Alahady faha-32 mandavantaona
- 2 Makabeo 7, 1-14
- Salamo 16
- 2 Tesalonika 2, 15 – 3, 5
- Md Lioka 20, 27-38
Hitsangan-ko velona ny maty
Manamafy ny finoana ny fiainana mandrakizay ireo Vakiteny sy Fety nankalazaintsika tao ho ato (Alahady faha-26D mandavan-taona, novakiana Lk, 16, 19-31 momba an’ilay Mpanan-karena sy Lazara ferena, vao tamin’ny herinandro indray, ny fetin’ny olomasina sy ny Fahatsiarovana ny nodimandry…). Ny hamafin’ny tolona atrehana kosa mampanontany tena ihany sao sanatria tsy misy izao lanitra izao. Antitranterin’ny vakiteny anio anefa ny traikefam-piainan’ireo Mpino nialoha lalana antsika : finoana naharesy ny tahotra ka nananana hery niatrehana ny fampijaliana sy ny habibian’ny tsy mataho-tody (Vakiteny I).
Manodidina ny taona 165 a.C isika, amin’ny fotoana nanjakan’i Antiochus Epiphane, izay nihevitra haka ny toeran’Andriamanitra ka namoritra izay rehetra heveriny fa mitondra fisarahana sy mety hanembatsembana ny voninahiny. Mazava loatra araka izany fa ny fanerena ny Jody hanolotra sorona amin’ny sampy, hihinana biby maloto ary hanitsakitsaka ny Sabbath no lalana tsara indrindra hannerena azy ireo handà ny finoany sy ny fomban-drazany. Avy amin’izany fanenjehana izany anefa no nahafahantsika nihaino ny fiekem-pinoana lalina mikasika ny fiainana mandrakizay.
Tamin’ny toriteniny ny 2 novambra 2022, ampatsiahivin’ny Papa François isika mba hamelombelona ny faniriana ny Paradisa, ka tsy hanafangaro ny faniriana amin’ny filàna ka hahatsiaro fa tsy manaraka antsika any amin’ny fiainana mandrakizay ny laza amam-boninahitra na ny harena voaangona ety an-tany. Mila amafisina izay ventesintsika ao amin’ny fiekem-pinoana dia ny fiandrasana ny fitsanganan’ny maty sy ny fianan-ko avy.
”Ny lanitra no nahazoako ny zavatra rehetra,… ka vonona ny ho faty aho noho ny Lalàny”. Izany no herim-po nananan’ireo Martirin’ny Finoana izany dia tokony hampandinika antsika manokana amin’ny fiainantsika ny Lalàn’ny fitiavana nomen’i Kristy antsika mpanara-dia Azy. Izy ireo noterena mba HANDIKA ny lalàna kanefa naleony maty toy izay hanota. Impiry anefa isika no amporisihina na terena mihitsy aza mba HITANDRINA ny Lalàna kanefa dia aleo milomano amin’ny mahazatra ihany… na himenomanona amin’izay manampy antsika hizotra amin’ny Lalan’ny Fiainana.
Ny Salamo setrin’ny vakiteny amin’ity alahady ity dia vavaky ny olona mametraka ny fitokisany manontolo amin’Andriamanitra ka maniry hihaloka ao ambany elatry ny Tompo, mampahatsiaro ny elatry ny Kerobima tamin’ny Fiaran’ny Fanekena, izay tao amin’ny Masin’ny Masina, hidiran’ny Mpisorombe amin’ny andron’ny famelan-keloka (Yom Kippour), ka izay no angatahan’ny mpivavaka ny famindram-po mba hohamarinina hibanjina ny Endrik’Andriamanitra sy hivoky amin’ny tavany rehefa mifoha.
Ny fitokisana ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika no nolazain’i Md Paoly fa antoka ho an’ny Kristianina: i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika tamin’ny fahasoavany, ny fanalana alahelo mandrakizay sy ny fanantenana tsara, no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra! Io no foto-pampianarana sy foto-pinoana iorenan’ny fanantenana. (optatif aoriste, fait ponctuel).
Ny hifampivavahana (ary tokony hifampitondra am-bavaka) dia ny mba handrosoan’ny Tenin’Andriamanitra, izay ny antony tokana. I Md Paoly moa sady mivavaka ho an’ny Tesalonisiana no mangata-bavaka amin’izy ireo mba ho afaka amin’ny olon-dratsy sy ny olona mahasosotra. Ny nadika ho olon-dratsy moa dia πονηρός poneros, izany hoe ny olona tsy mazava fo ka mitera-doza ny fiaraha-miasa aminy noho izy mivadibadika; ny hoe mahasosotra kosa indray, ἄτοπος (a-topos), dia ny olona tsy mipetraka amin’ny toerana tokony hisy azy ka mazava loatra fa manakorontan-javatra fotsiny. Tsy olona entanin’ny finoana manko ny olona toy izany ka tsy hampandroso ny fitoriana ny Evanjely fa ho zary vato misakana ihany.
Ny ho mari-pototra sy haharitra no faniriana averimberin’i Md Paoly ho an’ny Tesalonisiana fa heveriko fa ho antsika rehetra ihany koa, ary ny fizorana mahitsy ho any amin’ny Fitiavan’Andriamanitra Ray sy ny faharetana nanehoan’i Kristy Zanany izany fitiavana izany no lalana tokana hahafahana maharitra. Tsy ezaka vitan’ny sentosenton’olombelona anefa izany fa fahasoavana mila angatahana am-pinoana sy faharetana amin’Izy Andriamanitra ihany, ary izany fahasoavana izany ihany no hahafahana mijoro ho vavolombelona tsy mivadika, indrindra raha tojo ny fitsapana mihatra aman’aina tahaka ireo fito mirahalahy tantarain’ny Bokin’i Makabeo.
Ny fahaizana manisa ny andro, izany hoe ny fahatsiarovana fa misy farany ity fiainana “fandalovana” ity dia mampianatra antsika hahalala ny tena fahendrena, hoy ny Salamo 89, 12. Dia mazava loatra fa raha faniriana ny hitohizan’ny fiainam-pahasambarana efa nandramana amin’ny fiombonana aina amin’Andriamanitra no andrasana aorian’ity fiainana ity, dia hanova hatramin’ny fomba fiainana ny “anio” izany. Fa arakaraka ny fiheverantsika ny fahafatesana ihany koa no hiheverantsika koa ny fiainana: ao ny manao izay hitazomana ny aina ka tonga hatramin’ny fikirizam-biby hihazona azy (lazain’ny teny frantsay hoe acharnement thérapeutique); ao ireo maniry ny fahafatesana satria vesatra ny miaina; ao kosa ny misaotra an’Andriamanitra amin’ny fanomezany ny ainy ka manao ho antom-pivelomany ny fisaorana Azy.
Amin’ny Evanjely ankalazaintsika androany, momba ireo Sadoseana [mifanohitra amin’ny Farisiana, mitsipaka ny fitandremanana ny Lalàna ankoatra izay voasoratra ao amin’ny Boky dimin’i Moizy izy ireo, nanana anjara manokana amin’ny Fikarakarana ny Tempoly ary niavaka amin’ny tsy finoany ny momba ny zavatry ny lanitra : fitsangana-ko velona, fanahy, anjely, jereo Asa 26, 6-8] (Lk 20, 27-40) nampiasa ny Lalàna lévirat, avy amin’ny teny latinina levir izay nandikana ny teny ebrio jabam (zaodahy…), natao indrindra mba tsy hahafaty taranaka ny fianakaviana, mba hamelo-maso ny anaran-dray, hahafahana manantena fa avy ao no mety hipoiran’ny Mesia hanavotra an’Israely. Ho an’ny Sadoseana dia porofo hanoherana ny tsy fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana izany.
Ny lalàna Lévirat moa (jereo Det, 25, 5-10/ na Jen 38 momba an’i Tamar na Rt 4 izay nitatra ho an’ny olona ivelan’ny fianakaviana aza) no nentin’izy ireo hanaporofoana ny tsy fisian’ny fitsanganan-ko velona. Amin’ny fanehoana izany anefa dia misy fampianarana vitsivitsy azontsika tsoahina amin’ny fitantaran’i Lioka. Ny fanambadiana dia tsy fanatanterahana lalàna na sanatria fombafomba ataon’ny olona ka dia mba atao koa. Safidy malalaka mba hanohizana ao amin’ny taranaka ny fanehoam-pitiavana ifamatoran’ny mpivady ny fanambadiana. Ny fifankatiavana tena izy izay ifotoran’ny mariazy dia ny fanomezan-toky fa tsy afaka ny ho sambatra ivelan’ny fitsinjovana ny fahasambaran’ilay notiavina ary izany fikatsahana ny fahasambarany izany no mampisy heviny ny fiainana ka handaniana azy. Lazain’ny Tononkira dia Tononkira aza, amin’ny famaranana fa ny fitiavana dia ny filazana amin’ilay malala mba hihazakazaka, handositra (בָּרַח barach) hanahaka ny gazela (Tonk 8, 14), raha izay no fahasambarana ho azy.
Mazava loatra araka izany fa tsy afaka mipetraka ny resaka “propriété”, ny ho an’iza, ao amin’ny fitiavana marina. Ary raha sanatria mipetraka izany, tahaka ny lazain’Andriamanitra amintsika tsirairay avy, dia mba hilazana hoe : Aza matahotra, ahy ianao, vonona ny ho faty ho amin’ny fahasambaranao aho.
Ao ambadiky ny tsy finoana ny fiainana mandrakizay dia mazava loatra fa fampandriana eritreritra amin’ny fomba fiainana ho an’ny Sadoseanina, satria mpanan-karena izy ireo, ary ny tsy hahavery sy hiarovana ny hareny no ao ambadiky ny fomba fisainana rehetra. Rehefa ny harena no mibahan-toerana ao am-po dia tonga fitaovana hanangonan-karena hatramin’ny olona, ary mazava loatra ho an’ireo Sadoseanina fa fananana ravehivavy. Ny dikan-teny ananantsika moa tsy manavaka ny teny ampiasaina. Ho an’ireo Sadoseana, ireo fito lahy dia samy “nanana” (ἔσχον αὐτὴν γυναῖκα and. 33, ἔχω echo, manao azy ho fananana) an-dravehivavy avokoa. Ho an’i Jesoa kosa, teny hafa no ampiasain’i Md Lioka amin’ny filazana ny mampiakatra sy ampiakarina (γαμέω gameo sy ἐκγαμίσκω engamisko) entina hilazana ny fifanoloram-pitiavana hifamaliana ao amin’ny fiainan-tokantrano.
Raha ny marina dia sarisarin’ireo Sadoseanina ihany ny zava-miseho, ka ny fahihirana sy ny fikajiana ny harena mba hireharehana fa tsy hamokarana, ny fanaovana azy ho fananana fa tsy ho fitaovana dia fahamombàna ihany. Rehefa tsy ampiasaintsika hamokarana ny fiainana omen’Andriamanitra antsika, sy izay fanomezana hafa rehetra ampiarahany amin’ny aina dia fahamombana ihany izany, ary izay mpandova ny fananan’ny hafa ka tsy mampiasa izany amin’ny fanaovan-tsoa dia mbola momba ihany koa, tsy hamela taranaka ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Any amin’ny fitsanganan’ny velona, araka izany, tsy mipetraka ny fanontaniana hoe ho an’iza ravehivavy, satria any amin’ny fanjakan’ny fitiavana dia samy mahatsapa fa zanaka tian’Andriamanitra isika, ka ambony lavitra noho ny maha-mpivady ny maha-mpiray tampo, handova ny fanjakana.
Izany no ambaran’i Jesoa mazàva fa Andriamanitry ny Velona ny Andriamanitsika. Manamafy ny iraka (mission) nahatongavany ihany koa izany : Tonga aho mba hanananareo ny fiainana, ary hanananareo azy amin’ny hafenoana (jereo Jn 10,10). Izay rehetra mahatsapa araka izany fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina sy ny harena rehetra dia hampiasa izany ho fiombonan-kiraka amin’i Jesoa: ho mpampita sy mpikolokolo ny aina.
Raha tsy misy ny Fiainana mandrakizay, dia atao izay hameloma-maso ny rahalahy mba haharetan’ny aina ao amin’ny taranany, sao mba amin’ireo taranaka ireo no hipoiran’ilay Mesia nampanantenaina hahazoana ny fiainana. Mazava loatra araka izany, ho an’ny Sadoseana, fa izay maha-metimety ny fiainana eto an-tany no atao, tsy ilaina ny mampitombo Lalàna sy ny forongony. Ho an’i Jesoa anefa, tsy tokony hihanona fotsiny amin’ny fitandremanana ny Didy mba hananana ny fiainana mandrakizay, antsoiny isika mba hizotra ny fiainam-pahalavorariana (Lk, 18, 18-27).
Mifototra amin’ny fandalinana ny Tenin’Andriamanitra anefa izany rehetra izany. Aza adino ny nolazain’i Jesoa tamin’ireo Sadoseana ireo : “Moa tsy diso hevitra ve ianareo ny amin’ny tsy fahafantaranareo ny Soratra masina sy ny Fahefan’Andriamanitra?” (Mk 12, 24). Asain’i Jesoa hijery tsara ireo zavatra roa ireo isika : ny Tenin’Andriamanitra na ny hoe fahafantarana ny Soratra Masina (Joany 5) sy ny Fahefan’Andriamanitra fototry ny fahavelomana mandrakizay (Fahendrena 15). Tsy hataontsika antsirambina araka izany ny hivavaka mba handroso faingana ny Tenin’Andriamanitra ary hankalazaina hatraiza hatraiza araka ny nanafaran’i Md Paoly antsika, indrindra amin’ny fanahafana azy amin’ny asa soa sy fitiavana (Vakiteny II).
Izay tsy mahalala ny Soratra Masina, tsy mahalala an’i Kristy hoy i Md Jerome, mamporisika antsika izany hankafy ny famakiana sy ny fandalinana ny Soratra Masina, hampitombo ny Finoantsika Azy, ilay loharanon’ny fiainana (Jn 11, 25). Ny fihaonana Aminy, dia tokony hitondra mandrakariva fiovana eo amin’ny fìtondran-tena, tahaka an’i Zake voalaza tamin’ny heriny.
Tsy fandaminan-tsaina ny amin’ny tahotra ny fahafatesana sanatria ny finoantsika ny Fitsangana-ko velona, fa kosa vokatry ny faniriana hanohy ny Fiainana maha-zanaka ao amin’Andriamanitra izay efa santarintsika sahady amin’ny finoana (Joany 6) ary havaozintsika isan’andro ao amin’ny Eokaristia ankalazaintsika, izay manambara ny Misterin’ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona.