Alahady faha-29 mandavantaona Taona D
Mahareta hanana ny soa
- Eksaody 17, 8-13/Salamo 120
- 2 Tim 3, 14 – 4, 2
- Md Lioka 18, 1-8
Ny Vakiteny I dia mampahatsiaro ny “ady ataon’ny Tompo amin’i Amaleka amin’ny taona mifandimby” satria naninji-tanana hanohitra ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ireo (Eks 17, 16). Ny Amalesita moa, dia ny taranak’i Amaleka, Zanak’i Eliafaza avy amin’i Timà, zafikelin’i Esaò (izay matetika antsoina hoe Edom), rahalahin’i Jakoba, ilay niady ny fizokiana taminy, izay niorim-ponenana tamin’ny faritra atsimon’i Kanaana. Voalaza fa tao Refidima no nanafihany ny Israelita nivoaka avy any Ejipta, izany hoe tamin’ilay nitsotsòtra (rafad) niala sasatra iny izy ireo. Famelezana tampoka araka izany. Ampahatsiahivin’ny Det 25, 17-19 moa izany.
Mialoha io fitantarana io anefa ny fitantarana ny hamafisan-dohan’ny Israelita izay naka fanahy an’Andriamanitra tao Masà sy Meribà, ary efa noresahantsika niaraka tamin’ny Salamo 94 tamin’ny Alahady 27 D.
Mbola hiverenantsika izany rehefa avy eo fa andeha aloha hojerena ny halalin’ny hafatra navelan’i Md Paoly ho an’i Timote sy ny Eglizin’i Efezy ary ho antsika koa mamaky ny Taratasy ankehitriny.
Avy mampahatsiahyan’i Timote i Paoly fa izay te hiaina araka an’Andriamanitra (εὐσεβῶς) dia hoenjehina (2 Tim 3, 12). Izahay trinitera moa mandritra ny herinandro hiomananay amin’ny fankalazana an’i Kristy Mpanavotra (23 Oktobra) dia mivavaka manokana ho an’ireo izay miharitra fanenjehana noho ny finoana, ary mivavaka mba ho an’ny fahafahana mamalaka mivavaka sy maneho ny finoana (liberté religieuse). Mampatahotra koa anefa ny lazain’i Paoly fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka dia handroso miharatsy hatrany, sady mamitaka ny hafa no voafitaka (and. 13).
Manoloana izany toe-javatra izany no hiverenany mampahatsiaro an’i Timote ny soa azo avy amin’ny fahalalana ny Soratra Masina hatry ny fony kely, Soratra Masina izay manana hery hampita ny fahendrena izay mitondra amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra, dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba ho lavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.
Izao no angatahiko aminao, eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany: Mitoria (κηρύσσω kerysso, être un héraut) ny teny, ary mahareta amin’izany (ἐφίστημι ephistemi, izany hoe aoka ho eo foana, araka ny hafatry ny Papa ho an’ny andro hivavahana ho an’ny misiona 2022 hoe tsy hanatontosa iraka fotsiny fa hivelona ny fanirahana eo amin’izao tontolo izao) na amin’ny fotoana (εὐκαίρως, fotoana tsara) na tsy amin’ny fotoana (ἀκαίρως, hors saison): Loza raha tsy mitory ny Evanjely (1 Kor 9, 16), manitsia (ἐλέγχω elegcho), mananara (ἐπιτιμάω epitimao, izany hoe fananarana mikendry ny soa sy atao am-panajana), mamporisiha (παρακαλέω parakaleo), amim-pandeferana (μακροθυμία makrothymia) sy amim-pahaizana (διδαχή didache) mandrakariva.
Ny tohin’ny taratasy dia mampiditra antsika amin’ny zava-misy ametrahan’ny Evanjely fanontaniana. Ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana marina intsony, hoy Md Paoly, fa mpampianatra araka ny hiriany no hovoriany sy hahalian-tsofina azy, ka hanetsi-tadiny amin’ny marina izy ireo fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana (2 Tim 4, 3-4).
Manoloana ny fahafahan’ny ratsy fanahy mikiribiby amin’ny haratsiany sy ho afaka hampijaly ny olo-marina sy ny tsy manan-tsiny, dia toa mihozongozona ihany ny finoantsika, ary tsy vitsy ny olona no kivy ka manary toky ary mivari-lavo amin’ny lalana mamitaka ihany koa.
Tsy azo adinoina fa anisan’ny sedra mafy indrindra amin’ny fiainam-pinoana ny fahanginan’Andriamanitra, ary sarotra ho an’izay mbola tsy niaina azy ny hahatsapa izany. Ireo voasedra kosa ka mandresy dia miantsa lalandava ny Salamo 22, izay nolazain’i Md Marka koa fa nohirain’i Jesoa manoloana ny fahafatesany eo ambony hazofijaliana: Eloy, Eloy, lamà sabaktany? (Mk 15, 34).
“Rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana ety an-tany Izy?” Tsaroako ny tenin’i Jesoa tamin’ilay boka samaritana sitrana tamin’ny heriny (Lk 17, 19) hoe “Ny Finoanao no nahavonjy anao”, ny finoana hahazoana famonjena, finoana izay azo lazaina fa ilay fahaizana mankasitraka amin’ny soa noraisina, fankasitrahana ilay loharanom-pamonjena ka niverenan’ilay Samaritana sitrana tamin’ny habokany mba hiankohoka amin’ilay tena Mpisorona marina. Na izany aza anefa, tsy tokony hihanona amin’ny mana milatsaka avy any an-danitra isika, mila mitalaho ihany koa, mila mivavaka lalandava sy am-paharetana (Evanjely Lioka 18, 1-8).
Hoy ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika: “Sady fanomezam-pahasoavana ny fivavahana no valin-teny raikitra avy amintsika. Mila ezaka lalandava ny mivavaka. Ireo mpivavaka malaza ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha teo alohan’i Kristy, ary koa i Maria Renin’Andriamanitra sy ireo olomasina miaraka Aminy, dia mampianatra antsika fa tolona ny vavaka. Tolona amin’iza? Tolona amin’ny tenantsika ihany sy tolona amin’ny hafetsen’ny Mpaka fanahy izay manao izao rehetra izao hampivily lalana ny olona tsy ho amin’ny fivavahana, tsy ho amin’ny firaisana amin’Andriamaniny. Tahaka ny fomba fiainana ihany no hivavahana, satria tahaka ny fomba fivavahana ihany no hihainana. Raha tsy tian’ny olona ny hanao izany matetika araka ny Fanahin’i Kristy, dia tsy ho afaka velively koa izy hivavaka amim-pahazarana amin’ny anarany. Tsy azo sarahina amin’ny tolom-bavaka ny “adim-panahy” amin’ny fiainam-baovao ny kristianina” (KFK 2725).
Izany no tsy hisarahan’ny Vavak’i Moizy sy ny tolona natrehan’i Josoe, satria ady tokana no atrehina.
Tsy ny fahaizana mankasitraka ihany araka izany no maneho ny finoana fa ny fanetren-tena hitalaho ihany koa. Ny faharetana mangataka manko dia manambara ny tsy fananana toky hafa azo hianteherana intsony. Tsy midika ho fanaovana filan-tsy mahita an’Andriamanitra anefa izany, ka tsy hidodododo any Aminy raha tsy efa niala nenina tany an-kafa! Mazàna manko, ataon’ny olona ho Fitaovana Andriamanitra (Bouche-trou) ka rehefa afa-nenina ny fahefan’olombelona (fahaizana, vola aman-karena…) vao mitodi-doha any amin’ilay Andriamanitra fiononana: tsy fitokiana izay fa fialana nenina! Fitokisana manko ny Finoana, nefa mety ho izay koa no lalana hitondran’Andriamanitra antsika any Aminy.
Ny fakam-panahy matetika indrindra, miafina indrindra, dia ny tsy fahampian’ny finoantsika. Malefadefaka kokoa ny fisehon’ny fakam-panahy amin’ny tsy finoana raha miohatra amin’ny fisafidianana ny atao. Rahefa manomboka hivavaka isika, dia indro fa asa na ahiahy maro tsy tambo isaina, heverina ho maika, no miseho ho laharam-pahamehana ; avy eo indray, ny fisehon’ny fahamarinan’ny fo sy ny fitiavany ny zavatra nosafidiana. Mbetika isika mitodika any amin’ny Tompo ho fangataham-bonjy farany : nefa inoana ho izany marina ve ? Mbetika isika mandray ny Tompo ho namana, nefa ny fo mbola ao anatin’ny hambo. Amin’ny toe-java-miseho rehetra anefa, ny tsy fahampian’ny finoantsika no manambara fa tsy mbola manana toe-po manetry tena isika : “Raha tsy Izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jo 15,5) [KFK 2732]. Raha vavaka plivava fa tsy miloatra avy ao am-po, hoy Md Augustin, dia ho fandaniana andro fotsiny ihany.
Asain’ny Evanjely isika mba hivavaka lalandava sy am-paharetana. Ny teny ampiasain’i Md Lioka moa hilazana izay am-paharetana izany dia ἐκκακέω (enkakeo), raha ny marina dia tsy hoe am-paharetana loatra fa hoe ny fitozoana mivavaka dia hitahiry ny fontsika lavitry ny ratsy (κακός kakos) ka tsy hanova antsika ho mafy fo, hasiaka na hahavanon-doza mihitsy aza, satria hoe toa tsy henoina.
Tsy manery fa miandry am-pitokiana ilay mason’ny mpivavaka lazain’ny Salamo miandra any an-tendrombohitra miandry vonjy amin’ny Tompony, maso vonton’ny finoana sy ny fitokisana, eo ampamisavisana ny soa ataon’ny Tompo amin’ireo matoky azy : miambina lalandava amin’ny ratsy rehetra (Sal 120).
Izany fitokisana izany no ambaran’ny Boky Eksaody ihany koa (Vakiteny I Eksaody 17, 8-13) : Taorian’ny fitsapana manoloana ny hanoanana ka nahazoana ny mana (Eks 16; mofo/vato), sy manoloana ny hetaheta ka nahazoana ny ranon’i Masa (מִסָּה Massah, fitsapana) sy Meriba (מְרִיבָה Meriybah, fikomiana) (Eks 17, 1-7/soif de pouvoir), ilay tanan’i Moizy misandratra, manome fandresena ho an’ny Israelita nanohitra an’i Amaleka (עֲמָלֵק `Amaleq, izay mitoetra amin’ny tany lemaka), dia manambara ny tsy hitokisan’izy ireo amin’ny herin’ny sabatra na amin’ny fahaiza-miady fa amin’ny fanampian’Andriamanitra asehony amin’ny alalan’ny Mpanompony mivavaka (Eks 17, 8-13/Andriamanitry ny aina).
Ahoana no anekena ny vavaka ataontsika sy “andairany” ? (KFK 2734) Tsy Andriamanitra sanatria no moana na marenina fa miankina amintsika ihany ny fahazoana na tsia ny valin-dresaka ataony amintsika. Hoy ny Katesizy mampahatsiaro antsika:
“Aza malahelo ianao, raha tsy mandray eo no eo avy hatrany amin’ Andriamanitra izay angatahinao Aminy ; ny sitrany dia ny mbola hanao soa betsaka ho anao ao anatin’ny fitozoanao miara-mitoetra Aminy amin’ny vavaka (Evagre Pontique). Tiany raha sedraina amin’ny vavaka ny faniriantsika. Noho izany, mandrisika antsika handray izay efa nomaniny homena antsika Izy” (Md Augustin) (KFK 2737).
Raha ny fitalahoan’ilay mpitondratena manao lemozy, nataon’i Jesoa ho ohatra hotahafina no raisina, Mpitondratena nentin’i Md Lioka maneho ny Eglizy miatrika ny tsy rariny ataon’ny maty eritreritra moa, dia tsy azo adinoina fa ny rariny no angatahiny. Ny rariny, dia izay mifanaraka amin’ny fahamarinana sy ny sitrapon’Andriamanitra. Mila ahitsy mandrakariva, sao tsy ny sitrapon’Andriamanitra no katsahintsika sy tiantsika ho tanteraka ao amin’ny vavaka ataontsika, ka eo am-piandrasana ny fanatanterahan’Andriamanitra ny rariny omeny antsika, sao sanatria ho very ny finoantsika. Tsy azo adinoina ny fomba itondran’Andriamanitra ny zavaboary: famonjena no andrasana ka zaza no teraka. Saingy sambatra izay manandra-peo fa afaka mandeha am-piadanana mahita ny famonjena ao amin’io Zaza io, tahaka an’i Simeona (Lk 2, 29-32). Tononkiran’ny Mpino mamarana ny andro.
Ndeha hiverenantsika ny Vakiteny faharoa satria manentana antsika hiverina amin’ny maha-Eglizy dia ny fitoriana ny Evanjely hatrany amin’ny faravazantany, tsy araka ny nahim-po na ny fikirizantsika fa hanaiky hankaherezin’ny Fanahy Masina sy hanaiky hotarihiny, araka ny hafatry ny Papa ho an’ny andron’ny Misiona 2022.
Vita Batemy voahiraka isika no mahatsiaro ny hafatr’i Md Paoly amin’i Timote hoe : “Mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany” (Vakiteny II 2 Tim 3, 14 – 4, 2). Adidintsika noho ny Batemy noraisintsika ny mitory ny tenin’Andriamanitra, tsy amin’ny vava loatra fa indrindra indrindra amin’ny fijoroana ho vavolombelona. Ny teny manaitra manko fa ny atao no mahatarika! “Ny olona ankehitriny dia mihaino kokoa ny vavolombelona noho ireo mpampianatra, ary raha mihaino ny mpampianatra aza izy ireo dia noho izy ireo mijoro ho vavolombelona”, hoy Md Paoly VI (Evangelii Nuntiandi n. 41).
Tsy afa-misaraka ny vavaka sy ny tolona, ary tsy afaka misaraka ny Vavaka sy ny asa fanirahana: i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely no mpiaro voalohany ny Misiona, masera tsy niala tao amin’ny monasterany, nanaiky ho “fitiavana” eo anivon’ny Fiangonana ka nanolotra ny fiainany manontolo ho vavaka, ho hery sy tohana an’ny mpitori-teny, tahaka ilay tanan’i Moizy notohanan’i Aarona sy Hora, entina hilazana fa na ny tolona na ny vavaka dia tsy asan’olon-drery fa traikefam-piombonana ho enti-mandrafitra ny vatana tokana miray amin’i Kristy Loha sy Filoha.
Ny hoe Aarona moa dia midika “toerana ambony” (אַהֲרֹן ‘Aharon, ambony toerana, mazàva) ary ny Hora “lavaka, zohy” (חוּר Hur). Izany dia mampahatsiaro ny tenin’ny Eveka iray, Don Tonino Bello nilaza hoe : “Ny fahafaham-po ho anay mpitoriteny dia ny fahatsapan’ny olona fa olombelona izahay” (L’elogio più bello che la gente può fare di noi è dire : è un prete umano”) : ny maha-olombelona (hery sy kilema // Aarona sy Hora) no nentin’i Moizy nivavaka, ary ny fahalemeny tsy nanafoana ny herin’ny fivavahany. Ilaina kosa anefa ny fanohanan’ny mpiara-monina mba haharetana amin’ny fivavahana, mba hisy tanana misandratra hahafahan’ny mpino miandrandra vonjy.
Ho an’ny Mpitoriteny, hoy i Md Augustin, dia tokony hahay hiresaka amin’Andriamanitra, mialoha ny hiresaka momba an’Andriamanitra, “orator sit orator, antequam dictor” – izay mpitory dia tokony ho mpivavaka ihany koa (dikan’ny orator avokoa manko ny hoe mpitoriteny sy ny hoe fivavahana). Samia ary mandinika ny fiainany, mandinika ny toerana omena an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana, fa handinika koa ny toerana nametrahan’Andriamanitra antsika ho vavolombelon’ny fitiavany, hahatonga ny Eglizy misionera tanteraka, ka na amin’ny fanohanana ny vavaka, na amin’ny fandraisana anjara amin’ny tolona, dia tsy hifanjàna na hifampialona (Fanisana 11, 29) fa hiombon-kafaliana amin’ny fandresen’i Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana.