Alarobia faha-34 mandavantaona
- Ankasa Fanambarana 15, 1-4/Salamo 97
- Tsy ankasa Daniela 5,1-28/Daniela 3, 62-67
- Md Lioka 21, 12-19
Tsara ny mampahatsiaro, araka ny efa nolazaina omaly, fa ny hahatonga ny zanany rehetra any amin’ny fanasany no tanjon’Andriamanitra ka tokony ho tanjon’ny zanany rehetra koa, satria tsy hisy hanandrana ny fanasana eo raha tsy “au complet”, tonga eo avy ny zanany rehetra. Ambaran’i Lioka fa tsy ny fitsenana ilay zanany mpandany nody ihany no nivoahan’ilay Ray be fitiavana, fa ny mba hilaza ny fitiavany koa, ho an’ilay zoky tsy nieritreritra ny ho zanaka fa revo tamin’ny asa fanompoana.
Ny fibebahan’ny mpanota araka izany dia fihariharian’ny voninahiny, famirapiratan’ny maha-zanaka indray ao amin’izay mibebaka, satria fialana amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana (Lk 15). Araka izany dia faniriana ny hahatanterahan’izany famirapiratan’ny voninahitra izany no hanentana antsika hiantso hoe “Avia, ry Jesoa Tompo”! Vokatry ny fitiavana sy ny fitokisana Azy ilay ho avy hitondra famonjena ho an’ny zanany rehetra, miandry Azy ireo handray anjara amin’ny fanasana efa voavoatra.
Ny fotoanan’ny Fiandrasana dia fotoanan’ny “tolona” – satria manosika hiasa – sady fotoanan’ny fandinihana, satria raha tsy mendrika ny maha-izy antsika ny fomba fiainantsika, dia ho zary andro mahatahotra ny fiavian’ny Tompo. Mahalasa saina ihany ny mieritreritra fa noho ny Anaran’i Jesoa dia ho halan’ny olona rehetra ny mpianany. Nahoana tokoa moa no ankahalaina ny olona manapa-kevitra fa hanaraka « ilay marina » ary vonona ny hanome ny aina ho an’ny hafa toy ny nataon’i Kristy?
Ny fizorana toy ny zanaky ny mazava anefa dia manembantsembana ireo izay nisafidy hitakiky ao amin’ny haizin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra. Tsy mahagaga araka izany ny fisamborana sy ny fanaovana an-tranomaizina. Tsy natao hampihemotra anefa izany, hoy i Jesoa satria “occasion”, sehatra iray hahafahana mijoro ho vavolombelona. Ny manam-pahefana sy ny mpanjaka mety hanampatra ny fahefany dia tsy hahasakana antsika tsy hiaina ny fitiavana. Izany fitiavana izany no hahafahana mampiteny ny Fanahy, izay hanome antsika fahendrena tsy azon’ny fahavalo hotoherina, no sady hanome antsika kosa ny faharetana.
Izay efa niharan’ny fankahalana dia mahatsapa ny hamafin’izany. Raha ny tsy rariny ataontsika moa no antony ankahalan’ny olona antsika dia mila miova isika, hoy ny Bokin’ny fanambarana (Apok 16 milaza ny loza fito). Raha ny fikatsahantsika ny soa kosa no hanenjehana antsika dia mila mangataka amin’Andriamanitra ny faharetana hahatahiry ny famonjena efa nomeny ho lova. Moramora kokoa anefa ny mitsoaka an-daharana (manipy guants) noho ny mitady vahaolana, hany ka mety mandany andro hitady izay havaly any amin’ny fitsarana, hitady izay hanamarinan-tena na hitady izay hanadisoana ny hafa isika, rehefa sendra ny sarotra. Aza miditra amin’izany, hoy i Jesoa: Izy no hanome vava sy fahendrena tsy hay toerina. Ny adidintsika dia ny mitozo manao izay heverintsika fa mifanaraka amin’ny fitiavana.
Tsy misy maha-mpihavana ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny tena manokana, ka tsy mahagaga raha toa ka hivadian’ny ray aman-dreny sy ny iray tam-po aman-tsakaiza mihitsy aza izay manembatsembana ny tombontsoany, raha io no mbola hifikirany na heveriny hotoriana. Tanindrazana aza hamidy ka mainka ve fa izay zanaka na izay rahalahiny kely ery. Tsy azo adino na oviana na oviana fa ny fahatsapana ho tia sy notiavina ihany no hahafahana miharitra fijaliana sy manohy “manantena na dia tsy misy tokony hanantenaina” aza (Rom 4, 18).
Angatahontsika amin’Andriamanitra ny fanomezan’ny Fanahiny haharetantsika amin’ny fanaovantsoa ka raha sanatria mahatsiaro ho nilaozan’ny olona, dia ho tahaka an’i Md Paoly: hahatsapa ilay Kristy mitsangana eo anilany sy mankahery fo azy hahatanterahany izay tokony ataony (2 Tim 4, 16-17).
Tsy ny hamongorana ny mpanao ratsy anefa no hetahetam-panahin’ny olona tafalatsaka ao amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra fa ny mba hibebahany sy ny hahavonjy antsika rehetra. Tsy novonoina ny amboadia mpamiravira ny ondry, hoy Izaia, fa miara-miraotra amin’ny zanak’ondry, any amin’ilay fanjakan’ny fiadanana ho avy, satria efa naringan’ny Tompo tamin’ny fofon’ain’ny vavany ny ratsy rehetra (Izaia 1, 1-10).
Hiezahantsika ary ny hamelona ny fanantenana, hatahotra ny anaran’ny Tompo (Malakia 3, 19-20a), hiezaka ny tsy hanao androroso hovelomim-potsiny na hitsetsitra ny hafa, raha mbola mahavita ihany koa (2 Tesalonika 3, 7-12), hahafahana maharitra amin’ny faniriana ny hiavian’ny Tompo ho avy hanatanteraka ny fandaharam-pamonjena iriny ho antsika rehetra (Evanjely rahampitso).
Taona ankasa
« Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra tsitoha. Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay! Iza no tsy hatahotra anao sy tsy ankalaza ny anaranao, Tompo o? Fa ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eto anatrehanao ny firenena rehetra satria niseho niarihary ny fitsaranao! » (Apok 15, 1-4). Izay no hiran’i Moizy: hiram-pandresena satria taorian’ny fery nahazo an’i Ejipta sy ny Faraonany dia nahazo fahafahana ny vahoakany. Ny fahatezeran’Andriamanitra dia mamongotra ny fahavalony izay mangeja ny zanany, ary ny fahavalo farany horeseny dia ny fahafatesana. Fitsaran’Andriamanitra araka ny hitsiny no andrasan’ireo miandry ny hiaviany ka vonona ny hitsena azy (Sal 97). Eo am-piandrasana izany anefa dia ambaran’ny evanjely amintsika fa hosamborina izay mijoro ho vavolombelona, hotsaraina sy ampigadraina, kanefa izay indrindra no hahafahany maneho ny maha-mpianatr’i Kristy azy ireo (Lk 21, 12-19). Mahalasa saina ihany ny mieritreritra fa noho ny Anaran’i Jesoa dia ho halan’ny olona rehetra ny mpianany. Nahoana tokoa moa no ankahalaina ny olona manapa-kevitra fa hanaraka « ilay marina » ary vonona ny hanome ny aina ho an’ny hafa toy ny nataon’i Kristy?