Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao
FARAN’NY TAONA LITORJIKA:
Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao
Alahady faha-34 Faran’ny Taona litorjika, ankalazana ny fetin’i Kristy, Mpanjakan’izao tontolo izao. Ny taona Litorjika moa dia entintsika mandalina ny Firaisantsika aina amin’i Kristy sy ny Fiangonany, mba hivelomantsika amin’ny maha-kristianina, maha-mpanara-dia Azy.
Taona A
Tanjona : Fandalinana ny Batemy
hafatra : Voaantso handalina ny firosoantsika ho Kristianina isika.
Votoantin-kevitra: Fandaharana ireo laha-kevitra sy evanjely hifanaraka amin’ny fivoaran’ny maha-kristianina, araka ny drafitra katekomenaly.
Evanjely : Matio sy Joany
Taona B
Tanjona: Fandalinana ny Fifandraisana amin’ny Misterin’i Kristy nitsanga-ko Velona
hafatra : Voaantso handinika ny misterin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy ho velona isika
Votoantin-kevitra: Fandalinana ny fiainan’i Kristy, miampy ny fampianaran’i Joany voavelabelatra bebe kokoa
Evanjely: Marka sy Joany
Taona D
Tanjona : Fivalozana sy Famindram-pon’Andriamanitra
Hafatra: Voantso hizotra ny lalam-pivalozana isika, izay hany hahatsapantsika ny halalin’ny Misterin’ny Paka, fara-tampon’ny Fiombonana amin’ny Ray.
Votoantin-kevitra: Fandalinana manokana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny hafaliana vokatry ny fibebahana.
Evanjely : Lioka sy Joany
ALAHADY 34 TAONA D – KRISTY MPANJAKAN’IZAO TONTOLO IZAO
- 2 Samoela 5, 1-3/Salamo 121
- Kolosy 1, 12-20
- Lioka 23, 35-43
Ny faran’ny taona litorjika araka izany, ny Fetin’i Kristy Mpanjaka, dia manampy antsika hanao jery todika ny taona manontolo. Ny taona A araka izany (fandalinana ny sakramenta firosoana ho kristiana), dia manolotra antsika ny Evanjely nosoratan’i Matio (Mt 25, 31-46) mamintina ny tokony ho fiainan’ny Kristianina raha manaiky an’i Kristy ho Mpanjakany : hampanjaka an’i Kristy amin’ny fampanjakana ny Fitiavana amin’ireo madinika sy toa niangaran’ny vintana, hiezaka hahita ny hendrik’i Kristy ao amin’izy ireny…
Ny taona B kosa indray (Fandalinana ny firaisan’aina amin’i Kristy), milaza amintsika fa rahefa mifampikasoka amin’i Kristy Tafatsangan-ko velona marina isika, dia hahatsapa fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakany, fa ho an’ireo izay rehetra mihaino ny marina (Evanjely Jn 18, 33-37). Izay te hampanjaka an’i Kristy araka izany dia mampanjaka ny rariny sy ny Fitiavana.
Androany kosa, taorian’ny famakivakiana ity taona litorjika ity (taona D : ny fibebahana sy ny famindram-po), nandalinana indrindra indrindra ny Fampindrampon’ny Ray izay toa tsy miraharaha akory ny adalan-janany (Lk 15) fa vonona ny hamindra fo mandrakariva, hatramin’ny impitopolo fito (Mt 18, 21-22 // Lk 17,4), dia mampiseho amintsika ny Fiangonana amin’ny fandaharany ny vatsim-panahy asehony antsika, fa eo am-pialana aina dia mbola famelana no nanehoan’i Kristy ny maha-Mpanjaka azy : “Lazaiko marina aminao tokoa, fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao” (Evanjely), maneho antsika an’i Kristy hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra, Izy ilay ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika (Vak II).
Ny fandalinana izany rehetra izany no mahatonga saina antsika isan’andro handinika hoe: fa inona marina moa ity “Fanjakan’Andriamanitra” irintsika ho tonga isan’andro ity, isaky ny manonona ny Rainay any an-danitra isika! Ho tonga anie ny Fanjakanao! (Lk 11, 2).
Azontsika alalinina ny pejy roa hanazavan’ny Papa io vavaka io ao amin’ny bokiny (Benoit XVI, Jesus von Nazareth, pp. 176-178, Edizione Rizzoli 2006). Ny tiako hifampizarana aminao etoana dia ny ilazany fa “i Jesoa no Fanjakan’Andriamanitra tonga nofo”, hany ka ny fangatahana ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra araka izany, dia ny fanirìna mba hiombona bebe kokoa amin’i Jesoa, ho tonga vatana iray aminy” (Gal 3, 28), ary fangatahana mba hiombonan’ny olona rehetra aminy koa (1 Kor 15, 26-28), toy ny hanirian’i Kristy hamondronana ny zavatra rehetra aminy, tamin’ny alalan’ny Ray teo amin’ny hazofijaliana (Vak II).
Ny Hazofijaliana no fiketrahana anjakan’i Jesoa. Tsy ireo zanak’i Zebede roalahy tsy akory no teo an-kavia sy teo an-kavanany (Mt 20, 21) fa mpangalatra roa lahy. Io no famantaram-pamonjena ho an’izay mino, satria avy eo no nampanantenain’i Jesoa an’ilay jiolahy nanaiky azy ho mpamonjy fa hihaona aminy any am-paradisa, tsy afaka efapolo andro fa amin’ny fotoana hanekeny fa afaka mamonjy azy ilay “olo-marina” niara-nihatona taminy teo amin’ny hazofijaliana. Ny vahoaka nijanona nijery (θεωρέω theoreo) azy teo, satria io no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fahotan’olombelona, io no fitiavana lehibe indrindra (Jn 15, 13), hitarika ny olon-drehetra hanatona azy (Jn 12, 32).
Lazain’i Md Paoly amintsika ao amin’ny Vakiteny II ny fandaharan’Andriamanitra dia ny hampihavanan’i Kristy ny voary rehetra amin’ny alalan’ny Rany. I kristy nandatsaka ny Rany eo amin’ny Hazofijaliana no hahafahan’ny olombelona mihavana indray amin’Andriamanitra, hahazo ny famelan-keloka, hatoky ny fitiavan’ilay vonon-ko faty ka tsy tahotra fa fitiavana no hiovan-toetra; avy amin’ny Ran’i Kristy no hiavanan’ny zavaboary amin’izy samy izy, hiavanan’ny olombelona amin’ny samy olombelona satria nahatsiaro ho voavela, nahatsiaro ho notiavina ka afaka mitia, ary ao amin’izay fitiavana ny tena sy ny hafa izay no hanajàna ho azy ny zavaboary, hikajiana ny tontolo iainana, tsy hanjakazakàna ho amin’ny tombontsoa manokana fa hokolokoloina ho an’ny soa iombonana ihany koa.
Fa eo anatrehan’ny hazofijalian’i Kristy koa no hihavanan’ny olona amin’ny tenany sy ny tantarany: tsy afaka ny hanana ny finoana marina izay tsy mihavana amin’ny tenany. Ilay voaheloka teo amin’ny hazofijaliana, izay lazain’ny lovantsofina hoe Md Dismas, dia nihavana tamin’ny fiainany, niaiky ny fanamelohana azy an-drariny, fa nandray ny valin’ny ratsy natao. Ny fihavanana amin’ny tena no hahafahana manavaka ny rariny sy ny tsy rariny, ka hananana fo mangoraka, hananana fo madio afaka mahita sy mitia an’Andriamanitra.
Manoloana ny Hazofijalian’i Kristy no valian’i Md Lioka ihany koa ireo fakam-panahy telo nanokafany ny ministeran’i Jesoa any amin’ny toko faha-4. I Jesoa voafantsika no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita. ao aminy araka izany no hahitana ny hafenoan’ny maha-olona, izay noharian’Andriamanitra hitovy endrika Aminy. Ka tsy ny fitaky ny bibilava manao izany handavana an’Andriamanitra no hahafahana hitovy endrika Aminy, fa amin’ny fanahafana an’i Kristy kosa, ilay nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana mahafa-baraka.
Nolazainy fa Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra (Lk 4, 4); Izy no ilay Kristy, ilay voafidy, notazanin’ny vahoaka fotsiny ary noharabian’ny loholona, satria tsy nanova ny vato ho mofo hohaniny, fa nanolotra ny tenany, nanaiky ho tonga mofo hamelomana izao tontolo izao. Ny fanekeny ho faty no zary fanekena ny Tenin’ny Ray, ka nahatonga ho sakafony marina tokoa ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray sy ny manatanteraka ny asany (Jn 4, 34).
Nolazainy fa Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao (Lk 4, 8), ka manoloana ny fakam-panahy hitsiriritra toeram-boninahitra hiheverana ho ambony noho ny hafa sy hahazoana ny fanapahana rehetra sy ny voninahiny; Izy no ilay Mpanjaka, ankalazaintsika anio, nohesoin’ny miaramila ka nasainy hanavotra ny tenany. Tsy fanavotana ny tena manko no fahamboniana fa ao amin’ny fanompoana, ka izay te hanandrana ny hasambarana ao amin’ny fanjakany, dia tsy maintsy hianatra hanompo, mpanjaka tsy hitady ny tombontsoany fa mpanjaka hitady ny soa ho an’ny vahoaka.
Nolazainy fa Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao hianao (Lk 4, 12) ka tsy hatoky ny fitiavan’Andriamanitra manoloana ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainana, ka hilazana fa raha tsy mamonjy amin’ny fanamelohana (na an-drariny na tsy an-drariny) dia tsy ilay voahosotr’Andriamanitra. Tsy fanehoana hery hitsambikinana avy eny amin’ny tampon’ny Tempoly tsy akory no maha-voahosotr’Andriamanitra fa ny fanekena Azy, eny fa na dia ao anatin’ny mafy indrindra aza.
O ry Jesoa nalaina fanahy… hoy ny hirantsika.
Any amin’ny fiandohan’ny Evanjely dia nolazain’i Md Lioka fa ny Tenin’Andriamanitra no nentin’i Jesoa namaly ny mpaka fanahy. Eo ambonin’ny hazofijaliana kosa dia fahanginana no nasetriny ireo mpanaraby, ary ilay nanaiky hihavana amin’ny tenany, satria nihaino ny marina, iray amin’ireo jiolahy, io no nahazo valin-teny taminy fa hanandrana ny fahasambarany.
Tsy fahasambarana vita am-bava fa fahasambarana ateraky ny fahafahana izany, ary ny marina no maha-olona afaka. Teny fangatahana famelan-keloka, vavaka ho an’ireo mpamono Azy no nataon’i Jesoa, hanehoany amintsika fa tsy afaka ny hihavana izay mitana an-dolom-po; tsy ho afaka ny ho sambatra izay mikotrika valifaty: “Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony (Lk 23, 34). Tsy ho afaka ny ho sambatra izay tsy mamela heloka.
Fa izao no lazaiko aminareo izay mihaino ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo (Lk 6, 27-28). Izay no fampianarany, dia izay no nataony. Izy no ilay Teny tonga nofo, ary naneho amintsika koa fa azo tanterahina tsara ny fampianarany. Izay no hahafahantsika miaiky Azy ho Mpanjaka.
Eo amin’ny hazofijaliana no nandreseny ny fakam-panahy rehetra sy ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika (Vak II). Io no mariky ny fandreseny ka hahafahantsika koa mandresy miaraka Aminy.
Raha ataontsika am-pinoana araka izany ny famantaran’ny hazofijaliana dia hahazo hery isika, ary tsy ho azom-pakam-panahy handà izay mety ho fijaliana takian’ny fitiavana bebe kokoa amintsika. Tsy misy heviny manko ny manao ny famantaran’ny hazofijaliana amin’ny tena, kanefa tsy te hizaka azy raha izay no takian’ny lalam-pitiavana, na sanatria hampitondra azy ny hafa. Tsy mitady fijaliana sanatria ny kristianina, manao izay azony atao mba hanamaivanana ny fijaliana rehetra, saingy kosa tsy mivadika manoloana ny mety ho habibian’ny hafa, raha te hanara-dia an’i Kristy.
Tsy afaka ny tsy hametraka fanontaniana isika anio raha i Kristy tokoa no mpanjakantsika, raha avy aminy avokoa ny baiko manentana ny fiainantsika. Izy no zanak’ilay Andriamanitra nanala hetaheta ny vahoakany tany an’efitra (Eks 17, 6) kanefa nampisotroana vinaigitra; Izy no zanak’ilay Andriamanitra namonjy ny vahoakany tamin’ny fanandevozana tany Ejipta, izy ilay namonjy ny hafa no mihatona, miala aina eo ambonin’ny hazon’ny fahafaham-baraka; fanevatevana Azy ary fanompoan-tsampy ny faniriana an’Andriamanitra hiala teo ambony hazofijaliana. Matetika ny tsy fanekentsika azy hihatona eo dia satria manery antsika hanao toy izany koa.
Ho haintsika anie ny handresy ny fakam-panahy hiheverana ny hamonjena ny tena ka hanalavirana ny sitrapon’ilay tsy afaka manao afa-tsy ny mitia. Eo anatrehan’izany fitiavana izany no hahafahantsika miaiky heloko sy manaiky fa rariny ny fijaliantsika. Ny fahalalana fa zava-doza ny vokatry ny fahotana no hahafahana mihoitra miady aminy mba tsy ho latsaka ao intsony.
Dia ho zary fanohitra hanentana ny fiainantsika ny tenin’i Jesoa hoe : “Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena anareo ho famenony ny sisa rehetra” (Mt 6, 33). Dia ampahatsiahivin’ny Prefasy antsika anio fa fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiainana, fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana, ilay fanjakan’Andriamanitra mandrakizay manerana izao tontolo izao.
Ho tonga eo anivontsika anie izany Fanjakan’Andriamanitra izany.