Zoma faha-34 mandavantaona
- Ankasa Fanambarana 20, 1-4.11 – 21, 2/Salamo 83
- Tsy ankasa Daniela 7, 2-14/Daniela 3, 75-81
- Md Lioka 21, 29-33
Mialoha ny loza manambara ny farandro, hoy ny Evanjely, dia mbola hoenjehina aloha isika, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny anaran’i Jesoa. Izay miaina marina ny Evanjely dia manjary olana mandrakariva ho an’izay mihevitra ny hanjaka amin’ny zavatry ny tany, indrindra raha nahazo fahefana hanjaka sy hanapaka. Tsy voninahitra sy fieboeboana no andrasan’izay te hiaina araka ny Evanjely sy te hanara-dia an’i Jesoa fa fanenjehana. Raha nenjehiny izaho mpampianatra, hoy i Jesoa, dia mila mihevi-tena ny mpianany: Izy moa nenjehin’ny fahefana ara-pivavahana tamin’izany, natolotra an’i Heroda ary nohelohin’i Pilaty.
Ny Evanjely anio dia manampy antsika hampiasa ny fomba fisainana (logique) eo amin’ny fiainana andavanandro ihany mba hahazoana ny fizotra sy ny fahatanterahan’ny famonjena ampanantenain’Andriamanitra, na dia mifanohitra amin’ny foto-pisainana (mentalité) manjaka eo amin’izao tontolo izao aza indraindray ny zavatra takian’ny maha-mpianatra.
Tsy zavatra miafina tsy akory fa tahaka ny aviavy sy ny hazo rehetra, rehefa manaloka, dia efa hita fa akaiky ny fahavaratra, ny fotoana hiotazana ny voa. Mila fitandremana anefa satria miantomboka amin’ny tsimoka kely monja, toy ny voatsinapy no hiantombohan’ny Fanjakan’Andriamanitra ao am-pontsika, eo amin’ny fiainantsika sy ny tontolo misy antsika, kely saingy mila afoy, mila alevina ao anaty tany mba hitsiry, hitombo ka ho lasa hazo azon’ny voromanidina hanaovana akany. Rahefa tonga am-pahefana sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona, dia efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra, hoy i Jesoa, ka na eo aza ny ady, ny mosary, ny horohorontany sy ny zava-mahatahotra hafa rehetra izao, dia antsoina isika hiaina ny maha-zanaka tian’Andriamanitra antsika.
Tsy ny hamaky loha hahalala ny farandro àry araka izany no tokony himasoana fa ny hahay hiaina izao fotoana diavintsika izao satria i Kristy efa nasondrotra tao amin’ny voninahiny tamin’Izy nanolotra ny ainy teo amin’ny hazo, ho voankazo masaka hanohana ny hanoanana sy ny hetahetantsika ho masina tahaka Azy. Ny aviavy manko dia karazana voankazo tsy mba mamelana fa avy hatrany dia ny voany no mipoitra sy miha-matoy eo amin’ny rantsana. Ankoatra ny telo taona nikarakarana ny aviavy, hoy ny Evanjely, dia miaina taom-pahasoavana isika, mba hitondra vokatra araka ny sitrak’ilay mpamboly (Lk 13, 6-9).
Ny fahatanterahan’izany rehetra izany, hoy i Lioka dia mialoha ny hahalanian’ity taranaka ity. Tsy tapitra tamin’ny fahafatesan’i Jesoa akory ny fanjakazakan’ny ratsy, tsy midika anefa izany fa tsy nandresy Izy, izany no iantsoan’i Lioka ny kristianina nanoratany, ary iantsoany antsika rehetra koa hahatsiaro fa tsy ho levona mandrakizay ny Tenin’Andriamanitra (Izaia 40, 8), ary ny fanohizan’ireo mpianany ao amin’ny fijalian’izy ireo ny hazofijalian’i Kristy, dia fizorana mankany amin’ny fandresena ny ratsy, fandresena efa nosantarin’i Kristy. Ny famaliana ny ratsy amin’ny soa ihany manko no lalana hamongorana ny fahotana sy ny herin’ny maizina eto amin’izao tontolo izao (Rom 12, 17-21).
Ho haintsika anie ny hahita sy hankalaza ny fandresen’i Kristy amin’ny fanekena ho mpianany: handà tena, hitondra ny hazofijaliana isan’andro ary hanara-dia azy.