Talata faha-26 mandavantaona
- Ankasa Joba 3, 1-23/Salamo 87
- Tsy ankasa Zakaria 8, 20-23/Salamo 86
- Md Lioka 9, 51-56
Any amin’ny toko faha-7 dia i Joany no nandefa iraka mba hanontany raha i Jesoa no Mesia na hafa no mbola tsy maintsy andrasana. Izy manko mbola any an-tranomaizina, kanefa hanafaka izay voagadra rehetra ihany koa no ahatongavan’ny Mesia. Hafa noho izay heverin’ny olona anefa ny endrik’ilay Mesia irak’Andriamanitra. Ny Evanjely anio dia manambara ihany koa ny toetsaina mbola mila ahitsy ao amin’ireo mpianatra mikasika an’i Kristy.
Antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa eo amin’izao tontolo izao.
Raha ampitahaina ny Lk 9, 51 [ Ἐγένετο δὲ ἐν τῷ συμπληροῦσθαι (συμπληρόω – efa ho tanteraka) τὰς ἡμέρας (pluriel)τῆς ἀναλήψεως (ascension) αὐτοῦ] sy ny Asa 2, 1 [Καὶ ἐν τῷ συμπληροῦσθαι τὴν ἡμέραν (singulier) τῆς Πεντηκοστῆς (Pentecôte)], dia ny andro ahatanterahan’ny fiakaran’i Jesoa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina no lazain’i Lioka. Ny amin’ny fiakarana (ἀναλήψεως) dia andro maro no voalaza, heverina fa entina hilazana tsy ny hateloan’andron’ny Paka ihany fa ny lalana mbola hataony, hanadiovany ny fo amam-panahin’ny Apostoly. Izao no lazain’ny KFK momba io fiakarana io:
“Ary Izaho rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olombelona rehetra hanatona Ahy” (Jo 12,32). Ny fanandratana teo amin’ny Hazofijaliana dia midika sy milaza ny fanandratana amin’ny Fiakarana any an-danitra, izay izany no fanombohany. I Jesoa-Kristy, Mpisorona tokan’ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, dia tsy “niditra tao amin’ny fitoerana masina nataon-tanan’olombelona (…), fa any an-danitra, mba hiseho ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika” (Heb 9,24) [KFK 662].
Lazain’i Lioka fa nanapa-kevitra hankany Jerosalema i Jesoa. Ny matoateny στηρίζω (sterizo) moa dia manambara ny fanapaha-kevitra hentitra, tsy miverin-dalana, entina ilazana fa fantatr’i Jesoa tsara ny zavatra miandry Azy any, ary raha adika ara-bakiteny ny teny grika ampiasain’i Lioka dia hoe nanamafy ny “tarehiny” Izy mba hiakatra any Jerosalema[1]. Ilay endrika maha-zanaky ny Ray Azy no namafisiny ary ny haneho izany amin’ny hafenoany no antony iakarany, ary manoloana izany endrika maha-zanaky ny Ray Azy izany no anirahany ireo iraka hanomana ny hiaviany.
Any Samaria no andehanan’ireo iraka, tanàna nentina nilazana ny fahalotoan’ny fifandraisan’Israely tamin’Andriamanitra, saingy tsy nety nandray azy ny olona satria ho any Jerosalema no fijeriny Azy. Eto koa anefa i Md Lioka no manomana antsika fa i Jesoa no ilay Samaritana, notsinotsinoavin’ny olona, ka hiakatra avy eo Jerikao mba ho any Jerosalema, hamonjny sy hitondra ho amin’ny fiainana izay rehetra sisam-patin’ny fahotana satria nandositra ny tanànan’ny fiadanana (Jerosalema cf. Lk 10, 29-37).
Amin’izay fandavan’ny Samaritana izay ihany koa anefa dia efa misy hafatra ampitain’ireo Apostoly, voairaka aoriana kely mba hitory amin’ny firenena rehetra. Tsy ny ho eken’ny olon-drehetra no maha-Mesia ny Mesia fa na ny olona efa nailiky ny jody aza, nanilika Azy koa.
Manoloana izay “fanambaniana” atao ny Mesia izany, dia mirehitr’afo ny fon’i Joany sy Jakoba, ireo izay maniry ny toerana voalohany, eo an-kavanana sy eo ankavian’ny Mesia, rehefa mby ao amin’ny voninahiny ka mangataka mba ho potehin’ny afo avy an-danitra izay tsy mandray ny teny.
Mazava ny hafatr’i Jesoa ho Azy ireo: tonga hamonjy ny zanak’olona fa tsy hamery. Na dia nankany amin’ny vohitra hafa aza izy ireo, hilazana fa mahasakana ny fiakarana any Jerosalema ny fandavana tsy handray ny iraka, dia any Samaria no mbola hanirahan’i Jesoa ireo Apostoly ireo (Asa 1, 8) ary ireo samaritana ireo ihany koa no faly nidera an’Andriamanitra rehefa nandray ny Tenin’Andriamanitra notorian’i Filipo (Asa 8, 4).
Hanadio ny fiheverantsika ny momba an’Andriamanitra anie ny fandinihantsika isan’andro ny Teniny ka hahitantsika ao amin’ny hazofijalian’i Kristy ny famirapiratan’ny voninahiny.
[1] αὐτὸς τὸ πρόσωπον αὐτοῦ ἐστήριξεν τοῦ πορεύεσθαι εἰς Ἱερουσαλήμ.