisahirana akory ho any an-tranony.
Ny fisahiranany hitalaho ho an’ny ankizilahiny izay tsy afa-mihetsika noho ny tazo dia anisan’ny maha-lehibe ny finoany. Sarotra manko ny mahita olona mahavita manokana fotoana, mahavita mietry tena, hiangavy ny hafa hanao soa tsy ho an’ny tena fa ho an’ny fahasitranan’ny mpiasa an-trano, misahirana saingy entanin’ny finoana fa mahery ny Teny tononin’ilay nivavahany, tsy afaka ny hiverina Aminy, hoy Izaia raha tsy mahatanteraka izay nandidiany (Iz 55,11). Izany finoana izany no hananganana antsika ho tonga zanaka handova ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy Isaaka ary i Jakôba.
Angatahontsika ny Fanahy mba hahaizantsika mankafy ny lalànan’Andriamanitra izay mitondra amin’ny Fiadanana tanteraka, ka hanekentsika azy ho Tompo, afaka manova sy mandavorary ny fiainantsika tsy ho andevozin’ny fahotana sy ny fahafatesana intsony, fa ho fiainana araka ny fahafahana maha-zanaka: manorina fiadanana, vonona hanolo-tena, tsy hangataka andro hamaly hoe “ho avy aho ary hikarakara azy”, tahaka an’i Jesoa.