Talata faha-31 mandavantaona
- Ankasa Filipy 2, 5-11/Salamo 21
- Tsy ankasa Romana 12, 5-16/Salamo 130
- Md Lioka 14, 15-24
Nantsoin’i Jesoa hiezaka hiditra amin’ny varavarana ety ny mpianany. Amin’ny fitantaran’ny Evanjely anio anefa dia hoe irahiny ny mpikaramany mba hampandroso izay rehetra hitany teny amin’ny kihon-dalana rehetra mba hameno ny trano fihinanana. Ny fandraisana anjara amin’ny Fanasana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra no mahasambatra. Saingy indraindray, ny avonavona sy ny fiheveran-tena ho manan-kaja sy manan-katao no handavana ny Fanasana ho any. Ny fiarian-karena, ny varotra hitadiavana tombony ary ny hafinaretana hilibana vokatr’izany no tanisain’i Lioka ho sakana.
Asain’i Jesoa manova ny lisitry ny olona hasaina ilay Farisianina, ary na izy aza dia manasa ny olona rehetra mba hameno ny efitranony. Ho an’ny mpanan-karena dia ny havitsian’ny olona mitavana kanefa handaniana be no mampanan-daza ny fety; ho an’Andriamanitra kosa, ny hahafeno ny trano nomaniny ho an’ny zanany rehetra no mahafeno fatra ny hafaliany. Tsy sakana tsy hahafeno ny trano ny mety ho kilema na sampona napetraky ny fiaraha-monina, nentina hanavakavahana.
Tsy manery anefa Izy. Ambaran’i Lioka fa miandalana ny fiantsoany: ho an’ny vahoaka voafidy (Israely), ho an’ireo madinika sy fadiranovana nokarakarain’i Jesoa manokana sy nantsoiny ho mpianany (Apôstôly) ary ho an’ny olombelona rehetra (Fiangonana). Na ny fomba fiasan’Andriamanitra aza anefa dia mivoatra araka izany: 1- miangavy, mampandre, 2- mitondra an-tanana ary 3- manery ny olona rehetra mba hahafeno ny trano fihinanana. Na ireo izay nandà aza moa ve, rehefa tavela any ivelany, hanirery any, tsy ho tonga “madinika sy voaikikilika” koa, ka ho voataona ho ao ihany!
Tsy afaka ny hiditra ao anefa izay mbola feno avonavona. Tsy afaka ny hidera sy hisaotra an’Andriamanitra izay mihevi-tena ho mahavita sy mieboebo ho tompon’antoka amin’ny zavatra vitany, izay mihevitra fa tsara kokoa ny mandeha mambony na ny mandeha hivarotra, na ny hanam-bady noho ny handray anjara amin’ny fihinanam-be, kanefa ny olona rehetra kosa efa lasa any ka raha voninahitry ny tena no tadiavina dia hanirery any ivelany any ihany amin’izany.
Ampahatsiahivin’i Md Lioka tany amin’ny toko faha-13 hoe handondòna ny varavarana ihany ireo mandà rehefa hitsangana hanidy ny varavarana ny tompon-trano (Lk 13, 25). Tsy hipetraka hihinana anefa izy, raha mbola misy zanany any ivelany. Raha ny mpanota aza ve itadiavany ny fomba rehetra hovonjena, mainka fa ny marina!
Ny Eokaristia no Fanasana iantsoan’Andriamanitra antsika mba handray anjara amin’ny hanina homaniny ho antsika. Tsy ho sanatria ny fitiavantsika ny zavatry ny tany, na ny fitadiavantsika tombom-barotra na sanatria ny hafinaretana mandalo no hanakana antsika tsy higoka ny hasambarana santarintsika sahady amin’izany fanasana izany.