Alatsinainy faha-29 mandavantaona
- Ankasa Efezy 2, 1-10/Salamo 99
- Tsy ankasa Romana 4, 20-25/Lioka 1, 69-75
- Md Lioka 12, 13-21
“Famintinana marina tokoa ny Evanjely manontolo ny Fivavahan’ny Tompontsika” (Tertullien). « Tamin’ny nampitan’ny Tompo ho antsika io rijan-tenim-pivavahana io, dia nampiany hoe : “Mangataha, dia hahazo ianareo” (Jn 16,24). Ny tsirairay àry dia samy afaka manondrotra vavaka samihafa any an-danitra araka ny ilainy, nefa ny anombohana lalandava izany dia ny Vavaky ny Tompo, izay mitoetra ho vavaka fototra ». (KFK 2761)
Ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika, amin’ny famintinana ny Fizarana fahatelo mikasika ny fiainam-pinoana fa ny faniriana ny fahasambarana tena izy no manafaka ny olombelona amin’ny firaiketam-po tafahoatra amin’ny haren’ity tany ity, mba ho tanteraka ao anatin’ny fahitana sy hasambaran’Andriamanitra izany. « Mihoatra ny hasambarana rehetra ny fampanantenana hahita an’ Andriamanitra. Ao amin’ny Soratra Masina, ny hoe “mahita” dia “mahazo” no heviny. Izay mahita an’Andriamanitra dia nahazo ny soa rehetra izay azony nosaintsainina » (Grégoire de Nysse). Saingy amin’ny andavanandrom-piainana dia tsy izany loatra no miseho.
Zava-poana dia zava-poana hoy ny Mpitoriteny (Mpitory 1, 2-23, Qoèlet avy amin’ny קָהַל) zava-poana (הֶבֶל hebel fofon’aina, sento tokana) ny hisasarana raha tsy ho fanorenana izay maharitra mandrakizay. Izany no amafisin’i Md Paoly amin’ny taratasiny hoe : katsaho ny zavatry ny lanitra (Kol 3, 1-11). Izany fikatsahana ny zavatry ny lanitra izany anefa dia tsy mamela antsika hidonanam-poana fa hisikim-ponitra hiady amin’i Amaleka (עֲמָלֵק `Amaleq, izay mitoetra amin’ny tany lemaka), tahaka an-dry Moizy sy Josoe (Eksaody 17, 8-13).
Tsara ny mitadidy ny tenin’ny mpanoratra nanamarika ny fanabeazana teto Madagasikara, i E.D. Andriamalala, anisan’ny olomangan’ny fanoratana nianarana fahiny tao amin’ny Ilay vohitry ny Nofy hoe: raha hadihadiana ny loharanon’ny harem-be rehetra dia loto sy fotaka avokoa no miboiboika avy ao. Miankina amin’izay heverintsika ho harena anefa izany. Ilay olona nangataka tamin’i Jesoa ho vavolombelona amin’ny fizarana ny lova, lazain’ny Evanjely anio, dia manambara antsika ny toe-tsaina indraindray mahazo antsika koa, izany hoe manao an’i Kristy sy ny Fiangonany ho antom-pivelomana, na mihevitra azy ho mpitsara hamaly soa ny olo-marina ary hanafay ny mpangalatra sy ny ratsy fanahy. Tsy mpizara lova izy fa “pontifex”, pontifice, tetezana mampiray antsika amin’ny Ray, amin’ny lova iombonana aminy ka mampiombona antsika samy isika koa. Ny Papa koa dia antsointsika hoe “Pontif Romain”, satria izy no mampiombona antsika amin’ny Fitiavan’i Kristy.
Ny te hanana misimisy kokoa noho ny hafa no mahamay indraindray. Soa ihany fa tsy miankina amin’izay fananany ny ain’ny olona, hoy Jesoa. Mety ho fiononana ho an’ny mahantra izany, na tsy mahafoana ny fijaliana vokatry ny tsy fahampiana aza izany. Ambaran’ny Evanjely mazava anefa fa ny harena ao amin’Andriamanitra ihany no maharitra mandrakizay. Ny vavaka, raha atao araka ny tena izy, dia tokony hampiròna mandrakariva ny saina amam-panahy amin’ny fikatsahana ny haren’ny lanitra na dia miondrika mampiasa ny zava-mandalo aza.
Ny lova no manambatra ny taranaka, ka raha adino ny fitiavan’ny raiamandreny niaviana izay nihary azy dia hanjary fototry ny ady ny zara lova. Ho an’i Abrahama, nino an’Andriamanitra, dia namela an’i Lôta hisafidy ny anjara lova tiany (Jen 13, 1-12). Fantatsika anefa fa ny tany lemaka nosafidian’i Lôta no nivadika ho Gômôra, nolevonin’ny afo noho ny fahalovan’ny mponina tao. Ampahatsiahivin’ny salamo 89 isika hahay hanisa ny androntsika ka hampiròna ny fo ho amin’ny fahendrena.
Mbola zarina amin’ny “sens des autres” ve ny zaza ankehitriny, ka rahefa misy fizarana zavatra dia ny fitsinjovana ny ao aoriana sao tsy mahazo no himasoana voalohany? Fanabeazana tokony hovohizina any anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina izany fifampitsinjovana izany, ary tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny Kristianina.
Toa zary nofy anefa ny harem-panahin’ny Ntaolo, milaza fa “aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana”, kanefa izany no fototry ny “valala iray hifanapahana”. Indrisy fa “ny vola no maha-rangahy” ka te ho rangahy ny ankamaroany, dia adino fa ny rangahy koa mety hiaran’ny fahafatesana. Dia ho an’iza ary izay novorìny?
Hifampitondra am-bavaka isika mba hahaizantsika mandalanjanja ny fampiasana ny haren’ny tany, fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana (Salamo 126) ho tonga rakitra maharitra ho lovaina any amin’ny mandrakizay.