Sabotsy faha-26 mandavantaona
- Ankasa Joba 42, 1-17/Salamo 118
- Tsy ankasa Baròka 4, 5-29/Salamo 78
- Md Lioka 10, 17-24
Ny valisoan’izay manaiky ho iraka dia ny hafaliana amin’ny fandraisana anjara amin’ny asam-pamonjena. Izay mahita ny “vokatra marobe” ihany anefa no afaka mifaly ka manadino ny harerahana sy ny mety ho fijaliana niaretana. Faly ny Mpianatra satria resy ny demony: mandray anjara amin’ny fandresen’i Kristy koa ny mpianany. Faly izy ireo satria nomen’Andriamanitra ny olona indray ilay fahasoavana nahariany azy, ka tsy hisy hampaninona azy intsony ny herin’ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny fahavalo rehetra. Fa ny antom-pifaliana lehibe indrindra, hoy i Jesoa dia satria efa voasoratra any an-danitra ny anaran’ireo manaiky ho mpianany, tonga fianakavian’Andriamanitra, mpiray lova amin’ny olomasina (Efezy 2, 19.22).
Araka izany, tsy hoe any an-danitra akory vao ho faly ny mpianatra. Tsy valisoan’ny soa vita ny lanitra fa fiainam-pahasambarana kosa atolotry ny Ray hiainan’ny zanany rehetra, eny fa na dia aorian’ity fiainana ity ihany aza vao afaka migòka izany amin’ny hafenoany isika, saingy efa afaka manandrana izany sahady dieny ety an-tany. Ho amin’izany fahasambarana izany no anomezan’i Jesoa ny fahefana mba tsy ho simban’ny herin’ny maizina (Fahendrena 1, 14; 2, 24), ka izay mety ho fijaliana ateraky ny fahotantsika sy ny an’ny hafa amin’ity fiainana ity dia tsy hanaloka velively ny hafaliana ateraky ny Evanjely (Asa 5, 41).
Amin’ny anaran’i Jesoa no mampanaiky ny demony sy handresena azy. Nomen’i Jesoa fahefana ny Apôstôly, fahefana (ἐξουσία exousia) moa no mitovy amin’ny Shaltan (araméen), niavian’ny sultan (Soltân) ampiasain’ny “musulmans”. Ny fahefany feno no ampitain’i Jesoa amin’ny mpianany. Amin’ny anaran’i Jesoa no mahatonga ny mpianatra ho mpitondra fiadanana marina ka hiantso ny Fanahy Masina na dia ho an’ny olona nifandrafy taminy taloha aza (Asa 8, 15-17).
Ny andininy 21-22 kosa dia milaza in-dimy ny Ray, in-telo ny Zanaka ary indray mandeha kosa ny Fanahy Masina. Antsan-karavoana ataon’ny Zanaka amin’ny fitsinjovan’ny Ray manokana ny madinika, nanehoany ny tsiambaratelon’ny fanjakany, izany hoe ny fananganan’Izy Ray antsika rehetra ho zanany ao amin’i Kristy, nanaiky hidina hatrany amin’ny “afobe” (hades) mba hanavotra an’i Kafarnaoma. Hafaliana ao amin’ny Fanahy Masina, Ain’Andriamanitra, izany ka tsy azon’ny olombelona hotakarina amin’ny hoza-dohany.
Amin’ny alalan’i Kristy ihany no hahafahantsika mahalala ny Ray ka ho sambatra amin’izany fahalalana azy izany, io no fiainana mandrakizay (Jn 17). Ny fibanjinana Azy sy ny fihainoana ny Teniny no lalam-pahasambarana ho antsika, satria mandio ny endrik’Andriamanintra tompointsika ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’izany. Ny hazavany no hahafahantsika mibanjina ny hazavana (Salamo 36, 10) ka hahatonga antsika koa ho fahazavan’izao tontolo izao.
Hitombo ao amintsika anie ny faniriana sy finiavana hihaino, handalina sy hiaina ny Tenin’i Kristy, hahalalantsika bebe kokoa ny Ray ka hizorantsika ny lalam-pahasambarana atorony ho an’izay mino.