Zoma faha-30 mandavantaona
- Ankasa Filipy 1, 1-11/Salamo 110
- Tsy ankasa Romana 9, 1-5/Salamo 147
- Md Lioka 14, 1-6
Ny toko faha-13 sy 14 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka dia mahavaky loha raha dinihina amin’ny antsipirihiny: ny varavarana ety (Lk 13, 24) saingy tian’ny Ray kosa mba ho feno ny efitrano fihinanana ka tereny hiditra ao avokoa ny olon-drehetra (Lk 14, 23). Amin’ny Evanjely anio anefa dia tiany ny mitantara ny Sabata farany niainan’i Jesoa, niarahany nihinana tamin’ny loholon’ny Farisianina iray. Manaiky ny hifampizara ny mofon’izao tontolo izao Izy mba hahafahany manolotra antsika kosa ny mofon’ny fiainana (mbola hataony amin’i Zake koa io).
Voaasa hihinana ao amin’ny fanasana ny olona rehetra, satria ny hanina dia miantoka ny aina. Tian’Andriamanitra ho velona ny olona. Tonga mba hamelona antsika i Jesoa ary tonga mba hahatonga lafatra ny aina ao amintsika (Jn 10, 10). Nisy lehilahy iray manirano anefa, izany hoe mibinabina feno rano ny vatany (ὑδρωπικός hydropikos), mangetaheta lava kanefa arakaraka ny hisotroana no mampibinabina ka mazava loatra tsy afaka ny hiditra amin’ilay “varavarana ety”. Mety hilazana ilay Farisiana mieboebo ambaran’i Lioka any amin’ny toko faha-18 io (Lk 18, 11ss). Fa na iza na iza, dia mila sitranina. Ny andro anefa Sabata. Hanao izany tahaka ny nataony tamin’ilay vehivavy maty tanana ve izy (Lk 6, 6ss) sy ilay vehivavy nanjoko tsy afa-nitraka (Lk 13, 10-17)?
Tsy ny Farisianina ihany anefa no ametrahan’i Jesoa ny fanontaniany fa ny mpampianatra ny lalàna koa: azo atao ve ny manasitrana ny andro Sabata? Ho azy ireo kosa, na ny famaliana an’i Jesoa aza tsy nataony akory. Fa i Jesoa kosa nanasitrana ary nanafaka ilay nabontsin’ny rano nosotroiny, namaha ny fatorany (ἀπολύω apolyo) ka namela azy handeha. Ambony noho ny lalàna rehetra manko ny lalàn’ny fitiavana.
Tsy didy fa fety no vonjentsika ny alahady. Ny Lalàn’i Moizy manko dia manoro mba hitandrina ny Sabata ka hanamasina azy, didy nomen’YHWH mba hahatsiarovana ny nanavotany ny vahoakany tamin’ny fanandevozana tany Ejipta (Det 5, 15). Isika kosa dia mankalaza ny Pakan’i Kristy, ny fandreseny ny fahafatesana sy ny fahotana, ka manamasina izany amin’ny fampifanarahana ny fo amam-panahy amin’izany fandresena izany.
Hahatonga antsika ho taratry ny fitiavan’i Kristy maty fa nitsagan-ko velona anie ny fankalazantsika ny andro alahady sy ny fanolorana Sorona Masina.