Alahady faha-31 tsotra mandavantaona
Ny heloka ibaboana mody rariny.
- Fahendrena 11, 23 – 12, 2
- Salamo 144
- 2 Tesalônika 1, 11 – 2, 2
- Md Lioka 19, 1-10
Ny vavaka dia tsy fifaninanana amin’ny hafa loatra fa fifanatrehana amin’Andriamanitra, izay domina eo amin’ny tratra satria monina ao anatintsika nosafidiany ho Tempoliny. Io no fampianarana naroson’ny Evanjely tamintsika tamin’ny alahady faha-30 nitantara ilay Farisiana sy Poblikana. Amin’izao vanimpotoana izao koa moa no ankalazantsika ny fetin’ny olomasina rehetra sy ny Fahatsiarovana ireo nodimandry.
Mivavaka isika ary miezaka ny hampifanaraka ny fiainana amin’izany fivavahana izany : tsy fangatahana fotsiny araka izany ny vavaka fa “fiainana”, “tolona fa tsy sento”, hoy G. Navone, manamafy ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika. Ny famantaran’ny hazofijaliana ataontsika (indrindra ho fanombohana ny andro) dia misy heviny rehefa zakaintsika am-pitiavana ny fijaliana atolotry ny fiainana mba hijoroantsika ho vavolombelon’ny fitiavana. Tsy midika anefa izany fa Andriamanitra tia ny hijaliantsika ny Andriamanitsika. Fitiavana Izy, ary asehony antsika isan’andro vaky izany fitiavany antsika izany.
Atolony antsika ho “sazy antonony” ny sedra eo amin’ny fiainana mba hanatsarantsika ny fiainana (Vakiteny I : Fah 11, 23– 12, 2). Tsy ny sazy loatra fa ny fitiavana manko no manova ny fo, ka raha tsy tsapan’izay ahitsy ny fitiavana azy dia ho fiforetana anaty fa tsy ezaka mba hiova no hokotrehiny ao am-pony. Izay mahatsapa kosa fa ny soa ho azy no hamelan’Andriamanitra ny fitsapana hidòna amin’ny fiainana dia tsy afaka ny tsy hisaotra Azy. Fisaorana lavorary ataon’izay efa nanarin’ny fiainana ny Vakiteny I. Tsy mahagaga moa satria anisan’ny Lahatsoratra voasoratra farany ao amin’ny Testamenta Taloha ny Boky Fahendrena (50 a-C) ka ahitana taratra ny finoan’ny Vahoaka Israely efa miha-matotra ka mamaky ny tantarany am-pankasitrahana feno (fiandohan’ny toko 10 izay mitantara hatramin’ny fahariana izao tontolo izao), ary mahatsapa ny halehibeazan’Andriamanitra izay mitia ny olombelona tsinontsinona, toy ny zavatra faran’izay bitika ambony mizàna, toy ny ando maraina indray mitete latsaka amin’ny tany (Fah 11, 22)
Tsara ho tadidiana fa hatsarana no hitan’Andriamanitra teo amin’ny zavaboary nohariany (Jen 1) ary izany hatsarana izany no mbola hiantsoany antsika koa, hihavao hatrany na eo aza ny fahalemena sy ny fahotana, mba hiala amin’ny haratsiana ka hino Azy Tompo (Vak I). Eo amin’izao tontolo izao dia ny fanapotehana na ny famaizana ny fahavalo no entina maneho ny hery, ho an’Andriammanitra kosa dia ny famindram-po no ahenoany ny heriny, ary ambaran’ny Boky Fahendrena mazava fa tsy mifanaraka amin’ny hery sy ny fahamarinan’Andriamanitra ny manameloka izay tsy mendrika famaizana (Fah 12, 15) ary ny fahitana ny fahavalo voasazy tsy araka izay nandrasan’ny Zanak’Israely dia ambarany mazava fa mba hianarana ny hamoram-pon’Andriamanitra rehefa mitsara ary mba hanantena ny indrafony rehefa hotsaraina (Fah 12, 22).
Manohy izany fiderana an’Andriamanitra izany ny salamo setriny (Sal 144). Ny tena fideràna dia sady miverimberina isan’andro no mandrakizay, ary izay mahatsapa fa antra sy mangoraka ny Tompo (Eks 34, 6) dia tsy afaka ny tsy hidera sy hisaotra Azy. Ny fiderana moa no fisaorana lavorary, eulogia, ka ny fitanisana ny fitiavan’Andriamanitra sy izay ataony amin’ny voariny rehetra no fanomezam-boninahitra Azy lehibe indrindra. Azontsika atao, araka izany ny manaza-tena sy maka fotoana mba hitanisana ny nataon’Andriamanitra ho antsika dia hihira tahaka ny Mpanao salamo hoe: avia ianareo mba higaga ny asan’ny Tompo, avia jereo ity nataony ho ahy… (Sal 65).
Tompo tia ny fanahin’ny olona Andriamanitra (Fah 11, 26), Tompo tia ny aina (Baiboly 2011 δέσποτα φιλόψυχε BGT), ka mazava loatra fa izay rehetra tsy mitandro, tsy manaja ary tsy mikolokolo ny aina dia tsy mifanaraka amin’ny fomban’Andriamanitra. Tsy mahagaga ary raha toa ka ny hananan’ny ondry ny fiainana sy mba hananany azy amin’ny hafenoana no antony nahatongavan’i Jesoa (Jn 10,10), ary izany no hiantsoany ny mpianany rehetra mba handray anjara amin’ny fikolokoloana ny tontolo mba hampivelatra ny olona rehetra sy ny olona manontolo.
Anisan’izany ireo kristianina tany Tesalonika, izay naorin’i Md Paoly sy ny mpiara-dia taminy tamin’ny dia misionera faharoa taorian’ny nandalovany tany Filipy. Araka ny voalazan’i Md Lioka anefa dia Sabata telo no niadiany hevitra tamin’ny Jody tao Tesalonika (jereo Asa 17) ka mazava loatra fa katesizy telo herinandro izany no mba natao tamin’ireo tonga mpino kristianina. Izany no ilàna ny vavaka tsy mihato ataon’ny mpitory, satria tsy afa-misaraka ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra sy ny faniriana tsara ao amin’ny olombelona: isika no manatanteraka fa Andriamanitra kosa no manome hery hanatanterahana sy mampamokatra ny ezaka.
Izany no tantarain’ny Evanjely amintsika: ny faniriana hahita an’i Jesoa tao amin’i Zake dia novalian’Andriamanitra tamin’ny fiantranoana tao aminy: vokatr’izany ny fibebahana marina izay ndeha hodinihantsika.
I Zake, ilay tantarain’i Lioka antsika ao amin’ny evanjely (Lk 19, 1-10) dia nahatsapa ny fitiavan’ilay tonga mba hamonjy ny very. Misy milaza fa izy no ilay nody tao an-tranony nohamarinina, voalazan’ny Evanjely tamin’ny heriny.
Lehiben’ny poblikana ilay Zake (זַכַּי Zakkay, ilay “tsisy fangarony”, raha Zakak no fototeny; ilay “tsy nohadinoina” kosa raha Zakar), lehiben’ireo mamoritra ny vahoaka amin’ny fandoavana ny hetra ho an’ny mpanjana-tany, mpanakarem-be ary any Jerikô izy no nitoetra, any amin’ny toerana heverina fa iva indrindra eto ambonin’ny tany, amin’ny faritra avaratra antsinanan’i Jerosalema, hiampitana ny Joridany avy amin’ny faritr’i Gad, toerana nidiran’ny zanak’Israely koa avy ho amin’ny “tany nampanantenaina”, toerana nahazoan’izy iroe ny Tsodranon’i Balaama izay nasain’i Balak hanozona azy noho ny tahotra (vakio ny Boky Fanisana 22 fa hatramin’ny ampondra miteny ao).
Ity tantaran’i Zake ity no entin’i Lioka mamaly ny fanontaniana fa na dia sarotra aza ny idiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’ny Lanitra, satria sady tsy voavonjy araka ny Lalàna i Zake noho izy mpamadika tanindrazana (mitaky hetra ho an’ny mpanjana-tany), no sady mpanankarena mila loza, araka ny Evanjely. Hain’Andriamanitra kosa anefa ny mitari-dalana ny toa azy (fa ny olon-drehetra koa) ho amin’ny lalam-pamonjena, hainy ny mamaly ny fanirian’izy ireo ho sambatra, fa izy ireo koa hitady ny fomba rehetra hahitana an’i Jesoa, hihaino ny feony, ka manaiky hidina faingana mba hanatanteraka izay andidiany, hanomana ny hahatongavany.
Mety ny fahenoana ny fahasitranan’ilay Jamba nangataka ny hahita (ἀναβλέπω anablepo) teo amin’ny sampanana mankany Jerikô no nanosika an’i Zake haniry hahalala an’i Jesoa (Lioka 18, 35ss). Mety ho izy mihitsy koa aza no ilay jamba, tsy nahita ny famindram-pon’Andriamanitra mba te hiala amin’ny fahazara-dratsy nefa tsy mahita ny fomba hialana, ka nangataka (teny ivelan’ny lalana) mba ho afaka hiandrandra ka hahita ny lalana tokony hizorana sy ny hahatsinjo lavitra, hahita ny tanjona tokony hotratrarina. Tsy ny mason’ilay mpangataka ihany manko no afaka nijery lavidavitra kokoa, hijery ny zavatra any ambony, fa ny an’i Zake ihany koa. Manaka antsika tsy hahita an’i Jesoa anefa ny fitsiriritan-karena sy fahefana amam-boninahitra. Saingy izay manana faniriana tena izy dia mahita ny fomba rehetra hanatanterahana izany.
Tsy ny ho hita fa ny mba hahita no nihanihan’i Zake ny amontana.
Raha dinihina hoy i Md Augustin dia ny hazon’ny fiainana no niakaran’i Zake. Ny tampon’ny Kalvery no toerana tsy maintsy nolalovany. Izay te hahalala an’i Jesoa dia mihazakazaka mialoha azy, manaiky fa izay tia ny Ray dia tsy handà ny hizotra ho any Jerosalema, na dia ho kapoaka mangidy aza no hosotroina any. Any amin’ny toko 23 dia lazain’i Lioka fa tonga eo amin’io toerana io i Jesoa (Lk 23, 33), teo no niandrandra izy (ἀναβλέπω anablepo) mba hijery ny olombelona rehetra, araka ny voalazan’i Md Paoly hoe niala (κενόω kenoo) tamin’ny fomba maha-Andriamanitra, nietry ho ambany indrindra mba hanandratra ny olon-drehetra.
Araka izany fivoasan’i Md Augustin azy izany, izay te hahita marina an’i Jesoa, izay te hahalala azy dia tsy maintsy hiakatra eo ambonin’ny hazo nifantsihany. Amin’ny fitondrantsika ny hazofijaliana eo amin’ny fiainana andavanandro no hahalalantsika bebe kokoa an’i Jesoa ilay arahintsika.
Na dia ny fanirinantsika ihany aza no irintsika ho tanteraka, dia asehon’Andriamanitra kosa ny fitiavany hilazany fa mahita ny olon-drehetra izy, eny fa na dia izay miafina ao anatin’ny ravin’amontana aza. Tsy manakana ny mason’Andriamanitra hijery antsika ny fitangoronan’ny vahoaka sy ny habetsahan’ny olona izay sady tonga aloha no avo sy ranjanana miohatra amintsika. Izay maniry hahita an’Andriamanitra marina tokoa dia hanehoany ny tena toetrany: hitady sy hamonjy ny very.
Amin’ny Eokaristia raisintsika isaky ny lamesa dia miangavy amintsika mandrakariva i Jesoa mba hiantrano ao am-pontsika. Miangavy antsika mba hidina faingana hanomana ny fandraisana Azy tsy misy hatak’andro. Tsy misy alaharo alaharo manko ny famonjena. Mila mihazakazaka mba hihanika ny amontana, mba hahalala bebe kokoa ny momba Azy, mba hamaliana ny faniriana hahalala Azy, kanefa miankina amin’izay fanapahan-kevitra raisintsika isaky ny avy mampiantrano Azy kosa no hahalalana na navelantsika hiasa na tsia ny famonjena efa miditra ao an-tranontsika : toa an’i Zake ve ka hahafoy ny antsasaky ny fananana ho an’ny mahantra ary hanonitra avo efatra heny ny fananan’olona nalaina tsy an-drariny?
Tsy ampy ny asa fivalozana atoron’ny Pretra. Izay tena mibebaka marina tokoa, dia hahita fomba hanehoany ny asan’ny finoany, ka haneho amin’ny fanapahan-kevitra matotra ny dingam-piainana handraisana anjara amin’ny fanehoana fa fitiavana Andriamanitra. Raha izay mandray an’i Kristy ao an-tranony rehetra no hanolotra ny antsasaky ny fananany ho an’ny mahantra, raha izay rehetra milaza fa mibebaka no manonitra ny zavatr’olona nalaina tsy an-drariny, eny fa na dia tsy asiana fanonerana avo inefatra heny aza, fivoarana manakory no entin’izany eo amin’ny fiaraha-monina misy azy?
Manosika antsika hiova fiainana ny Eokaristia satria fihaonana amin’ilay Fitiavana mambabo ny fo, izay miantso antsika “haniry ny tsara sy hikatroka ny asan’ny finoana” (vakiteny II : 2Tes 1,11 – 2,2). Ny fahasoavana tovozin-tsy ritra ao amin’io Sakramenta io no toky hahatsapantsika fa “antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana” (Sal 144) ka tsy ho kivin’ny kileman’ny tena, ary tsy ho sanatria ho tofoka amin’ny fahalemen’ny hafa fa hanadra-bavaka tahaka an’ilay Poblikana nohamarinina tany an-tranony (Lk 18, 9-14) hanao hoe : Mamindrà fo amiko Tompo o! fa koa tsy ho sasatra hanadra-bavaka toa an’i Md Paoly hitalaho ho an’ny hafa mba samy hihaina ny fiainam-pinoana avy ny tsirairay.
Ny Poblikana sy ny mpivarotena no efa hialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’ny Lanitra (Mt 21,31). I Zake sy Rahaba (Josoe 6, 17ss), satria nanaiky ny fahosany ka natoky ny herin’Andriamanitra manafaka ny vahoakany. Samia ary mandini-tena amin’izay fihovana tandrify azy rehefa avy nampiantrano an’i Jesoa ao am-pony amin’ny Fandraisana anjara amin’ny Sorona masina.