Sabotsy faha-31 mandavantaona
- Ankasa Filipy 4, 10-19/Salamo 111
- Tsy ankasa Romana 16, 3-9.16.22-27/Salamo 144
- Md Lioka 16, 9-15
Καὶ ἐγὼ ὑμῖν λέγω, ἑαυτοῖς ποιήσατε φίλους ἐκ τοῦ μαμωνᾶ τῆς ἀδικίας, ἵνα ὅταν ἐκλίπῃ δέξωνται ὑμᾶς εἰς τὰς αἰωνίους σκηνάς, izay azo adika koa toy izao: Koa lazaiko marina aminareo, aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo namana handray anareo any amin’ny tranolay mandrakizay rehefa hanjavona (ἐκλίπῃ = eklipsa = tsy hita intsony) ireo harena ireo (Lk 16, 9). Ny fampiasana ny fitantanana tsy marina ataontsika amin’ity fiainana ity araka izay dia azo araraotina tsara mba hampisy heviny ny fiainantsika eo anatrehan’Andriamanitra, miala amin’ny mety ho fakam-panahin’ny fanangonana (Lk 12, 21) ho amin’ny fahalalaham-po hampiasa izay rehetra eo am-pelatanana mba hanasoavana ka hampadio ny zavatra rehetra hahafahana mahita Azy (Lk 11, 41) sy manahaka Azy (Lk 6, 36).
Raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? (Lk 16, 12) Mazava fa tsy antsika ny harena, tsy tompony isika fa mpamerin-doha, tsy misy hitondra izay nangoniny hanaraka azy rehefa hiala amin’ity tany ity. Tsy midika anefa izany fa hoe tsy araka ny toe-tsaina kristianina ny tombam-pananana faritan’ny lalàna (droit de propriété). Ho an’izay mandàla ny maha-kristianina azy dia ezaka atao mandrakariva ny tsy hampiraikitra ny fo amin’ny haren’ny tany. Tsy ny lazaina hoe “dualisme” hampifanoherana ny vola sy Andriamanitra anefa izany, ka hanao ohatra ny vazivazy hoe “tsy misy afaka hanompo Tompo roa” no atao hiran’ny rakitra ka sady mitaty ihany no milaza hoe aleo ho anay ny vola dia ento ho anareo Andriamanitra! Tsy azo adinoina ny tenin’i Tacite (55-120?) hoe : “Matoa mitombo ny lalàna, midika izany fa miha-be ny zavatra tsy mandeha”, ary nambaran’i Md Paoly fa tsy ny fanarahan-dalàna no hanamarinana antsika fa ny Finoana izay ambony noho ny lalàna : “hanaraka ny lalàna am-pitiavana mba hahatonga ny fitiavana ho lalàna”. Ny vola aman-karena dia fitaovana nomena antsika hahafahana miaina amin’ny maha-izy antsika.
Raha tsy antsika io harena io, na dia misoratra amintsika aza, inona ary no antsika? Ny maha-izy antsika : olombelona nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra, kanefa tsy ho feno fatra izany, hoy i Md Joany (1Jn 3, 2) – izay amafisin’i Paoly koa ao amin’ny 1Kor 13, 12 – raha tsy any amin’ilay mifanatri-tava amin’Andriamanitra. Ny Fanjakan’ny Lanitra no harena tokana manaraka an’izay hita ho mendrika ny maha-zanaka.Ny fahamalinana amin’ny fampiasana ny harena araka izany dia manampy antsika hahatsiaro mandrakariva ny tenin’i Jesoa hoe: Sarotra ho an’ny Mpanan-karena ny miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Lk 18, 24-27), sarotra satria an’ny mahantra (miharitra ny rariny am-paharetana ka antsoina hoe zanak’Andriamanitra) ny fanjakan’ny lanitra, tsy afaka ny hiditra any izay tsy tonga sakaizan’ny mahantra, torohevitry ny Evanjely anio izany.
Inona tokoa moa ny soa ho azon’ny olona raha manana izao harena rehetra izao izy mba holovain’ny hafa rehefa miala ety (Sal 48)? Mampandinika ahy ny tenin’i Mb Teresa de Calcutta hoe: “Izay tsy ilaiko dia mavesatra amiko, ka omeko ny mahantra”… Firy amintsika no mahafoy izay tsy ilainy mba hanasoavana ny hafa? Angamba mety hanamarin-tena hoe “mba hitsinjovana ny vodiandro ho merika”!
Ao amin’ny fampianarany (GS 69) dia milaza ny Fiangonana hoe : “aoka tsy amin’ny ambim-bava fotsiny no hanampiana ny mahantra.” Mbolq amafisin’i Papa François amin’ny hafany ho an’ny andron’ny Mahantra (2021) izany. Mitaky fahafoizana ny asa fanasoavana. Tsaroantsika ilay zaza nandany ny haren-dRainy tamin’ny vehivavy janga sy ny filibàna… fa nahatsiaro ilay fitiavana nasehon-drainy ho an’ny mpiasa ao an-trano ka niverin-dalana. Raha tohizana ny fandinihan-tena dia tsy maintsy hanontany tena isika hoe manakory tokoa moa ny fampiasana ny harena nomena hotantanantsika? Hanasoavana ny hafa ve sa entina hisehosehoana sy hanjakazakana ihany, na sanatria entina hanafenana ny kileman’ny tena araka ny lazain’i Kardinaly M. Martini hoe: “ny fisehosehoana amin’ny harena, ny fahefana, ny mety ho fahatokisan-tena na ny fahasalamana na ny asa tsy misy farany dia fomba ihany entina hanafenana ny fangitakitahana anaty izay tsy hita ny hifehezana azy”[1].
Mila mandini-tena mandrakariva isika sao miala tsiny tsy manana raha ny amin’ny asa hanasoavana nefa miliba sy mirobaroba rehefa hiala voly sy hikoràna.
Fanamavoana ny anaran’Andriamanitra izay mety ho fireharehana amin’ny haren’ny tany. Tsy fanamarinan-tena eo anatrehan’ny olona fa fitantanana araka an’Andriamanitra no hahafahantsika manandrana ny hafaliana maha-zanaka, ka ny fitovizana Aminy amin’ny fanaovan-tsoa no fanompoana Azy. Tsy azo adinoina ny tenin’i Md Paoly tamin’i Timote hoe “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra (1 Tim 6, 10).
Hahay hanandrana ny hafaliana maha-zanaka izay hany harena tokana omena ho lovantsika mandrakizay anie isika.
[1] (http://harilova.blaogy.com/post/182/3209)